Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 14

“Izany no Hahafantaran’ny Olona Rehetra fa Mpianatro Ianareo”

“Izany no Hahafantaran’ny Olona Rehetra fa Mpianatro Ianareo”

“Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.”​—JAONA 13:35.

HIRA 106 Toetra Tena Ilaina ny Fitiavana

HO HITANAO ATO a

Inona no vokany tamin’ny olona maro tsy Vavolombelona rehefa hitany hoe mifankatia ny vahoakan’i Jehovah? (Fehintsoratra 1)

1. Inona no mampiaiky ny ankamaroan’ny olona liana rehefa sambany vao mivory ry zareo? (Jereo koa ny sary.)

 ALAO sary an-tsaina hoe misy mpivady sambany vao nivory tao amin’ny Efitrano Fanjakana. Tena nampiaiky an-dry zareo ny nahita hoe noraisina tsara izy mivady sady mifankatia ny fiangonana. Rehefa teny an-dalana hody ry zareo, dia niteny tamin’ny vadiny ilay vehivavy hoe: ‘Hafa mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah e? Mahafinaritra ry zareo!’

2. Maninona ny olona sasany no lasa tsy nanompo an’i Jehovah intsony?

2 Tena miavaka ny fifankatiavana eo anivon’ny fiangonana kristianina. Mazava ho azy anefa fa tsy lavorary ny Vavolombelon’i Jehovah. (1 Jaona 1:8) Azo inoana àry fa arakaraka ny ahafantarantsika ny mpiara-manompo no hahitantsika hoe manana toetra ratsy koa kay ry zareo. (Rom. 3:23) Mampalahelo fa navelan’ny sasany hahatonga azy tsy hanompo an’i Jehovah intsony izany tsy fahalavorarian’ny hafa izany.

3. Ahoana no amantarana ny tena mpianatr’i Jesosy? (Jaona 13:34, 35)

3 Jereo indray ny andinin-teny fototr’ity lahatsoratra ity. (Vakio ny Jaona 13:34, 35.) Inona no amantarana ny tena mpianatr’i Kristy? Ny fitiavana, fa tsy ny fahalavorariana. Mariho koa fa tsy niteny i Jesosy hoe: ‘Izany no hahafantaranareo fa mpianatro ianareo.’ Izao kosa no nolazainy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” Ny mpianatr’i Jesosy ihany àry ve no ho afaka hamantatra ny tena mpanara-dia azy, rehefa mahita an-dry zareo mifankatia sy tsy tia tena? Tsy izany, fa ny olona tsy anisan’ny fiangonana kristianina koa.

4. Inona no mety ho tian’ny olona sasany ho fantatra momba ny tena Kristianina?

4 Mety hieritreritra ny olona sasany tsy Vavolombelon’i Jehovah hoe: ‘Fa maninona no fitiavana no amantarana ny tena mpanara-dia an’i Jesosy? Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe tiany ny apostoliny? Ary ahoana no anahafantsika azy?’ Tsara mieritreritra ny valin’ireo isika Vavolombelona. Fa maninona? Mety hanampy antsika izany haneho fitiavana bebe kokoa, indrindra rehefa mila mizaka ny tsy fahalavorarian’ny hafa isika.​—Efes. 5:2.

NAHOANA NY FITIAVANA NO AMANTARANA NY TENA MPANARA-DIA AN’I JESOSY?

5. Hazavao ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 15:12, 13.

5 Nilaza mazava i Jesosy fa miavaka ilay karazana fitiavana hamantarana ny mpanara-dia azy. (Vakio ny Jaona 15:12, 13.) Izao mantsy ny didy nomeny an-dry zareo: “Mifankatiava ianareo, hoatran’ny nitiavako anareo.” Inona no dikan’izany? Araka ny nohazavain’i Jesosy ihany, dia midika izany hoe be fitiavana sy mahafoy tena ny Kristianina. Vonona ho faty ho an’ny mpiara-manompo aminy mihitsy izy raha ilaina izany, satria tiany ry zareo. b

6. Ahoana no anasongadinan’ny Tenin’Andriamanitra hoe zava-dehibe ny fitiavana?

6 Asongadin’ny Tenin’Andriamanitra fa tena zava-dehibe ny fitiavana. Anisan’ny tena tian’ny olona maro ireto andinin-teny ireto: “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” (Mat. 22:39) “Manarona fahotana maro be ny fitiavana.” (1 Pet. 4:8) “Tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana.” (1 Kor. 13:8) Mazava amin’ireo sy ny andinin-teny hafa fa tena zava-dehibe ny hoe manana sy maneho an’io toetra tsara io.

