Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanampy An’ireo Rahalahy i Gaio

Nanampy An’ireo Rahalahy i Gaio

NAMPISY olana ho an’i Gaio sy ny Kristianina hafa ny zava-nitranga, tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany. Nisy olona nampianatra zavatra diso mantsy, satria te hampihena ny finoan’ny fiangonana sy hampisara-bazana azy ireo. (1 Jaona 2:18, 19; 2 Jaona 7) Nisy Kristianina atao hoe Diotrefa ‘nanaratsy’ ny apostoly Jaona sy ny Kristianina hafa. Tsy nety nampiantrano an’ireo mpiandraikitra mpitety faritany koa izy, sady nandresy lahatra ny olona hanao hoatr’azy. (3 Jaona 9, 10) Izany no zava-nisy tamin’ny apostoly Jaona nanoratra taratasy ho an’i Gaio. Tamin’ny taona 98 ilay izy no nosoratany, ary antsoina hoe “Jaona Fahatelo” izy io ao amin’ny Soratra Grika Kristianina.

Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy i Gaio, na dia niatrika olana aza. Ahoana no nanaporofoany an’izany? Nahoana isika no tokony hanahaka azy? Nahoana ny taratasin’i Jaona no manampy antsika tsy hivadika?

TARATASY HO AN’NY NAMANA TSY FOY

Milaza ny mpanoratra ny Jaona Fahatelo hoe “anti-panahy” izy. Tonga dia fantatr’i Gaio àry hoe ny apostoly Jaona no nanoratra an’ilay izy. I Jaona no nanampy azy hahalala ny fahamarinana. Niantso azy hoe “Gaio malala” i Jaona, ary nilaza fa ‘tena tiany’ izy. Nirary an’i Gaio ho salama tsara izy avy eo, ary nilaza fa matoky hoe mbola manaraka ny fahamarinana i Gaio. Tena niahy an’i Gaio izy tamin’izany sady nidera azy.—3 Jaona 1, 2, 4.

Mpiandraikitra teo anivon’ny fiangonana angamba i Gaio, saingy tsy miresaka an’izany ilay taratasy. Nidera azy i Jaona satria nampiantrano rahalahy tsy fantany akory izy. Nilaza i Jaona hoe hita amin’izany fa mendri-pitokisana izy. Nampiavaka ny mpanompon’i Jehovah foana mantsy hatramin’izay ny hoe tia mandray vahiny.—Gen. 18:1-8; 1 Tim. 3:2; 3 Jaona 5.

Nisy Kristianina nivezivezy matetika tany amin’ny toerana nisy an’i Jaona sy nisy an’ireo fiangonana tamin’izany, matoa i Jaona nilaza hoe tia nandray vahiny i Gaio. Azo inoana fa notantarain’izy ireny an’i Jaona izay hitany. Izany angamba no nahalalan’i Jaona ny zava-nisy tany amin’ireny fiangonana ireny.

Nisy hotely fatoriana ho an’ny mpanao dia lavitra teny an-dalana, tamin’izany. Nalaza ho ratsy anefa izy ireny, sady betsaka olona ratsy fitondran-tena tany. Tsy nahay nandray olona tsara koa izy ireny. Nitandrina àry ny olona sasany, dia tany amin’ny namany izy no nipetraka raha azo natao. Naleon’ny Kristianina kosa tany amin’ny mpiara-manompo.

“NOHO NY ANARAN’ANDRIAMANITRA NO NANDEHANANY”

Nampirisika an’i Gaio mba hazoto hikarakara vahiny indray i Jaona. Hoy izy: “Aoka ho mendrika an’Andriamanitra ny fomba hikarakaranao ny dian’izy ireny.” Midika hoe manome izay rehetra ilain’ilay vahiny eny an-dalana mandra-pahatongany any amin’izay alehany ilay hoe ‘mikarakara ny diany.’ Efa nanao an’izany tamin’ny vahininy teo aloha i Gaio, matoa izy ireo nilaza tamin’i Jaona hoe be fitiavana sy nanam-pinoana izy.—3 Jaona 3, 6.

Mety ho misionera na olona nirahin’i Jaona na mpiandraikitra mpitety faritany ireo vahiny ireo. Na iza anefa izy ireo na iza, dia ny fitoriana ny vaovao tsara no nahatonga azy ireo hanao dia lavitra. Nilaza i Jaona fa “noho ny anaran’Andriamanitra” no nandehanan’izy ireo. (3 Jaona 7) Anisan’ny fiangonana kristianina àry ireo rahalahy ireo ka mendrika ny horaisina tsara, araka ny nolazain’i Jaona hoe: “Tsy maintsy mandray tsara an’ireny olona ireny isika, mba ho mpiara-miasa ao amin’ny fahamarinana.”—3 Jaona 8.

NAMPIANA HIATRIKA OLANA LEHIBE

Tsy hoe te hisaotra an’i Gaio fotsiny i Jaona rehefa nanoratra ho azy, fa te hanampy azy hiatrika olana lehibe koa. Tsy nety nandray tsara an’ireo rahalahy mpitety faritany mantsy i Diotrefa. Nisakana ny Kristianina hafa tsy hanao an’izany mihitsy aza izy.—3 Jaona 9, 10.

