Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Te Hahay Hanapa-kevitra ve Ianao?

Te Hahay Hanapa-kevitra ve Ianao?

“Fantaro hatrany izay sitrapon’i Jehovah.”—EFES. 5:17.

HIRA: 69, 57

1. Inona no didy sasany voalazan’ny Baiboly, ary nahoana izy ireny no mahasoa antsika?

MANOME antsika lalàna mazava tsara i Jehovah, ao amin’ny Teniny. Rarany, ohatra, isika mba tsy hijangajanga, hanompo sampy, hangalatra, ary tsy hanao mamo. (1 Kor. 6:9, 10) Nandidy ny mpanara-dia azy koa i Jesosy Kristy Zanany hoe: ‘Mandehana, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina. Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo. Ary homba anareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.’ (Mat. 28:19, 20) Tena miaro antsika ny didin’i Jehovah. Lasa mahatsiaro tena ho misy vidiny kokoa isika rehefa mankatò azy ireny, mihatsara ny fahasalamantsika, ary mihasambatra ny fianakaviantsika. Fa ny tena zava-dehibe dia hoe lasa ankasitrahan’i Jehovah sy tahiny isika satria mankatò ny didiny, anisan’izany ilay hoe mila mitory.

2, 3. a) Nahoana ny Baiboly no tsy ahitana lalàna momba ny zava-drehetra tiantsika hatao? b) Inona avy ny fanontaniana hodinihintsika ato? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

2 Tsy misy lalàna momba ny zava-drehetra tiantsika hatao anefa ao amin’ny Baiboly. Tsy manome fitsipika misy tsipiriany momba ny karazana akanjo mety amin’ny Kristianina, ohatra, izy io. Nahoana izany no ahitana fa manam-pahendrena i Jehovah? Satria miovaova arakaraka ny tany ny fomba fiakanjo, sady miova rehefa mandeha ny fotoana. Raha nisy lisitra momba ny fitafiana sy ny fihaingoana mety amin’ny Kristianina àry tao amin’ny Baiboly, dia ho efa lany andro ilay izy. Izany koa no mahatonga azy io tsy ahitana lalàna be dia be momba ny asa sy ny fitsaboana ary ny fialam-boly. Afaka misafidy izay tiany momba an’ireo ny tsirairay sy ny loham-pianakaviana.

3 Mila mandray fanapahan-kevitra lehibe isika indraindray, ary mety hisy vokany be amintsika ilay izy. Ahoana raha tsy misy lalàna mazava momba an’ilay izy ao amin’ny Baiboly? Midika ve izany hoe tsy mampaninona an’i Jehovah daholo izay ataontsika? Rehefa tsy mandika ny lalàna ao amin’ny Baiboly fotsiny ve ilay izy dia ekeny? Ahoana no hamantarana hoe hampifaly azy ilay izy na tsia?

ZAVA-DEHIBE VE NY FANAPAHAN-KEVITRA RAISINTSIKA?

4, 5. Inona no mety ho vokatry ny fanapahan-kevitra raisintsika?

4 Misy mihevitra hoe mety daholo izay fanapahan-kevitra raisiny. Raha tiantsika hampifaly an’i Jehovah anefa ilay izy, dia mila mandinika sy mankatò ny lalàna sy toro lalan’ny Baiboly isika. Mila mankatò ny lalàny momba ny ra, ohatra, isika raha te hahazo sitraka aminy. (Gen. 9:4; Asa. 15:28, 29) Afaka mivavaka isika mba handray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny lalàny sy ny toro lalany.

5 Mety hisy vokany be amin’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah ny fanapahan-kevitra lehibe raisintsika. Na isika ho lasa akaiky kokoa azy, na isika tsy hifandray tsara aminy intsony. Mety hahatonga ny hafa tsy hifandray tsara amin’i Jehovah koa ilay fanapahan-kevitra. Mety hampiady saina azy na hanafintohina azy mantsy ilay izy, na mety hampizarazara ny fiangonana. Tena zava-dehibe àry ny fanapahan-kevitra raisintsika.—Vakio ny Romanina 14:19; Galatianina 6:7.

