Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 11

HIRA 129 Miareta fa Aza Kivy

Aleo Mikiry Foana na dia Diso Fanantenana Aza

Aleo Mikiry Foana na dia Diso Fanantenana Aza

“Be fikirizana foana [ianao] noho ny anarako.”​—APOK. 2:3.

HEVITRA HODINIHINA

Afaka mikiry manompo an’i Jehovah foana isika, na dia diso fanantenana aza.

1. Inona, ohatra, ny fitahiana azontsika noho isika anisan’ny fandaminana?

 TENA fitahiana ny hoe anisan’ny fandaminan’i Jehovah amin’izao andro farany feno korontana izao. Miharatsy mantsy ny fiainana eran-tany, nefa isika omen’i Jehovah rahalahy sy anabavy miray saina. (Sal. 133:1) Ampiany koa isika hifandray akaiky amin’ny fianakaviantsika. (Efes. 5:33–6:1) Ataony izay hahatonga antsika hisaina tsara sy ho hendry, amin’izay isika tena milamin-tsaina.

2. Inona no mila ataontsika, ary nahoana?

2 Tsy maintsy miezaka mafy anefa isika mba hanompo an’i Jehovah foana sy tsy hivadika aminy. Fa maninona? Satria mety hahasosotra antsika ny zavatra ataon’ny hafa na lazainy. Na ny fahalementsika aza mety hanahirana antsika, indrindra raha miverimberina ilay izy. Mila mikiry manompo an’i Jehovah foana anefa isika rehefa 1) misy mpiara-manompo mahasosotra antsika, 2) mandiso fanantenana antsika ny vadintsika, ary 3) diso fanantenana amin’ny tenantsika isika. Hamakafaka ny tsirairay amin’ireo isika ato. Handinika an’izay azontsika ianarana avy amin’ny olona tsy nivadika resahin’ny Baiboly koa isika.

REHEFA MISY MPIARA-MANOMPO MAHASOSOTRA ANAO

3. Inona ny olana atrehin’ny vahoakan’i Jehovah?

3 Olana. Mety hahasorena antsika ny toetran’ny mpiara-manompo sasany. Ny hafa indray mety handiso fanantenana antsika na ho ratsy fanahy amintsika. Mety hanao diso koa ireo mitarika antsika. Mety hisy ho lasa saina àry hoe: ‘Mba fandaminan’Andriamanitra ihany àry ve ity?’ Aleon-dry zareo àry tsy mifanerasera intsony amin’ireo nahasosotra azy na tsy mivory intsony, toy izay “hiray hina” hanompo an’Andriamanitra miaraka amin’ireo rahalahy sy anabaviny. (Zef. 3:9) Fahendrena ve izany? Misy olona nanana olana hoatr’izany ao amin’ny Baiboly. Andao hodinihintsika izay azo ianarana avy aminy.

4. Inona avy ny olana natrehin’ny apostoly Paoly?

4 Modely. Fantatry ny apostoly Paoly hoe tsy lavorary ny rahalahy sy anabaviny. Nitsaratsara azy, ohatra, ny olona sasany tamin’izy vao nifanerasera tamin’ny fiangonana. (Asa. 9:26) Nisy nifosafosa koa izy mba hanalana baraka azy. (2 Kor. 10:10) Hitany hoe nandray fanapahan-kevitra tsy nety ny rahalahy iray nanana andraikitra, nefa mety ho nanafintohina ny hafa izany. (Gal. 2:11, 12) Ankoatra izay, dia tena nandiso fanantenana azy i Marka, ilay namany akaiky. (Asa. 15:37, 38) Azon’i Paoly natao ny tsy nifanerasera intsony tamin’ireo nahasosotra azy. Mbola olona tsara foana anefa no fahitany an’ireo rahalahy sy anabaviny, ary mbola nanohy nanompo an’i Jehovah izy. Inona no nanampy azy hikiry foana?

5. Inona no nanampy an’i Paoly tsy hanilikilika an’ireo rahalahy sy anabaviny? (Kolosianina 3:13, 14) (Jereo koa ny sary.)

