Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Tanora, Miomana ho Amin’ny Batisa ve Ianao?

Ry Tanora, Miomana ho Amin’ny Batisa ve Ianao?

Ny manao ny sitraponao no mahafinaritra ahy, Andriamanitra ô.SAL. 40:8.

HIRA: 51, 58

1, 2. a) Nahoana ny batisa no dingana lehibe? b) Inona no takina aminao alohan’ny batisa?

TANORA mieritreritra ny hatao batisa ve ianao? Tsara izany, satria tsy misy voninahitra lehibe noho ny hoe vita batisa. Izy io no ahafantarana fa nanokan-tena ho an’i Jehovah ianao. Midika izany fa efa nivoady hanompo azy mandrakizay ianao, ka ny sitrapony no hataonao loha laharana eo amin’ny fiainanao. Inona àry no takina aminao alohan’ny batisa? Tokony ho efa afaka manapa-kevitra ianao raha hatao batisa na tsia. Tokony ho tena fanirianao koa ilay izy, ary fantatrao ny dikan’ny hoe manokan-tena.

2 Ahoana anefa raha mbola tsy tena vonona ianao? Na koa tsy eken’ny ray aman-dreninao ny hanaovana batisa anao, satria tiany ho matotra kokoa ianao? Aza atao mahakivy izany. Miezaha kosa handroso foana, dia ho azo atao batisa tsy ho ela ianao. Inona no hanampy anao amin’izany? Miezaha 1) hanatanjaka ny finoanao, 2) hanatsara ny fitondran-tenanao, ary 3) hampitombo ny fankasitrahanao.

HATANJAHO NY FINOANAO

3, 4. Inona no azon’ny tanora ianarana avy amin’i Timoty?

3 Eritrereto hoe ahoana no hamalianao an’ireto: Nahoana aho no mino fa misy Andriamanitra? Inona no mahatonga ahy hiaiky fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly? Nahoana aho no manaiky fa aleo manaraka ny fitsipik’i Jehovah toy izay manaraka ny fomba fiainan’ity tontolo ity? Tsy natao hanozongozonana ny finoanao ireo fanontaniana ireo. Hanampy anao kosa ireo ‘handinika tsara ka hamantatra ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.’ (Rom. 12:2) Fa nahoana ianao no tokony hanaraka an’io torohevitry ny apostoly Paoly io?

4 Diniho, ohatra, i Timoty. Nahay tsara ny Soratra Masina izy. “Mbola zazakely” izy dia efa nampianarin’ny reniny sy ny renibeny. Nampirisika azy anefa i Paoly hoe: “Mahareta amin’ny zavatra nianaranao sy nandresen-dahatra anao ka inoanao.” (2 Tim. 3:14, 15) Milaza ny boky iray fa ilay teny tany am-boalohany nadika hoe ‘resy lahatra’, dia midika hoe “manaiky sy mahazo antoka fa marina ny zavatra iray.” Nandray am-po ny fahamarinana i Timoty, satria izy mihitsy no nandalina ka resy lahatra, fa tsy noho izy noteren’ny reniny sy ny renibeny hanaiky azy io.—Vakio ny Romanina 12:1.

5, 6. Nahoana ianao no tokony hianatra ‘hampiasa ny sainao’ dieny mbola kely?

5 Ary ianao? Efa ela angamba ianao no nahalala ny fahamarinana. Nahoana àry raha dinihina akaiky kokoa ny antony inoanao azy ireny? Hanatanjaka ny finoanao izany, ka tsy ho mora voatariky ny namanao sy ny hevitr’ity tontolo ity ianao sady tsy hanao izay tianao fotsiny.

6 Ho vonona hamaly ny fanontanian’ny tanora hafa ianao, raha mianatra ‘mampiasa ny sainao’ dieny mbola kely. Mety hanontany, ohatra, izy ireo hoe: ‘Nahoana ianao no mino fa misy Andriamanitra? Raha tia antsika izy, nahoana no avelany hisy ny faharatsiana? Ahoana koa no hetezan’ny hoe efa nisy foana Andriamanitra?’ Tsy hampihena ny finoanao ireo fanontaniana ireo, fa vao mainka handrisika anao hianatra samirery bebe kokoa.

7-9. Nahoana no manampy anao hanatanjaka ny finoanao ilay hoe “Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?”, ao amin’ny jw.org?

7 Raha mazoto mianatra samirery ianao, dia hahay hamaly fanontaniana, tsy hisalasala momba an’izay inoanao, ary hanana finoana matanjaka. (Asa. 17:11) Betsaka ny fitaovana azonao ampiasaina amin’izany. Nanampy tanora maro, ohatra, ilay bokikely hoe Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina. Tian’ny tanora sy mahasoa azy koa ireo tari-dalana ao amin’ilay hoe “Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?”, ao amin’ny jw.org. Azonao jerena ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY izany. Hanampy anao hino bebe kokoa an’izay ampianarin’ny Baiboly ny tari-dalana tsirairay.

