Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 13

HIRA 127 Olona Tokony Hanao Ahoana moa Aho?

Ankasitrahan’i Jehovah Ihany ve Aho?

Ankasitrahan’i Jehovah Ihany ve Aho?

“Ankasitrahako ianao.”​—LIOKA 3:22.

HEVITRA HODINIHINA

Hazavaina ato hoe inona no hanampy anao tsy hisalasala raha mankasitraka anao i Jehovah na tsia.

1. Inona no mety hanahiran-tsaina ny sasany amin’ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika?

 TENA mampahery ny mahalala hoe mankasitraka ny vahoakany amin’ny fitambarany i Jehovah. Izao mantsy no lazain’ny Baiboly: “Mahafinaritra an’i Jehovah ny vahoakany.” (Sal. 149:4) Mety hisy ho kivy be anefa indraindray, dia ho lasa saina hoe: ‘Izaho ve dia mba ankasitrahan’i Jehovah?’ Be dia be taloha ny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika nieritreritra hoatr’izany.​—1 Sam. 1:6-10; Joba 29:2, 4; Sal. 51:11.

2. Iza no ankasitrahan’i Jehovah?

2 Resahin’ny Baiboly mazava fa afaka ny hankasitrahan’i Jehovah ny olona tsy lavorary. Amin’ny fomba ahoana? Tsy maintsy maneho finoana an’i Jesosy Kristy isika, dia atao batisa. (Jaona 3:16) Asehontsika amin’ny rehetra amin’izay hoe efa nibebaka tamin’ny fahotantsika isika, ary efa nampanantena an’Andriamanitra fa hanao ny sitrapony. (Asa. 2:38; 3:19) Faly i Jehovah rehefa manao an’ireo dingana ireo isika mba hifandraisana aminy. Ankasitrahany isika sady raisiny ho namany akaiky, rehefa manohy manao izay tsara indrindra vitantsika mba hanajana an’ilay voady nataontsika tamin’isika nanokan-tena.​—Sal. 25:14.

3. Inona no hodinihintsika izao?

3 Nahoana anefa no misy mieritreritra indraindray hoe tsy ankasitrahan’Andriamanitra izy? Ahoana no ampisehoan’i Jehovah hoe mankasitraka antsika izy? Ary inona no azon’ny Kristianina iray atao mba hatoky kokoa izy hoe tena mankasitraka azy Andriamanitra?

NAHOANA NO MISY MIHEVITRA FA TSY ANKASITRAHAN’I JEHOVAH IZY?

4-5. Inona no azontsika antoka na dia mahatsiaro ho tsy misy vidiny aza isika?

4 Efa hatramin’ny mbola kely ny maro amintsika no nahatsiaro tena ho tsy misy vidiny. (Sal. 88:15) Hoy ny rahalahy iray atao hoe Adrián: “Nahatsapa foana aho hoe tsy nisy vidiny. Tadidiko tamin’izaho mbola kely nivavaka mba ho tonga any amin’ny Paradisa ny fianakaviako, na dia azoko antoka aza hoe tsy mendrika ny ho any aho.” I Tony indray tsy notezaina tao amin’ny fahamarinana. Izao no nolazainy: “Tsy mba niteny tamiko izany mihitsy i Dada sy Neny hoe tia ahy, na hoe reharehany aho. Hoatran’ny tsy nisy nahafa-po an-dry zareo mihitsy izay nataoko.”

5 Raha mahatsiaro ho tsy misy vidiny ianao indraindray, dia tadidio fa i Jehovah mihitsy no nitaona anao hanatona azy. (Jaona 6:44) Mahita zavatra tsara ao aminao izy, na dia tsy mahita an’ilay izy aza ianao. Fantany ny ao am-ponao. (1 Sam. 16:7; 2 Tan. 6:30) Raha miteny àry izy hoe sarobidy ianao, dia ianao indray ve no hisalasala?​—1 Jaona 3:19, 20.