5 Tian’i Paoly ny rahalahy sy anabaviny. Izany fitiavana izany no nanampy azy hifantoka tamin’ny toetra tsaran-dry zareo, fa tsy tamin’ny fahalemeny. Ny fitiavana koa no nanampy azy hampihatra an’izay nosoratany ao amin’ny Kolosianina 3:13, 14. (Vakio.) Ahoana no nampiharany an’izany tamin’i Marka? Marina fa nandao azy i Marka tamin’ilay dia misionera voalohany nataony. Tsy tezitra foana tamin’i Marka anefa i Paoly. Rehefa nanoratra ho an’ny fiangonan’i Kolosia izy tatỳ aoriana, dia nidera azy ary nilaza hoe mpiara-miasa tena nilainy izy satria “tena nanampy sy nankahery” azy. (Kol. 4:10, 11) Rehefa nigadra tany Roma koa i Paoly, dia nangataka mihitsy izy mba hoentina any aminy i Marka hanampy azy. (2 Tim. 4:11) Tsy nanilikilika ny rahalahiny mihitsy àry i Paoly. Inona no ianarantsika avy aminy?

Nisy tsy nampifankahazo an’i Paoly sy Barnabasy ary Marka. Tsy nieritreritra an’izany intsony anefa ilay apostoly tatỳ aoriana, ka lasa falifaly niara-niasa tamin’i Marka (Fehintsoratra 5)


6-7. Inona no manampy antsika hikiry hampiseho fitiavana amin’ny mpiara-manompo, na dia tsy lavorary aza ry zareo? (1 Jaona 4:7)

6 Lesona. Tian’i Jehovah hikiry haneho fitiavana amin’ireo rahalahy sy anabavintsika isika. (Vakio ny 1 Jaona 4:7.) Ahoana àry raha misy amin-dry zareo tsy nahavita naneho toetra tsara? Afaka mitadidy isika hoe te hanaraka ny torolalan’ny Baiboly izy, fa nanaonao foana fotsiny tamin’iny satria tsy nieritreritra tsara. (Ohab. 12:18) Tian’Andriamanitra ny mpanompony tsy mivadika, na dia manana fahalemena aza. Tsy manary antsika izy na dia manao diso aza isika, na hoe mitana lolompo amintsika. (Sal. 103:9) Tena zava-dehibe àry ny mamela heloka hoatran’ilay Raintsika!​—Efes. 4:32–5:1

7 Tadidio koa hoe mila mifandray akaiky foana amin’ireo rahalahy sy anabavintsika isika, satria mihamanakaiky ny farany. Hihamafy mantsy ny fanenjehana. Mety higadra noho ny finoantsika mihitsy aza isika. Raha mitranga izany, dia hila an’ireo rahalahy sy anabavintsika mihoatra noho ny hatramin’izay isika. (Ohab. 17:17) Eritrereto izay nitranga tamin’i Josep, a anti-panahy any Espaina. Niara-nogadraina izy sy ny rahalahy hafa satria tsy nety nanao miaramila. Izao no nolazainy: “Nety ho mora kizitina tamin’ny mpiara-manompo ianao tao am-ponja, satria tsy maintsy nifampitakosina be tamin-dry zareo. Nila nifandefitra sy nifamela heloka tanteraka àry izahay. Nanampy anay hiray saina foana sy hifampiaro izany. Voahodidina olona tsy nanompo an’i Jehovah mantsy izahay tao am-ponja. Nisy fotoana naratra ny tanako, dia nasiana platira. Tsy afaka nikarakara tena àry aho. Nisy rahalahy izay anefa nanasa ny akanjoko, dia nikarakara an’izay nilaiko. Tena nanehoana fitiavana aho, tamin’ny fotoana tena nilako an’izany.” Dieny izao àry isika, dia efa mila mifandamina raha manana olana amin’ny hafa!

REHEFA MANDISO FANANTENANA ANAO NY VADINAO

8. Inona ny olana atrehin’ny mpivady?

8 Olana. Manana olana daholo ny mpivady. Tsy miolakolaka ny Baiboly milaza hoe “hanam-pahoriana amin’ny nofony” ireo manambady. (1 Kor. 7:28) Fa maninona? Satria olon-droa tsy lavorary no lasa mpivady. Samy manana ny toetrany sy ny zavatra tiany sy tsy tiany ry zareo, ary tsy mitovy ny kolontsainy na ny fomba nitaizana azy. Mety ho any aorian’ny mariazy any koa vao mipoitra ny toetra sasany. Na ny iray amin’ireo fotsiny aza dia efa mety hampiady. Mety hifanome tsiny ry zareo, fa tsy hiaiky hoe samy misy fahadisoany ihany amin’ilay izy, ka tokony hiezaka hamaha an’ilay olana izy mivady. Hieritreritra mihitsy aza angamba izy roa hoe aleo misintaka na misaraka. Marina ve izany? b Andao isika handinika olona iray ao amin’ny Baiboly. Tsy nivadika tamin’i Jehovah izy, na dia faran’izay mafy aza ny niaretany tao an-tokantrano.

