LAHATSORATRA FIANARANA 26
Vonona Foana ho Amin’ny Andron’i Jehovah
“Ho avy hoatran’ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’i Jehovah.”—1 TES. 5:2.
HIRA 143 Andao Hiambina, Hiandry, ary Hiasa
HO HITANAO ATO a
1. Inona no tsy maintsy ataontsika mba ho tafavoaka velona amin’ny andron’i Jehovah isika?
ILAY fotoana hitsaran’i Jehovah ny fahavalony sy hamonjeny ny vahoakany no atao hoe “andron’i Jehovah” ao amin’ny Baiboly. Efa nampihatra ny didim-pitsarany izy taloha. (Isaia 13:1, 6; Ezek. 13:5; Zef. 1:8) Mbola misy “andron’i Jehovah” koa amin’izao. Hanomboka izy io rehefa ringanina i Babylona Lehibe, ary hifarana amin’ny ady Aramagedona. Mila miomana dieny izao isika raha te ho tafavoaka velona amin’io “andro” io. Tsy ampy anefa ny miomana ho amin’ny “fahoriana lehibe.” Nampianarin’i Jesosy koa hoe tsy maintsy “vonona foana” isika hiatrika azy io.—Mat. 24:21; Lioka 12:40.
2. Nahoana no mahasoa antsika ny 1 Tesalonianina?
2 Nampiasa fanoharana maromaro ny apostoly Paoly ao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Tesalonianina, mba hanampiana ny Kristianina ho vonona foana ho amin’ilay andro lehibe hampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany. Fantatr’i Paoly hoe tsy ho tonga tamin’izany io andro io. (2 Tes. 2:1-3) Nampirisika an’ireo rahalahiny anefa izy mba hiomana, ka hihevitra azy io ho hoatran’ny hoe ho tonga rahampitso. Tokony hampihatra an’io torohevitra io koa isika. Andao àry isika handinika ny fanazavany an’ireto: 1) Ahoana no hahatongavan’ny andron’i Jehovah, 2) iza no tsy ho tafavoaka velona amin’izy io, ary 3) ahoana no hiomanantsika mba ho tafavoaka velona isika?
AHOANA NO HAHATONGAVAN’NY ANDRON’I JEHOVAH?
3. Nahoana no ho avy hoatran’ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’i Jehovah? (Jereo koa ny sary.)
3 “Hoatran’ny mpangalatra amin’ny alina.” (1 Tes. 5:2) Io no voalohany amin’ireo sarin-teny telo nampiasain’i Paoly, tamin’izy niresaka ny fotoana hahatongavan’ny andron’i Jehovah. Matetika ny mpangalatra no manao zavatra haingana sady amin’ny alina, satria amin’iny ny olona no tsy manampo na inona na inona. Hamely tampoka koa ny andron’i Jehovah, ka tsy hanampo an’izany ny ankamaroan’ny olona. Na ny tena Kristianina aza mety ho gaga hoe haingana be ny fitrangan’ilay izy. Tsy ho ringana hoatran’ny ratsy fanahy anefa isika.
4. Nahoana no hoatran’ny vehivavy mihetsi-jaza ny andron’i Jehovah?
4 “Hoatran’ny vehivavy manaintaina tampoka rehefa mihetsi-jaza.” (1 Tes. 5:3) Tsy afaka milaza mialoha ny vehivavy miandry andro hoe rahoviana marina izy no hihetsi-jaza. Azony antoka anefa hoe hitranga izany. Rehefa mitranga tokoa ilay izy, dia ho tampoka, hanaintaina, ary tsy ho azo ajanona. Tsy fantatsika koa ny andro sy ora hanombohan’ny andron’i Jehovah. Azontsika antoka anefa hoe ho avy izy io, ary ho tampoka sy tsy ho azo ialana ny fotoana hampiharany ny didim-pitsarany amin’ny ratsy fanahy.
