Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 13

Ampiasao ny Zavaboary mba Hampianarana ny Zanakao

Ampiasao ny Zavaboary mba Hampianarana ny Zanakao

“Iza no namorona an’ireny zavatra ireny?”​—ISAIA 40:26.

HIRA 11 Midera An’i Jehovah ny Zavaboary

HO HITANAO ATO a

1. Inona no irin’ny ray aman-dreny ho an’ny zanany?

 RY RAY AMAN-DRENY, fantatray hoe te hanampy ny zanakareo hahafantatra sy ho tia an’i Jehovah ianareo. Tsy hita maso anefa izy. Ahoana àry no azonareo anampiana ny zanakareo, mba hahatonga azy hiaiky hoe tena misy izy, dia hinamana aminy?​—Jak. 4:8.

2. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny ampianarana ny zanany momba ny toetran’i Jehovah?

2 Mila mianatra Baiboly miaraka amin’ny zanany ny ray aman-dreny. Anisan’ny fomba lehibe anampiana an-dry zareo hinamana amin’i Jehovah izany. (2 Tim. 3:14-17) Misy fomba hafa koa anefa atoron’ny Baiboly. Resahin’ny bokin’ny Ohabolana, ohatra, fa misy lehilahy iray mampahatsiahy ny zanany mba hifantoka foana amin’ny toetran’i Jehovah hita eny amin’ny zavaboary. (Ohab. 3:19-21) Ahoana àry no azon’ny ray aman-dreny ampiasana ny zavaboary, mba hanampiana ny zanany hianatra momba ny toetran’i Jehovah? Andao isika handinika fomba sasany.

AHOANA NO HANAOVANA AN’IZANY?

3. Tokony hampian’ny ray aman-dreny hanao inona ny zanany?

3 Izao no lazain’ny Baiboly momba an’Andriamanitra: “Ny toetrany tsy hita maso ... dia hita mazava tsara hatramin’ny namoronana an’izao tontolo izao. Hita amin’ny zavatra nataony mantsy izany toetrany izany.” (Rom. 1:20) Ry ray aman-dreny, azo inoana hoe tianareo erỳ ny mitsangantsangana miaraka amin’ny zanakareo. Hararaoty ireny fotoana ireny mba hanampiana an-dry zareo hahita ny toetra tsaran’i Jehovah, amin’ny alalan’ny “zavatra nataony.” Ahoana no hatao? Andao isika handinika an’izay azon’ny ray aman-dreny ianarana avy amin’i Jesosy.

4. Ahoana no nampiasan’i Jesosy ny zavaboary mba hampianarana ny mpianany? (Lioka 12:24, 27-30)

4 Mariho hoe ahoana no nampiasan’i Jesosy ny zavaboary mba hampianarana ny mpianany. Indray mandeha, ohatra, ry zareo nasainy nandinika ny goaika sy ny lisy. (Vakio ny Lioka 12:24, 27-30.) Be dia be ny biby na ny zavamaniry azon’i Jesosy noresahina. Nifidy hiresaka vorona sy voninkazo fantatry ny mpianany tsara anefa izy. Mety ho nahita goaika nanidina teo ambony teo angamba ry zareo tamin’izay, sady nahita voninkazo namelana teny an-tsaha. Azonao an-tsaina ve i Jesosy manondro an’ireny sady miresaka? Inona avy eo no nataony rehefa avy nilaza an’ireo ohatra ireo izy? Nampianatra lesona lehibe momba an’ilay Rainy any an-danitra izy. Nasongadiny hoe malala-tanana sy tsara fanahy i Jehovah, ka hanome sakafo sy fitafiana ho an’ny mpanompony tsy mivadika, hoatran’ny ataony amin’ny goaika sy ny voninkazo eny an-tsaha.

5. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny ampiasana ny zavaboary mba hampianarana ny zanany momba an’i Jehovah?

