Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mila Atao Batisa Izay Te ho Kristianina

Mila Atao Batisa Izay Te ho Kristianina

‘Mamonjy anareo koa ankehitriny ny batisa.’—1 PET. 3:21.

HIRA: 52, 41

1, 2. a) Inona no eritreretin’ny ray aman-dreny maro rehefa te hatao batisa ny zanany? b) Nahoana ireo hatao batisa no anontaniana raha efa nanokan-tena ho an’i Jehovah? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

SIVY taona i Maria, ary nitazana azy nitsangana niaraka tamin’ireo hatao batisa ny ray aman-dreniny. Niteny mafy tsara izy rehefa namaly an’ireo fanontaniana roa napetrak’ilay mpandahateny. Natao batisa izy avy eo.

2 Tena faly ny ray aman-drenin’i Maria fa nanokana ny fiainany ho an’i Jehovah izy ary natao batisa. Niady saina anefa ny reniny talohan’izay hoe: ‘Sao dia mbola kely loatra izy? Azony tsara ve hoe fanapahan-kevitra lehibe izany atao batisa izany? Sao dia mila miandry kely aloha izy?’ Ray aman-dreny maro no lasa saina hoatr’izany rehefa te hatao batisa ny zanany. (Mpito. 5:5) Ny hoe manokan-tena sy atao batisa mantsy no fanapahan-kevitra lehibe indrindra raisin’ny Kristianina.—Jereo ilay hoe “ Efa Nanokan-tena ho An’i Jehovah ve Ianao?

3, 4. a) Inona no nolazain’i Petera mba hampisehoana fa tena ilaina ny batisa? b) Nahoana ny batisa no mitovy amin’ny fanorenana ny sambofiara?

3 Nampitovin’ny apostoly Petera tamin’ny fanamboaran’i Noa sambofiara ny batisa. Hoy izy: “Ny mifanitsy amin’izany, izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa.” (Vakio ny 1 Petera 3:20, 21.) Porofo hitan’ny rehetra ilay sambofiara hoe tena zava-dehibe tamin’i Noa ny nanao ny sitrapon’Andriamanitra. Nataony tsara izay nampanaovin’i Jehovah azy. Hita hoe nanam-pinoana izy ka novonjen’i Jehovah tamin’ny Safodrano izy mianakavy. Inona àry no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Petera?

4 Rehefa nahita an’ilay sambofiara ny olona, dia niaiky hoe nino an’Andriamanitra i Noa. Rehefa mahita olona atao batisa koa isika, dia fantatsika hoe efa nanokan-tena ho an’i Jehovah izy ary nanao an’izany satria mino ny soron’i Kristy sady mino hoe natsangana tamin’ny maty izy. Mankatò an’Andriamanitra hoatran’i Noa ny olona vita batisa, ka manao ny asa asainy hatao. Hovonjen’i Jehovah, toy ny namonjeny an’i Noa, ny olona vita batisa sy tsy mivadika rehefa handringana an’ity tontolo ity izy. (Mar. 13:10; Apok. 7:9, 10) Midika izany hoe tena ilaina ny fanokanan-tena sy ny batisa. Mety tsy ho afaka hiaina mandrakizay ny olona iray, raha efa tokony hatao batisa nefa mangataka andro.

5. Inona no hodinihintsika ato?

5 Tena zava-dehibe àry ny batisa, ka mila fantarintsika ny valin’ireto: Inona no lazain’ny Baiboly momba ny batisa? Inona no tsy maintsy ataon’ny olona iray vao azo atao batisa izy? Rehefa mampianatra ny zanatsika isika na mampianatra olon-kafa, dia nahoana isika no mila mitadidy hoe tena zava-dehibe ny batisa?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

6, 7. a) Nahoana ny olona no nankany amin’i Jaona mba hatao batisa? b) Ny batisan’iza no tena niavaka, ary nahoana?