9. Inona ny olana natrehin’i Abigaila?

9 Modely. Nanambady an’i Nabala i Abigaila. Milaza ny Baiboly hoe lehilahy masiaka sy ratsy toetra io vadiny io. (1 Sam. 25:3) Tsy mora tamin’i Abigaila izao ny niara-nipetraka tamin’ny lehilahy hoatr’izany. Mety ho nahita fomba tsotra hialana taminy ve izy? Ie, nisy hirika azony nanaovana an’izany. Tonga hamono an’i Nabala mantsy i Davida, ilay ho mpanjakan’ny Israely, satria i Nabala nanambanimbany azy sy ny miaramilany. (1 Sam. 25:9-13) Azon’i Abigaila natao ny nandositra, dia namela an’i Davida hanatanteraka ny fikasany. Tsy nanao an’izany anefa izy, fa naleony nandresy lahatra an’i Davida mba tsy hamono an’i Nabala. (1 Sam. 25:23-27) Nahoana izy no nanao an’izany?

10. Inona no nety ho nandrisika an’i Abigaila hikiry hijanona tamin’ny vadiny?

10 Tia an’i Jehovah i Abigaila, dia nanaja ny fitsipiny momba ny fanambadiana. Azo antoka fa fantany izay nolazain’Andriamanitra tamin’i Adama sy Eva, tamin’izy namorona an’ilay fanambadiana voalohany. (Gen. 2:24) Hain’i Abigaila hoe masina amin’i Jehovah ny fanambadiana. Te hampifaly azy izy, dia nanao izay rehetra azony natao mba hamonjena ny ankohonany, anisan’izany ny vadiny. Nanao zavatra haingana izy mba hisakanana an’i Davida tsy hamono an’i Nabala. Vonona hiala tsiny koa izy, na dia tsy izy aza no diso. Azo antoka hoe tia an’io vehivavy be herim-po sy tsy tia tena io i Jehovah. Inona no azon’ny lehilahy sy vehivavy manambady ianarana avy amin’i Abigaila?

11. a) Inona no tian’i Jehovah hataon’ny mpivady? (Efesianina 5:33) b) Inona no ianaranao avy amin’ny fomba nanavotan’i Carmen ny tokantranony? (Jereo koa ny sary.)

11 Lesona. Tian’i Jehovah hanaja ny fanambadiana ny olona manambady, na dia sarotra iaraha-monina aza ny vadiny. Tsy maintsy hoe faly be izy rehefa mahita mpivady miezaka mafy mamaha olana, sady miezaka tsy ho tia tena fa hifankatia sy hifanaja. (Vakio ny Efesianina 5:33.) Diniho ny ohatr’i Carmen. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, enin-taona teo ho teo taorian’ny mariaziny, dia natao batisa. Izao no nolazainy: “Tsy tian’ny vadiko ilay izy. Lasa nialona an’i Jehovah izy. Nanambanimbany ahy izy sady nandrahona hisaraka amiko.” Na izany aza, dia nikiry ihany i Carmen mba tsy ho rava ny tokantranony. Nandritra ny 50 taona izy no niezaka mafy mba ho tia sy hanaja ny vadiny. Hoy izy: “Rehefa nandeha ny fotoana, dia lasa nahay nanavaka kokoa aho sady nahay nandanjalanja rehefa niresaka tamin’ny vadiko. Fantatro hoe masina amin’i Jehovah ny fanambadiana, dia nanao izay fara heriko aho mba hiarovana ny tokantranonay. Tsy nitady fomba hisarahana tamin’ny vadiko mihitsy aho satria tiako i Jehovah.” c Raha lasa misy olana àry ny tokantranonao, dia matokia fa hanohana anao i Jehovah sady hanampy anao ho be fikirizana foana.

