Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 9

HIRA 75 “Intỳ Aho Iraho!”

Vonona Hanokan-tena ho An’i Jehovah ve Ianao?

Vonona Hanokan-tena ho An’i Jehovah ve Ianao?

“Inona no havaliko an’i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko?”​—SAL. 116:12.

HEVITRA HODINIHINA

Afaka manampy anao hifandray kokoa amin’i Jehovah ity lahatsoratra ity, amin’izay ianao te hanokan-tena ho azy sy hatao batisa.

1-2. Inona no tsy maintsy ataon’ny olona iray alohan’ny hanaovana batisa azy?

 IRAY tapitrisa mahery no natao batisa ka lasa Vavolombelon’i Jehovah, tato anatin’ny dimy taona. “Mbola zazakely” ny maro tamin’izy ireny dia efa nampianarina ny fahamarinana, hoatran’i Timoty tamin’ny taonjato voalohany. (2 Tim. 3:14, 15) Ny hafa indray rehefa lehibe vao nianatra momba an’i Jehovah, ary ny sasany aza efa antitra. Taona vitsivitsy lasa izay, dia nisy vehivavy nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona ka natao batisa. Efa 97 taona izy tamin’izay!

2 Mpianatra Baiboly ve ianao, na notezain’ny ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah dia mieritreritra ny hatao batisa? Tena tsara izany! Mila manokan-tena ho an’i Jehovah anefa aloha ianao vao atao batisa. Hohazavaina ato ny dikan’ny hoe manokan-tena. Hanampy anao koa ity lahatsoratra ity hahita hoe tsy misy antony tokony hampisalasala anao hanao an’io dingana io sy hatao batisa rehefa vonona ianao.

INONA NO DIKAN’NY HOE MANOKAN-TENA?

3. Iza avy, ohatra, ny olona ao amin’ny Baiboly voatokana ho an’i Jehovah?

3 Ny hoe manokana zavatra na olona iray ao amin’ny Baiboly, dia midika hoe manavaka azy io mba hampiasaina amin’ny zavatra masina. Firenena voatokana ho an’i Jehovah ny Israelita taloha. Nisy olona teo amin’io firenena io anefa voatokana ho an’i Jehovah tamin’ny fomba niavaka. Nanao an’ilay “famantarana masina hoe voatokana”, ohatra, i Arona. (Lev. 8:9) Takela-bolamena mamirapiratra natao teo anoloana tamin’ny satrony izy io. Iny takela-bolamena iny no nampiseho hoe voatokana mba hanompo amin’ny fomba miavaka izy, izany hoe ho lasa mpisoronaben’ny Israely. Voatokana ho an’i Jehovah tamin’ny fomba niavaka koa ny Nazirita. Avy amin’ny teny hebreo hoe nazirʹ ny hoe “Nazirita”, ary midika hoe “Nosarahina” na “Nanokan-tena.” Tsy maintsy nanaraka an’izay nolazain’ny Lalàn’i Mosesy hoe tsy azony natao ry zareo.​—Nom. 6:2-8.

4. a) Inona no mitranga rehefa manokan-tena ho an’i Jehovah ianao? b) Inona no dikan’ny hoe ‘mandà tena’? (Jereo koa ny sary.)

4 Rehefa manokan-tena ho an’i Jehovah ianao, dia mifidy ho lasa mpianatr’i Jesosy Kristy sy hanao ny sitrapon’Andriamanitra alohan’ny zavatra hafa rehetra. Inona no takina amin’ny Kristianina nanokan-tena? Izao no nolazain’i Jesosy: “Raha misy te hanaraka ahy, dia tsy maintsy mandà ny tenany izy.” (Mat. 16:24) Azo adika koa hoe “tsy maintsy mandà ny sitrapony” ilay teny grika nadika hoe “tsy maintsy mandà ny tenany.” Mila mandà an’izay rehetra mifanohitra amin’ny sitrapon’i Jehovah àry ianao, raha mpanompony nanokan-tena ho azy. (2 Kor. 5:14, 15) Anisan’izany ny hoe mandà “ny asan’ny nofo”, ohatra hoe ny fijangajangana. (Gal. 5:19-21; 1 Kor. 6:18) Ho lasa teritery be ve ny fiainanao vokatr’izany? Tsy ho izany mihitsy, raha tia an’i Jehovah ianao sady resy lahatra hoe mahasoa anao ny lalàny. (Sal. 119:97; Isaia 48:17, 18) Hoy ny rahalahy iray atao hoe Nicholas: “Azonao eritreretina ho hoatran’ny bara vy amin’ny fonja misakana anao tsy hanao an’izay tianao ny fitsipik’i Jehovah, na hoatran’ny bara vy miaro anao amin’ny liona mampidi-doza.”