6. Inona no tokony hoeritreretintsika rehefa hanapa-kevitra?

6 Ahoana raha tsy misy lalàna mazava tsara momba ny zavatra iray tiantsika hatao? Mila mandinika tsara aloha isika, fa tsy hanao an’izay metimety amintsika fotsiny. Izay fanapahan-kevitra mampifaly an’i Jehovah no tokony horaisintsika, amin’izay isika tahiny.—Vakio ny Salamo 37:5.

FANTARO NY SITRAPON’I JEHOVAH

7. Ahoana no hamantarana an’izay tian’i Jehovah hataontsika, rehefa tsy misy lalàna momba an’ilay izy ao amin’ny Baiboly?

7 Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Ahoana no hahalalako hoe heken’i Jehovah ny zavatra hataoko raha tsy misy lalàna momba an’ilay izy ao amin’ny Baiboly?’ Hoy ny Efesianina 5:17: “Fantaro hatrany izay sitrapon’i Jehovah.” Ahoana no anaovana an’izany? Ilaina ny mivavaka sy manaiky ny fanampiana omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny fanahy masina.

8. Inona no nanampy an’i Jesosy hamantatra an’izay tian’i Jehovah hataony? Manomeza ohatra.

8 Ahoana no namantaran’i Jesosy an’izay tian’ny Rainy hataony? Indroa izy no nahavita fahagagana mba hanomezana sakafo ho an’ny olona maro be. Nivavaka izy talohan’ny nanaovany an’izany. (Mat. 14:17-20; 15:34-37) Tsy nanaiky hanova vato ho mofo anefa izy, tamin’izy noana sy nalain’ny Devoly fanahy tany an-tany efitra. (Vakio ny Matio 4:2-4.) Fantany tsara ny fisainan’ny Rainy, ka izany no nanampy azy hahalala hoe tsy tokony hanova an’ilay vato ho mofo izy. Hainy tsara àry hoe tsy tian’i Jehovah raha ampiasainy mba hahasoa azy fotsiny ny hery nomeny azy. Niantehitra tamin’i Jehovah izy ary natoky fa homen’i Jehovah azy izay ilainy.

9, 10. Inona no hanampy antsika hahay hanapa-kevitra? Hazavao amin’ny ohatra.

9 Mila miantehitra amin’i Jehovah toa an’i Jesosy koa isika, raha te hahay hanapa-kevitra. Hoy ny Ohabolana 3:5-7: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, fa aza miantehitra amin’ny fahaizanao. Eritrereto izy amin’izay rehetra ataonao, dia hataony mandeha tsara ny fiainanao. Aza mihevi-tena ho hendry. Matahora an’i Jehovah ka mialà amin’ny ratsy.” Ho haintsika ny hamantatra an’izay tian’i Jehovah hataontsika, raha mianatra Baiboly isika mba hahalalana ny fomba fisainany. Arakaraka ny hahalalantsika ny fomba fiheviny no hahatonga ny fontsika ho mora manaraka ny tari-dalany.—Ezek. 11:19.

10 Andeha hatao hoe miantsena ny vehivavy iray. Mahita kiraro tiany hovidina izy nefa lafo be ilay izy. Mieritreritra kely izy hoe: ‘Inona re no holazain’ny vadiko raha mandany vola amin’io aho e?’ Efa fantany ny hevitry ny vadiny, na dia tsy eo aza izy. Nahoana? Efa mpivady elaela izy ireo, ka fantany hoe ahoana no tian’ny vadiny hampiasana ny vola kelin’izy ireo. Hainy àry ny mamantatra hoe inona no hoeritreretin’ny vadiny raha mividy an’ilay kiraro izy. Hahafantatra bebe kokoa ny fisainan’i Jehovah sy ny zavatra nataony koa isika, rehefa mandeha ny fotoana. Ho haintsika kokoa amin’izay ny mamantatra hoe inona no tiany hataontsika rehefa misy fanapahan-kevitra tokony horaisintsika.

AHOANA NO HAHAFANTARANTSIKA NY FISAINAN’I JEHOVAH?

11. Inona no fanontaniana azontsika eritreretina rehefa mamaky na mianatra Baiboly isika? (Jereo ilay efajoro hoe “ Saintsaino Izao Rehefa Mianatra Baiboly Ianao.”)

