Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 10

HIRA 13 Kristy no Modelintsika

‘Araho Foana’ i Jesosy Aorian’ny Batisanao

‘Araho Foana’ i Jesosy Aorian’ny Batisanao

“Raha misy te hanaraka ahy, dia tsy maintsy mandà ny tenany izy ka mitondra ny hazo fijaliany isan’andro ary manaraka ahy foana.”​—LIOKA 9:23.

HEVITRA HODINIHINA

Hanampy antsika rehetra ity lahatsoratra ity mba handinika ny tena dikan’ny hoe manokan-tena. Hanampy antsika tsy hivadika mihitsy ny fianarana ato, indrindra fa ireo natao batisa vao haingana.

1-2. Nahoana no mihatsara ny fiainana aorian’ny batisa?

 MAHAFALY ny atao batisa sy lasa fianakavian’i Jehovah. Mitovy hevitra amin’i Davida mpanao salamo izay olona manana an’izany tombontsoa izany. Izao no nolazainy: “Sambatra izay fidinao sy asainao manatona anao [Jehovah] mba hipetraka eo an-tokotaninao.”​—Sal. 65:4.

2 Tsy izao olona rehetra izao akory no avelan’i Jehovah ho eo an-tokotaniny. Nianarantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha fa mifidy ny hanatona an’izay olona mampiseho hoe te hifandray akaiky aminy izy. (Jak. 4:8) Rehefa manokan-tena ho an’i Jehovah sy atao batisa ianao, dia lasa miavaka ny fifandraisanao aminy. Afaka matoky ianao aorian’izay hoe ‘handrotsaka fitahiana be dia be aminao’ izy, ary ‘mihoatra noho izay ilainao aza.’​—Mal. 3:10; Jer. 17:7, 8.

3. Inona no andraikitra lehibe ananan’ny Kristianina nanokan-tena sy vita batisa? (Mpitoriteny 5:4, 5)

3 Mazava ho azy fa vao fiandohana ny batisa. Rehefa vita io dingana io, dia tokony hanao izay fara herinao ianao mba hanajana an’ilay voady nataonao tamin’ianao nanokan-tena, na dia misy fakam-panahy na zavatra misedra ny finoanao aza. (Vakio ny Mpitoriteny 5:4, 5.) Mpianatr’i Jesosy ianao, ka hanaraka akaiky araka izay azo atao ny modeliny sy ny didiny. (Mat. 28:19, 20; 1 Pet. 2:21) Hanampy anao hanao an’izany ity lahatsoratra ity.

‘ARAHO FOANA’ I JESOSY NA DIA MISY FITSAPANA SY FAKAM-PANAHY AZA

4. Inona no dikan’ny hoe mitondra ‘hazo fijaliana’ ny mpianatr’i Jesosy? (Lioka 9:23)

4 Tsy hoe hisosa fotsiny ny fiainanao aorian’ny batisa. Raha ny marina, dia nilaza i Jesosy fa hitondra ‘hazo fijaliana’ ny mpianany, ary “isan’andro” mihitsy aza. (Vakio ny Lioka 9:23.) Te hilaza ve izy fa hijaly foana ny mpanara-dia azy? Tsy izany mihitsy. Nasongadiny fotsiny hoe hiatrika olana ry zareo, ankoatra ny fitahiana ho azony. Mety hampijaly mihitsy aza ny sasany amin’ireny olana ireny.​—2 Tim. 3:12.

5. Inona ny fitahiana nampanantenain’i Jesosy ho an’izay mahafoy zavatra ho an’ilay Fanjakana?

5 Efa nenjehin’ny fianakaviana angamba ianao na nisy vola na zavatra nafoinao, amin’izay ilay Fanjakana no ho voalohany eo amin’ny fiainanao. (Mat. 6:33) Raha izany, dia matokia hoe tsikaritr’i Jehovah izay rehetra nataonao ho azy. (Heb. 6:10) Azo inoana fa hitanao hoe marina ity tenin’i Jesosy ity: “Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na saha, noho ny amiko sy ny vaovao tsara, ka tsy hahazo avo 100 heny amin’izao andro izao, dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, saha, sy fanenjehana, ary fiainana mandrakizay ao amin’ilay tontolo ho avy.” (Mar. 10:29, 30) Betsaka lavitra noho izay sorona nataonao ny fitahiana azonao.​—Sal. 37:4.

