Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANTARO NY TANTARANTSIKA

‘Lasa Be Zotom-po sy Be Fitiavana Tsy Nisy Hoatr’izany’

‘Lasa Be Zotom-po sy Be Fitiavana Tsy Nisy Hoatr’izany’

ZOMA maraina volana Septambra 1922 tamin’izay, ary nafana be sahady ny andro. Olona 8 000 teo ho eo no tao amin’ilay efitrano. Tena hiavaka ilay fandaharana amin’io maraina io, ka nilaza ilay mpanolotra fandaharana hoe afaka mivoaka izay te hanao an’izany, saingy tsy mahazo miverina intsony.

“Antsam-piderana” nisy hira maromaro no nanokafana ny fandaharana. Nankeny amin’ny lampihazo i Joseph Rutherford avy eo. Lasa saina ny ankamaroan’ny mpanatrika hoe inona no hitranga. Nisy vitsivitsy tsy nahatombina satria nahamay loatra ny andro. Nampirisika mafy azy ireo anefa ny Rahalahy Rutherford mba hipetraka sy hihaino tsara. Asa raha nisy nahatsikaritra ilay horonana lamba nifatotra tsara sy nihantona teny ambonin’ny lampihazo, rehefa nanomboka ilay lahateny.

Namelabelatra an’ilay foto-kevitra hoe “Akaiky ny fanjakan’ny lanitra” ny Rahalahy Rutherford. Nanakoako nanerana ny trano ny feony midoboka be, nandritra ny adiny iray sy sasany. Noresahiny hoe be herim-po ny mpaminany rehefa nilaza fa ho avy ilay Fanjakana. Nihanafana fo be izy avy eo, dia nanontany hoe: “Mino ve ianareo fa efa manjaka ilay Mpanjakan’ny voninahitra?” Niara-namaly mafy be ny mpanatrika hoe: “Eny!”

Niteny mafy ny Rahalahy Rutherford avy eo hoe: “Miverena eny amin’ny saha àry ry zanak’ilay Andriamanitra avo indrindra! Jereo fa manjaka ilay Mpanjaka! Ianareo no iraka mampahafantatra izany. Noho izany, dia ambarao, ambarao, ambarao ilay Mpanjaka sy ny fanjakany.”

Nivaha tsimoramora ilay horonana lamba tamin’izay, dia hita nisoratra teo ilay hoe: “Ambarao ilay Mpanjaka sy ny Fanjakany.”

Hoy i Ray Bopp: “Nientanentana be ny mpanatrika tamin’izay!” Nilaza i Anna Gardner fa “nirefodrefotra ny tehaka ka nihovotrovotra hatramin’ny trano.” I Fred Twarosh indray niteny hoe: “Niara-nitsangana daholo ny mpanatrika.” Hoy koa i Evangelos Scouffas: “Hoatran’ny hoe nisy zavatra mahery be nisintona anay niala teo amin’ny sezanay, dia nitsangana daholo izahay sady nanganohano.”

Maro tamin’ny mpanatrika no efa nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Lasa narisika kokoa anefa izy ireo taorian’izay. Nilaza i Ethel Bennecoff hoe ‘vao mainka lasa be zotom-po sy be fitiavana tsy nisy hoatr’izany’ ny Mpianatra ny Baiboly. Nanatrika an’ilay fivoriambe i Odessa Tuck, ary 18 taona izy tamin’izany. Tapa-kevitra izy rehefa nody fa hamaly an’ilay antso hoe mila mpitory. Hoy izy: “Tsy nisy fantatro na ny toerana hitoriana, na ny fomba hitoriana, na ny hafatra hotorina. Te hilaza hoatran’i Isaia fotsiny aho hoe: ‘Intỳ aho iraho!’” (Isaia 6:8) Hoy i Ralph Leffler: “Tamin’io andro lehibe io vao tena nanomboka ny ezaka manokana hitoriana an’ilay Fanjakana, izay atao eran-tany ankehitriny.”

Tsy mahagaga raha lasa anisan’ny fotoana miavaka eo amin’ny tantaran’ny vahoakan’i Jehovah ilay fivoriambe natao tany Cedar Point, any Etazonia, tamin’ny 1922. Hoy i George Gangas: “Iny fivoriambe iny no nahatonga ahy ho tapa-kevitra hoe tsy maintsy mandeha foana aho rehefa fivoriambe.” Ary izany mihitsy no nataony, raha ny fitadidiany azy. Hoy i Julia Wilcox: ‘Faly be foana aho isaky ny voaresaka ao amin’ny bokintsika ilay fivoriambe tany Cedar Point. Te hiteny foana aho hoe: “Misaotra Jehovah namela ahy hanatrika an’iny!”’

Azo inoana fa maro amintsika no mahatadidy fivoriamben’ny vondrom-paritra tena nanohina ny fontsika. Lasa nazoto kokoa angamba isika taorian’ilay izy, sady vao mainka tia an’i Jehovah sy ilay Mpanjakany. Rehefa mahatsiaro an’ireny isika, dia te hilaza koa hoe: “Misaotra Jehovah namela ahy hanatrika an’iny!”