Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 12

HIRA 77 Mamiratra ao Anaty Haizina

Halaviro ny Haizina dia Mijanòna ao Amin’ny Mazava

Halaviro ny Haizina dia Mijanòna ao Amin’ny Mazava

‘Tao amin’ny haizina ianareo teo aloha, fa efa ao amin’ny mazava kosa izao.’​—EFES. 5:8.

HEVITRA HODINIHINA

Hodinihintsika ato izay azontsika ianarana avy amin’ny sarin-teny hoe haizina sy hazavana ampiasaina ao amin’ny Efesianina toko faha-5.

1-2. a) Taiza i Paoly no nanoratra ho an’ny Efesianina, ary nahoana izy no nanoratra ho an-dry zareo? b) Inona avy ny fanontaniana hodinihina ato?

 GADRA tany Roma ny apostoly Paoly, dia te hampahery an’ireo mpiray finoana taminy. Tsy afaka nitsidika an-dry zareo mivantana anefa izy, ka nanoratra taratasy. Anisan’ny nanoratany ny Efesianina tamin’ny taona 60 na 61 tany ho any.​—Efes. 1:1; 4:1.

2 Nitory sy nampianatra ny vaovao tsara tany Efesosy i Paoly nandritra ny fotoana elaela, efa ho folo taona talohan’izay. (Asa. 19:1, 8-10; 20:20, 21) Tiany be ny rahalahiny, dia te hanampy an-dry zareo tsy hivadika amin’i Jehovah izy. Fa nahoana izy no nanoratra momba ny haizina sy ny hazavana tamin’ny Kristianina voahosotra? Ary inona no ianaran’ny Kristianina rehetra avy amin’io torohevitra io? Andao isika handinika ny valin’ireo.

AVY AO AMIN’NY HAIZINA MANKANY AMIN’NY HAZAVANA

3. Inona ny sarin-teny nampiasain’i Paoly tao amin’ilay taratasiny ho an’ny Efesianina?

3 Izao no nosoratan’i Paoly ho an’ny Kristianina tany Efesosy: ‘Tao amin’ny haizina ianareo teo aloha, fa efa ao amin’ny mazava kosa izao.’ (Efes. 5:8) Nampiasa sarin-teny hoe haizina sy hazavana i Paoly, mba hanasongadinana hevitra roa mifanipaka tanteraka. Andao hojerentsika hoe maninona izy no nilaza fa “tao amin’ny haizina” ny Efesianina “teo aloha.”

4. Nahoana no lazaina hoe tao anaty haizina ara-pivavahana ny Efesianina?

4 Haizina ara-pivavahana. Nandevozin’ny fampianaran-diso sy ny finoanoam-poana ireo Efesianina nanoratan’i Paoly, talohan’ny nianaran-dry zareo ny fahamarinana sy niovany ho Kristianina. Tao Efesosy no nisy ny tempolin’ilay andriamanibavy atao hoe Artemisy. Nalaza io tempoly io, ary nolazain’ny olona taloha fa anisan’ireo zava-mahatalanjona fito eto an-tany. Mpanompo sampy be ny mpivavaka tao. Nampidi-bola be koa ny fanamboarana sy ny famarotana ny tempoly kelin’i Artemisy. (Asa. 19:23-27) Ankoatra izany, dia ny fampiasana herin’ny maizina no tena nahafantarana an’ilay tanàna.​—Asa. 19:19.

5. Nahoana no lazaina hoe tao anaty haizina ara-pitondran-tena ny Efesianina?

5 Haizina ara-pitondran-tena. Nalaza ho ratsy fitondran-tena be sy tsy nisy henatra intsony ny mponina tany Efesosy. Fandre tany amin’ny teatra ny resaka vetaveta, ary na dia tamin’ny fety ara-pivavahana aza. (Efes. 5:3) Maro tamin’ny mponina tany no ‘efa tsy nahalala menatra intsony’, izay midika ara-bakiteny hoe tsy “nandre fanaintainana intsony.” (Efes. 4:17-19) Tsy nenjehin’ny eritreriny mantsy ny Efesianina sady tsy nieritreritra hoe mbola hampamoahin’i Jehovah, talohan’ny nianarany an’izay tena atao hoe mety na tsy mety. Afaka nilaza àry i Paoly hoe “maizin-tsaina izy ireo sady tsy hahazo an’ilay fiainana ampanantenain’Andriamanitra.”