5. Nahoana ny fahoriana lehibe no ampitovina amin’ny maraina vao mangiran-dratsy?
5 Hoatran’ny maraina vao mangiran-dratsy. Mbola miresaka momba ny mpangalatra amin’ny alina i Paoly ao amin’ilay fanoharany fahatelo. Hafa indray anefa no tiany hasongadina. Toa nampitahainy tamin’ny maraina vao mangiran-dratsy ny andron’i Jehovah. (1 Tes. 5:4) Mety ho variana be ny mpangalatra rehefa mangalatra amin’ny alina, ka tsy ho hitany hoe mandeha be ny fotoana. Mety ho tratran’ny maraina àry izy, ka hiharihary ny asa ratsiny. Hoatr’izany koa fa hampiharihary ny asa ratsin’ny olona ny fahoriana lehibe. Hoatran’ny mpangalatra mijanona ao anaty haizina mantsy ry zareo, ka mikiry manao zavatra tsy ankasitrahan’Andriamanitra. Isika kosa miezaka ny ho vonona ka tsy manao izay tsy tian’i Jehovah. Asehontsika eo amin’ny fiainantsika “izay rehetra atao hoe hatsaran-toetra sy fanaovana ny marina ary fahamarinana.” (Efes. 5:8-12) Mampiasa fanoharana roa mitovitovy i Paoly avy eo mba hiresahana an’ireo tsy ho tafavoaka velona.
IZA NO TSY HO TAFAVOAKA VELONA AMIN’IZY IO?
6. Nahoana ny ankamaroan’ny olona no lazaina hoe matory? (1 Tesalonianina 5:6, 7)
6 “Izay matory.” (Vakio ny 1 Tesalonianina 5:6, 7.) Noharin’i Paoly tamin’ny olona renoky ny torimaso ireo tsy ho tafavoaka velona amin’ny andron’i Jehovah. Tsy mahalala an’izay mitranga manodidina azy na ny fandehan’ny fotoana ny olona matory. Tsy hitany àry izay zava-dehibe mitranga sady tsy afaka manao zavatra mifanaraka amin’izany izy. Matory ara-panahy koa izao ny ankamaroan’ny olona. (Rom. 11:8) Tsy raharahian-dry zareo ny porofo hoe efa “andro farany” izao, ary kely sisa dia ho tonga ny fahoriana lehibe. Mety hifoha amin’ny torimasony ihany ny sasany rehefa misy zava-dehibe mitranga eran-tany, dia lasa liana kely amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana. Betsaka anefa no miverina matory fa tsy mifoha foana. Misy mba mino an’izany andro fitsarana izany ihany, nefa eritreretiny hoe mbola ho ela izany. (2 Pet. 3:3, 4) Isika kosa mahalala fa vao mainka tokony hifoha foana isika isaky ny mandalo ny andro tsirairay, araka ny lazain’ny Baiboly.
7. Nahoana no hoatran’ny olona mamo ireo hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra?
7 “Ny mpimamo.” Nampitovin’i Paoly tamin’ny mpimamo ireo hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra. Mihanahana be ny olona mamo rehefa misy zavatra mitranga manodidina azy. Tsy mahay manapa-kevitra koa izy. Hoatr’izany ny ratsy fanahy. Tsy manaraka ny fampitandreman’Andriamanitra ry zareo. Izay ataony ihany no ataony, na dia mahatonga azy ho ringana aza izany. Ny Kristianina kosa ampirisihina mba hisaina tsara foana. (1 Tes. 5:6) Izao no anazavan’ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly ny atao hoe ‘misaina tsara’: “Mandanjalanja sy mandinika raharaha iray amin’ny saina tony sy milamina, mba hahafantarana ny tena zava-misy momba ilay izy, ka handraisana fanapahan-kevitra mety.” Nahoana isika no tsy maintsy tony sy tsy taitaitra? Amin’izay isika tsy midikiditra amin’ny adihevitra momba ny politika sy ny fiaraha-monina. Vao mainka hotaomin’ny olona hiandany amin’izany mantsy isika, arakaraka ny anatonan’ny andron’i Jehovah. Tsy tokony hanahy anefa isika hoe ahoana no hatao. Afaka manampy antsika ho tony sy hilamin-tsaina ny fanahin’Andriamanitra, ka handray fanapahan-kevitra tsara isika.—Lioka 12:11, 12.
