Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha Foana Hampisy Firaisan-tsaina

Miezaha Foana Hampisy Firaisan-tsaina

‘Izy no ahafahan’ny vatana iray manontolo ho tafakambana mirindra tsara sady hiara-miasa.’​—EFES. 4:16.

HIRA: 53, 107

1. Inona no nampiavaka ny mpanompon’Andriamanitra?

EFA niray saina ny Ray sy ny Zanaka hatrany am-piandohan’ny famoronana. Hoy mantsy ilay zavaboary voalohany antsoina hoe fahendrena: ‘Mpiasa tena mahay teo anilan’i Jehovah aho, ary tena tia ahy isan’andro isan’andro izy.’ (Ohab. 8:30) Niara-niasa izy ireo, ka izany no nampisy ny zavaboary rehetra ankehitriny. Niara-niasa foana koa ny mpanompon’Andriamanitra, ka nahavita zavatra maro. Niara-nanao sambofiara, ohatra, ry Noa mianakavy. Niara-niasa ny vahoakan’Andriamanitra rehefa nanorina sy nandrava ary nitondra ny tranolay masina tany an-tany efitra. Nirindra tsara koa ny feo sy mozika niderana an’i Jehovah tao amin’ny tempoly.—Gen. 6:14-16, 22; Nom. 4:4-32; 1 Tan. 25:1-8.

2. a) Inona no nataon’ny Kristianina voalohany? b) Inona no fanontaniana hodinihintsika ato?

2 Niara-niasa koa ny Kristianina voalohany notarihin’i Jesosy Kristy, izay lohan’ny fiangonana. Nohazavain’ny apostoly Paoly fa anisan’ny “vatana iray ihany” ireo voahosotra, na dia “maro samihafa” aza ny “fanomezana” azon’ny tsirairay sy ny “fanompoana” ataony ary ny “asa” ataony. (Vakio ny 1 Korintianina 12:4-6, 12.) Ary isika? Ahoana no ampisehoantsika fa tafakambana mirindra tsara na miara-miasa isika, rehefa mitory sy eo anivon’ny fiangonana ary ao an-tokantrano?

REHEFA MITORY

3. Inona no hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana?

3 Nahazo fahitana ny apostoly Jaona tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany. Nahita anjely fito nitsoka trompetra izy. Rehefa nitsoka trompetra ny anjely fahadimy, dia nisy “kintana” avy any an-danitra nilatsaka tetỳ an-tany. Nanana lakile izy io, ka nosokafany ny lavaka iray mangitsokitsoka. Nisy setroka be nivoaka avy tao, ary nisy andiam-balala avy tao amin’ilay setroka. Tsy nanimba zavamaniry anefa ireo valala. Namely an’ireo olona “tsy manana ny tombo-kasen’Andriamanitra eo amin’ny handriny” kosa ireo. (Apok. 9:1-4) Fantatr’i Jaona fa mandravarava ny andiam-balala, toy ilay tany Ejipta tamin’ny andron’i Mosesy. (Eks. 10:12-15) Tsy iza ireo valala an’ohatra hitan’i Jaona fa ny Kristianina voahosotra mitory ny didim-pitsaran’i Jehovah. Miara-miasa amin’izy ireo ny olona an-tapitrisany manantena hiaina eto an-tany. Tsy mahagaga àry raha maro ny olona miala amin’ny fivavahan-diso ka tsy fehezin’i Satana intsony.

4. Inona no asa ataon’ny vahoakan’i Jehovah, ary ahoana no hahavitany an’izany?

4 Mitory ny “vaovao tsara” eran-tany ny vahoakan’i Jehovah, alohan’ny hahatongavan’ny farany. Asa goavana izany. (Mat. 24:14; 28:19, 20) Asain’izy ireo, ohatra, “izay mangetaheta” mba hisotro “maimaim-poana amin’ny ranon’aina.” (Apok. 22:17) Tsy hahavita izany ireo anisan’ny fiangonana raha tsy ‘tafakambana mirindra tsara sady miara-miasa.’—Efes. 4:16.