7. Nahoana no tsy ho vitan’i Satana mihitsy ny tena hampifankatia sy hampiray saina ny olona?

7 Betsaka no manontany hoe: ‘Ahoana no hamantarana ny fivavahana marina? Samy milaza ho mampianatra ny marina daholo mantsy ny fivavahana, nefa samy hafa ny zavatra ampianariny momba an’Andriamanitra.’ Vitan’i Satana ny nampisy fivavahan-diso be dia be, ka tsy hitan’ny olona intsony izay harahina. Tsy ho vitany mihitsy anefa ny hahatonga ny Kristianina avy amin’ny firenena samihafa hifankatia hoatran’ny mpirahalahy. I Jehovah irery no mahavita an’izany. Ara-dalàna izany, satria avy amin’i Jehovah ny tena fitiavana. Izay mpivavaka manana ny fanahiny sy tahiny ihany no tena afaka mifankatia. (1 Jaona 4:7) Tsy mahagaga àry raha nilaza i Jesosy fa ny tena fitiavana no amantarana hoe iza marina no mpanara-dia azy.

8-9. Inona no vokany tamin’ny olona maro, rehefa hitany hoe mifankatia ny Vavolombelon’i Jehovah?

8 Araka ny efa nolazain’i Jesosy, dia betsaka no lasa mahafantatra hoe iza marina no mpanara-dia azy, rehefa nahita hoe tena mifankatia ry zareo. Anisan’izany ilay rahalahy atao hoe Ian. Mbola tadidiny ny fivoriamben’ny vondrom-paritra voalohany natrehiny, tao amin’ilay kianja teo akaikin-dry zareo. Nijery baolina tao amin’io kianja io izy volana vitsivitsy talohan’izay. Izao no nolazainy: “Hafa mihitsy ... ilay fivoriambe. Nahalala fomba sy niakanjo tsara ny Vavolombelon’i Jehovah ary hendry be ny zanany.” Hoy koa izy: “Fa ny tena nahavariana ahy, dia hoatran’ny afa-po sy nihavana tsara erỳ ry zareo. Izany mihitsy no niriko. Tsy nisy tadidiko ny lahateny natao tany, fa ny zavatra nataon-dry zareo kosa no tsy afaka tato an-tsaiko mihitsy.” c Tsy mahagaga izany satria tena mifankatia isika. Tiantsika ny rahalahy sy anabavintsika, ka tsara fanahy sy manaja an-dry zareo isika.

9 Izany koa no tsapan’ny rahalahy atao hoe John, tamin’izy nivory voalohany. Izao no nolazainy: “Niaiky mihitsy aho satria tsara fanahy be ry zareo ... Tena mifankatia ry zareo ka resy lahatra aho hoe ny fivavahany no marina.” d Imbetsaka ny tantara hoatr’ireny no manaporofo fa ny vahoakan’i Jehovah no tena Kristianina.

10. Rahoviana indrindra isika no afaka mampiseho hoe tiantsika ireo rahalahy sy anabavintsika? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

10 Araka ny hitantsika teny am-piandohana, dia tsy lavorary daholo ny mpiara-manompo amintsika. Hilaza na hanao zavatra mahasosotra antsika ry zareo indraindray. e (Jak. 3:2) Amin’izay indrindra isika no afaka mampiseho amin’ny teny sy ny atao hoe tena tiantsika ry zareo. Inona no azontsika ianarana avy amin’i Jesosy momba an’izany?​—Jaona 13:15.

AHOANA NO NAMPISEHOAN’I JESOSY HOE TIANY NY APOSTOLINY?

Nampiseho fitiavana tamin’ny apostoliny i Jesosy, rehefa nampiseho toetra tsy dia tsara ry zareo (Fehintsoratra 11-13)

11. Inona no toetra ratsy nasehon’i Jakoba sy Jaona? (Jereo koa ny sary.)

11 Tsy nanantena i Jesosy hoe ho lavorary ny mpanara-dia azy. Tiany kosa ny mpianany ka nampiany hanitsy ny toetra ratsiny, amin’izay ry zareo mampifaly an’i Jehovah. Te hahazo toerana ambony tao amin’ilay Fanjakana, ohatra, ny apostoly roa, izany hoe i Jakoba sy Jaona. Nasainy nangataka an’izany tamin’i Jesosy àry ny reniny. (Mat. 20:20, 21) Hita amin’izany hoe nanambony tena sy te hanana fahefana i Jakoba sy Jaona.​—Ohab. 16:18.