6. Inona no tsapan’ny apostoly Paoly noho ny fahotana nataony taloha?

6 Mety mbola hahatsiaro tena ho meloka foana ny sasany amintsika, noho izay nataontsika talohan’ny nianarana ny fahamarinana. (1 Pet. 4:3) Na ny Kristianina tsy mivadika aza mbola miady amin’ny fahalemeny ihany. Manameloka anao ve ny fonao? Raha izany, dia hampahery anao ny mahafantatra hoe na ny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika aza nanana fihetseham-po hoatr’izany koa. Nalahelo be, ohatra, ny apostoly Paoly rehefa nisaintsaina ny fahalemeny. (Rom. 7:24) Mazava ho azy fa efa nibebaka tamin’ny fahotany izy ary natao batisa. Mbola nilaza foana anefa izy hoe izy no “kely indrindra amin’ny apostoly” ary “lohany” amin’ny mpanota.​—1 Kor. 15:9; 1 Tim. 1:15.

7. Inona no tokony hotadidintsika momba ny fahotana nataontsika taloha?

7 Mampanantena ilay Raintsika any an-danitra hoe hamela antsika izy raha mibebaka isika. (Sal. 86:5) Raha tena manenina amin’ny fahotantsika àry isika, dia azontsika tazonina amin’ny teniny i Jehovah. Efa namela antsika izy.​—Kol. 2:13.

8-9. Inona no azontsika atao mba tsy hieritreritra intsony isika hoe tsy ampy hampifaliana an’i Jehovah mihitsy izay ataontsika?

8 Samy te hanao be eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah isika. Mety hisy hieritreritra anefa hoe tsy ampy hahazoana ny fankasitrahan’i Jehovah mihitsy izay ataony. Hoy ny anabavy atao hoe Amanda: “Nieritreritra foana aho hoe mila manao betsaka kokoa, raha te hanome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah. Matetika àry aho no manezakezaka manao izay tsy ho vitako. Dia rehefa tsy tratry ny heriko ilay izy dia kivy aho, sady mieritreritra hoe diso fanantenana amiko koa izao i Jehovah.”

9 Inona no hanampy antsika tsy hieritreritra intsony hoe tsy ampy hampifaliana an’i Jehovah mihitsy izay ataontsika? Tadidio fa tsy hentitra loatra i Jehovah na hoe tsy milefitra mihitsy. Tsy mitaky mihoatra noho izay vitantsika mihitsy izy. Ankasitrahany kosa izay ataontsika ho azy, raha mbola manao an’izay tsara indrindra vitantsika isika. Saintsaino koa ireo olona resahin’ny Baiboly hoe nanompo an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo. Anisan’ireny i Paoly. Niezaka be teo amin’ny fanompoana izy nandritra ny taona maro, ka nanao dia an’arivony kilaometatra sady nanangana fiangonana be dia be. Nisy fotoana anefa izy tsy afaka nitory firy. Dia tsy nankasitrahan’Andriamanitra intsony ve izy? Tsy izany! Mbola nanao izay vitany izy, dia notahin’i Jehovah. (Asa. 28:30, 31) Mety hiovaova koa ny azonao omena an’i Jehovah indraindray. Ny tena zava-dehibe aminy anefa dia hoe nahoana ianao no manao an’ilay izy. Andao àry hojerentsika ny fomba sasany ampisehoan’i Jehovah fa mankasitraka antsika izy.

