Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tia Antsika i Jehovah Matoa Mananatra Antsika

Tia Antsika i Jehovah Matoa Mananatra Antsika

“Izay tian’i Jehovah no anariny.”—OHAB. 3:12.

HIRA: 123, 86

1. Ahoana matetika no fomba iresahan’ny Baiboly ny hoe “fananarana”?

INONA no tonga ao an-tsainao rehefa maheno hoe “fananarana”? Betsaka ny olona mieritreritra hoe mibedy na manasazy ny hoe mananatra. Tsy izany ihany anefa no tafiditra amin’ilay izy. Zavatra tsara ny anatra, ao amin’ny Baiboly. Rehefa miresaka momba ny fananarana izy io, dia miresaka momba ny fahalalana, fahendrena, fitiavana, ary fiainana koa indraindray. (Ohab. 1:2-7; 4:11-13) Tian’i Jehovah isika sady tiany hiaina mandrakizay matoa anariny. (Heb. 12:6) Mety hanasazy antsika izy indraindray rehefa mananatra antsika. Tsy masiaka be na ratsy fanahy anefa izy amin’izany. Mampianatra no tena dikan’ny hoe ‘mananatra’, tsy misy hafa amin’ny hoe mampianatra zanaka tena tiana.

2, 3. Hazavao fa ny hoe mananatra dia midika koa hoe mampianatra sady manasazy. (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

2 Eritrereto ity ohatra ity: Manipinipy baolina ao an-trano i Fano, dia miteny azy ny mamany hoe: “Fano a, tsy mahazo milalao baolina ato an-trano moa ianao ô? Sao dia mamaky zavatra eo.” Tsy nankatò anefa izy, dia farany namaky vazy. Tsy maintsy mananatra azy ny mamany, ka mety hampianatra azy sady hanasazy azy. Ampianariny azy hoe tsy mety ny nataony, ary tena ilaina ny mankatò ray aman-dreny sady mahasoa. Mety hosaziny koa izy, ka ampiriminy aloha ilay baolina. Ho azon’i Fano tsara amin’izay hoe inona no vokany rehefa tsy mankatò.

3 Anisan’ny “ankohonan’Andriamanitra” isika satria Kristianina. (1 Tim. 3:15) Ekentsika àry hoe zon’i Jehovah ny manome fitsipika, ary zony koa ny mananatra antsika amim-pitiavana rehefa mandika azy ireny isika. Raha misy vokany ratsy koa ny zavatra nataontsika ka anarin’i Jehovah isika, dia hanampy antsika izany hitadidy hoe tena ilaina ny mankatò azy. (Gal. 6:7) Mananatra antsika i Jehovah satria tena tia antsika ary tsy tiany hijaly isika.—1 Pet. 5:6, 7.

4. a) Inona no tian’i Jehovah hataontsika amin’ny zanatsika sy ny olona ampianarintsika? b) Inona no hodinihintsika ato?

4 Mety ho lasa mpanara-dia an’i Kristy ny zanatsika na ny olona ampianarintsika, raha mananatra azy mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly isika. Mampiasa ny Baiboly isika mba hanampiana ny olona hahalala ny atao hoe tsara sy ‘hitandrina izay rehetra nandidian’i Jesosy.’ (2 Tim. 3:16; Mat. 28:19, 20) Izany no tian’i Jehovah hataontsika, amin’izay ny olona ampianarintsika afaka manampy olon-kafa ho lasa mpanara-dia an’i Kristy koa. (Vakio ny Titosy 2:11-14.) Hodinihintsika ato àry ny valin’ireto fanontaniana lehibe ireto: 1) Nahoana no azo lazaina hoe tia antsika i Jehovah matoa mananatra antsika? 2) Inona no ianarantsika rehefa mandinika ny fomba nananaran’i Jehovah ny olona sasany isika? 3) Ahoana no azontsika anahafana an’i Jehovah sy ny Zanany rehefa mananatra olona isika?

TIA ANTSIKA I JEHOVAH MATOA MANANATRA ANTSIKA

5. Nahoana isika no milaza fa tia antsika i Jehovah matoa mananatra antsika?

5 Ny fitiavana no mahatonga an’i Jehovah hanitsy sy hampianatra ary hampiofana antsika. Amin’izay isika hifandray akaiky aminy foana ary ho afaka hiaina mandrakizay. (1 Jaona 4:16) Tsy manambany na manevateva antsika mihitsy izy. (Ohab. 12:18) Mety hihevi-tena ho tsy misy vidiny mantsy isika raha atao an’izany. Manaja antsika kosa izy, ka mifantoka amin’ny toetra tsarantsika sady mamela antsika hisafidy izay tiantsika hatao. Mahatsapa ny fitiavan’i Jehovah anao ve ianao rehefa mahazo fananarana amin’ny alalan’ny Teniny, na ny boky sy gazety, na ny ray aman-dreny, na ny anti-panahy? Tia antsika hoatran’i Jehovah ny anti-panahy matoa manitsy antsika amim-pahalemem-panahy sy amim-pitiavana, rehefa sendra “manao fahadisoana” isika nefa tsy fantatsika akory.—Gal. 6:1.

