Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitari-dalana Antsika Mankany Amin’ny Fiainana i Jehovah

Mitari-dalana Antsika Mankany Amin’ny Fiainana i Jehovah

Ity no lalana ka andehano.”ISAIA 30:21.

HIRA: 65, 48

1, 2. a) Inona no soratra niaro ain’olona maro? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Inona no tari-dalana miaro ny vahoakan’Andriamanitra?

“MIJANÒNA, MIJERE, MIHAINOA.” Nasiana takela-by misy an’ireo soratra ireo ny arabe nandalovan’ny lalamby tany Amerika Avaratra, maherin’ny 100 taona lasa izay. Niaro ain’olona maro ireo soratra ireo, satria nijanona ny fiara ka tsy voadonan’ny lamasinina mirimorimo. Voaro tokoa izay nanaraka an’io fampitandremana io.

2 I Jehovah kosa tsy manisy takela-by fampitandremana. Toy ny hoe mijoro eo anoloan’ny vahoakany izy, ka manoro ny lalana ho any amin’ny fiainana mandrakizay sy ny fomba ialana amin’ny loza. Mpiandry be fitiavana koa izy, ka manome toromarika sy fampitandremana mba tsy handehanan’ny ondriny amin’ny lalana mampidi-doza.—Vakio ny Isaia 30:20, 21.

EFA NITARI-DALANA NY VAHOAKANY FOANA I JEHOVAH

3. Nahoana no nandova fahafatesana ny olona?

3 Nanome toromarika sy tari-dalana mazava tsara foana i Jehovah hatrizay. Nanao an’izany, ohatra, izy tao amin’ny zaridainan’i Edena. Ho niaina mandrakizay sy sambatra ny olombelona, raha nanaraka an’ilay toromarika. (Gen. 2:15-17) Ho nanana fanantenana i Adama sy Eva raha nankatò an’i Jehovah, fa tsy nijaly sy maty. Naleon’i Eva anefa nanaraka torohevitra hafa, izay toa nomen’ny biby. Narahin’i Adama koa ny tenin’i Eva, izay olombelona mety maty ihany. Tsy noraharahain’izy ireo ny tari-dalan’ilay Rainy be fitiavana. Nandova fahafatesana àry ny olona rehetra.

4. a) Nahoana no nisy tari-dalana vaovao taorian’ny Safodrano? b) Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny aina?

4 Nanome tari-dalana niaro ny ain-dry Noa mianakavy koa i Jehovah. Nanome didy momba ny ra kosa izy, taorian’ny Safodrano. Fa nahoana? Niova ny toe-javatra satria navelany hihinan-kena ny olona. Nomeny tari-dalana vaovao àry izy ireo hoe: “Izao ihany no tsy azonareo hanina: Ny nofo misy aina, izany hoe mbola misy ra.” (Gen. 9:1-4) Hita amin’izany ny fiheveran’Andriamanitra ny aina. Izy no Mpamorona sy Mpanome aina, ka izy no manan-jo hamoaka didy momba ny aina. Nilaza, ohatra, izy fa tsy azo atao ny mamono olona. Mihevitra ny aina sy ny ra ho masina izy. Hataony ampamoaka àry izay mamono olona na mihinana ra.—Gen. 9:5, 6.

5. Inona no hojerentsika izao, ary nahoana?

5 Nanome tari-dalana foana i Jehovah tatỳ aoriana. Hojerentsika ny sasany amin’izany. Hanampy antsika ho tapa-kevitra hanaraka ny tari-dalany izany, mandra-pahatongan’ny tontolo vaovao.