FOMBA AMPISEHOAN’I JEHOVAH NY FANKASITRAHANY

10. Inona no azontsika atao mba ho hoatran’ny hoe henontsika i Jehovah milaza fa mankasitraka antsika izy? (Jaona 16:27)

10 Amin’ny alalan’ny Baiboly. Tia mampiseho amin’ireo akaikin’ny fony i Jehovah hoe ankasitrahany ry zareo. Resahin’ny Soratra Masina fa indroa Izy no niteny tamin’i Jesosy hoe Zanany malala sy ankasitrahany izy. (Mat. 3:17; 17:5) Tianao ve ny haheno an’i Jehovah hanome toky anao fa ankasitrahany ianao? Tsy miresaka amintsika mivantana izy, fa amin’ny alalan’ny Teniny. Rehefa mamaky ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Filazantsara isika, dia hoatran’ny maheno an’i Jehovah miteny hoe: ‘Ankasitrahako ianao.’ (Vakio ny Jaona 16:27.) Nanahaka tanteraka ny toetran’ny Rainy i Jesosy. Nisy fotoana, ohatra, izy nampiseho tamin’ireo mpanara-dia azy tsy nivadika hoe mankasitraka an-dry zareo izy, na dia tsy lavorary aza ry zareo. Rehefa mamaky an’izany àry isika, dia afaka maka sary an-tsaina an’i Jehovah milaza an’ireo teny ireo amintsika koa.​—Jaona 15:9, 15.

Be dia be ny fomba ampisehoan’i Jehovah hoe mankasitraka antsika izy (Fehintsoratra 10)


11. Na dia miatrika zava-tsarotra aza isika, dia nahoana izany no tsy midika hoe tsy mankasitraka antsika intsony i Jehovah? (Jakoba 1:12)

11 Amin’ny ataony. Vonona hanampy antsika i Jehovah. Manome an’izay ilaintsika, ohatra, izy. Indraindray isika mety havelany hiaritra zava-tsarotra, hoatran’ny nataony tamin’ilay olo-marina antsoina hoe Joba. (Joba 1:8-11) Tsy hoe tsy ankasitrahan’Andriamanitra intsony anefa isika rehefa miaritra fitsapana. Amin’ireny kosa isika no afaka manaporofo hoe tia be an’Andriamanitra sady tena matoky azy. (Vakio ny Jakoba 1:12.) Rehefa ampiany hiaritra isika, dia tsapantsika hoe tia sy mikarakara ary manohana antsika izy.

12. Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Dmitrii?

12 Diniho ny nahazo an’i Dmitrii, rahalahy any Azia. Very asa izy, dia tsy nahita asa nandritra ny volana maromaro. Nanapa-kevitra àry izy hoe hampitombo ny fanompoany, mba hampisehoana fa matoky an’i Jehovah. Nifandimby teny anefa ny volana, fa mbola tsy nahita asa foana izy. Narary izy avy eo, ka nandamaka teo am-pandriana mihitsy. Lasa nieritreritra izy hoe tsy mahavelom-bady aman-janaka intsony, ary nisalasala raha mbola nankasitraka azy i Jehovah. Indray hariva izay anefa, dia nanao pirinty an’ilay andinin-teny ao amin’ny Isaia 30:15 ny zanany vavy. Izao no voalaza ao: “Hatanjaka ianareo raha tony foana sy feno toky.” Nankeo am-pandrianan’ny dadany izy, dia nilaza hoe: “Dada a, rehefa ilay kivy be iny ianao, dia tadidio ity andininy ity.” Tsapan’i Dmitrii tamin’izay hoe mbola nanohana an-dry zareo foana i Jehovah. Nanana sakafo sy fitafiana ary fialofana foana mantsy ny fianakaviany. Hoy izy: “Nila tony sy natoky an’ilay Andriamanitro foana fotsiny aho.” Raha miatrika olana hoatr’izany koa ianao, dia matokia fa mikarakara anao i Jehovah ary hanampy anao hiaritra izy.

Be dia be ny fomba ampisehoan’i Jehovah hoe mankasitraka antsika izy (Fehintsoratra 12) a