Ahoana no fahitanao ny fitsipik’i Jehovah? Hoatran’ny bara vy amin’ny fonja misakana anao tsy hanao an’izay tianao ve, sa hoatran’ny bara vy miaro anao amin’ny liona mampidi-doza? (Fehintsoratra 4)


5. a) Ahoana no atao rehefa manokan-tena ho an’i Jehovah? b) Inona no maha samy hafa ny hoe manokan-tena sy atao batisa? (Jereo koa ny sary.)

5 Ahoana no atao rehefa manokan-tena ho an’i Jehovah? Mivavaka aminy dia mampanantena azy hoe izy irery ihany no hotompoinao ary ny sitrapony no hataonao voalohany eo amin’ny fiainana. Raha ny marina, dia mampanantena an’i Jehovah ianao hoe ho tia azy foana, “amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny sainao manontolo ary ny herinao manontolo.” (Mar. 12:30) Resaka ataonao sy Jehovah irery ilay hoe manokan-tena. Ny batisa kosa hitan’ny besinimaro, ary asehonao amin’izany hoe efa nanokan-tena ianao. Voady masina ny fanokanan-tena, ary manantena i Jehovah fa hitana an’izany ianao, hoatran’ny irinao ihany.​—Mpito. 5:4, 5.

Manokan-tena ho an’i Jehovah ianao, rehefa mampanantena azy fa izy irery no hotompoinao, ary ny sitrapony no hataonao voalohany eo amin’ny fiainanao (Fehintsoratra 5)


NAHOANA IANAO NO TOKONY HANOKAN-TENA?

6. Inona no mandrisika ny olona iray hanokan-tena ho an’i Jehovah?

6 Inona no tena mahatonga anao hanokan-tena ho an’i Jehovah? Satria tianao izy. Tsy fihetseham-po fotsiny ny fitiavanao, fa nihatia azy kosa ianao satria lasa ‘fantatrao tsara’ izy sy ny fikasany. (Kol. 1:9) Nianatra ny Soratra Masina ianao, ka resy lahatra hoe 1) tena misy i Jehovah, 2) izy no nampanoratra ny Baiboly, ary 3) mampiasa ny fandaminany izy mba hanatanterahana ny sitrapony.

7. Inona no tokony hataontsika alohan’ny hanokanantsika tena ho an’Andriamanitra?

7 Tokony hahalala ny fampianarana fototra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ireo nanokan-tena ho an’i Jehovah, sady tokony hampihatra ny fitsipika voalaza ao. Manao izay vitany koa ry zareo mba hiresahana ny finoany amin’ny hafa. (Mat. 28:19, 20) Nihatia an’i Jehovah ry zareo, dia lasa te hanompo azy irery ihany. Izany koa ve no tsapanao? Ho hafa mihitsy ny fahitanao ny fanokanan-tena sy ny batisa, raha manana an’izany karazana fitiavana izany ianao. Tsy hoe te hanao an’ireo fotsiny ianao satria te hampifaly ny mpampianatra Baiboly anao na ny ray aman-dreninao, na satria fotsiny hoe izay no ataon’ny namanao rehetra.

8. Nahoana ny fankasitrahana no manampy anao hanapa-kevitra hanokan-tena? (Salamo 116:12-14)

8 Rehefa mieritreritra an’izay rehetra nataon’i Jehovah ho anao ianao, dia lasa mandeha ho azy ilay fanapahan-kevitra hoe te hanokan-tena. (Vakio ny Salamo 116:12-14.) Tena mety raha milaza ny Baiboly fa avy amin’i Jehovah “ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra.” (Jak. 1:17) Ny soron’i Jesosy Zanany no fanomezana lehibe indrindra nomeny. Eritrereto ange e! Noho ny vidim-panavotana, dia afaka mifandray akaiky amin’i Jehovah ianao. Lasa afaka manantena ny hiaina mandrakizay koa ianao. (1 Jaona 4:9, 10, 19) Rehefa manokan-tena ho an’i Jehovah ianao dia mampiseho hoe ankasitrahanao io porofom-pitiavana lehibe indrindra io sy ny fitahiana hafa rehetra nomeny anao. (Deot. 16:17; 2 Kor. 5:15) Izany fankasitrahana izany no asongadin’ny lesona faha-46, hevitra faha-4, ao amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Hita ao koa ilay video telo minitra hoe Inona ny Fanomezana Atolotrao An’Andriamanitra?

