NY TILIKAMBO FIAMBENANA—FIANARANA Martsa 2018

Ho hitanao ao ny lahatsoratra hianarana manomboka ny herinandron’ny 30 Aprily ka hatramin’ny 3 Jona 2018.

Mila Atao Batisa Izay Te ho Kristianina

Inona no lazain’ny Baiboly momba ny batisa? Inona no tokony hataon’ny olona iray alohan’ny hanaovana batisa azy? Rehefa mampianatra ny zanakao ianao na mampianatra olon-kafa, dia nahoana ianao no mila mitadidy hoe tena ilaina ny batisa?

Ampio ny Zanakao mba ho Lasa Vita Batisa

Inona no tian’ny ray aman-dreny ho azo antoka tsara alohan’ny hanaovana batisa ny zanany?

FANONTANIAN’NY MPAMAKY

Fanontanian’ny Mpamaky

Rehefa manao sarin’ny apostoly Paoly ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nahoana izy no ataon’izy ireo sola loha na zara raha misy volo?

Mahafinaritra Sady Tena Ilaina ny hoe Tia Mandray Vahiny

Nahoana ny Soratra Masina no mampirisika ny Kristianina hifanasa? Rahoviana isika no afaka mandray vahiny? Inona no afaka manampy antsika raha misalasala hanao an’izany isika?

TANTARAM-PIAINANA

Tsy Nanary Ahy Mihitsy i Jehovah!

Mpisava lalana i Erika Nöhrer Bright, dia avy eo lasa mpisava lalana manokana sy misionera. Tantarainy ao hoe nanampy sy nampahery azy foana i Jehovah.

Tia Antsika i Jehovah Matoa Mananatra Antsika

Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo olona nanarin’i Jehovah taloha? Ahoana no azontsika anahafana an’i Jehovah rehefa mananatra olona isika?

“Mihainoa Anatra, ka Hendre”

Inona no ataon’i Jehovah mba hanampiana antsika hahay hanitsy ny tenantsika? Inona no azontsika atao raha tiantsika hahasoa antsika ny fananarana omena antsika amin’ny alalan’ny fiangonana?