6. Nahoana i Paoly no afaka nilaza tamin’ny Efesianina hoe ‘efa ao amin’ny mazava izao’ ry zareo?

6 Tsy nijanona tao amin’ny haizina anefa ny Efesianina sasany. Nanoratra i Paoly fa ‘efa tao amin’ny mazava izao’ ry zareo, satria “tafaray amin’ny Tompo.” (Efes. 5:8) Nampiharin-dry zareo mantsy ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina, izay azo oharina amin’ny hazavana. (Sal. 119:105) Niala tamin’ny fanaon’ny fivavahan-diso ireo Efesianina ireo sady tsy ratsy fitondran-tena intsony. ‘Nanahaka an’Andriamanitra’ ry zareo, ary nanao izay tsara indrindra vitany mba hanompoana an’i Jehovah sy hampifaliana azy.​—Efes. 5:1.

7. Nahoana ny zavatra iainantsika no mitovitovy amin’ny niainan’ny Kristianina maro tany Efesosy?

7 Hoatr’izany koa isika. Tao amin’ny haizina ara-pivavahana sy ara-pitondran-tena isika talohan’ny nianarantsika ny fahamarinana. Nisy tamintsika nankalaza ny fetin’ny fivavahan-diso, ary ny hafa indray ratsy fitondran-tena. Niova anefa isika raha vao nahafantatra ny fitsipik’i Jehovah momba ny tsara sy ratsy. Nanomboka nampihatra an’ireny teo amin’ny fiainantsika isika, dia mandray soa be dia be. (Isaia 48:17) Mbola mitohy anefa ny ady. Efa niala tamin’ny haizina isika sady mbola manalavitra an’izany, ary ‘asehontsika eo amin’ny fiainantsika foana fa zanaky ny mazava’ isika. Ahoana no anaovantsika an’izany?

Image digitally reproduced with the permission of the Papyrology Collection, Graduate Library, University of Michigan, P.Mich.inv. 6238. Licensed under CC by 3.0

Mbola azontsika ampiharina amin’izao ny torohevitra feno fitiavana nosoratan’i Paoly ho an’ny Efesianina (Fehintsoratra 7) b


HALAVIRO NY HAIZINA

8. Inona no tsy tokony hataon’ny Efesianina, araka ny Efesianina 5:3-5?

8 Vakio ny Efesianina 5:3-5. Inona no nila nataon’ny Kristianina tany Efesosy raha te ho lavitry ny haizina ara-pitondran-tena foana? Nila nanda an’izay fanao tsy tian’i Jehovah ry zareo, ohatra hoe tsy mijangajanga na manao resaka vetaveta. Nampahatsiahy ny Efesianina i Paoly fa tsy maintsy nanalavitra an’ireny ry zareo, raha te ‘hanana lova ao amin’ny Fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra.’

9. Nahoana isika no tsy tokony hanao an’izay rehetra mety hitarika antsika haloto fitondran-tena?

9 Tsy maintsy miady foana koa isika mba tsy hanao “zavatra tsy misy dikany fanaon’ny olona ao amin’ny maizina.” (Efes. 5:11) Matetika no alaim-panahy kokoa hanao ratsy ny olona iray, arakaraka ny ijereny na ihainoany na iresahany zavatra maloto. (Gen. 3:6; Jak. 1:14, 15) Rahalahy maromaro, ohatra, no lasa “mpinamana” tao amin’ny tambazotran-tserasera, tany amin’ny tany iray. Zavatra ara-panahy no noresahin’ny maro tamin-dry zareo tamin’ny voalohany. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia nivadika ho resaka maloto ilay izy satria nihodinkodina tamin’ny resaka firaisana. Niaiky ny sasany taminy, tatỳ aoriana, hoe ilay resaka maloto nifanaovan-dry zareo no nahatonga azy hijangajanga.

10. Inona no ataon’i Satana mba hamitahana antsika? (Efesianina 5:6)

10 Miezaka mamitaka antsika ny tontolon’i Satana. Tiany isika hino hoe tsy mampaninona akory izay lazain’i Jehovah hoe ratsy sy maloto. (2 Pet. 2:19) Tsy mahagaga izany! Anisan’ny tetika efa nampiasain’ny Devoly hatry ny ela mantsy ny mampisafotofoto ny sain’ny olona, ka tsy hainy intsony izay tsara sy ratsy. (Isaia 5:20; 2 Kor. 4:4) Tsy mahagaga àry raha mampiely hevitra mifanohitra amin’ny fitsipik’i Jehovah ny filma sy fandaharana maro amin’ny tele ary ny Internet! Miezaka mamitaka antsika i Satana, amin’izay isika mieritreritra hoe mety ny fanao sy ny fomba fiaina maloto. Ary tsy hoe mety fotsiny, fa mahafinaritra sy tsy mampidi-doza koa.​—Vakio ny Efesianina 5:6.

11. Nahoana ny tantaran’i Angela no manasongadina hoe ilaina ny mampihatra ny torohevitra ao amin’ny Efesianina 5:7? (Jereo koa ny sary.)