6 I Jaona Mpanao Batisa no voalohany resahin’ny Baiboly hoe nanao batisa. (Mat. 3:1-6) Nankany aminy ny olona mba hatao batisa, satria te hampiseho hoe nibebaka. Nandika ny Lalàn’i Mosesy mantsy izy ireo, dia nanenina. Nanao batisa an’i Jesosy koa i Jaona. Tombontsoa lehibe ho azy ny nanao batisa an’io Zanak’Andriamanitra io. (Mat. 3:13-17) Tena niavaka anefa io batisa io. Tsy nanota mantsy i Jesosy, dia tsy nila nibebaka. (1 Pet. 2:22) Natao batisa kosa izy, mba hampisehoana fa vonona hanao ny sitrapon’Andriamanitra izy.—Heb. 10:7.

7 Nanao batisa koa ny mpianatr’i Jesosy, tamin’izy tetỳ an-tany. (Jaona 3:22; 4:1, 2) Nitovy tamin’ny an’i Jaona ny batisa nataon’izy ireo. Te hampiseho ireo olona nataon’izy ireo batisa hoe nibebaka tamin’ny fahotany rehefa nandika ny Lalàn’i Mosesy. Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nananganana azy tamin’ny maty anefa, dia antony hafa mihitsy no anaovana batisa an’izay te hanara-dia an’i Jesosy.

8. a) Inona no didy nomen’i Jesosy ny mpanara-dia azy, taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty? b) Nahoana ny Kristianina no tsy maintsy atao batisa?

8 Niseho tamin’ny olona 500 mahery i Jesosy taoriana kelin’ny nananganana azy tamin’ny maty, tamin’ny taona 33. Mety ho tamin’izay izy no nilaza hoe: “Mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina. Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Mat. 28:19, 20; 1 Kor. 15:6) Lehilahy sy vehivavy no niresahan’i Jesosy tamin’izay, ary mety ho ankizy koa. Toa maro tamin’izy ireo no efa mpanara-dia azy. Nandidy azy ireo izy mba hanao mpianatra. Nilaza koa izy fa tsy maintsy atao batisa ny olona iray raha te ‘hitondra ny ziogany’, izany hoe ho lasa mpanara-dia azy. (Mat. 11:29, 30) Inona àry no tokony hataon’ny olona iray raha tiany hankasitrahan’i Jehovah ny fanompoany azy? Mila manaiky izy aloha hoe mampiasa an’i Jesosy i Jehovah mba hanatanterahana ny sitrapony. Azo atao batisa izy rehefa manaiky an’izany, ary izany ihany no batisa ao anaty rano eken’Andriamanitra. Azon’ny mpanara-dia an’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany fa tena ilaina ny batisa, ary betsaka porofo manamarina an’izany ao amin’ny Baiboly. Tsy nangataka andro àry izy ireo rehefa tokony hatao batisa.—Asa. 2:41; 9:18; 16:14, 15, 32, 33.

AZA MANGATAKA ANDRO

9, 10. Inona no ianarantsika momba ny batisa, rehefa mandinika ny tantaran’ilay Etiopianina sy ny apostoly Paoly isika?

9 Vakio ny Asan’ny Apostoly 8:35, 36. Avy nivavaka tany Jerosalema ny Etiopianina iray nanaraka ny Fivavahana Jiosy, ary handeha hody. Nisy anjely naniraka an’i Filipo hitory taminy, dia ‘nitory ny vaovao tsara momba an’i Jesosy taminy’ i Filipo. Lasa nazava tamin’ilay Etiopianina hoe tena ilaina ny manaiky an’i Jesosy ho Tompo. Te hanao izay takin’i Jehovah amin’ny Kristianina izy, ka natao batisa tsy nisy hataka andro.

