Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hananana Hatsaran-toetra?

Ahoana no Hananana Hatsaran-toetra?

TIANTSIKA rehetra raha tsara toetra no fahitan’ny olona antsika. Sarotra anefa ny ho tsara toetra amin’izao andro izao satria betsaka no ‘tsy tia ny tsara.’ (2 Tim. 3:3) Tsy manaraka ny fitsipik’i Jehovah izy ireo. Lazainy fa “ratsy” izay lazain’i Jehovah hoe tsara ary lazainy fa “tsara” izay lazain’i Jehovah hoe ratsy. (Isaia 5:20) Tsy mora koa ny ho tsara toetra satria mpanota isika ary eo koa ny zavatra niainantsika taloha. Mety ho hoatran’ny tsapan’ny anabavy iray no tsapantsika. Efa nanompo an’i Jehovah hatramin’ny taona maro izy nefa niteny hoe: “Sarotra be amiko ny hino hoe afaka ny ho tsara toetra aho.”

Soa ihany fa afaka miezaka ny ho tsara toetra daholo isika! Anisan’ny vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra mantsy ny hatsaran-toetra, ary mbola mahery noho ny tenantsika sy ny olona manodidina antsika izy io. Andao hojerentsika tsara ny atao hoe hatsaran-toetra sy izay azontsika atao mba hampisehoana an’io toetra io.

INONA NO ATAO HOE HATSARAN-TOETRA?

Toetra sy fitondran-tena tsara no tafiditra amin’ny hoe hatsaran-toetra, ary tsy misy zava-dratsy mihitsy amin’ilay izy. Manao zavatra tsara sy manao soa amin’ny hafa foana ny olona tsara toetra.

Tsikaritrao angamba hoe vonona hanao soa amin’ny havany sy ny namany ny olona sasany. Izay fotsiny ve anefa no dikan’ny hoe tsara toetra? Marina fa misy fetrany ny zavatra tsara vitantsika. Hoy mantsy ny Baiboly: “Na iza na iza olo-marina eto ambonin’ny tany ka manao ny tsara dia mbola manota ihany.” (Mpito. 7:20) Niaiky ny apostoly Paoly hoe: “Fantatro ... fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato anatiko, izany hoe ato amin’ny nofoko.” (Rom. 7:18) Raha te ho tsara toetra àry isika, dia mila manahaka an’i Jehovah satria avy aminy ny hatsaran-toetra.

TSARA TOETRA I JEHOVAH

I Jehovah no mamaritra ny atao hoe tsara. Izao no lazain’ny Baiboly momba azy: “Tsara ianao sady manao ny tsara. Ampianaro ahy ny fitsipikao.” (Sal. 119:68) Andao hojerentsika ny lafiny roa amin’ny hatsaran-toetran’i Jehovah, izay resahin’io andininy io.

Tsara i Jehovah. Efa maha izy an’i Jehovah mihitsy ny hoe tsara toetra. Eritrereto izay nitranga rehefa niteny tamin’i Mosesy i Jehovah hoe: “Avelako hahita ny hatsaran-toetrako rehetra ianao.” Nasehon’i Jehovah an’i Mosesy ny voninahiny, anisan’izany ny hatsaran-toetrany, ka nisy feo nanao hoe: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy tsara fanahy, tsy mora tezitra, be hatsaram-panahy feno fitiavana sady tena tia fahamarinana, mitahiry hatsaram-panahy feno fitiavana ho an’ny taranaka an’arivony, mamela fahadisoana sy heloka ary fahotana, kanefa sanatria azy ny tsy hanasazy izay tokony hosazina.” (Eks. 33:19; 34:6, 7) Mazava àry hoe tsara amin’ny lafiny rehetra i Jehovah. Raha amin’ny olombelona indray, dia i Jesosy no tsara toetra indrindra. Izao anefa no nolazainy: “Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany, dia Andriamanitra.”—Lioka 18:19.

