Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 21

Aza Manaiky ho Voafitaky “ny Fahendren’ity Tontolo Ity”

Aza Manaiky ho Voafitaky “ny Fahendren’ity Tontolo Ity”

“Amin’Andriamanitra dia hadalana ny fahendren’ity tontolo ity.”—1 KOR. 3:19.

HIRA 98 Avy Amin’Andriamanitra ny Soratra Masina

HO HITANAO ATO *

1. Inona no hitantsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra?

MAHAVITA miatrika an’izay olana rehetra mitranga isika. Nahoana? Satria i Jehovah no mampianatra antsika, ary tsy misy mpampianatra hoatr’azy. (Joba 36:22) Hitantsika ao amin’ny Teniny izay rehetra ilaintsika mba hahatonga antsika ho “tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (2 Tim. 3:17) Raha manaraka an’izay voalaza ao isika, dia ho hendry kokoa raha oharina amin’ny olona manaraka ny fahendren’ity tontolo ity.—1 Kor. 3:19; Sal. 119:97-100.

2. Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

2 Tia tena isika olombelona, ka matetika no manintona antsika ny fahendren’ity tontolo ity. Mety ho sarotra amintsika àry ny tsy hanaraka ny toe-tsain’ny olona eto amin’ity tontolo ity sy izay ataony. Noho izany, dia tena mety ny voalazan’ny Baiboly hoe: “Tandremo sao hisy hahalasa anareo ho rembiny amin’ny alalan’ny filozofia sy ny famitahana poakaty araka ny fampianarana nifandovan’ny olombelona.” (Kol. 2:8) Lasa niely be ny “famitahana poakaty” na lainga nataon’i Satana. Handinika roa amin’izany isika ato, ary ho hitantsika hoe ahoana no nahatonga ny olona hino an’ireny. Hojerentsika koa hoe nahoana no hadalana ny fahendren’ity tontolo ity, ary nahoana no tsara lavitra ny fahendrena ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

NIOVA NY FIHEVERAN’NY OLONA NY FIRAISANA

3-4. Inona no fiovana nitranga tany Etazonia teo anelanelan’ny taona 1900 sy 1930?

3 Niova be ny fiheveran’ny olona tany Etazonia ny firaisana, teo anelanelan’ny taona 1900 sy 1930. Betsaka no nino talohan’izay hoe ny mpivady ihany no mahazo manao firaisana, ary tsy azo resadresahina eny imason’olona izany. Tsy hoatr’izany intsony anefa izao. Lasa tsy mampaninona ny ankamaroan’ny olona ny hoe maloto fitondran-tena.

4 Nantsoina hoe Taonan’ny Filibana ny taona 1920 ka hatramin’ny 1929. Niova be mantsy ny fitondran-tenan’ny olona sy ny fiheverany ny firaisana tamin’ireo taona ireo. Nilaza ny mpikaroka iray hoe “lasa feno resaka firaisana ny filma, hira, boky, dokam-barotra, ary ny tantara nolalaovina tany amin’ny teatra.” Lasa nanao dihy manaitaitra ny filan’ny nofo koa ny olona. Na ny akanjo aza lasa tsy maotina. Lasa “tia fahafinaretana” tsy nisy hoatr’izany ny olona, araka ny lazain’ny Baiboly momba ny andro farany.—2 Tim. 3:4.

Tsy voatarik’ity tontolo ity haloto fitondran-tena ny mpanompon’i Jehovah (Fehintsoratra 5, 9) *

5. Nanao ahoana ny fitondran-tenan’ny olona taorian’ny taona 1960?

5 Nihabetsaka ny olona nanao tokantranomaso sy ny lehilahy niray tamin’ny lehilahy, taorian’ny taona 1960. Lasa mora nisara-panambadiana koa ny olona. Nanjary niharihary kokoa ny resaka firaisana, tamin’ny karazana fialam-boly be dia be. Nilaza ny mpanoratra iray fa misy vokany ratsy maro rehefa manao izay tiany fotsiny ny olona eo amin’ny fitondran-tenany. Lasa betsaka, ohatra, ny tokantrano rava sy ny ray na reny mitaiza irery ny zanany, ary ny olona andevozin’ny sary vetaveta. Tsy lazaina intsony ny ratram-po zakain’ny olona maro. Nihabetsaka koa ny aretina azo avy amin’ny firaisana, anisan’izany ny SIDA. Porofoin’izany rehetra izany fa hadalana ny fahendren’ity tontolo ity.—2 Pet. 2:19.

6. Nahoana no manao ny sitrapon’i Satana ity tontolo ity?

6 Manao ny sitrapon’i Satana ity tontolo ity rehefa jerena ny fiheveran’izy ireo ny firaisana. Fanomezan’Andriamanitra ny fanaovana firaisana sy ny fanambadiana, nefa tsy manaja an’izany ny olona fa maloto fitondran-tena. Azo antoka fa faly erỳ i Satana mahita an’izany. (Efes. 2:2) Fanomezana tena tsara avy amin’i Jehovah koa ny hoe afaka miteraka. Manao tsinontsinona an’io fanomezana io anefa ny olona rehefa maloto fitondran-tena, ary mety tsy hahazo fiainana mandrakizay.—1 Kor. 6:9, 10.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY MOMBA NY FIRAISANA?