Vonona hanao izay azony natao i Abigaila mba hanavotana ny tokantranony. Inona no ianaranao avy amin’izany? (Fehintsoratra 11)


REHEFA DISO FANANTENANA AMIN’NY TENANAO IANAO

12. Inona ny olana mety hatrehintsika raha nanao fahotana lehibe isika?

12 Olana. Mety ho te hamoy fo isika rehefa nanao fahotana lehibe. Milaza ny Baiboly hoe mety ho “torotoro sy kivy” ny olona hoatr’izany. (Sal. 51:17) Niezaka mafy ny rahalahy iray atao hoe Robert nandritra ny taona maro mba hahafeno fepetra ho mpikarakara fiangonana. Nanao fahotana lehibe anefa izy, dia tsapany hoe namitaka an’i Jehovah izy. Izao no nolazainy: “Tena navesatra tamiko ilay nenjehin’ny eritreritro. Nandraiky narary mihitsy aho taorian’izay. Nifokofoko nitomany aho dia nivavaka tamin’i Jehovah. Nisy fotoana aza aho nieritreritra hoe: ‘Inona intsony moa no mbola hihainoan’Andriamanitra ahy? Izaho aza efa nandiso fanantenana azy.’” Raha resin’ny fakam-panahy hanota isika, dia mety hilavo lefona satria ilay fontsika efa torotoro mieritreritra hoe nahafoy antsika i Jehovah. (Sal. 38:4) Raha izany no tsapanao, dia fantaro fa misy olona iray ao amin’ny Baiboly nikiry nanompo an’i Jehovah foana, na dia nanao fahotana lehibe aza.

13. Inona ny fahotana lehibe nataon’ny apostoly Petera, ary inona no nitarika ho amin’izany?

13 Modely. Nanao fahadisoana maromaro nisesisesy ny apostoly Petera, ny alina talohan’ny namonoana an’i Jesosy. Nitarika azy hanao an’ilay fahotana lehibe indrindra teo amin’ny fiainany izany. Natoky tena loatra izy tamin’ny voalohany, dia nirehareha hoe tsy hivadika mihitsy izy na dia handao an’i Jesosy daholo aza ny apostoly hafa. (Mar. 14:27-29) Imbetsaka izy taorian’izay no tsy nahavita niambina tao amin’ny zaridainan’i Getsemane. (Mar. 14:32, 37-41) Avy eo izy namela an’i Jesosy hosamborin’ny vahoaka romotra. (Mar. 14:50) Tamin’ny farany aza izy nanda hoe tsy nahafantatra an’i Jesosy. Intelo izy no nanao an’izany sady nianiana mihitsy! (Mar. 14:66-71) Inona no nataon’i Petera rehefa tsapany hoe nanao fahotana lehibe izy? Nalahelo be izy dia nigogogogo nitomany, satria angamba tena nanamelo-tena. (Mar. 14:72) Mba eritrereto ange e! Hoatran’ny ahoana ny fahorian’i Petera rehefa nahita an’ilay namany novonoina ho faty, ora maromaro taorian’izay? Tsy maintsy hoe nahatsiaro ho tsy nisy nilana azy izy!

14. Inona no nanampy an’i Petera hikiry hanompo an’i Jehovah foana? (Jereo ny sary .)

14 Nikiry nanompo an’i Jehovah foana i Petera. Betsaka ny antony nahatonga azy hahavita an’izany. Tsy nitokantokana mihitsy izy, fa nankany amin’ireo rahalahiny ary azo inoana hoe nampaherezin-dry zareo. (Lioka 24:33) Niseho taminy koa i Jesosy rehefa avy natsangana tamin’ny maty, angamba mba hampaherezana azy. (Lioka 24:34; 1 Kor. 15:5) Tsy nibedy an’i Petera i Jesosy tatỳ aoriana noho ilay zavatra tsy nety nataony, fa nilaza tamin’ilay namany kosa hoe hahazo andraikitra lehibe kokoa izy. (Jaona 21:15-17) Fantatr’i Petera fa tena ratsy ny nataony, nefa tsy namoy fo izy. Fa maninona? Satria resy lahatra izy hoe tsy nahafoy azy i Jesosy Tompony. Nanohana azy foana koa ny mpiara-manompo taminy. Inona no ianarantsika avy amin’i Petera?