8 Mety hamaly maimaika ny fanontaniana sasany ao amin’ilay tari-dalana ianao, satria mahay Baiboly. Nahoana anefa no azonao antoka fa marina ny valin-teninao? Misy andinin-teny maromaro azonao fakafakaina ao, ary azonao soratana ao ny hevitrao momba azy ireny. Hanampy anao izany hahay hanazava amin’ny hafa ny zavatra inoanao. Manampy tanora maro hanatanjaka ny finoany ilay hoe “Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?”, ao amin’ny jw.org. Azonao atao fianarana samirery ireny tari-dalana ireny, raha afaka mijery na mahazo azy ireny ianao.

9 Tena miomana ho amin’ny batisa ianao, raha manatanjaka ny finoanao. Hoy ny anabavy tanora iray: “Nianatra Baiboly aho vao nanapa-kevitra ny hatao batisa, ka hitako fa ny fivavahanay no marina. Vao mainka aho resy lahatra ny amin’izany isan’andro.”

HATSARAO NY FITONDRAN-TENANAO

10. Nahoana no tokony hasehon’ny Kristianina vita batisa amin’ny ataony ny finoany?

10 Hoy ny Baiboly: ‘Raha tsy aseho amin’ny atao ny finoana, dia maty.’ (Jak. 2:17) Tokony hasehonao amin’ny ataonao hoe manana finoana matanjaka ianao. Miezaha àry hanana ‘fitondran-tena masina sy haneho fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra.’—Vakio ny 2 Petera 3:11.

11. Inona no dikan’ny hoe manana “fitondran-tena masina”?

11 Tsy maintsy madio fitondran-tena ny olona manana “fitondran-tena masina.” Eritrereto, ohatra, izay nataonao tao anatin’ny enim-bolana. Ahoana no nanaporofoanao fa manana “fahaiza-misaina” efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy ianao? (Heb. 5:14) Tadidinao ve hoe oviana ianao no nahatohitra fakam-panahy na tsy nanaiky hotaomin’ny ankizy haditra? Ohatra tsara ve ianao any am-pianarana? Sahy mijoro amin’ny hevitrao ve ianao, sa matahotra ny hesoina ka manaraka ambokony fotsiny an’izay ataon’ny mpiara-mianatra aminao? (1 Pet. 4:3, 4) Marina aloha fa tsy misy olona lavorary. Na ny mpanompon’i Jehovah efa ela aza indraindray mety tsy ho sahy hiresaka ny finoany eo anatrehan’ny besinimaro. Tokony ho reharehan’ireo nanokan-tena ho an’i Jehovah anefa ny hoe Vavolombelony, ary asehony amin’ny fitondran-tenany izany.

12. Inona no ataon’ny olona ‘mahafoy tena ho an’Andriamanitra’, ary ahoana no tokony hiheverana an’ireo zavatra ataony ireo?

12 Inona kosa no ataonao raha ‘mahafoy tena ho an’Andriamanitra’ ianao? Mivory sy manompo, ohatra, ianao ary manao zavatra hafa manatanjaka finoana nefa tsy hitan’ny hafa, anisan’izany ny vavaka sy ny fianarana samirery. Tsy mihevitra an’ireo ho adidy fotsiny ny olona nanokan-tena. Mitovy fihetseham-po amin’i Davida Mpanjaka kosa izy. Hoy mantsy i Davida: “Ny manao ny sitraponao no mahafinaritra ahy, Andriamanitra ô, ary ato anatiko ny lalànao.”—Sal. 40:8.

13, 14. Inona no boky hanampy anao ‘haneho fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra’? Inona no soa noraisin’ny tanora sasany avy amin’izy io?

13 Hanampy anao hanatratra tanjona ny boky Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2, ao amin’ny pejy faha-308 sy 309. Asaina valianao ao, ohatra, ireto fanontaniana ireto: “Milaza zavatra mivantana ve ianao rehefa mivavaka? Hita amin’ny vavaka ataonao ve fa tena tianao i Jehovah?” ‘Inona no ianaranao rehefa mianatra samirery ianao?’ “Mandeha manompo ve ianao, na tsy mandeha aza ny ray aman-dreninao?” Misy toerana koa ao azonao anoratana ny tanjonao momba ny vavaka, sy ny tanjonao eo amin’ny fianarana samirery sy ny fanompoana.

14 Tanora maro mieritreritra ny hatao batisa no mahita fa mahasoa azy ny fanontaniana eo amin’ireo pejy ireo. Hoy i Tilda, anabavy tanora iray: ‘Nanampy ahy hanana tanjona ireo fanontaniana ireo. Tratrako tsikelikely ireny tanjona ireny, ka vonona ny hatao batisa aho rehefa afaka herintaona teo ho eo.’ Nandray soa koa i Patrick, rahalahy tanora iray. Hoy izy: “Efa nanana tanjona aho, fa vao mainka aho niezaka nanatratra azy ireny rehefa nosoratako izy ireny.”

