Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Namana Foana ve Ianao?

Tena Namana Foana ve Ianao?

Efa 50 taona teo ho eo izay i Gianni sy Maurizio no mpinamana. Efa saika tsy ninamana intsony anefa izy ireo. Hoy i Maurizio: “Nisy fotoana aho nanana olana, dia nanao fahadisoana lehibe. Dia lasa tsy nifandray intsony izahay.” Hoy i Gianni: “I Maurizio no nampianatra Baiboly an’ahy tamin’ny voalohany, dia izy no tena nanampy ahy hifandray tsara tamin’i Jehovah. Tsy nampino an’ahy mihitsy ny fahadisoana vitany. Maizina tamiko ny tany aman-danitra tamin’izay, satria fantatro fa tsy ho afaka hinamana aminy intsony aho. Nahatsiaro ho irery aho.”

TSY misy hoatran’ny hoe manana namana mahafinaritra. Mila kolokoloina anefa ny fifandraisana raha tiana haharitra. Raha misy olana mitady hampisaraka anao sy ny namanao àry, dia inona no hanampy anareo ho mpinamana foana? Efa nanjo ny olona sasany resahin’ny Baiboly izany, ka afaka mandray lesona avy amin’izy ireo isika.

AHOANA RAHA NANAO FAHADISOANA IZY?

Mpiandry ondry i Davida ary lasa mpanjaka izy tatỳ aoriana. Nana-namana maromaro izy. I Jonatana angamba no namany tonga ao an-tsainao voalohany. (1 Sam. 18:1) Namany koa anefa i Natana mpaminany. Tsy resahin’ny Baiboly hoe oviana ry zareo no lasa mpinamana. Namboraka ny tao am-pony tamin’i Natana anefa izy indray mandeha, hoatran’ny ataontsika amin’ny namantsika. Te hanorina trano ho an’i Jehovah i Davida tamin’izay. Azo antoka fa tena te hahalala ny hevitr’i Natana izy, satria namany i Natana sady nampian’ny fanahin’i Jehovah.—2 Sam. 7:2, 3.

Nisy olana anefa. Nanao fahotana lehibe i Davida. Nijangajanga tamin’i Batseba izy, ary nataony izay hahafaty an’i Oria, vadin’i Batseba. (2 Sam. 11:2-21) Fa inona no nahatonga an’izany, nefa izy tsy nivadika tamin’i Jehovah nandritra ny taona maro sady nanao ny rariny foana? Dia tsy tonga saina ve izy hoe tena ratsy ny mijangajanga? Nieritreritra ve izy hoe azony afenina amin’Andriamanitra ilay izy?

Inona àry izao no hataon’i Natana? Hiandry olona hiteny an’i Davida ve izy, fa tsy hanitsy azy? Nisy olon-kafa nahafantatra koa mantsy hoe nampamono an’i Oria i Davida. Dia nahoana moa no i Natana no hananatra azy? Tsy handrava ny fihavanan’izy ireo ve izy raha manao an’izany? Tsy hovonoin’i Davida eo koa ve izy? I Oria aza tsy naninon-tsy naninona nefa novonoiny!

Mpitondra tenin’Andriamanitra anefa i Natana, ka tsy afaka ny hangina. Fantany hoe raha tsy miteny an’i Davida izy, dia hanenjika azy ny eritreriny. Tsy hifandray tsara intsony koa izy ireo. Nanao zavatra tsy tian’i Jehovah i Davida, ka tena nila nampiana mba hifandray tsara taminy indray. Izany no nataon’i Natana, ka hita hoe tena namana izy. Mpiandry ondry i Davida taloha, ka fanoharana mety hanohina ny fon’ny olona hoatr’izany no nolazain’i Natana taminy. Noresahiny an’i Davida izay nolazain’i Jehovah, ka nataony tsapany hoe tena ratsy ny zavatra vitany. Niaiky ny fahadisoany i Davida taorian’izay ary nibebaka.—2 Sam. 12:1-14.