Hita amin’ny zavatra noforonin’i Jehovah hoe tsara toetra izy

Manao ny tsara i Jehovah. Izay rehetra ataon’i Jehovah dia ahitana hoe tsara izy. “Tsara fanahy [na, tsara toetra] amin’ny rehetra i Jehovah, ary hita eo amin’ny asany rehetra fa mamindra fo izy.” (Sal. 145:9) Tsy manavakavaka i Jehovah rehefa maneho hatsaran-toetra. Nomeny aina ny olombelona rehetra ary omeny izay ilaina mba hahavelona azy ireo. (Asa. 14:17) Hita koa hoe tsara toetra izy satria mamela heloka. Hoy ny mpanao salamo: “Tsara toetra sy vonona hamela heloka ianao, Jehovah ô.” (Sal. 86:5) Afaka matoky isika hoe “tsy hiahotra ny hanome zava-tsoa ho an’izay mandeha tsy misy tsiny i Jehovah.”—Sal. 84:11.

“MIANARA MANAO NY TSARA”

Noforonina araka ny endrik’Andriamanitra isika ka afaka ny ho tsara toetra sy hanao ny tsara. (Gen. 1:27) Mbola mampirisika antsika ihany anefa ny Baiboly hoe: “Mianara manao ny tsara.” (Isaia 1:17) Ireto misy fomba telo hanampy antsika hanao an’izany.

Voalohany, afaka mivavaka mba hahazo fanahy masina isika. Ny fanahy masina mantsy no manampy antsika ho tsara toetra eo imason’Andriamanitra. (Gal. 5:22) Afaka manampy antsika ho tia ny tsara sy hankahala ny ratsy izy io. (Rom. 12:9) Milaza ny Baiboly hoe azon’i Jehovah ampiana ho tapa-kevitra hanao ny tsara sy hiteny zavatra tsara foana isika.—2 Tes. 2:16, 17.

Faharoa, tokony hamaky ny Tenin’Andriamanitra isika. Rehefa mamaky Baiboly isika, dia azon’i Jehovah ampianarina an’izay “tsara rehetra” sy ampiomanina hanao ny “asa tsara rehetra.” (Ohab. 2:9; 2 Tim. 3:17) Toy ny fitehirizan-karena ny fontsika. Rehefa mamaky sy misaintsaina ny Baiboly isika, dia hoatran’ny hoe mampiditra zavatra tsara ao, ary azontsika avoaka sy ampiasaina izany any aoriana any.—Lioka 6:45; Efes. 5:9.

Fahatelo, mila miezaka mafy isika mba hanahaka an’izay tsara. (3 Jaona 11) Mazava ho azy fa i Jehovah sy Jesosy no modely tsara indrindra tokony hotahafintsika. Misy olon-kafa azontsika tahafina koa anefa ao amin’ny Baiboly. Mety ho tonga ao an-tsainao, ohatra, i Tabita sy Barnabasy. (Asa. 9:36; 11:22-24) Handray soa ianao raha mianatra an’izay lazain’ny Baiboly momba azy ireo. Mariho izay nataony mba hanampiana olona. Eritrereto avy eo hoe ahoana no azonao anampiana ny havanao na ny mpiara-mivory aminareo. Jereo tsara koa hoe inona ny soa noraisiny noho izy ireo nalaza ho tsara toetra. Afaka mandray soa hoatr’azy ireo koa ianao.

Afaka mieritreritra olona manao ny tsara amin’izao fotoana izao koa isika. Eo, ohatra, ny anti-panahy miasa mafy sady “tia izay tsara.” Eo koa ny anabavy tsy mivadika, izay “mpampianatra zavatra tsara” na amin’ny teniny na amin’ny ataony. (Tit. 1:8; 2:3) Hoy ny anabavy iray atao hoe Roslyn: “Miezaka be izay namako izay mba hanampiana sy hampaherezana ny ao am-pivoriana. Mieritreritra ny zavatra iainan’izy ireo izy dia matetika no manao fanomezana kely na mitady fomba hafa hanampiana azy. Tena tsara toetra izy.”

Mampirisika ny mpanompony ‘hitady izay tsara’ i Jehovah. (Amosa 5:14) Raha manao an’izany isika, dia ho tia ny fitsipik’i Jehovah sady vao mainka te hanao ny tsara.