10 Eritrereto koa i Saoly. Jiosy izy ary nafana fo be tao amin’ny Fivavahana Jiosy. Firenena natokan’Andriamanitra hanompo azy ny Jiosy. Nieritreritra i Saoly hoe mbola tsy niova izany, dia nenjehiny ny Kristianina. Efa tsy nankasitrahan’Andriamanitra intsony anefa ny Jiosy satria tsy nankatò azy. Niseho tamin’i Saoly i Jesosy, taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty. Nanaiky nampian’ny Kristianina atao hoe Ananiasy izy taorian’izay, ka “natao batisa.” (Asa. 9:17, 18; Gal. 1:14) Apostoly Paoly no nahafantarana azy tatỳ aoriana. Mariho fa tsy nangataka andro izy, rehefa azony tsara hoe mampiasa an’i Jesosy Andriamanitra mba hanatanterahana ny sitrapony. Tonga izy dia natao batisa.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 22:12-16.

11. a) Inona no mahatonga ny mpianatra ny Baiboly te hatao batisa? b) Inona no tsapantsika rehefa misy olona atao batisa?

11 Hoatr’izany koa ny olona mianatra Baiboly amin’izao, na tanora izy na efa lehibe. Mankasitraka sy mino an’izay nianarany tao amin’ny Baiboly izy ireo, ka tena te hanokan-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa. Fotoana miavaka ny lahatenin’ny batisa rehefa fivoriambe. Tena faly ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa misy mpianatra ny Baiboly manaiky ny fahamarinana ary manapa-kevitra ny hatao batisa. Faly koa ny ray aman-dreny rehefa atao batisa ny zanany. Maherin’ny 284 000 ny olona “nanana toe-po tsara” ka natao batisa, tamin’ny taom-panompoana 2017. (Asa. 13:48) Nasehon’izy ireo tamin’izany fa nanokan-tena ho an’i Jehovah izy ireo. Azony tsara hoe tsy maintsy atao batisa ny Kristianina. Inona anefa no tsy maintsy nataony talohan’ny batisany?

12. Inona aloha no tsy maintsy ataon’ny olona iray izay vao azo atao batisa izy?

12 Tsy maintsy miezaka hanam-pinoana ny olona iray, alohan’ny hanaovana batisa azy. Mila mianatra ny marina momba an’i Jehovah sy ny fikasany àry izy. Tokony hianarany koa hoe inona no nataon’i Jehovah mba hamonjena ny olombelona. (1 Tim. 2:3-6) Hanam-pinoana izy amin’izay, ka hahavita hankatò ny fitsipik’i Jehovah ary tsy hanao zavatra halany. (Asa. 3:19) Raha mbola manao zavatra tsy tian’i Jehovah mantsy izy, dia tsy heken’i Jehovah ny voady hataony rehefa manokan-tena izy. (1 Kor. 6:9, 10) Tsy ampy anefa ny mankatò ny fitsipik’i Jehovah, fa tokony hivory tsy tapaka koa izy. Mila mazoto mitory ny vaovao tsara sy mampianatra koa ny tena mpanara-dia an’i Jesosy. (Asa. 1:8) Tsy maintsy manao an’izany rehetra izany àry ny olona iray mianatra Baiboly. Afaka manokan-tena ho an’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka izy aorian’izay, ary hatao batisa mba ho hitan’ny rehetra hoe efa nanokan-tena.

AMPIO IZY MBA HATAO BATISA

Ezahinao tadidina foana ve hoe tena ilaina ny batisa, ka ampianao hahatsapa an’izany ny mpianatrao? (Fehintsoratra 13)

13. Rehefa mampianatra Baiboly isika, dia nahoana isika no mila mitadidy hoe tsy maintsy atao batisa ny Kristianina?

13 Misy zavatra tokony hotadidinao rehefa manampy ny zanakao sy ny mpianatrao hanao an’ireo dingana etsy aloha ianao. Mila mitadidy ianao hoe tsy maintsy hatao batisa izay te ho mpanara-dia an’i Jesosy. Isaky ny misy fotoana mety tsara amin’izay, dia tsy hisalasala hiresaka aminy ianao hoe tena zava-dehibe ny fanokanan-tena sy ny batisa. Tiantsika handroso mantsy ny zanatsika sy ny olona ampianarintsika, ka hatao batisa.