Ahoana raha misy namanao nanao fahadisoana lehibe na fahotana lehibe? Mety hatahotra ianao hoe tsy hinamana intsony ianareo raha resahinao aminy hoe tsy nety ny nataony. Fantatrao fa afaka manampy azy ny anti-panahy, nefa mety hieritreritra ianao hoe raha resahinao amin’izy ireo ny nataon’ilay namanao, dia hoatran’ny hoe mamadika azy ianao. Inona àry no hataonao?

Hoy i Gianni: “Tsapako hoe niova i Maurizio. Tsy dia nitantara zavatra tamiko intsony izy. Nanapa-kevitra àry aho hoe hiresaka aminy, na dia ho sarotra be amiko aza izany. Nieritreritra anefa aho hoe: ‘Tsy efa fantany ve ny tokony hataony? Dia inona indray no mbola hoteneniko azy eo? Sao dia ho tezitra be eo izy?’ Tadidiko anefa ny zavatra nianaranay, dia sahy niresaka taminy aho. Niresaka tamiko hoatr’izany i Maurizio tamin’izaho nila fanampiana. Te hanampy azy aho satria tiako izy, sady malahelo aho raha tsy mpinamana intsony izahay.”

Hoy i Maurizio: “Tena tsotra i Gianni, sady marina ny teniny. Nisy vokany ny safidy ratsy nataoko, ary fantatro hoe tsy izy na Jehovah no nahatonga an’izany. Nanaraka ny torohevitry ny anti-panahy àry aho, dia lasa nifandray tsara tamin’i Jehovah indray.”

AHOANA RAHA MANANA OLANA IZY?

Nanana namana hafa koa i Davida, ary tsy nanary azy mihitsy izy ireo na dia tao anatin’ny sarotra aza. Anisan’izany i Hosay. (2 Sam. 16:16; 1 Tan. 27:33) Niasa tao an-dapa angamba izy ka mety ho mpinamana be tamin’i Davida Mpanjaka sady niaraka taminy matetika. Mety ho nirahina hanao zavatra manokana tsy nisy nahafantatra mihitsy izy indraindray.

Rehefa nanongana an’i Davida tsy ho mpanjaka i Absaloma zanany lahy, dia maro ny Israelita niandany taminy. I Hosay kosa tsy mba nanao an’izany. Nanaraka an’i Davida izy rehefa tsy maintsy nandositra i Davida. Nalahelo be i Davida satria ny zanany lahy izao mihitsy no namadika azy niaraka tamin’ny olon-kafa natokisany. I Hosay kosa anefa nanao vivery ny ainy mihitsy mba tsy hampahomby an’ilay tetika hanonganana an’i Davida. Tsy noho izy tandapa fotsiny no nahatonga azy hanao an’izany. Nanao an’izany izy satria tsy te hivadika amin’ny namany.—2 Sam. 15:13-17, 32-37; 16:15–17:16.

Mahafinaritra ny mahita hoe tena mifankatia ireo rahalahy sy anabavy eo anivon’ny fiangonana, ary tsy miankina amin’ny andraikitra ananan’izy ireo izany. Toy ny milaza izy ireo hoe: “Namanao aho satria tiako ianao, fa tsy hoe satria izaho tsy maintsy minamana aminao.” Hita amin’ny zavatra ataony izany.

Izany no tsapan’i Federico. Nisy fotoana izy nanana olana be, dia nanampy azy i Antonio. Hoy izy: “Vetivety dia lasa mpinamana izahay sy Antonio rehefa nifindra tao amin’ny fiangonanay izy. Samy mpanampy amin’ny fanompoana izahay, ary nahafinaritra anay ny niara-nanao ny andraikitray. Voatendry ho anti-panahy izy taoriana kelin’izay. Noraisiko ho modely izy fa tsy hoe namako fotsiny.” Nanao fahadisoana i Federico tatỳ aoriana, ary tonga dia nangataka fanampiana. Natsahatra tsy ho mpisava lalana sy mpanampy amin’ny fanompoana izy tamin’izay. Inona no nataon’i Antonio?