6. Raha nesorina tamin’ny olona iray ny tombontsoany, nahoana izany no mbola azo lazaina hoe porofon’ny fitiavan’i Jehovah azy?

6 Tsy ampy indraindray ny torohevitra, rehefa mananatra olona. Raha nanao fahotana lehibe ny olona iray, dia mety hesorina aminy ny tombontsoany eo anivon’ny fiangonana. Mbola manaporofo anefa izany hoe tia azy i Jehovah. Mety ho tonga saina mantsy izy amin’izay hoe mila manokana fotoana bebe kokoa hianarana Baiboly sy hisaintsainana ary hivavahana. Hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah izy raha manao an’izany. (Sal. 19:7) Mety haverina aminy ny tombontsoany any aoriana any. Na ny fandroahana aza mbola porofon’ny fitiavan’i Jehovah, satria miaro ny fiangonana tsy ho voataona hanao ratsy. (1 Kor. 5:6, 7, 11) Araka ny antonony foana ny fananaran’i Jehovah, ka mety hahatonga saina ny olona voaroaka hoe tena ratsy ny nataony. Mety handrisika azy hibebaka izany.—Asa. 3:19.

NANDRAY SOA REHEFA NANARIN’I JEHOVAH

7. Iza i Sebna, ary inona no toetra ratsy lasa nananany?

7 Hiresaka olona roa nanarin’i Jehovah isika, mba hahitantsika fa tena ilaina ny fananarana. I Sebna, Israelita tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka, ny iray, ary i Graham, rahalahy amin’izao androntsika izao ny iray. Nanana fahefana be i Sebna. Mety ho mpiandraikitra ny tranon’i Hezekia Mpanjaka mantsy izy. (Isaia 22:15) Lasa nanambony tena sy te hohindrahindrain’ny olona anefa izy. Nitaingina ‘kalesim-boninahitra’ izy, ary nampanao fasana lafo be ho azy mihitsy aza.—Isaia 22:16-18.

Hotahin’i Jehovah isika raha manetry tena ka manova ny toe-tsaintsika (Fehintsoratra 8-10)

8. Ahoana no nananaran’i Jehovah an’i Sebna, ary inona no vokatr’izany?

8 Naongan’i Jehovah ‘hiala tamin’ny andraiki-panjakana notanany’ i Sebna, noho izy te hahazo voninahitra. I Eliakima no nataony solony. (Isaia 22:19-21) Tamin’i Sankeriba nitady hanafika an’i Jerosalema izany no nitranga. Nandefa manam-pahefana sy miaramila maro be nankany Jerosalema io mpanjaka asyrianina io tatỳ aoriana. Te hampitahotra ny Jiosy mantsy izy, ary tiany hitolo-batana i Hezekia. (2 Mpanj. 18:17-25) I Eliakima no voairaka hiresaka tamin’ireo manam-pahefana ireo, ary nisy olona roa niaraka taminy. I Sebna ny iray, ary mpitan-tsoratra izy tamin’izany. Toa midika izany hoe tsy tezitra na nitana lolompo i Sebna rehefa nanarina. Nanetry tena kosa izy, ary nanaiky nomena andraikitra tsy dia misongadina noho ny teo aloha. Misy zavatra telo ianarantsika avy amin’izany.

9-11. a) Inona avy no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Sebna? b) Inona no mampahery anao, rehefa mieritreritra ny nataon’i Jehovah tamin’i Sebna ianao?

9 Voalohany, mampahatsiahy antsika ny nanjo an’i Sebna hoe “ny fireharehana mialoha ny fahalavoana, ary ny fieboeboana mialoha ny fianjerana.” (Ohab. 16:18) Hiezaka hanetry tena foana àry ve ianao, raha manana tombontsoa manokana eo anivon’ny fiangonana ka angamba misongadina kokoa? Ekenao ve hoe avy amin’i Jehovah daholo izay zavatra hainao na vitanao? (1 Kor. 4:7) Hoy ny apostoly Paoly: “Izao no lazaiko amin’ny olona rehetra eo aminareo: Aza mihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina, fa rehefa mieritreritra kosa, dia mba ataovy tanjona ny ho tonga olona misaina tsara.”—Rom. 12:3.