TARI-DALANA VAOVAO HO AN’NY FIRENENA VAOVAO

6. Nahoana no nomen’Andriamanitra lalàna ny Israelita, ary inona no tsy maintsy nataon’izy ireo?

6 Nilaina ny tari-dalana mazava momba ny fitondran-tena sy ny fanompoana an’i Jehovah, tamin’ny andron’i Mosesy. Fa nahoana? Niova ny toe-javatra nisy ny taranak’i Jakoba. Andevo tany Ejipta nandritra ny 200 taona mahery izy ireo. Nivavaka tamin’ny maty sy nanompo sampy ny olona tany. Nanala baraka an’Andriamanitra koa ny zavatra ninoany sy ny fombafombany. Nila tari-dalana vaovao àry ny vahoakan’Andriamanitra rehefa nafahana avy tany Ejipta. Tsy andevo intsony izy ireo, fa firenena afaka. Ny Lalàn’i Jehovah ihany no nifehy azy. Milaza ny boky sasany fa avy amin’ny fototeny midika hoe “manome toromarika, mitarika, mampianatra” ny teny hebreo nadika hoe “lalàna.” Niaro an’ireo Israelita tsy ho ratsy fitondran-tena sy tsy hanompo sampy hoatran’ny firenen-kafa ny Lalàn’i Mosesy. Notahin’Andriamanitra izy ireo rehefa nankatò azy, fa nahita loza kosa rehefa tsy nankatò.—Vakio ny Deoteronomia 28:1, 2, 15.

7. a) Inona koa no antony nanomezan’i Jehovah tari-dalana ny vahoakany? b) Nahoana no lazaina fa mpitaiza an’ireo Israelita ny Lalàna?

7 Nisy antony hafa koa nilan’ny Israelita tari-dalana vaovao. Ny Lalàna no nanomana azy ireo ho amin’ny fiavian’ny Mesia na Jesosy Kristy. Efa fikasan’i Jehovah hatry ny ela ny fiavian’izy io. Nahariharin’ny Lalàna fa tsy lavorary ny Israelita ka nila vidim-panavotana, na sorona lavorary handrakotra tanteraka ny fahotana. (Gal. 3:19; Heb. 10:1-10) Niaro ny razamben’ny Mesia koa ny Lalàna mandra-pahatongan’ny Mesia, ka fantatra izy io rehefa tonga. “Mpitaiza” nitarika ho amin’i Kristy àry ny Lalàna, saingy tsy naharitra.—Gal. 3:23, 24.

8. Nahoana isika no tokony hanaraka ny toro lalana ao amin’ny Lalàn’i Mosesy?

8 Tsy eo ambanin’ny Lalàna nomena ny Israely isika Kristianina. Mandray soa avy amin’ny tari-dalana ao amin’izy io anefa isika. Mirakitra toro lalana izy io, ka mila mijanona sy mijery azy ireny isika. Mahasoa ny ankamaroan’ireny toro lalana ireny, ka manampy antsika eo amin’ny fiainana andavanandro sy ny fanompoana an’ilay Andriamanitra masina. Nosoratana ao amin’ny Baiboly ny Lalàna, satria tian’i Jehovah isika hianatra azy io, hanaraka ny toro lalana raketiny, ary hahita fa tsara kokoa ny fitsipika kristianina. Nilaza, ohatra, i Jesosy hoe: “Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Aza manitsakitsa-bady.’ Izaho kosa anefa milaza aminareo fa izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony sahady.” Raha mihaino an’io teniny io isika, dia tsy hanitsakitsa-bady ary tsy hieritreritra akory hoe hijangajanga.—Mat. 5:27, 28.

9. Inona no toe-javatra vaovao nahatonga an’i Jehovah hanome tari-dalana vaovao?

9 Nila nanome tari-dalana vaovao sy nampahafantatra ny fikasany i Jehovah, rehefa tonga ny Mesia. Niova mantsy ny toe-javatra tamin’ny taona 33. Ny fiangonana kristianina indray no nankasitrahan’i Jehovah fa tsy ny firenen’Israely intsony.

TARI-DALANA HO AN’NY ISRAELY ARA-PANAHY

10. Nahoana no nomena lalàna vaovao ny fiangonana kristianina, ary inona no tsy itovizany amin’ny lalàna nomena ny Israelita?

