Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mba Andramo Izao

Mba Andramo Izao

Ampiasao Tsara Ilay hoe “Inona ny Vaovao?”

Ao amin’ilay hoe “Inona ny Vaovao?” (na Nouveautés) no mipoitra ny lahatsoratra sy video nivoaka farany ao amin’ny JW Library® sy ny jw.org. Ahoana no ampiasanao an’io fizarana io mba haharaka an’izay nivoaka farany ianao?

JW Library

  • Hahita ny lahatsoratra nivoaka farany ianao raha manavao an’ilay andian-dahatsoratra misy azy. Rehefa mipoitra eo amin’ny “Inona ny Vaovao?” àry ny andian-dahatsoratra iray, dia havaozy izy io. Ho afaka hamaky an’ilay lahatsoratra vaovao ao ianao amin’izay. Izy io no voalohany eo amin’ilay lisitra, rehefa milahatra araka ny daty nivoahany ny lahatsoratra ao.

  • Mety tsy ho voavakinao indray mandeha anefa ny lahatsoratra lava kokoa, anisan’izany ny gazety. Apetraho eo amin’ny Favoris àry ilay izy mba ho mora tadiavina, mandra-pahavakinao azy manontolo.

JW.ORG

Ao amin’ny jw.org ihany no misy ny zavatra sasany, ohatra hoe vaovao na fampandrenesana. Tsy misy azy ireny ao amin’ny JW Library. Jereo matetika àry ilay hoe “Inona ny Vaovao?” ao amin’ny tranonkalantsika, mba hahitanao ny lahatsoratra farany.