Mbola hanompo an’i Jehovah ve ianao, na dia tsy manompo azy intsony aza ny ray aman-dreninao? (Fehintsoratra 15)

15. Nahoana no tokony ho fanapahan-kevitrao samirery ny hanokan-tena?

15 Anisan’ny tena mampieritreritra ilay fanontaniana eo amin’ny pejy faha-309 hoe: “Mbola hanompo an’i Jehovah foana ve ianao, na dia tsy manompo azy intsony aza ny ray aman-dreninao na ny namanao?” Tadidio fa ianao mihitsy no lasa akaiky kokoa an’i Jehovah rehefa manokan-tena sy atao batisa. Tsy tokony hiankina amin’ny olon-kafa na amin’ny ray aman-dreninao àry ny fanompoanao azy. Hita hoe mandray am-po ny fahamarinana ianao rehefa manana fitondran-tena masina, sy maneho fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra. Tsy ho ela àry ianao dia hahafeno fepetra hatao batisa.

AMPITOMBOY NY FANKASITRAHANAO

16, 17. a) Inona no tokony handrisika ny olona iray ho lasa Kristianina? b) Inona no ohatra hanampy anao hankasitraka kokoa ny vidim-panavotana?

16 Nanontanian’ny lehilahy iray nahay tsara ny Lalàn’i Mosesy i Jesosy hoe: “Inona no didy lehibe indrindra?” Dia hoy izy: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.” (Mat. 22:35-37) Ny fitiavana an’i Jehovah amin’ny fo manontolo àry no tokony handrisika ny olona ho lasa Kristianina sy hatao batisa. Anisan’ny tena hanampy anao ho tia azy ny misaintsaina an’ilay fanomezana lehibe indrindra nomeny, dia ny sorom-panavotan’ny Zanany. (Vakio ny 2 Korintianina 5:14, 15; 1 Jaona 4:9, 19.) Hankasitraka ny vidim-panavotana ianao rehefa misaintsaina azy io sy ny soa entiny ho anao.

17 Hanampy anao hankasitraka ny vidim-panavotana ity ohatra ity. Aoka hatao hoe nisy namonjy anao tsy ho faty an-drano. Handeha hody fotsiny ve ianao, dia hanao mafana, ary hanadino an’izay nataon’ilay olona? Mazava ho azy fa tsia! Hankasitraka an’izay nataony kosa ianao satria namonjy anao izy. Be lavitra noho izany anefa ny nataon’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy, ka tena tokony hankasitraka lalina azy ireo isika. Nanome ny vidim-panavotana izy ireo satria tena tia antsika. Tsy ho voavonjy amin’ny ota sy ny fahafatesana isika, raha tsy izany. Afaka manantena ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany koa isika!

18, 19. a) Nahoana ianao no tsy tokony hatahotra ny hanokan-tena ho an’i Jehovah? b) Nahoana no hihatsara ny fiainanao raha manompo an’i Jehovah ianao?

18 Ankasitrahanao ve izay ataon’i Jehovah ho anao? Tokony hanokan-tena ho azy sy hatao batisa àry ianao. Tadidio fa ny olona manokan-tena ho an’i Jehovah, dia mivoady fa hanao ny sitrapony foana na inon-kidona na inon-kihatra. Tokony hampahatahotra anao ve izany? Tsia. Tsarovy fa izay tena hahasoa anao no tadiavin’i Jehovah, ary ‘mamaly soa an’izay mitady mafy azy’ izy. (Heb. 11:6) Tsy hoe hiharatsy ny fiainanao rehefa manokan-tena ho an’i Jehovah sy atao batisa ianao, fa vao mainka aza hihatsara. Natao batisa tamin’izy mbola kely, ohatra, ny rahalahy iray 24 taona. Hoy izy: “Mety ho nahalala zavatra kokoa aho raha lehibebe vao natao batisa. Niaro ahy tsy ho voataonan’ity tontolo ity anefa ny fanapahan-kevitro hanokan-tena ho an’i Jehovah.”

19 Ary ahoana raha miandany amin’i Satana ny olona iray? Tsy ho afaka hanome azy valisoa maharitra i Satana. Izy mantsy tia tena be fa tsy hoatran’i Jehovah. Tsy manana vaovao tsara holazaina koa izy sady tsy manana fanantenana. Koa ahoana moa no anomezany anao zavatra tsy ananany? Tena manjombona ny hoaviny, ka tsy afaka ny hanome hoavy tsara ho anao izy!—Apok. 20:10.

20. Inona no azon’ny tanora atao raha tiany ny hahafeno fepetra ho amin’ny batisa? (Jereo koa ilay efajoro hoe “ Lahatsoratra Manampy Anao Hihamatotra.”)

20 Tena mety àry ny ataonao raha manokana ny fiainanao ho an’i Jehovah ianao. Aza misalasala raha efa vonona ho amin’izany ianao. Raha hitanao anefa hoe mbola mila fotoana ianao mba ho matotra kokoa, dia araho ny soso-kevitra ato. Hoy i Paoly: “Araka izay fandrosoana efa vitantsika no aoka mbola hizorantsika hatrany, amin’ny fomba milamina, araka ny efa nahazatra antsika.” (Fil. 3:16) Tsy ho ela ianao dia haniry hanokan-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa, raha manaraka an’io torohevitra io.