5 Ry ray aman-dreny, hanahaka ny fomba fampianatr’i Jesosy ve ianareo? Afaka miresaka momba ny zavaboary mahafinaritra anao ianao, ohatra hoe ny biby na ny zavamaniry tianao indrindra. Hazavao tsara amin’ny zanakao hoe inona no ampianarin’izany momba an’i Jehovah. Azonao anontaniana azy avy eo izay biby na zavamaniry tiany indrindra. Raha zavaboary efa mahaliana azy no resahinao aminy, dia azo inoana hoe hihaino kokoa izy rehefa miresaka momba ny toetran’i Jehovah ianao.

6. Inona no ianarantsika avy amin’ny maman’i Christopher?

6 Mila mikarokaroka be momba ny biby na zavamaniry iray ve ny ray aman-dreny vao afaka miresaka an’izay azo ianarana momba an’i Jehovah avy amin’ireny? Tsy voatery. Tsy nanazava be momba ny sakafon’ny goaika na ny fomba fanirin’ny lisy i Jesosy. Marina hoe fanazavana lalindalina no tian’ny zanakao indraindray. Misy fotoana anefa hevitra na fanontaniana tsotra dia efa ampy. Nitantara an’izay nataon’ny mamany tamin’izy mbola kely ny rahalahy antsoina hoe Christopher. Izao no nolazainy: “Zavatra tsotra no nolazain’i Neny mba hanampiana anay hankafy ny zavaboary manodidina anay. Rehefa teny akaikin’ny tendrombohitra, ohatra, izahay, dia hoy izy: ‘Ngezabe sady mahafinaritra erỳ iretsy tendrombohitra iretsy! Tsy hitanareo ve hoe tena mampiaiky i Jehovah?’ Rehefa teny amoron-dranomasina indray izahay, dia izao no nolazainy: ‘Mahery be ilay onja e? Tsy mainka ve fa Andriamanitra?’” Hoy i Christopher: “Hevitra tsotra sy mampisaintsaina hoatr’izany no nolazainy, nefa nisy vokany be taminay.”

7. Ahoana no azonao ampiofanana ny zanakao mba handinika ny zavaboary?

7 Rehefa mihalehibe ny zanakao, dia ampiofano mba handinika kokoa ny zavaboary sy hianatra momba ny toetran’i Jehovah avy amin’izany. Afaka miresaka momba ny zavaboary iray fotsiny, ohatra, ianao dia manontany azy hoe: “Inona no ianaranao momba an’i Jehovah avy amin’io?” Mety ho gaga ianao haheno ny valin-teniny.​—Mat. 21:16.

RAHOVIANA NO HANAOVANA AN’IZANY?

8. Afaka nanao inona ny ray aman-dreny israelita rehefa nandeha ‘teny an-dalana’?

8 Nampirisihina ny ray aman-dreny israelita, mba hampianatra ny zanany ny didin’i Jehovah rehefa nandeha ‘teny an-dalana.’ (Deot. 11:19) Nahita biby sy vorona ary voninkazo isan-karazany ry zareo, rehefa teny an-dalana ho any ambanivohitra. Afaka nanararaotra an’izany ny ray aman-dreny mba hanampiana ny zanany ho liana amin’ny zavaboary. Azo inoana hoe mahita hirika hanaovana hoatr’izany koa ianareo ray aman-dreny. Andao hojerentsika izay nataon’ny ray aman-dreny sasany.