5, 6. Inona no mampiray saina ny mpitory eran-tany?

5 Tsy maintsy voalamina ny asa fitoriana ataontsika, raha tiantsika ny hanambara ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’ny olona faran’izay betsaka. Mahazo toromarika avy amin’ny fiangonana àry ny vahoakan’i Jehovah eran-tany. Manao fivoriana alohan’ny fanompoana, ohatra, isika, ary avy eo mandeha mitory ny hafatra momba ilay Fanjakana. Mizara boky sy gazety ara-baiboly an-tapitrisany koa isika. Ary rehefa misy ezaka manokana, miezaka mandray anjara ve ianao? Tafaray amin’ny mpitory an-tapitrisany ianao, raha manao izany. Miara-manambara an’ilay hafatra torin’ilay ‘anjely manidina eny afovoan’ny lanitra’ mantsy izy ireo.—Apok. 14:6.

6 Avoaka ao amin’ny Diary ny vokatry ny asa fitoriana eran-tany, ka faly erỳ isika mamaky izany. Miray saina koa isika rehefa manasa olona hanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra, sy fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana, ary fivoriambe iraisam-pirenena. Mandre lahateny isika ary mijery tantara an-tsehatra sy fampisehoana any amin’ireny fivoriambe ireny, ka vao mainka te hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo. Mampiray saina antsika koa ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy, izay atao ny 14 Nisana aorian’ny filentehan’ny masoandro. Mankalaza azy io isika isan-taona, satria mankasitraka ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra, sady mankatò an’i Jesosy. (1 Kor. 11:23-26) Tsy ny Vavolombelona vita batisa ihany no manatrika an’io fotoan-dehibe io. Manasa olon-kafa àry isika herinandro vitsivitsy alohan’izy io, ka miezaka mamita ny faritanin’ny fiangonantsika.

7. Inona no vokany rehefa miara-miasa isika?

7 Tsy mahavita na inona na inona ny valala iray. Toa kely koa no vitan’ny mpitory tsirairay. Miara-miasa anefa isika rehetra. Olona an-tapitrisany àry no lasa mahafantatra an’i Jehovah, ka midera sy manome voninahitra azy. Tsy ny fitoriana ataontsika ihany anefa no mampiray saina ny vahoakan’Andriamanitra.

EO ANIVON’NY FIANGONANA

8, 9. a) Inona no fanoharana nataon’i Paoly mba hanasongadinana fa tokony hiray saina ny fiangonana? b) Inona no tokony hataon’ny tsirairay eo anivon’ny fiangonana?

8 Nolazain’i Paoly tamin’ny Efesianina fa voalamina ny fiangonana, ary tokony hiezaka “hitombo amin’ny zava-drehetra” ny tsirairay eo anivony. (Vakio ny Efesianina 4:15, 16.) Inona no hanampy ny tsirairay hanatratra an’io tanjona io? Toy ny vatan’olombelona ny fiangonana ary i Jesosy Kristy no lohany, hoy i Paoly. Nilaza koa izy fa miara-miasa ny “tonon-taolana rehetra mpanome izay ilaina.” Midika izany fa ny ezaka ataon’ny tsirairay no mahatonga ny fiangonana hiray saina sy hanana finoana matanjaka. Inona àry no tokony hataon’ny tsirairay, na tanora izy na antitra ary na matanjaka na osa?

9 Ilaina ny manaiky sy manaja an’ireo anti-panahy, izay notendren’i Jesosy hanome toromarika eo anivon’ny fiangonana. (Heb. 13:7, 17) Mety ho tsy mora izany indraindray. Afaka mangataka amin’Andriamanitra anefa isika mba homeny ny fanahiny, izay hanampy antsika hankatò azy ireo amin’ny fo manontolo. Ary raha tsy te hanaraka ny toromarika sasany omen’ny anti-panahy isika? Tokony hotadidintsika fa raha manetry tena isika ka miara-miasa amin’izy ireo, dia hiray saina sy hifankatia kokoa ny fiangonana.