6. Nahoana ianao no mbola mila miady foana amin’ny “fanirian’ny nofo” aorian’ny batisa?

6 Mbola mila miady amin’ny “fanirian’ny nofo” ianao aorian’ny batisa. (1 Jaona 2:16) Mbola mpanota taranak’i Adama ihany mantsy ianao. Indraindray ianao mety hahatsapa hoatran’ny apostoly Paoly. Nanoratra izy hoe: “Raha ny tsapako ato am-poko ato, dia tena mahafinaritra ahy ny lalàn’Andriamanitra. Misy lalàna hafa miady amin’ny lalàna mifehy ny saiko anefa ao amin’ny vatako ao, sady mitarika ahy ho babon’ny lalàn’ny ota ao amin’ny vatako.” (Rom. 7:22, 23) Mety ho kivy ianao noho ireny fanirian-dratsy iadianao ireny. Ho tapa-kevitra kokoa hanohitra fakam-panahy anefa ianao, raha misaintsaina ny fampanantenana nataonao tamin’i Jehovah tamin’ianao nanokan-tena ho azy. Raha ny marina aza, dia hanatsotra ny fiainanao iny voady nataonao iny rehefa misy fakam-panahy. Nahoana?

7. Nahoana no hanampy anao tsy hivadika mihitsy ilay hoe nanokan-tena ho an’i Jehovah?

7 Mandà ny tenanao ianao rehefa manokan-tena ho an’i Jehovah. Midika izany hoe lavinao izay fanirianao sy tanjonao, raha vao tsy mampifaly an’i Jehovah ilay izy. (Mat. 16:24) Rehefa misy fitsapana àry, dia tsy mila mandany fotoana hiasana saina be ny amin’izay hatao ianao. Efa navalonao tany daholo mantsy ny safidy hafa rehetra, afa-tsy iray ihany. Inona izany? Ny hoe tsy hivadika amin’i Jehovah! Ho tapa-kevitra foana ianao hoe hampifaly azy. Hitovitovy amin’i Joba ianao amin’izay. Na dia niatrika ny mangidy indrindra aza izy, dia resy lahatra be rehefa niteny hoe: “Tsy hanaiky hivadika mihitsy aho.”​—Joba 27:5.

8. Nahoana no hanampy anao hanohitra fakam-panahy ny misaintsaina ny vavaka nataonao tamin’ianao nanokan-tena?

8 Hahazo hery hanoherana fakam-panahy ianao, raha misaintsaina an’ilay vavaka nataonao tamin’ianao nanokan-tena ho an’i Jehovah. Ianao ve, ohatra, dia hanomboka hanadaladala vadin’olona? Sanatria izany! Efa nanda tsy hanao an’izany mantsy ianao. Hisoroka fahoriana àry ianao, satria tsy voatery hiady amin’ny fihetseham-po ratsy raha efa namaka tao am-ponao ilay izy. ‘Hivily’ ianao, fa tsy handeha “amin’ny lalan’ny ratsy fanahy.”​—Ohab. 4:14, 15.

9. Nahoana ianao no hahavita hanao loha laharana foana ny zavatra ara-panahy, rehefa misaintsaina ny vavaka nataonao tamin’ianao nanokan-tena?

9 Ahoana raha mahita asa ianao, nefa hanembantsembana ny fivoriana kristianina ilay izy? Hainao ny tokony hatao. Ela be talohan’ny nahitana an’ilay izy mantsy ianao no efa nanapa-kevitra hoe tsy hanao asa hoatr’izany. Tsy mila manandrana akory àry ianao hoe sao ho vitanao ihany ny hampahomby an’ilay fanapahan-kevitra, nefa efa hita hoe ratsy. Eritrereto i Jesosy. Tapa-kevitra hampifaly ny Rainy izy. Raha mitadidy an’izany ianao, dia tonga dia holavinao an-kitsirano izay rehetra tsy mampifaly an’ilay Andriamanitra nanokananao tena.​—Mat. 4:10; Jaona 8:29.

10. Ahoana no hanampian’i Jehovah anao aorian’ny batisanao mba ‘hanarahanao foana’ an’i Jesosy?

10 Ireny fitsapana sy fakam-panahy ireny, raha ny marina, no hirika ahafahanao mampiseho hoe tapa-kevitra ny ‘hanaraka foana’ an’i Jesosy ianao. Rehefa manao an’izany ianao, dia matokia fa hanampy anao i Jehovah. Hoy ny Baiboly: ‘Tsy mivadika amin’ny teniny Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo. Fa rehefa misy fakam-panahy dia hasiany lalan-kivoahana koa, mba hahazakanareo an’izany.’​—1 Kor. 10:13.

AHOANA NO HATAO RAHA TE HANARAKA FOANA AN’I JESOSY?