13. Iza no mety hampiasain’i Jehovah mba hampisehoana hoe mankasitraka antsika izy, ary ahoana no ataon-dry zareo?

13 Amin’ny alalan’ny mpiara-manompo. Mampiasa an’ireo rahalahy sy anabavintsika i Jehovah mba hampisehoana amintsika hoe mankasitraka antsika izy. Mety hampirisihiny, ohatra, ny hafa hilaza teny mampahery amintsika, amin’ny fotoana tena ilantsika an’izany. Izany no nitranga tamin’ny anabavy iray any Azia, tamin’ilay izy niady saina be iny. Very asa izy, dia avy eo narary mafy. Nanao fahotana lehibe koa ny vadiny tatỳ aoriana, dia lasa tsy anti-panahy intsony. Izao no nolazainy: “Tsy azoko mihitsy hoe maninona izahay no tratran’izao. Nieritreritra aho hoe nisy zavatra tsy nety nataoko angamba, dia tsy nankasitrahan’i Jehovah intsony aho.” Nitalaholaho tamin’i Jehovah io anabavintsika io mba homeny toky hoe mbola ankasitrahany. Dia ahoana no nataon’i Jehovah? Hoy ilay anabavy: “Niresaka tamiko ny anti-panahinay, dia nanome toky ahy hoe mbola tia ahy i Jehovah.” Nangataka fanampiana tamin’i Jehovah indray izy tatỳ aoriana. Izao no nolazainy: “Tamin’iny andro iny mihitsy aho no nahazo taratasy avy amin’ny anadahy sy rahavavy maromaro tao amin’ny fiangonanay. Tsapako hoe naheno ny vavaka nataoko i Jehovah rehefa namaky ny teny mampahery nosoratan-dry zareo aho.” Ny teny mamy avy amin’ny hafa tokoa matetika no ampisehoan’i Jehovah hoe mankasitraka antsika izy.​—Sal. 10:17.

Be dia be ny fomba ampisehoan’i Jehovah hoe mankasitraka antsika izy (Fehintsoratra 13) b


14. Inona koa no fomba ampisehoan’i Jehovah hoe mankasitraka antsika izy?

14 Mampiasa ny mpiara-manompo koa i Jehovah mba hanomezana torohevitra antsika, rehefa mila an’izany isika. Anisan’ny fomba ampisehoany izany hoe mankasitraka antsika izy. Nampiasa ny apostoly Paoly, ohatra, izy tamin’ny taonjato voalohany, mba hanoratra taratasy 14 ho an’ny mpiara-manompo. Nisy torohevitra hentitra nefa feno fitiavana tao amin’izy ireny. Nahoana i Paoly no nasain’i Jehovah nampiditra an’ireny torohevitra ireny tao amin’ny taratasiny? Ray be fitiavana i Jehovah, dia manitsy an’ireo zanany “tiany.” (Ohab. 3:11, 12) Raha mahazo torohevitra avy ao amin’ny Baiboly àry isika, dia porofo izany hoe ankasitrahan’Andriamanitra isika fa tsy hoe tsy ankasitrahany intsony. (Heb. 12:6) Ahoana koa no ahitana fa mankasitraka antsika izy?

POROFO HAFA FA ANKASITRAHANY ISIKA

15. Iza no omen’i Jehovah ny fanahiny masina, ary nahoana izany no manome toky antsika?

15 Omen’i Jehovah ny fanahiny masina ny olona ankasitrahany. (Mat. 12:18) Saintsaino hoe: ‘Afaka naneho ny sasany tamin’ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra ve aho teo amin’ny fiainako?’ Manam-paharetana kokoa amin’ny olona ve ianao izao, raha oharina amin’ny tamin’ianao mbola tsy nahafantatra an’i Jehovah? Raha ny marina, dia arakaraka ny iezahanao maneho ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra no ahitanao fa mankasitraka anao i Jehovah!​—Jereo ilay hoe “ Ny Vokatry ny Fanahy.”