10 Faharoa, toa nanantena i Jehovah hoe mbola hiova i Sebna matoa izy nananatra azy mafy. (Ohab. 3:11, 12) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy tokony ho tezitra na hitana lolompo isika, raha nisy tombontsoa nesorina tamintsika. Afaka manome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah foana isika, ary mitadidy hoe tiany isika matoa nanariny. Tadidio foana fa hamaly soa an’izay manetry tena ilay Raintsika any an-danitra. (Vakio ny 1 Petera 5:6, 7.) Mety hananatra antsika amim-pitiavana izy mba hamolavolana ny toetrantsika. Miezaha foana àry hanetry tena ka ho toy ny tanimanga mora volavolaina.

11 Fahatelo, miana-javatra avy amin’izay nataon’i Jehovah tamin’i Sebna ireo nomena alalana hananatra ny hafa. Anisan’izany ny ray aman-dreny sy ny anti-panahy. Matoa i Jehovah mananatra olona iray, dia satria halany ny fahotana vitany. Mbola tia an’ilay olona anefa izy, ary mifantoka amin’ny toetra tsarany. Hanahaka an’i Jehovah àry ve ianao, raha mila mananatra ny zanakao na ny mpiara-manompo aminao?—Joda 22, 23.

12-14. a) Inona no ataon’ny olona sasany rehefa anarin’i Jehovah izy? b) Ahoana no nanampian’ny Baiboly ny rahalahy iray, ary inona avy no vokatr’izany?

12 Nalahelo be loatra ny olona sasany rehefa nanarina, ka niala tamin’i Jehovah mihitsy ary tsy niaraka tamin’ny vahoakany intsony. (Heb. 3:12, 13) Mbola azo atao tsara anefa ny manampy azy ireny. Diniho ny nanjo an’i Graham. Voaroaka izy ary voaray indray. Lasa tsy nivory sy tsy nitory intsony anefa izy. Taona maromaro taorian’izay, dia nasainy nampianatra Baiboly azy ny anti-panahy iray niezaka ninamana taminy.

13 Hoy ilay anti-panahy: “Nanambony tena i Graham, dia izay no olana. Nanakiana an’ireo anti-panahy anisan’ny komity nitsara azy izy. Dia andinin-teny momba ny hoe manambony tena aloha no nodinihinay, tamin’ny fianaranay voalohandohany. Nianaranay koa hoe inona no vokatr’izany. Nampitaha ny toetrany tamin’izay voalazan’ny Tenin’Andriamanitra izy, toy ny ataon’ny olona mijery fitaratra, dia tsy tiany ny zavatra hitany. Nahavariana ilay izy! Niaiky i Graham hoe nanambony tena, ka hoatran’ny hoe nisy ‘vatan-kazo’ nanajamba azy. Niaiky koa izy hoe izy no olana satria tia nanakiana. Niova haingana be izy avy eo. Lasa nivory foana izy, nianatra tsara ny Baiboly, ary lasa zatra nivavaka isan’andro. Nanaiky hanao ny andraikitra ara-panahy tokony hataon’ny loham-pianakaviana koa izy, dia faly be ny vady aman-janany.”—Lioka 6:41, 42; Jak. 1:23-25.

14 Hoy ihany ilay anti-panahy: “Tena nanohina ny foko ny zavatra nolazain’i Graham indray mandeha. Nilaza izy hoe efa aman-taonany izy no nahalala ny fahamarinana, ary efa mpisava lalana mihitsy aza. Izao anefa, hono, izy vao mahatsapa hoe tena tia an’i Jehovah. Voatendry ho mpikarakara mikrô tao amin’ny Efitrano Fanjakana izy tsy ela taorian’izay, ary tiany be ilay izy. Nianarako tamin’i Graham hoe rehefa manetry tena ny olona iray ka manaiky anarina, dia omen’i Jehovah fitahiana be dia be.”

MANAOVA HOATRAN’I JEHOVAH SY KRISTY

15. Inona no tsy maintsy ataontsika raha tiantsika handaitra ny fananarantsika?

15 Hahay hampianatra isika, raha isika mihitsy aloha no mianatra tsara. (1 Tim. 4:15, 16) Hoatr’izany koa rehefa mananatra. Raha anisan’ireo asain’i Jehovah mananatra olona ianao, dia ianao mihitsy aloha no mila manaraka foana ny torohevitr’i Jehovah. Hanaja anao ny olona raha manetry tena sy manaiky anarina ianao. Ho mora amin’izy ireo koa ny hanaiky ny torohevitrao. Diniho ny ohatra navelan’i Jesosy.