10. Inona no ataon’ny mpanampy amin’ny fanompoana mba hampiray saina ny fiangonana? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

10 Mampiray saina ny fiangonana sy mitondra soa ho an’ny rehetra koa ny asa mafy ataon’ny mpanampy amin’ny fanompoana, na firy taona izy na firy taona. Manampy ny anti-panahy izy ireo, satria ataony ampy tsara ny boky sy gazety hoentina manompo. Manadio sy mikojakoja ny Efitrano Fanjakana koa izy ireo, ary mandray an’ireo vahiny tonga mivory. Tena mankasitraka azy ireo àry isika, ka miara-miasa aminy mba hampirindra ny zava-drehetra atao eo anivon’ny fiangonana.—Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 6:3-6.

11. Inona no azon’ny rahalahy tanora atao mba hampiray saina ny fiangonany?

11 Efa elaela ihany ny rahalahy matotra maro no mpiandraikitra teo anivon’ny fiangonana. Misy anefa mandroso taona izao, ka voafetra ny mety ho vitany. Azo ampiofanina mba hanampy sy hiantsoroka andraikitra bebe kokoa àry ny rahalahy tanora, na dia mbola tsy ampy traikefa aza. Mampahery ny mahita mpanampy amin’ny fanompoana miezaka hahafeno fepetra ho anti-panahy. (1 Tim. 3:1, 10) Mandroso koa ny anti-panahy tanora sasany ka lasa mpiandraikitra ny faritra. Mampahery rahalahy sy anabavy eo anivon’ny fiangonana maro izy ireo. Ankasitrahantsika tokoa ny tanora vonon-kanampy toy ireny!—Vakio ny Salamo 110:3; Mpitoriteny 12:1.

AO AN-TOKANTRANO

12, 13. Inona no hanampy ny mpianakavy sy ny mpivady hiray saina?

12 Inona kosa no hanampy ny ray aman-dreny sy ny zanaka hiray saina? Tokony hataon’izy ireo tsara ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana isan-kerinandro. Tsapan’ny fianakaviana maro fa manampy azy mianakavy hifandray am-po kokoa io fotoana mahafinaritra io. Mianatra momba an’i Jehovah mantsy izy ireo amin’io. Manao fanazaran-tena mba hanatsarana ny fanompoany koa izy ireo ka lasa mahay mitory. Mifankatia kokoa ny mpianakavy rehefa mandre ny fanazavan’ny tsirairay ny andininy ao amin’ny Baiboly. Tsapan’izy rehetra mantsy hoe samy tia an’i Jehovah sy te hanao ny sitrapony izy ireo.

Lasa mifandray am-po ny tanora sy ny efa zokinjokiny, rehefa manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana (Fehintsoratra 12, 15)

13 Afaka miara-midera an’i Jehovah koa ny mpivady rehefa samy tsy mivadika aminy. Ho faly sy hiray saina izy ireo amin’izay. Nifaneho fitiavana i Abrahama sy Saraha, Isaka sy Rebeka, ary Elkana sy Hana. Tokony hiezaka hanahaka azy ireo koa ny mpivady ankehitriny. (Gen. 26:8; 1 Sam. 1:5, 8; 1 Pet. 3:5, 6) Hiray saina kokoa izy ireo amin’izay, ary ho akaiky kokoa an’ilay Rainy an-danitra.—Vakio ny Mpitoriteny 4:12.