Ahoana no ahitanao hoe mankasitraka anao i Jehovah? (Fehintsoratra 15)


16. Iza no ampiasain’i Jehovah mba hitory ny vaovao tsara, ary inona no tsapanao vokatr’izany? (1 Tesalonianina 2:4)

16 Faly i Jehovah manankina ny fitoriana ny vaovao tsara amin’ny olona ankasitrahany. (Vakio ny 1 Tesalonianina 2:4.) Nandray soa ny anabavy iray atao hoe Jocelyne rehefa nitory ny vaovao tsara. Vao nifoha izy indray andro izay dia efa kivy be. Hoy izy: “Tsy nanana hery hanaovana na inona na inona aho. Mpisava lalana anefa aho, dia andro fandehanako manompo tamin’io. Nivavaka àry aho, dia nandeha ihany.” Nihaona tamin’ny vehivavy tsara fanahy atao hoe Mary i Jocelyne tamin’io maraina io. Nanaiky hianatra Baiboly izy. Nitantara i Mary, volana vitsivitsy tatỳ aoriana, fa vao avy nangataka fanampiana tamin’Andriamanitra izy no nandondòna tao am-baravarana i Jocelyne. Rehefa nisaintsaina an’iny zava-nitranga iny i Jocelyne dia niteny hoe: “Hoatran’ny nilaza tamiko i Jehovah hoe ‘ankasitrahako ianao.’” Marina aloha fa tsy ny rehetra no handray rehefa mitory isika. Afaka matoky anefa isika hoe faly i Jehovah rehefa miezaka manao izay tsara indrindra vitantsika isika mba hitoriana ny vaovao tsara.

Ahoana no ahitanao hoe mankasitraka anao i Jehovah? (Fehintsoratra 16) c


17. Inona no ianaranao avy amin’ny tenin’i Vicky momba ny vidim-panavotana? (Salamo 5:12)

17 Ampiharin’i Jehovah amin’ny olona ankasitrahany ny vidim-panavotana. (1 Tim. 2:5, 6) Ahoana anefa raha efa mino ny vidim-panavotana isika sady efa vita batisa, nefa mbola tsy manaiky ihany ny fontsika hoe mankasitraka antsika i Jehovah? Tadidio fa mety hamitaka ny fihetseham-ponao indraindray, fa i Jehovah kosa azonao atokisana foana. Raisiny ho anisan’ny olo-marina ny olona mino ny vidim-panavotana, ary mampanantena izy hoe hitahy an-dry zareo. (Vakio ny Salamo 5:12; Rom. 3:26) Nandray soa i Vicky rehefa nisaintsaina ny vidim-panavotana. Niaiky hoatr’izao izy, indray andro, rehefa avy nieritreritra lalina momba an’izany: ‘Nanam-paharetana be tamiko foana i Jehovah, saingy toy ny niteny taminy foana aho hoe: “Tsy tia ahy ianao satria tsy tena be fitiavana. Tsy mahavita manavotra ahy koa ny soron’ny zanakao.”’ Rehefa nisaintsaina momba an’io fanomezana io anefa izy, dia nanomboka nahatsapa hoe tia azy i Jehovah. Hahatsapa koa isika hoe tian’i Jehovah sady ankasitrahany, rehefa misaintsaina ny vidim-panavotana.

Ahoana no ahitanao hoe mankasitraka anao i Jehovah? (Fehintsoratra 17)


18. Inona no azontsika antoka raha tia foana an’ilay Raintsika any an-danitra isika?

18 Na dia efa miezaka mampihatra an’ireo soso-kevitra ireo aza isika, dia mety mbola ho kivy ihany indraindray, ary hisalasala raha mankasitraka antsika i Jehovah. Rehefa mitranga izany, dia tadidio hoe mankasitraka “an’izay tia Azy foana” izy. (Jak. 1:12) Miezaha foana àry hifandray akaiky aminy, ary jereo daholo izay fomba ampisehoany hoe mankasitraka anao izy. Aza hadinoina mihitsy fa “tsy lavitra antsika tsirairay” i Jehovah.​—Asa. 17:27.

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

  • Nahoana ny Kristianina sasany no mihevitra fa tsy mankasitraka azy i Jehovah?

  • Inona no fomba sasany ampisehoan’i Jehovah hoe mankasitraka antsika izy?

  • Nahoana isika no afaka mahazo antoka fa mankasitraka antsika Andriamanitra?

HIRA 88 Ampahafantaro Ahy ny Lalanao

a SARY: Tsy tena izy

b SARY: Tsy tena izy

c SARY: Tsy tena izy