11 Tokony ho zava-dehibe amintsika ny fianarana samirery, raha tiantsika ny hahalala ny fomba fihevitr’i Jehovah. Saintsaino izao rehefa mamaky sy mianatra Baiboly ianao: ‘Inona no ianarako eto momba an’i Jehovah sy ny fomba fisainany?’ Miezaha hanana ny toe-tsain’i Davida mpanao salamo. Nihira toy izao izy: “Ampahafantaro ahy ny lalanao, Jehovah ô, ampianaro ahy ny lalanao. Ampandehano amin’ny fahamarinanao aho ka ampianaro, fa ianao no Andriamanitra mpamonjy ahy. Ianao foana no antenaiko.” (Sal. 25:4, 5) Eritrereto koa izao rehefa mamaky Baiboly ianao: ‘Ahoana no azoko ampiharana an’io? Aiza no azoko anaovana an’izany? Ato an-trano ve? Sa any am-piasana? Sa any am-pianarana? Sa rehefa manompo?’ Raha vao fantatsika hoe aiza isika no afaka mampihatra an’ilay izy, dia ho mora amintsika ny hamantatra ny fomba hampiharana azy.

12. Inona avy no afaka manampy antsika hahay kokoa ny fomba fisainan’i Jehovah?

12 Hahalala ny fisainan’i Jehovah koa isika raha manaraka akaiky an’izay ampianarin’ny fandaminany. Manana ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah, ohatra, isika. Natao hanampiana antsika hahalala ny fisainan’i Jehovah izy ireny, mba hahafantarantsika izay tokony hatao rehefa mila manapa-kevitra isika. Tena mahasoa antsika koa ny mihaino tsara sy mandray anjara rehefa any am-pivoriana. Ilaina koa ny misaintsaina an’izay ianarana any. Vao mainka isika amin’izay hahay hamantatra ny fisainan’i Jehovah, ka hitovy fomba fisainana aminy. Hanampy antsika hahay hanapa-kevitra kokoa izany, ka hotahiny isika.

AVELAO HITARI-DALANA ANAO NY FISAINAN’I JEHOVAH

13. Milazà ohatra ahitana hoe hahay hanapa-kevitra isika raha mieritreritra ny fisainan’i Jehovah.

13 Andeha isika handinika ohatra ahitana hoe hahay hanapa-kevitra isika raha mahalala ny fisainan’i Jehovah. Aoka hatao hoe te ho mpisava lalana maharitra ianao, dia manomboka manatsotra ny fiainanao. Mety hiasa saina ianao hoe: ‘Ho sambatra tokoa ve aho raha mihena ny zavatra ananako?’ Marina fa tsy milaza ny Baiboly hoe tsy maintsy manao mpisava lalana isika. Afaka manompo an’i Jehovah foana isika na tsy mpisava lalana aza. Nanome toky anefa i Jesosy fa hahazo fitahiana be dia be ny olona mahafoy tena ho an’ilay Fanjakana. (Vakio ny Lioka 18:29, 30.) Milaza koa ny Baiboly hoe faly i Jehovah rehefa manao ‘fanatitra an-tsitrapo avy amin’ny vava’ isika. Tiany koa rehefa faly isika manao izay azontsika atao mba hampiroboroboana ny fivavahana marina. (Sal. 119:108; 2 Kor. 9:7) Afaka mamantatra ny fisainan’i Jehovah isika, rehefa misaintsaina an’ireo sy mangataka ny tari-dalany. Hanampy antsika izany mba handray fanapahan-kevitra mety amintsika sady hahazoantsika ny fitahiany.