11 Tian’i Satana isika hifanerasera amin’olona hanasarotra ny fanarahantsika ny fitsipik’i Jehovah. Nampirisika ny Efesianina àry i Paoly hoe: “Aza manao hoatr’ireny”, izany hoe hoatr’ireo manao ny tsy mety eo imason’Andriamanitra. (Efes. 5:7) Tadidio fa tsy izay olona mifandray mivantana amintsika ihany no ifaneraserantsika, fa izay mifandray amintsika amin’ny alalan’ny tambazotran-tserasera koa. Mbola tsy nanana an’io olana io ny Efesianina taloha. Mipetraka any Azia i Angela a ary hitany hoe tena mety hampidi-doza ny tambazotran-tserasera. Izao no nolazainy: “Mamandrika ilay izy, satria lasa nanadonto ny feon’ny fieritreretako nefa tsy tsikaritro akory. Tonga hatramin’ny hoe lasa tsy nampaninona ahy intsony ny nanana ‘namana’ tsy nanaja ny torolalan’ny Baiboly. Nanomboka nieritreritra mihitsy aza aho tamin’ny farany hoe nety ny nanana fomba fiaina tsy nampifaly an’i Jehovah.” Soa ihany fa nisy anti-panahy be fitiavana nanampy an’i Angela hiova. Hoy izy: “Fenoiko zavatra ara-panahy izao ny saiko, fa tsy mandany fotoana be amin’ny tambazotran-tserasera intsony aho.”

Miankina be amin’ny olona fidintsika ho namana no ahafahantsika mankatò foana ny fitsipik’i Jehovah na tsia (Fehintsoratra 11)


12. Inona no hanampy antsika hanaraka foana ny fitsipik’i Jehovah momba izay tsara sy ratsy?

12 Toe-tsain’izao tontolo izao ilay hoe tsy mampaninona ny fitondran-tena ratsy, ka tsy maintsy miady amin’izany isika. Haintsika tsara mantsy hoe diso izany! (Efes. 4:19, 20) Tsara àry ny mieritreritra hoe: ‘Mitandrina tsara ve aho mba tsy hifanerasera amin’ny mpiara-miasa na mpiara-mianatra na olon-kafa tsy manaja ny fitsipik’i Jehovah, rehefa tsy misy antony ilana hanaovana an’izany? Sahy miaro ny fitsipik’i Jehovah ve aho, na dia mety hisy hilaza aza hoe tery saina?’ Mety hila hitandrina koa isika rehefa mifidy olona atao namana akaiky eo anivon’ny fiangonana kristianina, araka ny 2 Timoty 2:20-22. Tadidintsika hoe mety tsy hanampy antsika hanohy hanompo an’i Jehovah foana ny olona sasany.

ASEHOY EO AMIN’NY FIAINANAO FA “ZANAKY NY MAZAVA” IANAO

13. Inona no dikan’ny hoe ‘mampiseho eo amin’ny fiainana fa zanaky ny mazava’? (Efesianina 5:7-9)

13 Tsy nampirisihin’i Paoly handa ny haizina fotsiny ny Kristianina tany Efesosy, fa nampirisihiny koa mba ‘hampiseho eo amin’ny fiainany foana fa zanaky ny mazava’ ry zareo. (Vakio ny Efesianina 5:7-9.) Inona no dikan’izany? Raha tsorina dia hoe tokony ho hita amin’ny fitondran-tenantsika foana fa tena Kristianina isika. Hahatratra an’izany tanjona izany, ohatra, isika raha mazoto mamaky sy mianatra ny Baiboly ary ny boky sy gazetintsika. Tena ilaina koa ny mandinika tsara ny modely sy ny fampianaran’i Jesosy Kristy, ilay “fahazavan’izao tontolo izao.”​—Jaona 8:12; Ohab. 6:23.

14. Ahoana no anampian’ny fanahy masina antsika?

14 Mila ny fanampian’ny fanahy masin’Andriamanitra koa isika mba hahafahantsika hitondra tena foana hoatran’ny “zanaky ny mazava.” Fa maninona? Satria tsy mora mihitsy ny hoe madio foana eto amin’izao tontolo ratsy fitondran-tena izao. (1 Tes. 4:3-5, 7, 8) Ampian’ny fanahy masina isika mba hiady amin’ny toe-tsain’izy io, anisan’izany ny filozofiany sy ny fomba fiheviny mifanohitra amin’ny fisainan’Andriamanitra. Ampiany koa isika mba hanana an’izay “rehetra atao hoe hatsaran-toetra sy fanaovana ny marina.”​—Efes. 5:9.