12. I Jakoba sy Jaona ihany ve no nampiseho toetra ratsy? Hazavao.

12 Tsy i Jakoba sy Jaona ihany no nampiseho toetra ratsy tamin’io fotoana io. Mariho koa ange ny fihetsiky ny apostoly hafa e! “Tezitra tamin’izy mirahalahy izy folo lahy rehefa naheno an’izany.” (Mat. 20:24) Azo inoana fa nifamaly be i Jakoba sy Jaona ary ny apostoly hafa, ka nifanao teny maharary mihitsy. Mety ho nilaza ny sasany hoe: ‘Fa ianareo moa no iza no mangataka toerana ambony ao amin’ilay Fanjakana? Fa angaha ianareo irery no niasa mafy niaraka tamin’i Jesosy? Izahay koa ange mba mendrika ny hahazo tombontsoa manokana e!’ Na ahoana na ahoana, dia hadinodinon’ireo apostoly ireo tamin’izay hoe tokony hifankatia sy ho tsara fanahy foana ry zareo.

13. Ahoana no nataon’i Jesosy rehefa nahita ny toetra ratsin’ny apostoliny izy? (Matio 20:25-28)

13 Ahoana no nataon’i Jesosy rehefa nahita an’izany? Tsy tezitra tamin-dry zareo izy. Tsy nilaza izy hoe handeha hitady apostoly tsara kokoa, na lehilahy manetry tena kokoa sy hifankatia foana. Nanam-paharetana tamin’ireo lehilahy tso-po ireo kosa i Jesosy, dia nampisaintsaina an-dry zareo. (Vakio ny Matio 20:25-28.) Mbola be fitiavana tamin-dry zareo foana izy, na dia tsy io aza no voalohany na ny farany nifamalian’ny apostoly hoe iza tamin-dry zareo no lehibe indrindra.​—Mar. 9:34; Lioka 22:24.

14. Hoatran’ny ahoana ny zavatra niainan’ny apostolin’i Jesosy tamin-dry zareo nihalehibe?

14 Azo antoka fa tadidin’i Jesosy tsara ny zavatra niainan’ireo apostoly ireo. (Jaona 2:24, 25) Nanasongadina be momba ny toerana ambony sy ny laza ny mpitondra fivavahana tamin’izany. Izany foana no niainan’ireo apostoly ireo tamin-dry zareo nihalehibe. (Mat. 23:6; ampitahao amin’ilay lahatsoratra hoe “Tao Amin’ny Synagoga no Nitory i Jesosy sy ny Mpianany”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 2010, pejy 16-17.) Nihevi-tena ho marina koa ny mpitondra fivavahana jiosy. f (Lioka 18:9-12) Azon’i Jesosy tsara àry hoe nety ho nisy vokany tamin’ny fiheveran’ny apostoly ny tenany sy ny olon-kafa izany. (Ohab. 19:11) Tsy nanantena izy hoe tsy hanao diso mihitsy ny mpianany, fa nanam-paharetana tamin-dry zareo kosa izy. Fantany hoe nanana toe-po tsara ry zareo, dia nampiany tsikelikely mba tsy hanambony tena sy tsy hiady fahefana intsony, fa hifankatia kosa.

AHOANA NO HANAHAFANTSIKA AN’I JESOSY?

15. Inona no ianarantsika avy amin’izay nitranga tamin’i Jakoba sy Jaona ary ny mpianatra hafa?

15 Betsaka no azontsika ianarana avy amin’izay nitranga tamin’i Jakoba sy Jaona ary ny mpianatra hafa. Diso izy roa lahy rehefa nangataka ny hahazo toerana ambony ao amin’ilay Fanjakana. Tsy nety koa anefa ny nataon’ny apostoly hafa, satria navelany hampisara-bazana an-dry zareo izany. I Jesosy kosa tsara fanahy sy be fitiavana tamin’ireo apostoly 12. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy izay ataon’ny olona ihany no zava-dehibe, fa izay lazaintsika sy ataontsika koa ho setrin’izay tsy mety ataony sy ny toetra ratsy asehony. Inona àry no afaka manampy antsika? Eritrereto izao rehefa misy mpiara-manompo mahasosotra anao: ‘Fa maninona no tena mahasorena ahy ny zavatra nataony? Sao dia misy toetra ratsy mila ahitsiko? Mety hoe miatrika olana ve ilay olona mahasorena ahy? Na dia hitako aza hoe rariny raha sosotra aminy aho, dia afaka mampiseho fitiavana ihany ve aho ka hamela ny fahadisoany?’ Arakaraka ny ampisehoantsika fitiavana no anaporofoantsika hoe tena mpanara-dia an’i Jesosy isika.

16. Inona koa no ianarantsika avy amin’i Jesosy?

16 Mampianatra antsika koa ny modelin’i Jesosy hoe mila miezaka hahatakatra an’izay mahazo ny mpiara-manompo amintsika isika. (Ohab. 20:5) Marina hoe afaka namaky ny tao am-po i Jesosy, fa isika kosa tsy mahay. Afaka mitadidy anefa isika hoe tsy lavorary ireo rahalahy sy anabavintsika, ka mila manam-paharetana amin-dry zareo isika. (Efes. 4:1, 2; 1 Pet. 3:8) Ho mora kokoa amintsika ny hanao an’izany, raha miezaka hahafantatra ny zavatra niainany isika. Andao isika handinika ohatra iray.