10 Nahazo toromarika vaovao na toromarika fanampiny momba ny fanompoana an’i Jehovah sy ny fitondran-tena ny Kristianina, tamin’ny taonjato voalohany. Nanao fifanekena vaovao tamin’izy ireo mantsy i Jehovah. Ny firenen’Israely tao amin’ny Tany Nampanantenaina ihany no nomena ny Lalàn’i Mosesy. Avy amin’ny firenena sy foko maro kosa ireo anisan’ny Israely ara-panahy. Hita tokoa fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asa. 10:34, 35) Natao sokitra teo amin’ny vato ny Lalàn’i Mosesy narahin’ny Israely. Voasoratra ao am-po kosa ny “lalàn’i Kristy”, na ny toro lalana nomena ny Israely ara-panahy. Mahasoa ny Kristianina io lalàna io sady azony ampiharina, na aiza na aiza misy azy.—Gal. 6:2.

11. Inona ireo didy roa lehibe tokony harahin’ny Kristianina?

11 Nasain’i Jehovah nanome tari-dalana mahasoa ho an’ny Israely ara-panahy ny Zanany. Nanome didy roa lehibe i Jesosy, taloha kelin’ny fotoana nampanan-kery an’ilay fifanekena vaovao. Momba ny asa fitoriana ny didy iray. Ny iray kosa momba ny hoe inona no tokony hataon’ny mpianany ary ahoana no tokony hifampitondrany. Ho an’ny Kristianina rehetra ireo toromarika ireo, ka mihatra amintsika ankehitriny koa, na manantena ny ho any an-danitra isika na ho eto an-tany.

12. Inona no nampiavaka ny asa fitoriana nasain’i Jesosy nataon’ny mpanara-dia azy?

12 Diniho ny asa fitoriana nasain’i Jesosy nataon’ny mpanara-dia azy. Tsy maintsy nankany Israely ny hafa firenena te hanompo an’i Jehovah, fahiny. (1 Mpanj. 8:41-43) Nanome baiko ny mpianany kosa i Jesosy hoe tokony ‘handeha’ any amin’ny firenena rehetra izy ireo. (Vakio ny Matio 28:19, 20.) Niova àry ny toe-javatra. Tian’i Jehovah hotorina eran-tany ny vaovao tsara. Voaporofo izany rehefa niforona ny fiangonana kristianina, tamin’ny Pentekosta taona 33. Nahazo fanahy masina ny olona 120 teo ho eo anisan’izy io, ka afaka niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, ary nitory tamin’ny Jiosy sy ny olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy. (Asa. 2:4-11) Nitoriana koa ny Samaritanina, ary tamin’ny taona 36 dia nitoriana ny hafa firenena tsy voafora. Nitatra maneran-tany àry ny asa fitoriana.

13, 14. a) Inona avy no tokony hataontsika, araka ilay “didy vaovao” nomen’i Jesosy? b) Inona no modely nomen’i Jesosy ho antsika?

13 Ahoana kosa no tokony hifampitondrantsika Kristianina? Nanome “didy vaovao” i Jesosy. (Vakio ny Jaona 13:34, 35.) Tokony hifankatia foana isika, araka io didy io. Tokony ho vonona hahafoy ny aintsika ho an’ny mpiray finoana amintsika koa anefa isika. Tsy nitaky an’izany ny Lalàn’i Mosesy.—Mat. 22:39; 1 Jaona 3:16.

14 I Jesosy no modelintsika lehibe indrindra. Tena tia an’ireo mpianany izy ka vonona ny ho faty ho azy ireo mihitsy. Nasainy nanahaka azy ny mpianany rehetra, anisan’izany isika. Tsy maintsy vonona hijaly ho an’ny mpiara-manompo amintsika àry isika, na angamba vonona ho faty ho azy ireo mihitsy.—1 Tes. 2:8.

TOROMARIKA ANKEHITRINY SY AMIN’NY HOAVY

15, 16. Inona no toe-javatra vaovao misy antsika, ary iza no ampiasain’Andriamanitra hanome tari-dalana antsika?