7-8. Nahoana izay lazain’ny Baiboly momba ny firaisana no tsara lavitra noho izay lazain’ity tontolo ity?

7 Manambany ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena ny olona manaraka ny fahendren’ity tontolo ity. Tsy hisy olona hahavita hampihatra an’izany fitsipika izany, hono. Mety hilaza ry zareo hoe: ‘Fa maninona no nataon’Andriamanitra hanana faniriana hanao firaisana isika, nefa tsy avelany hanao an’izany indray avy eo?’ Mieritreritra mantsy ireny olona ireny hoe tokony hanatanteraka an’izay faniriany rehetra ny olombelona. Mifanohitra amin’izany anefa no lazain’ny Baiboly. Milaza izy io fa manaja antsika i Jehovah, matoa isika nataony afaka misafidy ny hifehy ny fanirian-dratsy ao anatintsika. (Kol. 3:5) Ankoatra izany, dia avelan’Andriamanitra hanambady ny olombelona, amin’izay afaka manatanteraka ny faniriany hanao firaisana. (1 Kor. 7:8, 9) Afaka mankafy an’izany ny mpivady, ary tsy hanenina na hikorontan-tsaina hoatran’ny ankamaroan’ny olona maloto fitondran-tena.

8 Tsara lavitra noho ny fahendren’ity tontolo ity ny zavatra lazain’ny Baiboly momba ny firaisana. Resahina ao fa mahafinaritra ny manao firaisana. (Ohab. 5:18, 19) Mampirisika antsika tsirairay koa anefa izy io mba hahay “hifehy tena, amin’ny fahamasinana sy ny haja, fa tsy amin’ny filan’ny nofo tsy mety afa-po, toy ny filan’ny hafa firenena tsy mahalala an’Andriamanitra.”—1 Tes. 4:4, 5.

9. a) Inona no nanampy ny mpanompon’i Jehovah mba hanaraka an’izay lazain’ny Baiboly, 100 taona lasa teo ho eo izay? b) Inona no torohevitra tsara resahin’ny 1 Jaona 2:15, 16? d) Inona avy ny fanao ratsy tsy tokony hataontsika, araka ny Romanina 1:24-27?

9 Lasa ‘tsy nahalala menatra intsony’ ny olona maro, 100 taona lasa teo ho eo izay. (Efes. 4:19) Tsy voatarik’izy ireny anefa ny mpanompon’i Jehovah. Niezaka nanaraka tsara ny fitsipik’i Jehovah foana ry zareo. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Mey 1926: “Tokony hadio foana ny olona na amin’ny eritreriny na amin’ny ataony, indrindra rehefa mifandray amin’ny lehilahy raha vehivavy izy, na ny mifanohitra amin’izay.” Ny fahendrena ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no tsara indrindra, ka nanaraka azy io foana ny vahoakan’i Jehovah na inona na inona nataon’ny olona nanodidina azy ireo. (Vakio ny 1 Jaona 2:15, 16.) Tena faly isika satria manana ny Tenin’Andriamanitra! Misaotra an’i Jehovah koa isika satria omeny sakafo ara-panahy amin’ny fotoana ilana azy. Manampy antsika izany mba tsy ho voasariky ny fahendren’ity tontolo ity ka hanaraka ny fomba fiheviny momba ny fitondran-tena. *Vakio ny Romanina 1:24-27.

NIOVA NY FIHEVERAN’NY OLONA NY TENANY

10-11. Inona no lazain’ny Baiboly fa hitranga amin’ny andro farany?

10 Efa nilaza ny Baiboly hoe ho “tia tena” ny olona amin’ny andro farany. (2 Tim. 3:1, 2) Tsy mahagaga àry raha mampirisika ny olona ho tia tena ity tontolo ity. Resahin’ny rakipahalalana iray fa be dia be ny boky navoaka taorian’ny 1970, mba hanampiana ny tsirairay hahavita tena sy hahomby eo amin’ny fiainana. Milaza ny sasany amin’ireo boky ireo fa “mila miezaka hahafantatra ny tenanao ianao, ary hanaiky hoe efa izay no maha izy anao. Tokony hirehareha amin’izany mihitsy aza ianao.” Izao, ohatra, no voalazan’ny boky iray: “Tiavo ilay olona tsara tarehy indrindra sy mahafinaritra indrindra ary mendrika indrindra. Iza izany? Ianao!” Mampirisika ny olona io boky io hoe “ianao ihany no tokony hamaritra an’izay hitondranao ny fiainanao, arakaraka izay mety amin’ny eritreritrao sy izay fitsipika tianao harahina.”