AHOANA NO HIOMANANTSIKA HO AMIN’IZY IO?
8. Oharina amin’inona ireo toetra hanampy antsika hifoha sy hisaina tsara foana? (1 Tesalonianina 5:8) (Jereo koa ny sary.)
8 Anaovy ny ‘fiarovan-tratra sy ny fiarovan-doha.’ Oharin’i Paoly amin’ny miaramila mailo tsara sy efa nametaka ny fitaovam-piadiana rehetra isika. (Vakio ny 1 Tesalonianina 5:8.) Tokony ho vonona hiady ny miaramila am-perinasa, na rahoviana na rahoviana. Hoatr’izany koa isika. Vonona foana ho amin’ny andron’i Jehovah isika, ka ataontsika fiarovan-tratra ny finoana sy ny fitiavana ary ataontsika fiarovan-doha ny fanantenana. Tena hanampy antsika ireo toetra ireo.
9. Nahoana ny finoana no miaro antsika?
9 Niaro ny fon’ny miaramila ny fiarovan-tratra. Miaro ny fontsika an’ohatra koa ny finoana sy ny fitiavana. Hanampy antsika hanohy hanompo an’Andriamanitra sy hanara-dia an’i Jesosy ireo. Ny finoana no mahatonga antsika hatoky fa hamaly soa antsika i Jehovah, rehefa mitady azy amin’ny fo manontolo isika. (Heb. 11:6) Handrisika antsika tsy hivadika amin’i Jesosy, ilay Mpitarika antsika, koa izy io, na dia tsy maintsy hiaritra ny mafy aza isika. Ahoana àry no hatao raha te hanana finoana bebe kokoa, ka hahavita hiatrika olana? Afaka mianatra avy amin’ireo Kristianina amin’izao isika. Tsy nanaiky hivadika ry zareo, na dia nenjehina na sahirana ara-bola aza. Tsy ho matimatin-karena koa isika, raha manahaka an’izay nanatsotra ny fiainany mba hanaovana loha laharana an’ilay Fanjakana. b
10. Nahoana no manampy antsika hiaritra ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiava-namana?
10 Tena ilaina ny fitiavana raha tiantsika ny hifoha foana sy hisaina tsara foana. (Mat. 22:37-39) Ny fitiavana an’Andriamanitra no hanampy antsika hanohy hitory, na dia mety hahitantsika olana aza izany. (2 Tim. 1:7, 8) Tiantsika na dia ny olona mbola tsy manompo an’i Jehovah aza, ka tohizintsika ny fitoriana ary iasantsika foana ny faritany. Mitory an-telefaonina sy an-taratasy mihitsy aza isika! Manantena isika hoe hiova ny olona indray andro any, ka hanomboka hanao ny tsara.—Ezek. 18:27, 28.