9. Inona no azonao ianarana avy amin’i Punitha sy Katya?

9 Renim-pianakaviana mipetraka any an-tanàn-dehibe any Inde i Punitha. Hoy izy: “Rehefa mitsidika fianakaviana any ambanivohitra izahay, dia hararaotinay izany mba hanampiana ny zanakay hianatra momba an’ireo zavatra tsara tarehy noforonin’i Jehovah. Hitako hoe mora kokoa amin’ny zanako ny mianatra momba ny zavaboary, rehefa lavitra ny tabataban’ny tanàn-dehibe sy ny fiara mifamezivezy.” Ry ray aman-dreny, azo inoana hoe tsy hohadinoin’ny zanakareo mihitsy ny fotoana niarahanareo taminy tany amina toerana mahafinaritra. Izao no nolazain’i Katya, anabavy avy any Moldavia: “Ilay izaho niaraka tamin’i Dada sy Neny tany ambanivohitra tamin’ny mbola kely no tena tadidiko indrindra. Mankasitraka an-dry zareo aho satria mbola kely aho dia efa nampianariny hiato sy handinika ny zavatra noforonin’i Jehovah ary hahafantatra azy amin’ny alalan’ny zavaboariny.”

Na any an-tanàn-dehibe aza ianao, dia mety hahita zavaboary azonao ampiasaina mba hampianarana ny zanakao momba an’i Jehovah (Fehintsoratra 10)

10. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao raha tsy afaka miala ny tanàn-dehibe ry zareo? (Jereo ilay hoe “ Fanampiana ho An’ny Ray Aman-dreny.”)

10 Ahoana raha tsy afaka mankany ambanivohitra ianareo? Mariho ny tenin’i Amol, rahalahy any Inde: “Tsy maintsy miasa ora maro ny ray aman-dreny any aminay, moa lafo be koa ny saran-dalana mankany ambanivohitra. Indraindray anefa zaridaina kely na lavarangana any an-tampon-trano dia efa ampy handinihana ny zavaboary sy iresahana momba ny toetran’i Jehovah.” Raha mandinika tsara koa ianao, dia mety hahita zavaboary be dia be azonao aseho ny zanakao eny akaikin’ny tranonareo eny, ohatra hoe vorona, bibikely, na zavamaniry. (Sal. 104:24) Izao no nolazain’i Karina, avy any Alemaina: “Tia voninkazo i Mama. Isaky ny miara-mandeha an-tongotra izahay tamin’izaho mbola kely, dia atorony ahy foana raha vao mahita voninkazo tsara tarehy izy.” Ry ray aman-dreny, azonareo ampiasaina koa ny video sy lahatsoratra navoakan’ny fandaminana. Betsaka amin’izy ireny mantsy no miresaka momba ny zavaboary. Na aiza na aiza misy anareo, dia azonareo ampiana ny zanakareo mba handinika an’izay nataon’Andriamanitra. Andao isika izao handinika toetran’i Jehovah sasany azonareo resahina.

“NY TOETRANY TSY HITA MASO ... DIA HITA MAZAVA TSARA”

11. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anampiana ny zanany hahita ny fitiavan’i Jehovah?

11 Ahoana no anampianao ny zanakao hahita ny fitiavan’i Jehovah? Azonao resahina aminy, ohatra, ny fomba ikarakaran’ny biby ny zanany kely. (Mat. 23:37) Azonao asongadina koa hoe misy isan-karazany ny zavatra mahafinaritra antsika noforoniny. Hoy i Karina, ilay voaresaka tetsy aloha: “Rehefa nandeha an-tongotra izahay sy Mama, dia nampirisihiny aho mba hijanona kely dia handinika ny mampiavaka ny voninkazo tsirairay sy hoe nahoana ny hatsaran’izy ireny no mampiseho hoe be fitiavana i Jehovah. Na taona maro atỳ aoriana aza, dia mbola mandinika tsara ny voninkazo aho, ohatra hoe ny karazany sy ny endriny ary ny lokony. Mampahatsiahy ahy foana ireny hoe tia antsika i Jehovah.”