VONONA HANOKAN-TENA SY HATAO BATISA VE IANAO?

9. Nahoana ny olona iray no tsy tokony hahatsiaro ho voatery hanokan-tena?

9 Mety hieritreritra ianao hoe mbola tsy vonona hanokan-tena sy hatao batisa. Mbola misy fiovana mila ataonao angamba mba hanarahana ny fitsipik’i Jehovah, na mila fotoana kokoa ianao mba hanatanjahana ny finoanao. (Kol. 2:6, 7) Tsy mitovy ny fandrosoan’ny mpianatra Baiboly rehetra. Tsy hoe rehefa mahatratra izao na izao taona koa ny tanora, dia vonona ny hanokan-tena sy hatao batisa daholo ka hoe tokony hanao an’izany rehefa tonga io fotoana io. Jereo àry hoe hoatran’ny ahoana ny fandrosoanao arakaraka izay azonao atao, fa aza mampitaha tena amin’ny hafa.​—Gal. 6:4, 5.

10. Inona no hataonao raha hitanao hoe mbola tsy vonona hanokan-tena sy hatao batisa ianao? (Jereo koa ilay hoe “ Ho An’ireo Notezaina tao Amin’ny Fahamarinana.”)

10 Na dia tsapanao aza hoe mbola tsy vonona hanokan-tena ho an’i Jehovah ianao, dia ataovy tanjona foana izany. Angataho i Jehovah mba hitahy ny ezaka ataonao hanaovana an’izay fiovana rehetra ilaina. (Fil. 2:13; 3:16) Matokia fa hihaino sy hamaly ny vavakao izy.​—1 Jaona 5:14.

NAHOANA NO MISY TSY SAHY?

11. Inona no hataon’i Jehovah mba hanampiana antsika tsy hivadika aminy mihitsy?

11 Misy efa vonona hanokan-tena sy hatao batisa, nefa mbola tsy sahy. Mety hieritreritra ry zareo hoe: ‘Ahoana raha manao fahotana lehibe aho dia voaroaka?’ Raha izany no atahoranao, dia matokia fa hanome anao an’izay rehetra ilainao i Jehovah, ‘amin’izay dia hanome voninahitra azy ny fitondran-tenanao, ka hampifaly azy tanteraka ianao.’ (Kol. 1:10) Homeny hery koa ianao mba hanaovana an’izay tsara. Efa noporofoiny hoe mahavita an’izany izy, satria be dia be no efa nampiany. (1 Kor. 10:13) Izany no anisan’ny mahatonga an’ilay hoe vitsy ihany ny olona voaroaka tsy ho anisan’ny fiangonana kristianina. Ampian’i Jehovah ny vahoakany mba tsy hivadika aminy mihitsy.

12. Inona no hanampy antsika tsy hanao fahotana lehibe?

12 Halaim-panahy hanao ratsy daholo ny olombelona tsy lavorary. (Jak. 1:14) Ianao anefa no misafidy an’izay hataonao, rehefa misy fakam-panahy. Miankina aminao izany. Ianao ihany, raha ny marina, no tompon’ny teny farany amin’izay fomba hitondranao ny fiainanao. Afaka mianatra mifehy ny fanirianao ianao, na dia milaza aza ny olona sasany hoe tsy vita izany. Na misy fanirian-dratsy mipoitra aza, dia afaka mifehy tena ianao mba tsy hanatanteraka an’ilay izy. Ahoana no hahavitana an’izany? Mivavaha isan’andro. Ataovy fahazarana ny mianatra samirery ny Tenin’Andriamanitra. Mandehana mivory. Resaho amin’ny hafa ny finoanao. Raha manao an’ireo foana ianao, dia hanana hery hanajana an’ilay voady nataonao tamin’ianao nanokan-tena. Ary aza hadinoina mihitsy hoe hanampy anao hanao an’izany i Jehovah.​—Gal. 5:16.

