Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TENY AVY AO AMIN’NY BAIBOLY

Famelan-keloka Tamin’ny Mbola Tsy Naloa ny Vidim-panavotana

Famelan-keloka Tamin’ny Mbola Tsy Naloa ny Vidim-panavotana

Tsy ho voavela heloka isika raha tsy teo ny sorom-panavotana naloan’i Jesosy tamin’ny rany. (Efes. 1:7) Milaza anefa ny Baiboly hoe: “Be fandeferana [Andriamanitra] ka namela ny fahotana natao tamin’ny lasa”, izany hoe talohan’ny nanomezan’i Jesosy ny vidim-panavotana. (Rom. 3:25) Ahoana no nahafahan’i Jehovah nanao an’izany, sady hanaraka foana ny fitsipiny lavorary momba ny rariny?

Hoatran’ny hoe efa voaloa ny vidim-panavotana tamin’i Jehovah, rehefa nanapa-kevitra izy fa hanome ‘taranaka’ hamonjy an’ireo olombelona manam-pinoana. (Gen. 3:15; 22:18) Azon’Andriamanitra antoka tanteraka fa hanaiky hanome ny vidim-panavotana ilay Zanany lahitokana amin’ny fotoana voatondrony. (Gal. 4:4; Heb. 10:7-10) Solontenan’Andriamanitra i Jesosy teto an-tany, ka nanana fahefana hamela heloka na dia mbola tsy naloa aza ny vidim-panavotana. Efa fantany mantsy hoe ho afaka hanarona ny fahotan’ny olona manam-pinoana ny sorona hataony atỳ aoriana.​—Mat. 9:2-6.