Azo antoka fa tsy nisy te hijanona tany amin’i Diotrefa ny Kristianina tsy nivadika, na dia afaka nanao an’izany aza. Te ho voalohany tao amin’ny fiangonana mantsy izy. Tsy nety nandray tamim-panajana na inona na inona avy tamin’i Jaona koa izy, sady nanaratsy azy sy ny Kristianina hafa. Marina fa tsy nampiely fampianaran-diso izy. Nanohitra ny fahefan’ny apostoly Jaona anefa izy. Nahiahina ho nivadika tamin’i Jehovah àry i Diotrefa noho izany rehetra izany. Hita amin’izany fa mety hampizarazara ny fiangonana ny olona mirehareha sy te ho ambony. Nilaza tamin’i Gaio àry i Jaona hoe: “Aza ny ratsy no alain-tahaka.” (3 Jaona 11) Izany koa no tokony hataontsika.

NANDRISIKA AZY HANAO NY TSARA

Tsy mba hoatran’i Diotrefa kosa ny Kristianina atao hoe Demetrio. Nilaza i Jaona fa tsara laza izy. Hoy izy tamin’i Gaio: ‘Vavolombelona manambara momba an’i Demetrio izahay, ary fantatrao fa marina ny fanambaranay.’ (3 Jaona 12) Nila ny fanampian’i Gaio angamba i Demetrio, ka nanoratra ny Jaona Fahatelo ny apostoly Jaona mba hiresahana momba azy sy hampirisihana an’i Gaio handray azy. Mety ho i Demetrio mihitsy aza no nampitondrainy an’ilay taratasy. Irak’i Jaona izy na angamba mpiandraikitra mpitety faritany, ka azo inoana hoe afaka nanazava tsara an’izay nosoratany.

Nahoana i Jaona no mbola nampirisika an’i Gaio ho tia mandray vahiny, nefa izy aza efa nanao an’izany? Tsapany ve hoe nila nampaherezina i Gaio mba ho sahy handray vahiny foana? Natahotra ve izy sao tsy ho sahy handray vahiny i Gaio satria notadiavin’i Diotrefa horoahina tsy ho anisan’ny fiangonana izay nanao an’izany? Asa aloha izay tena tao an-tsain’i Jaona e! Nanome toky an’i Gaio anefa izy hoe: “Avy amin’Andriamanitra izay manao ny tsara.” (3 Jaona 11) Tena tokony handrisika antsika hanao ny tsara foana izany.

Nandrisika an’i Gaio hampiantrano vahiny foana ve ilay taratasin’i Jaona? Azo antoka izany, matoa natao ao amin’ny Baiboly ilay izy mba hampirisihana antsika ‘haka tahaka ny tsara.’

INONA NO IANARANTSIKA AVY AMIN’NY JAONA FAHATELO?

Izay ihany no fantatsika momba an’i Gaio, rahalahy malalantsika. Misy zavatra maro azontsika ianarana avy aminy anefa.

Ahoana avy no azontsika ampisehoana hoe “tia mandray vahiny” isika?

Voalohany, tokony hiezaka “ho tia mandray vahiny” isika. (Rom. 12:13; 1 Tim. 5:9, 10) Avy amin’ny olona tsy mivadika sy vonona hanao dia lavitra no nahalalan’ny ankamaroantsika ny fahamarinana. Marina fa tsy ny olona rehetra eo anivon’ny fiangonana no manao dia lavitra mba hitoriana ny vaovao tsara. Afaka manahaka an’i Gaio anefa isika, ka mitady fomba hanampiana sy hampaherezana an’izay manao an’izany. Anisan’izany ny mpiandraikitra ny faritra sy ny vadiny. Azontsika ampiana koa ireo nifindra any amin’ny tanàna hafa na any an-tany hafa mila mpitory bebe kokoa.

Faharoa, tsy tokony ho gaga isika raha misy olona mikomy amin’ireo mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana indraindray. Izany no nitranga tamin’i Jaona sy ny apostoly Paoly. (2 Kor. 10:7-12; 12:11-13) Ahoana àry raha misy hoatr’izany ao amin’ny fiangonana misy antsika? Izao no torohevitra nomen’i Paoly an’i Timoty: “Tsy tokony hiady ny mpanompon’ny Tompo, fa halemy fanahy amin’ny rehetra kosa, hahay hampianatra sy hahafehy tena rehefa misy mahasosotra, ary halemy paika rehefa mampianatra an’ireo tsy mora manaiky.” Raha malemy fanahy foana isika na dia misy mampahatezitra antsika aza, dia mety hiova tsikelikely ny olona tia manakiana. Mety ‘hamela azy hibebaka Andriamanitra, ka hahalala tsara ny fahamarinana izy.’—2 Tim. 2:24, 25.

Fahatelo, tokony hankasitraka sy hidera an’ireo Kristianina namantsika isika, rehefa hitantsika hoe tsy mivadika izy ireo na dia misy manohitra aza. Azo antoka fa nampahery an’i Gaio ny apostoly Jaona, ary nanome toky azy hoe mety ny nataony. Mila manao hoatr’izany koa ny anti-panahy. Tokony hampahery an’ireo mpiara-manompo izy ireo mba tsy ho kivy izy ireny.—Isaia 40:31; 1 Tes. 5:11.

Ny taratasin’ny apostoly Jaona ho an’i Gaio no boky fohy indrindra ao amin’ny Baiboly. Teny 219 monja no hita ao, raha ny teny grika nanoratana azy tany am-boalohany no jerena. Tena ilain’ny Kristianina ankehitriny anefa izy io.