13. Inona ny modely nomen’i Josefa antsika?

13 Ho mora kokoa aminao ny hitana ny voady nataonao, raha manapa-kevitra mialoha ny amin’izay hataonao ianao rehefa misy fakam-panahy. Milaza ny Baiboly fa be dia be no nahavita an’izany, na dia tsy lavorary koa aza ry zareo. Imbetsaka, ohatra, ny vadin’i Potifara no nanadala an’i Josefa. Efa masaka tao an-tsain’i Josefa anefa ny safidiny. Milaza ny Baiboly fa ‘tsy nety izy’ ary niteny hoe: “Hataoko ahoana ny hanao an’izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” (Gen. 39:8-10) Mazava àry fa efa fantatr’i Josefa izay hataony, na dia talohan’ilay fakam-panahy aza. Lasa mora kokoa taminy ny nandresy an’ilay fakam-panahy, rehefa tena nipoitra ilay izy.

14. Inona no hanampy antsika hianatra handa tsy hanao ratsy?

14 Ahoana no hampisehoanao hoe tapa-kevitra hoatran’i Josefa ianao? Izao ianao dia efa afaka mifidy hoe inona no hataonao rehefa misy fakam-panahy. Mianara mandà avy hatrany an’izay halan’i Jehovah, ary aza manaiky hieritreritra an’izany akory. (Sal. 97:10; 119:165) Tsy hisalasala mihitsy ianao amin’izay rehefa misy fakam-panahy. Efa fantatrao mantsy izay hataonao. Efa mazava ao an-tsainao izany.

15. Ahoana no ampisehoan’ny olona iray hoe “mitady mafy” an’i Jehovah izy? (Hebreo 11:6)

15 Efa miaiky angamba ianao hoe nahita ny fahamarinana sady te hanompo an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, nefa misy zavatra mbola misakana anao tsy hanokan-tena sy hatao batisa. Raha izany, dia manaova hoatran’i Davida Mpanjaka. Niangavy an’i Jehovah izy hoe: “Diniho amin’ny an-tsipiriany aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko. Diniho aho, ka fantaro izay mampitebiteby ahy. Jereo sao misy zava-dratsy ato anatiko, dia tariho mankany amin’ny lalan’ny mandrakizay aho.” (Sal. 139:23, 24) Mitahy an’izay “mitady mafy azy” i Jehovah. Asehonao aminy hoe izany mihitsy no ataonao, matoa ianao miezaka hanatratra an’ilay tanjona hoe hanokan-tena sy hatao batisa.​—Vakio ny Hebreo 11:6.

MANATÒNA FOANA AN’I JEHOVAH

16-17. Ahoana no itaoman’i Jehovah an’ireo notezaina tao amin’ny fahamarinana? (Jaona 6:44)

16 Nilaza i Jesosy fa notaomin’i Jehovah ny mpianany. (Vakio ny Jaona 6:44.) Tena lalina izany hevitra izany sady mahakasika anao. Mahita zavatra tsara ao amin’ny olona tsirairay taominy i Jehovah. “Fananany manokana”, na hoe “fananany sarobidy”, no fahitany an’iny olona iny. (Deot. 7:6, f.a.p.) Hoatr’izany koa no fahitany anao.

17 Raha tanora notezaina tao amin’ny fahamarinana anefa ianao, dia mety hahatsapa hoe hoatran’ny kofehy manara-panjaitra fotsiny. Izao anefa no lazain’ny Baiboly: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” (Jak. 4:8; 1 Tan. 28:9) Rehefa ianao mihitsy no mifidy hanatona an’i Jehovah, dia manatona anao koa izy. Tsy hoe anisan’ny fianakavian-dRanona fotsiny no fahitan’i Jehovah anao. Ny olona tsirairay mihitsy mantsy no taominy, anisan’izany ny olona nobeazina tao amin’ny fahamarinana. Rehefa mifidy ny hanatona an’i Jehovah ny olona hoatr’izany dia manatona azy koa izy, araka ny Jakoba 4:8.​—Ampitahao amin’ny 2 Tesalonianina 2:13.

18. Inona no horesahintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka? (Salamo 40:8)

18 Manahaka ny toe-tsain’i Jesosy ianao, rehefa manokan-tena ho an’i Jehovah sy atao batisa. Nasehony mantsy fa vonona hanao an’izay rehetra notakin’ny Rainy izy. (Vakio ny Salamo 40:8; Heb. 10:7.) Horesahintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe inona no hanampy anao hanompo an’i Jehovah foana, aorian’ny batisa.

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

  • Inona no dikan’ny hoe manokan-tena ho an’i Jehovah?

  • Nahoana ny fankasitrahana no handrisika anao hanokan-tena?

  • Inona no hanampy anao tsy hanao fahotana lehibe?

HIRA 38 Izy no Hampahery Anao