Azonao resahina ny fomba miavaka nanaovana ny vatantsika, mba hampianarana ny zanakao hoe hendry Andriamanitra (Fehintsoratra 12)

12. Ahoana no azo anampiana ny zanaka hahita ny fahendren’Andriamanitra? (Salamo 139:14) (Jereo koa ny sary.)

12 Ampio ny zanakao hahita ny fahendren’Andriamanitra. Hendry lavitra noho isika i Jehovah. (Rom. 11:33) Azonao resahina aminy, ohatra, ny fomba ivadihan’ny rano ho lasa rahona, nefa tsy sarotra amin’ilay rahona ny mitsingevana sy mifindrafindra toerana. (Joba 38:36, 37) Azonao asongadina koa hoe mahavariana ny nanaovana ny vatantsika. (Vakio ny Salamo 139:14.) Izany no nataon’i Vladimir. Hoy izy: “Nianjera tamin’ny bisikileta ny zanakay lahy indray andro, dia naratra. Sitrana ilay ratra, andro vitsivitsy tatỳ aoriana. Nohazavainay mivady taminy hoe nataon’i Jehovah afaka ny ho sitrana ho azy ny sela ao amin’ny vatantsika. Nolazainay taminy fa tsy misy mahavita hoatr’izany ny zavatra nataon’olombelona. Taiza izao no nisy aotomobilina simba dia mahavita manamboatra ny tenany? Lasa hitan’ny zanakay hoe hendry i Jehovah.”

13. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anampiana ny zanany hahita ny herin’Andriamanitra? (Isaia 40:26)

13 Manasa antsika i Jehovah mba hijery ny lanitra sy hisaintsaina hoe mahatalanjona ny heriny matoa eo amin’ny toerany avy ny kintana sy ny planeta. (Vakio ny Isaia 40:26.) Maninona àry raha ampirisihina handinika ny lanitra ny zanakao, dia hisaintsaina an’izay hitany? Niresaka momba ny fahazazany i Tingting, anabavy avy any Taïwan. Hoy izy: “Nentin’i Neny nandeha nilasy aho indray mandeha, dia nijery ny lanitra tamin’ny alina izahay. Tsy nisy hazavana nanelingelina mihitsy nanodidina anay. Noteren’ny ankizy hanao ratsy aho tamin’izany, dia natahotra sao tsy hahavita handa ka hivadika amin’i Jehovah. Nampirisika ahy i Neny mba hisaintsaina ny hery nampiasain’i Jehovah tamin’izy namorona an’ireny kintana rehetra ireny. Nasainy notadidiko hoe afaka mampiasa an’izany heriny izany koa izy mba hanampiana ahy, na inona na inona fisedrana atrehiko. Rehefa avy nandinika ny zavaboary aho tamin’iny, dia vao mainka te hahafantatra an’i Jehovah sy tapa-kevitra hanompo azy.”

14. Ahoana no azo ampiasana ny zavaboary mba hanampiana ny zanaka hahita hoe Andriamanitra falifaly i Jehovah?

14 Miharihary amin’ny zavaboary hoe Andriamanitra falifaly sy tia vazivazy i Jehovah. Hitan’ny mpahay siansa fa tia milalao ny ankamaroan’ny biby, anisan’izany ny vorona sy ny trondro. (Joba 40:20) Efa nisy fotoana ve ny zanakao nihomehy rehefa nahita biby nilalao? Nahita sakakely nanenjika baolina angamba izy, na alikakely nifampitolona. Ahoana àry raha mahita azy mihomehy ianao amin’ny manaraka rehefa mahita biby misangisangy? Maninona raha ampahatsiahivina azy hoe Andriamanitra falifaly ilay tompointsika?​—1 Tim. 1:11.