Hita avy amin’ny Jaona 21:15-17 fa mbola tia an’i Petera foana i Jesosy, dia izany no nandrisika an’i Petera hikiry hanompo an’i Jehovah (Fehintsoratra 14)


15. Tian’i Jehovah ho resy lahatra ny amin’inona isika? (Salamo 86:5; Romanina 8:38, 39) (Jereo koa ny sary.)

15 Lesona. Tian’i Jehovah ho resy lahatra isika hoe tia antsika izy sady mamela heloka. (Vakio ny Salamo 86:5; Romanina 8:38, 39.) Mahatsiaro ho meloka isika rehefa manota. Ara-dalàna izany ary izay no tokony ho izy. Tsy tokony hieritreritra anefa isika hoe tsy mendrika ny hotiavina na havela heloka intsony. Tokony hitady fanampiana avy hatrany kosa isika. Izao no nolazain’i Robert, ilay voaresaka terỳ aloha: “Nanota aho satria niantehitra tamin’ny tenako ihany mba hanoherana fakam-panahy.” Hitany fa nila niresaka tamin’ny anti-panahy izy. Hoy izy: “Rehefa nanao an’izany aho, dia tonga dia tsapako hoe ry zareo no nampiasain’i Jehovah mba hanomezana toky ahy fa tiany aho. Tsapako koa fa tia ahy ny anti-panahy. Nampian-dry zareo aho mba hatoky hoe tsy nahafoy ahy i Jehovah.” Afaka ny ho resy lahatra koa isika fa tena tia antsika i Jehovah sady mamela antsika, raha mibebaka amin’ny fahotantsika isika, mitady fanampiana, ary miezaka mafy tsy hamerina an’ilay izy intsony. (1 Jaona 1:8, 9) Hanompo an’i Jehovah foana isika raha resy lahatra hoatr’izany, na dia lavo na nanao fahadisoana aza.

Ahoana no tsapanao na ny mety ho tsapanao, rehefa miezaka mafy manampy anao ny anti-panahy? (Fehintsoratra 15)


16. Nahoana ianao no tapa-kevitra hikiry hanompo an’i Jehovah foana?

16 Sarobidy be amin’i Jehovah ny ezaka ataontsika mba hanompoana azy amin’izao andro farany tena sarotra izao. Manampy antsika izy, dia ho vitantsika ny hikiry hanompo azy foana, na dia diso fanantenana aza isika. Afaka miezaka ho tia sy hamela an’ireo rahalahy sy anabavintsika isika, na dia mahasosotra antsika aza ry zareo. Asehontsika koa hoe tena tia an’Andriamanitra isika sady manaja ny fandaharany momba ny fanambadiana, raha manao izay rehetra azo atao mba hamahana ny olana ao an-tokantranontsika. Ary ahoana raha nanota isika? Afaka mitady ny fanampian’i Jehovah isika, manaiky hoe tia sy mamela antsika izy, ary manohy manompo azy foana. Matokia fa be dia be ny fitahiana ho azontsika, raha tsy “reraka manao ny tsara mihitsy” isika.​—Gal. 6:9.

INONA NO HANAMPY ANTSIKA HIKIRY HANOMPO AN’I JEHOVAH FOANA, REHEFA...

  • misy mpiara-manompo mahasosotra antsika?

  • mandiso fanantenana antsika ny vadintsika?

  • diso fanantenana amin’ny tenantsika isika?

HIRA 139 Saintsaino ny Fiainanao ao Amin’ny Tontolo Vaovao

a Novana ny anarana sasany.

b Tsy mampirisika ny mpivady hisintaka ny Tenin’Andriamanitra. Raha misy misintaka amin’ny vadiny, dia lazainy mazava tsara hoe tsy afaka manambady olon-kafa, na izy na ny vadiny. Mety hisy Kristianina hanapa-kevitra ny hisintaka anefa, noho ny antony lehibe sasany. Jereo ilay fanamarihana faha-4 hoe “Fisintahana”, ao amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!

c Raha te hahita ohatra hafa ianao, dia jereo ao amin’ny jw.org/mg ilay video hoe Tandremo sao Voafitaky ny Fiadanana Tsy Tena Izy!​—Darrel sy Deborah Freisinger.