Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nahoana ilay lehilahy nantsoina hoe “Ingahy” no nilaza fa ho “voa mafy” izy raha manambady an’i Rota? (Rota 4:1, 6)

Raha nisy lehilahy efa nanambady nefa maty tsy nanan-janaka taloha, dia nisy fanontaniana nila novaliana. Ohatra hoe: Hatao ahoana ny taniny? Ho very anarana mandrakizay ve ny fianakaviany? Namaly an’ireo ny Lalàn’i Mosesy.

Natao ahoana ny tanin’ny lehilahy iray raha maty izy, na lasa nahantra ka voatery nivarotra an’izany? Afaka nanavotra na nividy an’ilay tany ny rahalahiny na ny havany akaiky. Tsy hifindra ny lovan’ilay fianakaviana amin’izay.​—Lev. 25:23-28; Nom. 27:8-11.

Ary ahoana no natao mba tsy ho very anarana ny fianakavian’ilay lehilahy nodimandry? Hoatran’ny natao tamin’i Rota, dia nampakatra ny vady navelan’ilay maty ny rahalahiny, izany hoe nitondra loloha azy. Ny zanaka haterak’izy ireo no hitondra ny anaran’ilay olona maty sy handova ny taniny. Nitsinjo an’ilay mpitondratena koa io fandaharana feno fitiavana io.​—Deot. 25:5-7; Mat. 22:23-28.

Diniho izay nitranga tamin’i Naomy. Nanambady lehilahy atao hoe Elimeleka izy. Maty io vadiny io sy ny zanany roa lahy, ka tsy nisy mpamelona intsony izy. (Rota 1:1-5) Rehefa nody tany Joda i Naomy, dia nasainy nangataka tamin’i Boaza i Rota vinantovaviny mba hanavotra ny tanin-dry zareo. Havana akaikin’i Elimeleka mantsy i Boaza. (Rota 2:1, 19, 20; 3:1-4) Fantatr’i Boaza anefa hoe nisy havana akaiky kokoa noho izy, ary io lehilahy io ilay antsoin’ny Baiboly hoe “Ingahy.” Izy io àry aloha no nanan-jo hanavotra.​—Rota 3:9, 12, 13.

Vonona ny hanampy “Ingahy” tamin’ny voalohany. (Rota 4:1-4) Marina fa hiala vola izy, nefa fantany hoe efa antitra loatra i Naomy ka tsy ho afaka hiteraka zaza handova ny tanin’i Elimeleka intsony. Ho lasa anisan’ny lovany àry ilay tany, ka hoatran’ny hoe hahazo tombony izy.

Niova hevitra anefa Ingahy rehefa fantany hoe tsy maintsy manambady an’i Rota koa izy. Izao no nolazainy: “Tsy afaka manavotra aho raha izany sao izaho indray no ho voa mafy.” (Rota 4:5, 6) Fa maninona izy no niova hevitra?

Na Ingahy na olon-kafa no nanambady an’i Rota ka nitera-dahy ry zareo, dia io zaza io no handova ny tanin’i Elimeleka. Nahoana àry no hoe ho “voa mafy” Ingahy raha izy no nanambady azy? Tsy manazava an’izany ny Baiboly, fa noho ireto antony ireto angamba:

  • Voalohany, hoatran’ny hoe ho very vola fotsiny izy, satria tsy ho lasany ny tanin’i Elimeleka fa ho lasan’ny zanakalahin’i Rota.

  • Faharoa, ho lasa andraikiny ny hamelona sy hikarakara an’i Naomy sy Rota.

  • Fahatelo, raha mbola niteraka tamin’Ingahy i Rota, dia hifampizaran’ireo ankizy ireo amin’ny zanaka hafa mety ho nananan’ilay rangahy ny lovany.

  • Fahefatra, raha mbola tsy nanan-janaka Ingahy, dia ny zanakalahin’i Rota no hanan-jo amin’ny tanin’i Elimeleka sy ny taniny. Hafoiny àry ny taniny ka ho lasan’izay ankizy mitondra ny anaran’i Elimeleka fa tsy mitondra ny anarany. Noho izany dia tsy vonona ny hanampy an’i Naomy izy, sao hafoiny ny lovany. Naleony i Boaza, ilay mpanavotra nanarakaraka azy, no hanao an’izany. Nanaiky i Boaza satria tsy tiany “ho very anarana ny maty sady tsy [tiany] ho very lova.”​—Rota 4:10.

Naleon’Ingahy angamba hoe izy no tsy very anarana sy tsy very lova. Izay no nibahana tao an-tsainy ka hita hoe tia tena izy. Tiany hotsaroana foana ny anarany, kanefa ny olona tatỳ aoriana aza tsy nisy nahafantatra an’ilay izy akory. Tsy nahazo an’ilay tombontsoa miavaka azon’i Boaza koa izy, dia ny ho lasa razamben’ny Mesia, na Jesosy Kristy. Mampalahelo tokoa ny vokany tamin’Ingahy, noho izy tia tena ka tsy vonona hanampy ny sahirana!​—Mat. 1:5; Lioka 3:23, 32.