MIARAHA MANKAFY ZAVABOARY

Mety hahazo aina kokoa sy ho vonona hiresaka ny fihetseham-pony ny zanakao, rehefa miara-mankafy ny natiora ianareo (Fehintsoratra 15)

15. Ahoana no hamantaran’ny ray aman-dreny an’izay ao an-tsain’ny zanany? (Ohabolana 20:5) (Jereo koa ny sary.)

15 Sarotra amin’ny ray aman-dreny indraindray ny manao izay hahatonga ny zanany hiresaka ny olana mahazo azy. Raha izany no tsapanao, dia mila mahay mamantatra an’izay any an-tsainy ianao. (Vakio ny Ohabolana 20:5.) Hitan’ny ray aman-dreny sasany hoe mora kokoa ny manao an’izany, rehefa miara-mankafy ny zavaboary izy mianakavy. Nahoana? Anisan’ny antony iray ny hoe tsy dia misy manelingelina na ny ankizy na ny ray aman-dreny amin’izay. Misy antony hafa koa anefa. Izao no nolazain’i Masahiko, raim-pianakaviana any Taïwan: “Mahazo aina kokoa ny zanakay rehefa miara-mandehandeha izahay, ohatra hoe mianika tendrombohitra, na mitsangantsangana eny amoron-dranomasina. Mora kokoa aminay àry ny mampiresaka an-dry zareo sy mamantatra ny any an-tsainy.” Izao no notenenin’i Katya, ilay voaresaka tetsy aloha: “Nentin’i Neny tany amina zaridaina tsara tarehy aho rehefa avy nianatra. Nilamindamina erỳ teny dia mora kokoa tamiko ny niresaka an’izay nitranga tany am-pianarana na izay nampanahy ahy.”

16. Ahoana no ahafahan’ny fianakaviana maka aina sy miala voly rehefa mankafy ny zavaboary izy ireo?

16 Nanome ny zavaboary koa i Jehovah mba hahafahan’ny fianakaviana maka aina sy miala voly, ka lasa mifandray tsara ny mpianakavy. Milaza ny Baiboly hoe “misy fotoana ihomehezana” ary “misy fotoana itsinjahana.” (Mpito. 3:1, 4, f.a.p.) Nanamboatra toerana tena kanto i Jehovah eto an-tany, mba hahafahantsika manao zavatra mahafinaritra. Betsaka, ohatra, ny fianakaviana tia mitsidika valan-javaboary, mankany ambanivohitra, mianika tendrombohitra, na mankeny amoron-dranomasina. Tian’ny ankizy sasany koa ny mihazakazaka sy milalao eny amin’ny zaridainam-panjakana, mijery biby, na milomano any an-drenirano na farihy na ranomasina. Betsaka àry no azontsika atao, raha te hankafy ny natiora sy ny zavatra noforonin’i Jehovah isika rehefa miala voly.

17. Nahoana ny ray aman-dreny no tokony hanampy ny zanany hankafy ny zavaboarin’Andriamanitra?

17 Hankafy ny zavaboarin’i Jehovah mihoatra noho ny hatramin’izay ny ray aman-dreny sy ny ankizy, rehefa any amin’ny tontolo vaovao. Tsy hatahotra biby intsony isika amin’izany, moa ny biby koa tsy hatahotra antsika. (Isaia 11:6-9) Ho afaka hankafy mandrakizay ny zavatra noforonin’i Jehovah isika. (Sal. 22:26) Aza miandry hoe tonga any anefa vao hanampy ny zanakao hankafy an’ireny. Dieny izao dia ampiasao ny zavaboary mba hampianarana azy momba an’i Jehovah. Mety hitovy hevitra amin’i Davida Mpanjaka izy amin’izay, ka hiteny hoe: “Jehovah ô! Tsy misy mahavita ny vitanao.”​—Sal. 86:8.

HIRA 134 Harena Nankinin’Andriamanitra Taminao ny Zanakao

a Betsaka ny rahalahy sy anabavy nankafy zavaboary niaraka tamin’ny ray aman-dreniny kristianina tamin’ny mbola kely. Mbola tadidiny tsara ireny fotoana mamy ireny. Tsy hadinony hoe nanararaotra an’ireny ny ray aman-dreniny mba hampianarana azy momba ny toetran’i Jehovah. Raha manan-janaka ianao, dia ahoana no azonao ampiasana ny zavaboary mba hampianarana azy ireo momba ny toetran’Andriamanitra? Hovaliana ato izany.