Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Rehefa manao sarin’ny apostoly Paoly isika Vavolombelon’i Jehovah, dia nahoana izy no ataontsika sola loha na zara raha misy volo?

Tsy misy tena mahalala hoe hoatran’ny ahoana ny paozin’i Paoly. Sary noforonina fotsiny no ao amin’ny bokintsika, fa tsy sary avy amin’ny zavatra hitan’ny mpanao fikarohana.

Misy fomba azo amantarana ny paozin’i Paoly ihany anefa. Izao, ohatra, no nolazain’ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona (anglisy) 1 Martsa 1902: ‘Misy fanazavana momba ny paozin’i Paoly ao amin’ilay boky hoe Ny Zavatra Nataon’i Paoly sy Tekla (anglisy), nosoratana tamin’ny taona 150 tany ho any. Izy io angamba no fanazavana manakaiky indrindra ny tena marina sy ninoan’ny olona maro. Voalaza ao hoe “fohy izy, sola, bingo, nofosana, lavalava orona, ary mifampitohy ny volomasony.”’

‘Mety ho misy marina ihany ny voalazan’io boky io’, hoy Ny Diksioneran’i Oxford Momba ny Fiangonana Kristianina (anglisy, natao pirinty tamin’ny 1997). Nisy nandika tanana tamin’ny teny grika izy io, ary mbola misy 80 amin’izany amin’izao. Misy amin’ny fiteny hafa koa izy io. Porofo izany hoe mbola be mpitia io boky io, taona maro taorian’ny nanoratana azy. Mifanaraka amin’ny zavatra sasany voalazan’ny boky fahiny àry ny sarin’i Paoly ao amin’ny bokintsika.

Mbola misy zava-dehibe noho ny paozin’i Paoly anefa. Marina fa nisy nanakiana izy tamin’izy nanao ny fanompoany. Nisy nilaza hoe: “Mavesa-danja sady mahery ny taratasiny, fa rehefa manatrika eo kosa izy dia malemy, ary tsy misy vidiny ny teniny.” (2 Kor. 10:10) Ny fahagagana nataon’i Jesosy mihitsy anefa no nahatonga azy ho lasa Kristianina. Eritrereto koa ny zava-bitany noho izy “fanaka voafidy” ho an’i Kristy, mba ‘hitondra ny anarany any amin’ny hafa firenena.’ (Asa. 9:3-5, 15; 22:6-8) Tsy vitan’izany fa nasain’i Jehovah nanoratra boky ao amin’ny Baiboly izy, ary mandray soa be dia be avy amin’izy ireny isika.

Tsy nirehareha tamin’ny zava-bitany tamin’izy mbola tsy Kristianina i Paoly, sady tsy niresaka momba ny paoziny. (Asa. 26:4, 5; Fil. 3:4-6) Niaiky izy hoe: “Izaho no kely indrindra amin’ny apostoly, ary tsy mendrika hantsoina hoe apostoly aho.” (1 Kor. 15:9) Hoy koa izy: “Izaho izay kely noho ny kely indrindra amin’ny olona masina rehetra no nanehoana izany hatsaram-panahy tsy manam-paharoa izany, dia ny hitory amin’ny hafa firenena ny vaovao tsara momba ny harena tsy hita fetran’i Kristy.” (Efes. 3:8) Izany vaovao tsara notorin’i Paoly izany àry no zava-dehibe kokoa noho ny paoziny.