11. Inona no anisan’ny fomba tsara indrindra hanarahana foana an’i Jesosy? (Jereo koa ny sary.)

11 Nafana fo i Jesosy, ary nazoto nivavaka ka akaiky an’i Jehovah foana. (Lioka 6:12) Inona no anisan’ny fomba tsara indrindra hanampy anao hanaraka an’i Jesosy foana aorian’ny batisa? Miezaha ho zatra manao zavatra hanampy anao hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah. Hoy ny Baiboly: ‘Efa misy fandrosoana vitantsika, ka andao isika hiezaka handroso hoatr’izany foana.’ (Fil. 3:16) Haheno tantarana rahalahy sy anabavy niezaka nampitombo ny fanompoany ianao indraindray. Nanatrika Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana angamba ry zareo, na nanitatra faritany. Raha afaka mametraka tanjona hoatran’ireo ianao, dia aza misalasala mihitsy! Mazoto mampitombo ny fanompoany ny vahoakan’i Jehovah. (Asa. 16:9) Ahoana anefa raha tsy afaka manao an’izany aloha ianao izao? Aza mieritreritra hoe ambany noho ireny olona ireny ianao. Fiaretana mantsy no tena ilaina amin’ilay hazakazaka ataon’ny Kristianina. (Mat. 10:22) Aza tsinontsinoavina mihitsy izay azonao atao ho an’i Jehovah, mifanaraka amin’ny zavatra iainanao. Sarobidy mantsy izany, sady anisan’ny fomba iray lehibe ahafahanao manaraka foana an’i Jesosy aorian’ny batisanao.​—Sal. 26:1.

Ataovy tanjona ny hanao zavatra hanampy anao hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah aorian’ny batisanao (Fehintsoratra 11)


12-13. Inona no azonao atao raha lasa tsy dia mazoto ianao? (1 Korintianina 9:16, 17) (Jereo koa ilay hoe “ Aza Mitsoaka An-daharana.”)

12 Ahoana raha misy fotoana tsapanao hoe lasa tsianjery be ny vavaka ataonao, na lasa fahazarana fotsiny ny fanompoanao? Ahoana raha tsy tena mandray soa hoatran’ny taloha ianao rehefa mamaky Baiboly? Raha mitranga ireo aorian’ny batisanao, dia aza mieritreritra hoe tsy manana ny fanahin’i Jehovah intsony ianao. Tsy lavorary ianao, ary mety hiovaova be ny fihetseham-ponao. Saintsaino ny ohatry ny apostoly Paoly raha manomboka mihena ny zotom-ponao. Na dia niezaka nanahaka an’i Jesosy aza izy, dia fantany hoe indraindray izy tsy tena nazoto be. (Vakio ny 1 Korintianina 9:16, 17.) Izao no nolazainy: “Na tsy an-tsitrapo aza anefa no anaovako an’izany, dia mbola manana asa nampiandraiketina ahy ihany aho.” Inona no dikan’izany? Hoe tapa-kevitra hamita ny fanompoany i Paoly, na ahoana na ahoana ny zavatra tsapany tamin’io fotoana io.

13 Hoatr’izany koa ianao. Aza avela hibaiko ny fanapahan-kevitra tokony horaisinao ireny fihetseham-ponao ireny. Miezaha ho tapa-kevitra hanao ny tsara, na inona na inona tsapanao. Mety hiova eny ihany ny fihetseham-ponao avy eo. Mandra-pahatongan’izany anefa, dia aza tapatapahina mihitsy ny fahazaranao ara-panahy satria hanampy anao hanaraka an’i Jesosy foana izany aorian’ny batisanao. Hampahery ny mpiara-manompo koa ianao raha mahavita an’izany.​—1 Tes. 5:11.

“MIEZAHA HANDINI-TENA FOANA”

14. Inona no tokony hodinihinao matetika, ary nahoana? (2 Korintianina 13:5)

14 Raha mandini-tena matetika ianao, dia hanampy anao izany aorian’ny batisa. (Vakio ny 2 Korintianina 13:5.) Tsara indraindray ny mijery akaiky ny fiainanao sy ny fahazaranao mba hahitana hoe mivavaka isan’andro ve ianao, mamaky sy mianatra Baiboly, mivory, ary manompo. Mitadiava hevitra mba hahatonga anao hankafy kokoa an’ireo karazana fanompoana ireo, sy hahatonga anao handray soa kokoa avy amin’izany. Eritrereto, ohatra, hoe: ‘Mahay manazava fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly ve aho? Misy zavatra azoko atao ve mba hahafinaritra kokoa ny fanompoako? Voafaritra tsara ve ny vavaka ataoko, ary hita amin’izy ireny ve hoe miantehitra tanteraka amin’i Jehovah aho? Mivory foana ve aho? Inona no azoko atao mba hifantoka kokoa sy handray anjara kokoa aho any am-pivoriana?’