15 Manome sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety ho an’ny mpianany i Jesosy, indrindra rehefa avy nanendry an’ilay “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Mat. 24:45-47) Anisan’io sakafo io ny toromarika vaovao omeny. Niova mantsy ny toe-javatra.

16 Miaina amin’ny “andro farany” isika izao, ary efa tena akaiky ny fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy toa azy. (2 Tim. 3:1; Mar. 13:19) Noroahina avy tany an-danitra koa i Satana sy ny demoniany, ka etỳ amin’ny manodidina ny tany izao. Mitondra loza be dia be etỳ an-tany izy ireo. (Apok. 12:9, 12) Nirahina hitory amin’ny olona betsaka lavitra noho ny hatramin’izay koa isika, ary mampiasa fiteny maro be rehefa mitory.

17, 18. Inona no tokony hataontsika rehefa mahazo tari-dalana?

17 Manome fitaovana maro hoentina mitory ny fandaminana. Tia mampiasa azy ireny ve ianao? Mihaino tsara ve ianao any am-pivoriana, rehefa atoro any ny fomba mandaitra indrindra hampiasana azy ireny? Raisinao ho toy ny avy amin’Andriamanitra ve ny tari-dalana renao any?

18 Hotahin’Andriamanitra foana isika, raha manaraka ny toromarika rehetra omeny amin’ny alalan’ny fiangonana. Ilaintsika ny mizatra mankatò dieny izao. Ho mora amintsika amin’izay ny hanaraka toromarika mandritra ny “fahoriana lehibe”, rehefa horinganina ny tontolo ratsin’i Satana. (Mat. 24:21) Homena toromarika vaovao indray isika ao amin’ilay tontolo vaovao tsy hanjakan’i Satana intsony.

Hisy horonam-boky hovelarina ao amin’ny tontolo vaovao, ary toromarika ho antsika no ao anatiny (Fehintsoratra 19, 20)

19, 20. Inona no horonam-boky hovelarina, ary inona no ho vokatr’izany?

19 Nila toromarika vaovao ny firenen’Israely notarihin’i Mosesy. Nila an’izany koa ny fiangonana kristianina nofehezin’ny “lalàn’i Kristy.” Hisy horonam-boky hovelarina ao amin’ny tontolo vaovao, ary toromarika ho antsika no ao anatiny. (Vakio ny Apokalypsy 20:12.) Azo inoana fa ny zavatra takin’i Jehovah amin’ny olona no raketin’ireo horonam-boky ireo. Hianatra an’ireo ny olona rehetra, anisan’izany ireo hatsangana amin’ny maty. Hahafantatra ny sitrapon’i Jehovah sy hahalala bebe kokoa ny fomba fiheviny àry izy ireo. Ho azon’izy ireo tsara kokoa ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra sy ny voalazan’ireo horonam-boky. Hifankatia sy hifanaja daholo ny olona ao amin’ny Paradisa, vokatr’izany. (Isaia 26:9) Ho maro tokoa amin’izay ny zavatra azo ianarana sy ampianarina ny hafa, eo ambany fitarihan’i Jesosy Kristy Mpanjaka.

20 Hiaina mandrakizay ireo manaraka an’izay ‘voasoratra ao amin’ireo horonam-boky.’ Hosoratan’i Jehovah ao amin’ny “horonam-bokin’ny fiainana” ny anaran’ireo tsy mivadika mandritra ny fitsapana farany, ary tsy hesoriny ao intsony. Tianao ho ao koa ve ny anaranao? MIJANÒNA àry ka diniho ny Tenin’Andriamanitra, MIJERE mba hahazo ny heviny, ary MIHAINOA ka araho ny tari-dalan’i Jehovah. Ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe ianao, raha manao izany. Amin’izay ianao dia ho afaka hianatra mandrakizay momba an’i Jehovah, ilay Andriamanitra faran’izay hendry sy be fitiavana.—Mpito. 3:11; Rom. 11:33.