14. Nahoana isika no tsy manery na iza na iza hatao batisa?

14 Tsy tokony hanery na iza na iza hatao batisa anefa isika, na zanatsika izy na olona ampianarintsika Baiboly. Tsy manery na iza na iza hanompo azy mantsy i Jehovah. (1 Jaona 4:8) Tokony hataonao azon’ilay mpianatrao tsara kosa hoe izy mihitsy no mila mifandray akaiky amin’i Jehovah. Te hatao batisa ho azy izy raha tena mankasitraka ny fahamarinana sy te hanao izay takina amin’ny Kristianina.—2 Kor. 5:14, 15.

15, 16. a) Firy taona ny olona iray no tokony hatao batisa? Hazavao. b) Nahoana no tsy maintsy atao batisa izay te ho Vavolombelon’i Jehovah, na dia efa vita batisa tany amin’ny fivavahana hafa aza?

15 Firy taona ny olona iray no tokony hatao batisa? Tsy mitovy ny mpianatra Baiboly, fa misy mihamatotra sy mandroso haingana kokoa. Maro no natao batisa tamin’izy mbola kely, ary tsy mivadika hatramin’izao. Efa be taona kosa ny sasany vao nahalala ny fahamarinana sy tapa-kevitra ny hatao batisa. Misy aza efa 100 taona mahery.

16 Nisy vehivavy efa be taona nanontany ny mpampianatra azy hoe mbola tokony hatao batisa ve izy. Efa natao batisa tany amin’ny fivavahana maromaro mantsy izy. Nampiseho andinin-teny vitsivitsy àry ilay mpampianatra azy, dia azony tsara hoe inona no takin’i Jehovah aminy. Natao batisa izy taoriana kelin’izay. Efa ho 80 taona izy, nefa tsy nieritreritra mihitsy hoe tsy mila hatao batisa. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy heken’i Jehovah ny batisantsika raha tsy mahalala ny tena marina momba ny sitrapony isika. Tsy maintsy atao batisa àry ny olona iray, na dia efa vita batisa tany amin’ny fivavahana hafa aza.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 19:3-5.

17. Inona no tsara saintsainin’ny olona amin’ny andro anaovana batisa azy?

17 Fotoana tena mahafaly ny andro anaovana batisa. Mila misaintsaina tsara ny dikan’ny fanokanan-tena sy ny batisa koa anefa ireo hatao batisa, amin’io andro io. Tsy maintsy miezaka mafy mantsy ny olona nanokan-tena vao hahavita hanefa ny voady nataony. Izany no nahatonga an’i Jesosy hilaza fa toy ny hoe mitondra zioga ny olona manara-dia azy. ‘Tsy velona ho an’ny tenany intsony’ izy ireo, fa “ho an’ilay efa maty ho azy ireo sady efa natsangana.”—2 Kor. 5:15; Mat. 16:24.

18. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Fanapahan-kevitra tena lehibe ny hoe hanara-dia an’i Jesosy. Izany no nahatonga ny maman’i Maria hieritreritra an’ireo fanontaniana noresahintsika tany am-piandohana. Efa nieritreritra hoatr’izao koa angamba ianao: ‘Efa tena vonona hatao batisa ve ny zanako? Ampy tsara ve ny zavatra fantany momba an’i Jehovah ka afaka manokan-tena ho azy izy? Sao dia tokony ho lasa lavidavitra amin’ny fianarana sy hanana asa aloha izy vao hatao batisa? Dia ahoana raha manao fahotana lehibe izy rehefa vita batisa?’ Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany. Hojerentsika koa hoe inona no hanampy ny ray aman-dreny tsy hanahy be loatra raha te hatao batisa ny zanany.