Nihaino sy nampahery an’i Federico i Antonio tamin’izy nanana olana

Hoy i Federico: “Fantatr’i Antonio hoe nalahelo be aho. Nanao izay azony natao izy mba hampaherezana ahy. Tena tiany hifandray tsara tamin’i Jehovah indray aho, dia tsy nandao an’ahy mihitsy izy. Nampirisika an’ahy mba hiezaka tsara sy tsy ho kivy mihitsy izy.” I Antonio indray niteny hoe: “Niaraka matetika kokoa tamin’i Federico aho. Tiako ho tsapany hoe azony resahina amiko daholo izay tiany horesahina, na dia izay mampalahelo azy aza.” Lasa natanjaka ara-panahy i Federico tatỳ aoriana, dia voatendry ho mpisava lalana sy mpanampy amin’ny fanompoana indray. Hoy i Antonio: “Tsy iray fiangonana intsony izahay roa lahy. Mpinamana kokoa noho ny taloha anefa izahay izao.”

AHOANA RAHA NANDISO FANANTENANA ANAO IZY?

Inona no ho tsapanao raha amin’ny fotoana ilanao azy indrindra ny namanao no tsy manampy anao? Azo antoka fa halahelo be ianao. Hamela azy ve anefa ianao? Mbola ho mpinamana be foana ve ianareo?

Eritrereto izay nitranga tamin’i Jesosy, taloha kelin’ny nahafatesany. Niaraka matetika tamin’ireo apostoliny tsy nivadika izy, ary tsy nitovy tamin’ny fifandraisany tamin’olon-kafa mihitsy ny fifandraisany tamin’izy ireo. Marina ny tenin’i Jesosy hoe namany izy ireo. (Jaona 15:15) Inona anefa no nitranga rehefa nosamborina i Jesosy? Nandositra ny apostoly. I Petera izao mihitsy no niteny hoe tsy handao an’i Jesosy mihitsy izy. Ny alin’iny ihany anefa izy dia nilaza fa tsy fantany i Jesosy.—Mat. 26:31-33, 56, 69-75.

Rariny raha diso fanantenana sy nalahelo i Jesosy, na dia efa fantany aza hoe izy irery no hiatrika ny fitsapana hahazo azy. Rehefa niresaka tamin’ny mpianany anefa izy, andro vitsivitsy taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty, dia tsy hita mihitsy hoe tezitra na nalahelo na diso fanantenana. Tsy nitanisa ny fahadisoan’ny mpianany koa izy, ary tsy nasiany resaka akory ny nataon-dry zareo tamin’izy nosamborina.

Nampahery an’i Petera sy ny apostoly hafa kosa i Jesosy. Nasehony hoe mbola natoky azy ireo izy, ka nomeny toromarika izy ireo mba hahafahany hanao an’ilay asa fampianarana miavaka indrindra hatramin’izay. Mbola namany foana ireo apostoly. Nisy vokany be tamin’izy ireo ny fitiavany. Azo antoka fa niezaka mafy izy ireo mba tsy handao an’ilay Tompony intsony. Vitan’izy ireo tsara koa ilay asa nankininy taminy.—Asa. 1:8; Kol. 1:23.

Mpinamana be i Elvira sy Giuliana. Tezitra tamin’i Elvira anefa i Giuliana, indray mandeha. Hoy i Elvira: “Rehefa niteny tamiko izy hoe nampalahelo be an’azy ny zavatra nataoko, dia nanenina be aho. Rariny aloha raha tezitra izy e! Gaga anefa aho hoe izay hahasoa ahy no tena noeritreretiny sy hoe inona no mety ho vokatr’ilay zavatra nataoko. Misaotra an’azy aho satria tsy nifantoka tamin’ilay fahadisoako izy. Nalahelo aza izy hoe nisy vokany ratsy tamiko ilay izy. Izay hahasoa ahy no zava-dehibe kokoa taminy noho ny fihetseham-pony. Misaotra an’i Jehovah aho fa mana-namana hoatr’izany.”

Ahoana àry no ataon’ny tena namana rehefa misy olana? Tokony ho vonona hiresaka amin’ilay namany izy raha ilaina, ary tokony ho tsara fanahy sy tsy hisalasala hilaza ny ao am-pony. Ho toa an’i Natana sy Hosay izy, ka tsy hivadika na dia ao anatin’ny sarotra aza. Ho toa an’i Jesosy koa izy, ka ho vonona hamela heloka. Hoatr’izany ve ianao?