Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantaro ny Tantarantsika

“Iza no Nanankinana An’ilay Asa?”

“Iza no Nanankinana An’ilay Asa?”

NIBALIAKA ny masoandro ny alatsinainy 1 Septambra 1919, rehefa avy nanorana sy nandrivotra nandritra ny andro maro. Nanomboka ny tolakandron’io ny fivoriambe tany Cedar Point, any Etazonia, tao amin’ny efitra iray mahazaka olona 2 500. Tsy nahatratra 1 000 ny mpanatrika. Maherin’ny 2 000 anefa no tonga ny harivan’io. Nandeha sambo na fiara na lamasinina manokana izy ireo. Maro be ny mpanatrika ny talata, ka notohizana teny an-tokotany nisy hazo tsara tarehy ilay fivoriambe.

Notarafin’ny tara-masoandro avy teny anelanelan’ny ravinkazo ny palitaon’ny lehilahy, ka hoatran’ny makarakara. Notsotsofin’ny rivotra avy amin’ny Farihy Érié koa ny satroka misy volom-borona nanaovan’ny vehivavy. Hoy ny rahalahy iray: “Toy ny zaridaina mahafinaritra ilay toerana sady lavitry ny tabataban’ity tontolo ity, ka tena paradisa kely!”

Mbola nahafinaritra kokoa aza ny nahita ny mpanatrika miramirana erỳ. Hoy ny gazety iray: “Nafana fo be ry zareo sady falifaly be.” Tena faly ireo Mpianatra ny Baiboly fa tafaraka. Nisy fitsapana mafy mantsy nandritra ny taona vitsivitsy talohan’izay. Nenjehina izy ireo nandritra ny ady, nisy nikomy teo anivon’ny fiangonana, ary nakatona ny Betelan’i Brooklyn. Maro koa no nogadraina satria nanao ny asan’ilay Fanjakana. Voasazy higadra 20 taona, ohatra, ny rahalahy valo tompon’andraikitra teo anivon’ny fandaminana. *

Kivy sy sahiran-tsaina ny Mpianatra ny Baiboly sasany, ka tsy nitory intsony. Nisy kosa niezaka mafy nitory na dia nisy fandrarana aza. Nilaza ny mpanao fanadihadiana iray hoe na dia nahazo fampitandremana hentitra aza ny Mpianatra ny Baiboly, dia nilaza fa “hitory ny tenin’Andriamanitra hatramin’ny farany.”

“Niandrandra ny fitarihan’ny Tompo” ireo Mpianatra ny Baiboly tsy nivadika, sady “nivavaka foana mba hitari-dalana azy ireo ny Ray.” Faly àry izy ireo nihaona tao amin’ilay fivoriambe. Maro no nieritreritra hoatran’ny anabavy iray hoe: ‘Ahoana no hampandeha tsara indray ny asa fitoriana?’ Ny hitory no tena masaka tao an-tsain’izy ireo.

NAHAZO FITAOVANA VAOVAO

Nisy hoe “GA” tamin’ny fandaharana sy ny karatra fiarahabana tonga soa ary ireo takelaka teny amin’ilay fivoriambe. Lasa saina ny mpanatrika nandritra an’ilay herinandro hoe inona no dikan’ilay izy. “Andron’ny Mpiara-miasa” ny zoma, ary tamin’izay i Joseph Rutherford no nilaza ny dikany. Efa may te hahalala an’ilay izy ireo mpanatrika 6 000. Midika hoe “The Golden Age” (Fotoam-pahasambarana) ilay izy. Gazety vaovao hozaraina eny am-pitoriana izy io. *

Hoy ny Rahalahy Rutherford momba an’ireo voahosotra hafa: ‘Manam-pinoana izy ireo na dia misy fitsapana aza. Toy ny hitany sahady ilay Fotoam-pahasambarana mandritra ny fanjakan’ny Mesia. Amin’izy ireo dia adidy lehibe sady tombontsoa ny manambara amin’izao tontolo izao fa ho avy io fotoana io. Anisan’ny asa ampanaovin’Andriamanitra azy ireo izany.’

“Gazety Milaza ny Zava-misy sy Manome Fanantenana ary Manamafy ny Finoana” ny Fotoam-pahasambarana. Hozaraina isan-trano izy io ka hasaina hamandrika azy io ny olona. Fomba vaovao nampielezana ny fahamarinana izany. Niara-nitsangana daholo ny mpanatrika rehefa nanontaniana hoe iza no mazoto hizara azy io. ‘Nafana fo erỳ izy ireo avy eo nihira hoe: “Alefaso ny fahazavanao sy ny fahamarinanao, Tompo ô.” Ny mpanara-dia an’i Jesosy ihany no mafana fo be hoatr’izany!’ Hoy i J. Norris: “Tadidiko foana hoe na ny hazo aza tamin’izay hoatran’ny nihovotrovotra be.”

Tian’ny mpanatrika raha izy ireo no voalohany hamandrika an’ilay gazety, ka nilahatra ela be izy ireo rehefa nirava. Hoy i Mabel Philbrick: “Faly be izahay fa nahazo asa indray!” Maro koa no nahatsapa toy izany.

“IZA NO NANANKINANA AN’ILAY ASA?”

Mpitory 7 000 teo ho eo no niomana hanao an’ilay asa. Toy izao no natao, araka ilay taratasy hoe Fomba Fiasan’ny Fandaminana sy ilay bokikely hoe Iza no Nanankinana An’ilay Asa?: Nisy Sampan-draharahan’ny Fanompoana natsangana tany amin’ny foibe, ka izy io no niandraikitra ny fitoriana. Nasiana Komitin’ny Fanompoana teo anivon’ny fiangonana, ary nisy tale notendrena hanome toromarika. Nozaraina ny faritany ka nisy trano 150 ka hatramin’ny 200 ny fizarana tsirairay. Nasiana Fivoriana Momba ny Fanompoana ny alakamisy hariva, mba ho afaka hiresaka ny zavatra hitany sy hamerina tatitra ny mpitory.

Hoy i Herman Philbrick: “Tonga dia nanasa ny olona hamandrika an’ilay gazety daholo izahay raha vao tafody.” Betsaka no nihaino azy ireo. Hoy koa i Beulah Covey: “Taorian’ilay ady sy ny zavatra nampalahelo be dia be nitranga, dia faly ny olona naheno hoe mbola ho sambatra isika.” Hoy i Arthur Claus: “Gaga be ny fiangonana fa maro be no namandrika an’ilay gazety.” Efa ho 500 000 ny gazety Fotoam-pahasambarana voazara, ary 50 000 no namandrika an’ilay izy, tao anatin’ny roa volana nivoahan’ny laharana voalohany.

Nisy lahatsoratra hoe “Vaovao Tsaran’ilay Fanjakana” tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 1920. Nandrisika ny voahosotra rehetra izy io mba “hanambara amin’ny olona eran-tany fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” Nilaza i A. Macmillan fa sambany ny mpitory eran-tany no nasaina nitory an’io hafatra io. An-tapitrisany koa izao no mazoto manampy an’ireo rahalahin’i Kristy, izay “nanankinana an’ilay asa.” Samy miandry an’ilay fotoam-pahasambarana eo ambany fitondran’ny Mesia izy ireo.

^ feh. 5 Jereo ilay hoe “Fotoam-pitsapana (1914-1918)”, ao amin’ny boky Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra, toko 6.

^ feh. 9 Novana hoe Fampiononana ny anaran’izy io tamin ny 1937, ary lasa hoe Mifohaza! tamin’ny 1946.