11. Nahoana ny fitiavana ny mpiara-manompo no manampy antsika? (1 Tesalonianina 5:11)
11 Tiantsika koa ny rahalahy sy anabavintsika, ka miezaka “hifampahery sy hifanampy foana” isika. (Vakio ny 1 Tesalonianina 5:11.) Mifampahery foana isika, hoatran’ny miaramila mifanohana any an’ady. Mety ho sendra handratra ny miaramila namany ny miaramila iray rehefa tena mafotaka ny ady. Mazava ho azy anefa fa tsy ho fanahy iniany mihitsy izany! Hoatr’izany koa isika. Tsy hanao fanahy iniana handratra ny fihetseham-pon’ny rahalahy sy anabavintsika isika, na hamaly ratsy ny ratsy. (1 Tes. 5:13, 15) Maneho fitiavana koa isika rehefa manaja an’ireo rahalahy mitarika ao amin’ny fiangonana. (1 Tes. 5:12) Mbola tsy ampy herintaona ny fiangonana tany Tesalonika tamin’i Paoly nanoratra an’io taratasy io. Azo inoana àry hoe mbola tsy ampy traikefa ireo rahalahy voatendry tao, ary mety ho nanao fahadisoana. Mendrika ny hohajaina anefa ry zareo. Mihamanakaiky ny fahoriana lehibe, ka mety hoe mila miantehitra amin’ny anti-panahy ao amin’ny fiangonantsika mihoatra noho ny hatramin’izay isika, mba hahazoana tari-dalana. Mety tsy ho afaka hifandray amin’ny Foibe sy ny biraon’ny sampana intsony mantsy isika. Tena ilaina àry ny mianatra ho tia sy hanaja ny anti-panahy ao amin’ny fiangonantsika dieny izao. Na inona na inona mitranga, dia andao isika hisaina tsara foana ka tsy hifantoka amin’izay tsy mety ataony, fa hifantoka amin’ny hoe mitarika an’ireo lehilahy manam-pinoana ireo i Jehovah amin’ny alalan’i Kristy.
12. Nahoana ny fanantenana no miaro ny saintsika?
12 Niaro ny lohan’ny miaramila ny fiarovan-doha. Miaro ny saintsika koa ny fanantenana famonjena. Rehefa mafy orina ny fanantenantsika, dia lasa tsapantsika hoe tsy misy dikany izay atolotr’ity tontolo ity. (Fil. 3:8) Manampy antsika ho tony sy hilamin-tsaina ny fanantenantsika. Izany no nitranga tamin’i Wallace sy Laurinda. Manompo atỳ Afrika ry zareo. Maty tao anatin’ny roatokombolana ny maman’i Laurinda sy ny dadan’i Wallace. Tsy afaka nody tany amin’ny fianakaviany anefa ry zareo, noho ilay valanaretina COVID-19. Izao no nosoratan’i Wallace: “Manampy ahy hisaintsaina momba an-dry zareo ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. Tsy ireo andro faramparany nahavelomany teto amin’ity tontolo ity anefa no tonga ao an-tsaiko, fa ireo andro voalohandohany hiainany ao amin’ny tontolo vaovao. Manampy ahy ho tony izany rehefa malahelo be aho na manimanina an-dry zareo.”
13. Ahoana no hahazoantsika ny fanahy masina?
13 “Aza vonoina ny afon’ny fanahy.” (1 Tes. 5:19) Noharin’i Paoly tamin’ny afo ao anatintsika ny fanahy masina. Mazoto sy mafana fo hanao izay mahitsy isika rehefa arehitry ny fanahin’Andriamanitra, sady mavitribitrika amin’ny asan’i Jehovah. (Rom. 12:11) Inona no azontsika atao mba hahazoana ny fanahy masina? Afaka mangataka azy io amin’ny vavaka isika, mianatra ny Tenin’Andriamanitra nomeny tamin’ny alalan’ny fanahiny, ary miaraka amin’ilay fandaminana tarihin’io fanahy io. Hanana “ny vokatry ny fanahy” isika raha manao an’ireo.—Gal. 5:22, 23.