14. Ahoana no hamantaranao raha eken’i Jehovah ny fihaingo sy fitafy tianao?

14 Intỳ koa misy ohatra hafa: Eritrereto hoe misy karazan’akanjo tianao nefa mety hanafintohina ny olona sasany ao amin’ny fiangonana. Tsy misy lalàna mandrara anao tsy hanao an’ilay izy ao amin’ny Baiboly. Ahoana àry no hahalalanao ny hevitr’i Jehovah? Nasainy nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: ‘Iriko ny vehivavy mba hihaingo amin’ny akanjo milamina tsara, sy amin’ny fomba maotina sy amim-pahendrena, fa tsy amin’ny randram-bolo niangaliana fatratra, na amin’ny volamena na perla na fitafiana tena lafo vidy. Aoka kosa ny fihaingoany hifanentana amin’ny vehivavy milaza ho mpivavaka amin’Andriamanitra, izany hoe, amin’ny alalan’ny asa tsara.’ (1 Tim. 2:9, 10) Tokony hampihatra an’io koa ny lehilahy kristianina. Efa nanokan-tena hanompo an’i Jehovah isika, ka tsy izay tiantsika fotsiny no ataontsika. Eritreretintsika kosa hoe inona no mety ho vokatry ny akanjo anaovantsika na ny fihaingontsika eo amin’ny hafa. Raha manetry tena sy tia ny hafa isika, dia hihevitra ny fihetseham-pony ka tsy hanao zavatra hanelingelina azy na hanafintohina azy. (1 Kor. 10:23, 24; Fil. 3:17) Ho haintsika àry ny hamantatra ny fisainan’i Jehovah momba ny zavatra iray, raha mitadidy an’izay lazain’ny Soratra Masina isika. Hanampy antsika hahay hanapa-kevitra koa izany ka ho faly izy.

15, 16. a) Inona no tsapan’i Jehovah raha mieritreritra zavatra vetaveta isika? b) Ahoana no hahalalantsika ny fialam-boly tian’i Jehovah hofidintsika? d) Inona no tokony hataontsika rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe?

15 Milaza ny Baiboly fa malahelo i Jehovah rehefa manao ratsy ny olona ary mieritreritra “zava-dratsy foana.” (Vakio ny Genesisy 6:5, 6.) Hitantsika amin’izany fa tsy mety ny mieritreritra zavatra vetaveta. Mety hahatonga antsika hanao fahotana lehibe mantsy izany, sady mifanohitra amin’ny fisainan’i Jehovah. Hoy ny Jakoba 3:17: ‘Ny fahendrena avy any ambony dia madio aloha, ary avy eo tia fihavanana, mahay mandanjalanja, vonona hankatò, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy manavakavaka na miangatra, ary tsy mihatsaravelatsihy.’ Tsy hanao fialam-boly mety hahatonga antsika hieritreri-dratsy na hanana fanirian-dratsy isika, raha mitadidy an’izany. Raha fantatsika tsara hoe inona no halan’i Jehovah, dia tsy voatery hieritreritra be isika hoe inona no boky na filma na fialam-boly hofidintsika. Tsy mila manontany olona koa isika. Efa mazava ao amin’ny Baiboly mantsy ny fomba fihevitr’i Jehovah.

16 Manana safidy maromaro samy mampifaly an’i Jehovah isika matetika, rehefa hanapa-kevitra. Tsara anefa indraindray ny maka torohevitra any amin’ny anti-panahy na Kristianina matotra hafa rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe. (Tit. 2:3-5; Jak. 5:13-15) Na izany aza, dia tsy mety raha ny olon-kafa no asainao hanapa-kevitra ho anao. Tsy maintsy manazatra sy mampiasa ny fahaizany misaina ny Kristianina. (Heb. 5:14) Andraikitsika tsirairay ny manapa-kevitra. Hoy mantsy i Paoly: ‘Samy hitondra ny entany avy ny tsirairay.’—Gal. 6:5.

17. Inona no soa horaisintsika raha mandray fanapahan-kevitra mampifaly an’i Jehovah isika?

17 Ho akaiky kokoa an’i Jehovah isika raha mandray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny fomba fisainany. (Jak. 4:8) Hitahy sy hankasitraka antsika koa izy, ka vao mainka isika hino azy. Avelao hitari-dalana anao àry ny lalàna sy ny toro lalan’ny Baiboly, satria ireny no hahalalantsika ny fisainan’i Jehovah. Marina fa hisy zava-baovao foana hianarantsika momba an’i Jehovah. (Joba 26:14) Raha miezaka mafy anefa isika dieny izao, dia hahazo fahendrena sy fahalalana ary fahaiza-manavaka ka hahay hanapa-kevitra. (Ohab. 2:1-5) Miovaova ny fomba fihevitry ny olombelona sy ny zavatra tiany hatao. “Maharitra tsy miova mandritra ny fotoana tsy voafetra” kosa “ny fikasan’i Jehovah, ary tsy miova ny hevitry ny fony, na dia hatramin’ny taranaka fara mandimby aza.” (Sal. 33:11) Handray ny fanapahan-kevitra tsara indrindra àry isika, raha miezaka hitovy fisainana amin’i Jehovah sy hanao zavatra mampifaly azy.