15-16. Inona no ianaranao avy amin’i Robert momba ny hoe manohitra fakam-panahy?

15 Tsara koa raha mandini-tena amin’ny saina tsy miangatra ianao mba hahitanao ny fahalemenao. Niaina zavatra mampiseho an’izany ny rahalahy antsoina hoe Robert. Izao no nolazainy: “Nanao asa tapa-potoana aho tamin’izaho 20 taona teo ho eo. Nisy vehivavy mpiara-miasa tamiko izay nanasa ahy ho any an-tranony, indray andro, rehefa nirava. Izahay roa irery, hono, no ho ao, dia afaka manara-po tsara izahay. Nitaditady fialan-tsiny teo aho, nefa maivana be ny fialan-tsiny nomeko. Nolaviko ihany ilay izy tamin’ny farany, dia nolazaiko ny tena antony.” Nahavita nanohitra an’ilay fakam-panahy i Robert, dia efa tsara izany. Rehefa nandinika an’iny zava-nitranga iny anefa izy tatỳ aoriana, dia hitany hoe nisy azony nohatsaraina. Niaiky izy hoe: “Tsy nanao hoatran’i Josefa tamin’ny vadin’i Potifara aho, satria tsy hentitra rehefa nanda azy na tonga dia nanao zavatra. (Gen. 39:7-9) Gaga aza aho, raha ny marina, hoe sarotra tamiko ny nanda an’ilay izy. Iny no nanampy ahy hahita fa nila ninamana kokoa tamin’i Jehovah aho.”

16 Mety handray soa ianao raha mandini-tena hoatran’i Robert. Na dia nahavita nanohitra fakam-panahy aza ianao, dia eritrereto hoe: ‘Elaela ve aho vao nahavita nanda?’ Aza manamelo-tena raha hitanao hoe misy azo hatsaraina. Tokony ho faly kosa aza ianao satria nisy fahalemenao lasa hainao. Resaho amin’ny vavaka ilay izy, dia manaova zavatra mba ho tapa-kevitra kokoa ianao hanaraka ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena.​—Sal. 139:23, 24.

17. Nahoana no nisy vokany tamin’ny anaran’i Jehovah ny zavatra niainan’i Robert?

17 Mbola misy tohiny ilay tantaran’i Robert. Hoy izy: “Rehefa avy nanda ny fanasan’ilay mpiara-miasa tamiko aho, dia izao no nolazainy: ‘Afaka ianao!’ Dia nanontaniako izy hoe: ‘Fa afaka ahoana?’ Nohazavainy hoe nisy namany, hono, nilaza taminy fa manao ditra any ambadimbadika any ny tanora Vavolombelon’i Jehovah rehetra, ary tonga dia manaiky hanao ratsy raha vao mahita hirika hanaovana an’izany. Efa Vavolombelona io namany io taloha. Nilaza tamin’ilay namany àry izy hoe tiany hotsapaina aho. Faly be aho rehefa tonga saina hoe soa ihany fa nanome voninahitra ny anaran’i Jehovah.”

18. Tapa-kevitra hanao inona ianao aorian’ny batisa? (Jereo koa ilay hoe “ Ho Tianao io Lahatsoratra Mifampitohy Io.”)

18 Rehefa manokan-tena ho an’i Jehovah sy atao batisa ianao, dia asehonao hoe te hanamasina ny anarany ianao, na inon-kidona na inon-kihatra. Afaka matoky ianao fa fantatr’i Jehovah ny fitsapana atrehinao sy ny fakam-panahy iadianao. Hitahy ny ezaka ataonao mba tsy hivadihana izy. Matokia fa afaka manome anao ny hery hanaovana an’izany izy, amin’ny alalan’ny fanahiny masina. (Lioka 11:11-13) Hampian’i Jehovah ianao, ka hahavita hanaraka foana an’i Jesosy aorian’ny batisanao.

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

  • Inona no dikan’ilay hoe mitondra ‘hazo fijaliana isan’andro’ ny Kristianina?

  • Inona no azonao atao mba ‘hanarahana foana’ an’i Jesosy aorian’ny batisanao?

  • Nahoana no hanampy anao tsy hivadika ny misaintsaina ny vavaka nataonao tamin’ianao nanokan-tena?

HIRA 89 Izay Mihaino sy Mankatò dia Hotahina Tokoa