15. Amin’ny fomba ahoana avy no ahazoantsika ny fanahy masina? (Efesianina 5:19, 20)

15 Hahazo ny fanahy masina, ohatra, isika raha mangataka azy io amin’ny vavaka. Nilaza i Jesosy fa “tena hanome ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy” i Jehovah. (Lioka 11:13) Mahazo fanahy masina koa isika rehefa miara-midera an’i Jehovah any am-pivoriana. (Vakio ny Efesianina 5:19, 20.) Misy heriny tsara amintsika izy io ka hanampy antsika hanana fomba fiaina mampifaly an’Andriamanitra.

16. Inona no hanampy antsika handray fanapahan-kevitra tsara? (Efesianina 5:10, 17)

16 Rehefa misy fanapahan-kevitra lehibe raisintsika, dia mila fantarintsika “izay sitrapon’i Jehovah”, dia avy eo manao zavatra mifanaraka amin’izany. (Vakio ny Efesianina 5:10, 17.) Mitady ny fomba fihevitr’Andriamanitra isika, raha ny marina, rehefa mamantatra ny torolalan’ny Baiboly mifanaraka amin’ny zavatra iainantsika. Azo inoana kokoa hoe handray fanapahan-kevitra tsara isika, rehefa mampihatra ny torolalany.

17. Inona no tafiditra amin’ny hoe mampiasa tsara ny fotoana? (Efesianina 5:15, 16) (Jereo koa ny sary.)

17 Nanoro hevitra an’ireo Kristianina tany Efesosy koa i Paoly mba hampiasa tsara ny fotoanan-dry zareo. (Vakio ny Efesianina 5:15, 16.) Tian’ilay “ratsy”, na i Satana fahavalontsika, ho variana be foana amin’ny zavatra eto amin’izao tontolo izao isika, amin’izay tsy manam-potoana hanompoana an’Andriamanitra intsony. (1 Jaona 5:19) Lasa mora amin’ny Kristianina iray amin’izay ny hikely aina hitady vola sy harena, hianatra, na hiasa, noho ny hoe hanararaotra hampitombo ny fanompoany an’i Jehovah. Raha izay no mitranga, dia efa famantarana izany hoe misy vokany aminy ny toe-tsain’izao tontolo izao. Mazava ho azy, fa tsy ratsy ireo zavatra ireo, nefa tsy tokony ho ireo mihitsy no voalohany eo amin’ny fiainantsika. Mila ‘mampiasa tsara ny fotoanantsika’ àry isika, izany hoe mifantoka amin’izay tena zava-dehibe, raha tiantsika haseho eo amin’ny fiainantsika hoe “zanaky ny mazava” isika.

Nampirisihina hampiasa tsara ny fotoanany ny Kristianina tany Efesosy (Fehintsoratra 17)


18. Inona avy no nataon’i Donald mba hahafahany mampiasa tsara kokoa ny fotoanany?

18 Hararaoty izay hirika rehetra ahafahanao manompo kokoa an’i Jehovah. Izany no nataon’i Donald, rahalahy any Afrika Atsimo. Hoy izy: “Nandinika ny fiainako aho, dia nitalaho tamin’i Jehovah mba hanampy ahy hampitombo ny fanompoako. Nivavaka àry aho mba hahita asa hahafahako manam-potoana kokoa hitoriana. Nampiany aho, dia nahita asa nety tsara. Nanomboka teo izaho sy ny vadiko no niara-nanompo manontolo andro.”

19. Ahoana no ampisehoantsika foana eo amin’ny fiainantsika fa “zanaky ny mazava” isika?

19 Azo antoka fa nanampy ny Efesianina tsy hivadika mihitsy ny taratasin’i Paoly. Mahasoa antsika koa io torohevitra avy amin’i Jehovah io. Hitantsika tato fa afaka manampy antsika izy io mba hifidy tsara ny fialam-bolintsika sy izay ifaneraserantsika. Afaka mandrisika antsika koa izy io mba hianatra tsy tapaka ny Baiboly, amin’izay hitarika antsika amin’izay rehetra ataontsika ny fahazavan’ny fahamarinana. Asongadin’ilay taratasy koa fa zava-dehibe ny fanahy masina satria manampy antsika hanana toetra tsara. Rehefa mampihatra an’izay nosoratan’i Paoly isika, dia handray fanapahan-kevitra tsara mifanaraka amin’ny fomba fisainan’i Jehovah. Izany rehetra izany no hanampy antsika hanalavitra ny haizin’izao tontolo izao, fa hijanona foana ao amin’ny mazava!

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

  • Inona ilay “haizina” sy “mazava” resahin’ny Efesianina 5:8?

  • Ahoana no analavirantsika ny “haizina”?

  • Ahoana no ‘ampisehoantsika foana eo amin’ny fiainantsika fa zanaky ny mazava’ isika?

HIRA 95 Mihamazava ny Lalantsika

a Novana ny anarana sasany.

b SARY: Kopia voalohandohany amin’ilay taratasy nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny Efesianina.