17. Inona ny soa noraisin’ny mpiandraikitra ny faritra iray, rehefa niezaka namantatra kokoa ny mpiara-manompo taminy izy?

17 Tsaroan’ny mpiandraikitra ny faritra iray tatsy Afrika Atsinanana fa sarotra taminy ny nifandray tamin’ny rahalahy iray nasiatsiaka. Dia ahoana no nataony? Izao no notantarainy: “Tsy nandosindositra azy aho fa niezaka hahafantatra azy bebe kokoa.” Rehefa nanao an’izany ilay mpiandraikitra ny faritra, dia lasa fantany ny zavatra niainan’ilay rahalahy, ary hitany hoe nisy vokany tamin’ny toetrany izany. Izao ihany no nolazainy: “Nampiaiky ahy ny nahita fa efa niezaka be izy mba hanatsara ny toetrany sy tsy hitovy amin’ny rainy. Lasa mpinamana tsara izahay.” Rehefa miezaka hahazo ny zavatra niainan’ny rahalahy sy anabavintsika àry isika, dia matetika no mora kokoa amintsika ny mampiseho fitiavana aminy.

18. Inona avy ny fanontaniana azontsika eritreretina raha nisy mpiara-manompo nahasosotra antsika? (Ohabolana 26:20)

18 Indraindray isika mety ho te hanatona an’ilay mpiara-manompo nahasosotra antsika, dia hifanazava aminy. Tsara anefa aloha ny mieritreritra an’ireto: ‘Fantatro tsara ve ny zava-misy rehetra?’ (Ohab. 18:13) ‘Sao dia mba tsy fanahy iniany ilay izy?’ (Mpito. 7:20) ‘Efa nisy fotoana koa ve aho nanao hoatr’azy?’ (Mpito. 7:21, 22) ‘Raha manatona azy aho, sao dia vao mainka hitombo ilay olana?’ (Vakio ny Ohabolana 26:20.) Rehefa maka fotoana hisaintsainana an’ireo isika, dia mety hanapa-kevitra hoe aleo odiana tsy hita fotsiny ny tsy mety nataon’ilay rahalahintsika, satria tiantsika izy.

19. Tapa-kevitra ny hanao inona ianao?

19 Porofoin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fitambarany hoe tena mpianatr’i Jesosy ry zareo. Ary ahoana ny amintsika tsirairay? Tena mpanara-dia an’i Jesosy isika, raha tena tia an’ireo rahalahy sy anabavintsika na dia tsy lavorary aza ry zareo. Rehefa manao an’izany isika, dia manampy ny olona hamantatra ny fivavahana marina. Amin’izay koa ry zareo te hiaraka amintsika hanompo an’i Jehovah, ilay Andriamanitra fitiavana. Andao àry isika ho tapa-kevitra ny hampiseho fitiavana foana, satria izany no amantarana ny tena Kristianina.

HIRA 17 “Sitrako Tokoa”

a Betsaka no lasa liana amin’ny fahamarinana rehefa mahita hoe tena mifankatia isika. Tsy lavorary anefa isika, ka mety ho sarotra amintsika indraindray ny mampiseho fitiavana amin’ny mpiara-manompo. Nahoana no tena zava-dehibe ny fitiavana? Ary ahoana no hanahafantsika an’i Jesosy rehefa hitantsika hoe manao fahadisoana ny hafa? Izany no hodinihintsika ato.

b Jereo ilay boky hoe “Andao Hanara-dia Ahy”, toko 17, feh. 10-11.

c Jereo ilay lahatsoratra hoe “Izay vao Misy Dikany ny Fiainako”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 2012, p. 13-14.

d Jereo ilay lahatsoratra hoe “Hoatran’ny Tsara erỳ ny Fiainako!”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 2012, p. 18-19.

e Tsy miresaka momba ny fahotana lehibe tokony halamin’ny anti-panahy ity lahatsoratra ity, toy ireo resahin’ny 1 Korintianina 6:9, 10.

f Izao, hono, no nolazain’ny raby iray tatỳ aoriana: ‘Telopolo, fara fahakeliny, ny olo-marina hoatran’i Abrahama eran’izao tontolo izao. Raha telopolo ry zareo, dia anisan’izany izaho sy ny zanako lahy. Raha folo, dia anisany izahay mianaka. Raha dimy, dia ao anatiny izahay mianaka. Raha roa, dia izahay mianaka. Raha iray monja, dia izaho.’