Miezaka ho tsara toetra sy hanao soa olona isika

Tsy hoe manao zavatra ngezabe na mandany vola be ho an’olona ny hoe manao soa. Ity misy ohatra manazava an’izany: Raha mahita sary hoso-doko tsara tarehy ve ianao, dia hieritreritra hoe nampandalovin’ilay mpanao zavakanto indray mandeha na indroa teo fotsiny ny borosiny dia vita ilay izy? Tsy maintsy hoe nampandaloviny kely teo imbetsaka ny borosiny. Raha zatra manao zavatra kely koa isika mba hanampiana olona, dia izany no mampiseho hoe tsara toetra isika.

Mampirisika antsika ny Baiboly mba ho “vonona” hanao asa tsara. (2 Tim. 2:21; Tit. 3:1) Mety hahita fomba hanampiana ny olon-kafa isika raha miezaka hahafantatra ny zavatra iainan’izy ireo. (Rom. 15:2) Afaka mizara an’izay ananantsika isika. (Ohab. 3:27) Azontsika atao, ohatra, ny manasa olona ho any an-tranontsika mba hisakafo na hiara-mikorana amintsika. Raha misy olona marary indray, dia afaka manoratra kely ho azy isika, na mitsidika azy, na mba miantso kely. Betsaka àry ny azontsika atao mba hanaovana “teny tsara ho fampaherezana ... rehefa ilaina izany, mba hahasoa an’izay mihaino.”—Efes. 4:29.

Tsy manavakavaka isika fa mitady hevitra hanaovan-tsoa amin’ny olon-drehetra, hoatran’i Jehovah. Rehefa mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana isika no tena manao an’izany. Mankatò ny baikon’i Jesosy isika, ka miezaka manao soa foana na dia amin’ny olona mankahala antsika aza. (Lioka 6:27) Tsy diso mihitsy isika raha manao ny tsara sy tsara fanahy amin’ny olona, satria “tsy misy lalàna manohitra” an’izany. (Gal. 5:22, 23) Manome voninahitra an’i Jehovah isika raha tsara toetra foana na dia manana olana sy misy manohitra aza. Mety hahatonga ny olona ho liana amin’ny fahamarinana koa izany.—1 Pet. 3:16, 17.

MANDRAY SOA SATRIA TSARA TOETRA

“Afa-po [na, mandray valisoa] amin’ny vokatry ny asany ny olona tsara toetra.” (Ohab. 14:14) Inona, ohatra, izany valisoa izany? Rehefa tsara fanahy amin’ny hafa isika, dia azo inoana hoe ho tsara fanahy amintsika koa izy. (Ohab. 14:22) Na dia tsy manao an’izany aza anefa izy, dia tokony ho tsara fanahy foana isika. Mety hiova ihany izy amin’ny farany, ka ho tsara fanahy amintsika.—Rom. 12:20.

Mandray soa isika rehefa tsy manao ratsy intsony fa manao ny tsara foana. Be dia be ny rahalahy sy anabavy mahatsapa an’izany. Izao, ohatra, no nolazain’i Nancy: “Tsy nivaky loha aho taloha sady ratsy fitondran-tena no tsy nanaja olona. Rehefa fantatro anefa hoe inona no tsara amin’i Jehovah ka nankatò azy aho, dia lasa sambatra kokoa. Izao aho mba manana ny hajako.”

Te hampifaly an’i Jehovah isika, ka izany no antony lehibe indrindra mahatonga antsika hiezaka ho tsara toetra. Hitan’i Jehovah izay ataontsika na dia tsy hitan’ny olona aza. Fantany foana rehefa manao zavatra tsara isika, na mieritreritra zavatra tsara. (Efes. 6:7, 8) Inona no ho vokany raha manao an’izany isika? Hoy ny Baiboly: “Ankasitrahan’i Jehovah ny olona tsara toetra.” (Ohab. 12:2) Enga anie àry isika hiezaka ho tsara toetra foana. Mampanantena “an’izay rehetra manao ny tsara” izy hoe homeny “voninahitra sy haja ary fiadanana” izy ireo.—Rom. 2:10.