14. Inona no hanampy anao hanana tokantrano sambatra, raha tsy manompo an’i Jehovah ny vadinao?

14 Tsy tokony hanambady olona tsy manompo an’i Jehovah ny Kristianina. (2 Kor. 6:14) Misy ihany anefa rahalahy na anabavy manana vady tsy Vavolombelona, satria efa nanambady izy vao nianatra ny fahamarinana. Misy koa nanambady Vavolombelona, saingy lasa tsy mifanerasera amin’ny fiangonana intsony ilay vadiny. Afaka ny hiara-miasa amin’ny vadiny ihany izy, raha mbola tsy misy fitsipiky ny Baiboly voadika. Hiray saina foana mantsy ny fianakaviany, raha miezaka manaraka ny toro lalan’ny Baiboly izy. Mety ho tsy mora izany indraindray, nefa tena mitondra soa. Niara-nanompo an’i Jehovah, ohatra, i David sy Mary. Lasa tsy nivory intsony anefa i David, tokotokony ho 25 taona lasa izay. I Mary kosa nanatrika fivoriana sy fivoriambe foana, sady niezaka nampihatra ny toro lalan’ny Baiboly tao an-tokantranony. Nampianariny Baiboly koa ny zanany enina. Nahatsiaro ho irery i Mary, rehefa lehibe ny zanany ary tsy nipetraka tao an-trano intsony. Nanomboka namaky an’ireo gazety napetrapetrany teny anefa i David. Nivory izy nony farany. Naka toerana ho an’i David foana ny zafikeliny enin-taona. Raha tsy tonga izy, dia hoy ilay zafikeliny: “Nalahelo aho fa tsy tonga nivory i Dadabe.” Faly manompo an’i Jehovah indray i David izao, ary faly koa i Mary miara-manompo aminy.

15. Inona no azon’ny mpivady efa zokinjokiny atao mba hanampiana an’ireo tanora kokoa?

15 Ataon’i Satana lasibatra ny fianakaviana, ka mila miara-miasa tsara foana ny mpivady manompo an’Andriamanitra. Eritrereto izay azonao lazaina na atao mba hanamafisana ny fifankatiavanareo, na vao haingana na efa ela ianareo no nivady. Afaka manampy mpivady tanora kokoa ireo efa zokinjokiny. Azony asaina hanatrika ny fotoam-pivavahan’ny fianakaviany indraindray ny mpivady tanora. Ho hitan’izy ireo amin’izay fa tena ilain’ny mpivady ny mifaneho fitiavana sy miray saina, na mpivady vao izy na efa ela.—Tit. 2:3-7.

“ANDAO ISIKA HIAKATRA HO ANY AN-TENDROMBOHITR’I JEHOVAH”

16, 17. Inona no antenaintsika amin’ny hoavy?

16 Alao sary an-tsaina ny Israelita fahiny rehefa hankalaza fety tany Jerosalema. Nanomana ny diany izy ireo, ary nifampiahy teny an-dalana. Niara-nidera an’i Jehovah izy ireo rehefa tao amin’ny tempoly. Nitaky fiaraha-miasa izany rehetra izany. (Lioka 2:41-44) Miomana hiditra ao amin’ny tontolo vaovao koa isika, ka mila miezaka foana mba ho tafakambana mirindra tsara sy hiara-miasa. Diniho àry hoe inona no ezaka mbola tokony hataonao.

17 Eritrereto ny fitahiana miandry antsika! Efa tafaray sy miara-miakatra ho any “an-tendrombohitr’i Jehovah” isika vahoakan’Andriamanitra, fa tsy misara-bazana sy mikorontana hoatran’ity tontolo ity intsony. Tanteraka ‘atỳ am-parany’ àry ny faminanian’i Isaia sy Mika. (Isaia 2:2-4; vakio ny Mika 4:2-4.) Tena tsy misy hoatran’ny fivavahantsika tokoa! Vao mainka ho sambatra sy ho faly be anefa isika amin’ny hoavy. Ho tafakambana mirindra tsara sy hiara-miasa ny olona rehetra amin’izay.