16. Nahoana no nandaitra ny fampianaran’i Jesosy sy ny fananarana nomeny?

16 Nanao izay nasain’ny Rainy nataony foana i Jesosy, na dia tena sarotra aza izany indraindray. (Mat. 26:39) Niaiky koa izy hoe avy amin’ny Rainy ny fampianarany sy ny fahendreny. (Jaona 5:19, 30) Nanetry tena sy nankatò an’i Jehovah foana izy, ka lasa nangoraka sy tsara fanahy rehefa nampianatra. Nahafinaritra an’ireo olona tso-po ny niaraka taminy. (Vakio ny Lioka 4:22.) Nampahery ny zavatra nolazainy tamin’ireo olona nijaly sy kivy, izay toy ny bararata folaka sy lahin-jiro efa ho faty. (Mat. 12:20) Tsara fanahy sy be fitiavana foana i Jesosy, na dia rehefa nisy zavatra tokony ho nampahatezitra azy aza. Nanariny moramora, ohatra, ny apostoliny rehefa nifanditra hoe iza no lehibe indrindra tamin-dry zareo.—Mar. 9:33-37; Lioka 22:24-27.

17. Inona avy no toetra ilain’ny anti-panahy mba hikarakarana tsara ny fiangonana?

17 Tokony hanahaka an’i Kristy izay rehetra asaina manome torohevitra araka ny Soratra Masina. Hita hoe te hanaraka ny tari-dalan’i Jehovah sy ny Zanany izy ireo, raha manao an’izany. Hoy ny apostoly Petera: “Andraso ny andian’ondrin’Andriamanitra eo ambany fiandraiketanareo, tsy an-tery anefa, fa an-tsitrapo, ary tsy noho ny fitiavana tombony azo amin’ny tsy marina, fa amim-paharisihana kosa, tsy manjakazaka amin’ny lovan’Andriamanitra, fa ho modely ho an’ny andian’ondry.” (1 Pet. 5:2-4) Raha mazoto manaraka ny tari-dalan’Andriamanitra sy Kristy ny anti-panahy, dia handray soa izy ireo sy ny fiangonana iandraiketany.—Isaia 32:1, 2, 17, 18.

18. a) Inona no takin’i Jehovah amin’ny ray aman-dreny? b) Ahoana no anampian’i Jehovah ny ray aman-dreny hahavita ny andraikiny?

18 Hoatr’izany koa no tokony hataon’ny ray aman-dreny. Izao no torohevitry ny Baiboly ho an’ny loham-pianakaviana: “Aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah izy.” (Efes. 6:4) Tena zava-dehibe izany! Hoy mantsy ny Ohabolana 19:18: “Faizo ny zanakao dieny mbola misy fanantenana, ary aza maniry ny hahafatesany.” Raha tsy mananatra na manafay ny zanany ny ray aman-dreny, dia hoatran’ny hoe maniry ny hahafatesany ka hampamoahin’i Jehovah. (1 Sam. 3:12-14) Afaka manome azy ireo fahendrena sy hery anefa i Jehovah. Raha te hahazo an’izany izy ireo, dia mila manetry tena ka mivavaka aminy, ary mandinika ny Teniny sy mangataka fanahy masina.—Vakio ny Jakoba 1:5.

AMPIANARINA HIFANDRAY TSARA MANDRAKIZAY

19, 20. a) Inona no fitahiana ho azon’izay manaiky anarin’i Jehovah? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Hahazo fitahiana be dia be isika, raha manaiky anarin’i Jehovah sady manahaka azy sy Jesosy rehefa mananatra olona. Hifankatia sy hihavana tsara, ohatra, ny mpianakavy sy ny fiangonana. Hahatsiaro ho tiana sy misy vidiny ary voaro ny olona tsirairay. Santionany amin’ny fitahiana maro ho azontsika amin’ny hoavy izany. (Sal. 72:7) Ho toy ny fianakaviana mifandray tsara isika rehetra amin’izay, ary i Jehovah no ho Raintsika. (Vakio ny Isaia 11:9.) Mampiofana antsika mba hiara-hiaina mandrakizay àry ny fananaran’i Jehovah. Raha mitadidy an’izany isika, dia hiaiky hoe tena tia antsika izy matoa mananatra antsika, ary tsy misy tia antsika hoatr’azy.

20 Hiresaka bebe kokoa momba ny fananarana eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiangonana isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka. Ho hitantsika koa hoe mila manitsy ny tenantsika isika, ary mbola misy zavatra ratsy noho ny hoe malahelo satria nanarina.