14. Inona no tsy tokony hataontsika raha te hahazo ny fanahin’Andriamanitra foana isika? (Jereo koa ny sary.)
14 Tsy maintsy mitandrina isika mba tsy ‘hamono ny afon’ny fanahy’, rehefa nomen’Andriamanitra ny fanahiny masina. Izay madio saina foana sy tsara fitondran-tena ihany mantsy no omeny azy io. Tsy omeny ny fanahiny intsony isika, raha manana eritreri-dratsy sy manatanteraka an’izany. (1 Tes. 4:7, 8) Tsy tokony ‘hanao tsinontsinona ny faminaniana’ koa isika, raha te hahazo fanahy masina foana. (1 Tes. 5:20) Ny hafatra avy amin’ny fanahin’Andriamanitra ilay hoe “faminaniana” eto, anisan’izany ny momba ny andron’i Jehovah sy ilay hoe efa akaiky ny farany. Tsy hahemotsika ao an-tsaina io andro io, ka hieritreritra isika hoe tsy ho tonga amin’ny androntsika ny Aramagedona. Hafainganintsika kosa izy io, izany hoe ataontsika an-tsaina foana. Ahoana no anaovantsika an’izany? Miezaka manana fitondran-tena tsara foana isika, ary ‘mahafoy tena ho an’Andriamanitra’ isan’andro.—2 Pet. 3:11, 12.
“HAMARINO TSARA DAHOLO NY ZAVA-DREHETRA”
15. Inona no azontsika atao mba tsy ho voafitaky ny hevi-diso sy ny fampielezan-kevitra avy amin’ny demonia isika? (1 Tesalonianina 5:21)
15 “Fandriampahalemana sy filaminana!” (1 Tes. 5:3) Hanao fanambarana mitovitovy amin’io ny mpanohitra an’Andriamanitra atsy ho atsy. Hiely eran-tany ny fampielezan-kevitra avy amin’ny demonia, ka ho voafitaka ny ankamaroan’ny olona. (Apok. 16:13, 14) Ary isika? Tsy ho voafitaka isika raha ‘hamarinintsika tsara daholo ny zava-drehetra.’ (Vakio ny 1 Tesalonianina 5:21.) Ilay teny grika nadika hoe ‘manamarina’ dia azo adika koa hoe ‘misedra’, ohatra hoe misedra volamena na metaly sarobidy hafa. Tokony hosedraintsika àry izay vakintsika na henontsika, mba hahitana raha tena marina na tsia. Tena zava-dehibe izany tamin’ny Tesalonianina, ary vao mainka zava-dehibe amintsika satria efa manakaiky ny fahoriana lehibe. Tsy mino befahatany an’izay lazain’ny hafa isika fa mampiasa ny saintsika, ka mampitaha an’izay vakintsika na henontsika amin’izay lazain’ny Baiboly sy ny fandaminan’i Jehovah. Raha manao an’izany isika, dia tsy ho voafitaky ny fampielezan-kevitra avy amin’ny demonia.—Ohab. 14:15; 1 Tim. 4:1.
16. Inona ny fanantenana azo antoka ananantsika, ary tapa-kevitra hanao inona isika?
16 Ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe ny mpanompon’Andriamanitra amin’ny fitambarany. Tsy mahalala izay havoakan’ny ampitso kosa isika tsirairay. (Jak. 4:14) Ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe ve ianao sa ho faty alohan’izay? Na ahoana na ahoana, dia hamaly soa antsika Andriamanitra ka hanome antsika fiainana mandrakizay raha tsy mivadika isika. Ny voahosotra hiaraka amin’i Kristy any an-danitra, moa ny ondry hafa ho ao amin’ny Paradisa eto an-tany. Enga anie isika rehetra hifantoka amin’ilay fanantenana tsara be ananantsika, sady ho vonona foana ho amin’ny andron’i Jehovah!
HIRA 150 Mitadiava An’i Jehovah mba ho Voavonjy
a Misy fanoharana sy fampitahana maromaro momba ny andron’i Jehovah ao amin’ny 1 Tesalonianina toko faha-5. Inona io “andro” io, ary ahoana no hahatongavany? Iza no ho tafavoaka velona amin’izy io? Iza kosa no ho ringana? Ary ahoana no hiomanantsika ho amin’izy io? Handinika an’izay nosoratan’ny apostoly Paoly isika, dia hamaly an’ireo.
b Jereo ilay andian-dahatsoratra hoe “Nahafoy Tena Izy Ireo.”