11 Efa naheno hoatr’izany ve ianao? Izany mihitsy no nampirisihan’i Satana hataon’i Eva. Nilaza izy hoe afaka ny “ho tahaka an’Andriamanitra” i Eva ka “hahalala ny tsara sy ny ratsy.” (Gen. 3:5) Manambony tena loatra ny olona maro amin’izao, ka mieritreritra hoe tsy misy tokony hanoro azy an’izay tsara sy ratsy, na dia Andriamanitra aza. Hita amin’ny fiheveran’ny olona ny fanambadiana, ohatra, izany toe-tsaina izany.

Mieritreritra an’izay hahasoa ny hafa ny Kristianina, indrindra fa izay hahasoa ny vadiny (Fehintsoratra 12) *

12. Ahoana no fiheveran’ity tontolo ity ny fanambadiana?

12 Mandidy ny mpivady ny Baiboly mba hifanaja sy hanaja ny voadim-panambadiany. Mampirisika azy ireo koa izy io mba ho tapa-kevitra ny tsy hisaraka mihitsy. Izao no voalaza ao: “Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy ireo.” (Gen. 2:24) Mifanohitra amin’izany kosa ny fomba fihevitry ny olona manaraka ny fahendren’ity tontolo ity. Milaza izy ireo hoe samy tokony hifantoka amin’izay ilainy ny mpivady. Resahin’ny boky iray momba ny fisaraham-panambadiana hoe “novan’ny olona sasany ilay voady atao amin’ny mariazy. ‘Hiaraka foana raha mbola samy velona eto an-tany’ no nolazaina hatramin’izay, fa amin’izao indray lasa hoe ‘hiaraka foana raha mbola samy tia.’” Be dia be ny tokantrano rava sy ny ratram-po vokatr’izany toe-tsaina izany. Hita avy amin’izany fa tsy manaja ny fanambadiana mihitsy ity tontolo ity ary hadalana izany.

13. Nahoana no maharikoriko an’i Jehovah ny olona mirehareha?

13 Milaza ny Baiboly fa “maharikoriko an’i Jehovah izay rehetra manana fo mirehareha.” (Ohab. 16:5) Nahoana? Satria toetran’i Satana ny hoe mirehareha sy manambony tena, ary manahaka azy ny olona tia tena sy mampirisika ny olon-kafa hanao hoatr’izany. Niharihary, ohatra, izany toetrany izany rehefa nasainy niankohoka teo anatrehany i Jesosy. Mba eritrereto ange e! I Jesosy no nampiasain’i Jehovah mba hamoronana ny zava-drehetra, dia izy indray ve no hanompo an’i Satana? (Mat. 4:8, 9; Kol. 1:15, 16) Mieritreritra ny olona tia tena sy manambony tena hoe hendry izy, nefa adala no fahitan’Andriamanitra azy.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY MOMBA NY FITIAVAN-TENA?

14. Nahoana ny Romanina 12:3 no manampy antsika hahay handanjalanja?

14 Manampy antsika hahay handanjalanja ny Baiboly. Nilaza i Jesosy hoe “tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” (Mat. 19:19) Tokony ho tia ny tenantsika ihany izany isika, ary tokony mba hieritreritra an’izay ilaintsika koa. Mampianatra antsika koa anefa ny Baiboly hoe tsy tokony hanambony tena isika. Izao no voalaza ao: “Aza manao na inona na inona noho ny fitia te hifanditra na noho ny fireharehana, fa amim-panetren-tena kosa dia aoka samy hanao ny hafa ho ambony noho ny tenany.”—Fil. 2:3; vakio ny Romanina 12:3.

15. Mampirisika ny olona mba tsy ho tia tena ny Baiboly. Nahoana ianao no resy lahatra hoe tsara izany torohevitra izany?

15 Manao tsinontsinona ny torohevitry ny Baiboly momba ny fitiavan-tena ny olona maro lazaina hoe hendry na manam-pahaizana. Ho mora hararaotin’ny olona, hono, ianao raha mihevitra ny hafa ho ambony noho ianao. Inona anefa no vokatr’izany toe-tsaina aelin’ny tontolon’i Satana izany? Hitanao hoe sambatra ve ny olona tia tena? Sambatra ve ny fianakaviany? Tena namana ve ny namany? Mifandray akaiky amin’Andriamanitra ve izy? Inona no hitanao hoe mahasoa indrindra, ny manaraka ny fahendren’ity tontolo ity sa ny manaraka ny fahendrena ao amin’ny Tenin’Andriamanitra?

16-17. Inona no mahafaly antsika, ary nahoana?

16 Ahoana, ohatra, raha manontany lalana amin’ny mpizaha tany iray ny mpizaha tany hafa, nefa izy roa samy very? Hoatr’izany mihitsy ny ataon’izay manaraka ny torohevitry ny olona lazain’ity tontolo ity hoe hendry na manam-pahaizana. “Mpitarika jamba” no niantsoan’i Jesosy ny olona hoatr’izany tamin’ny androny. Hoy koa izy: “Raha jamba no mitarika jamba, dia samy hianjera any an-kady izy ireo.” (Mat. 15:14) Tena hadalana amin’Andriamanitra àry ny fahendren’ity tontolo ity.

Nanaraka ny fahendrena avy amin’i Jehovah ny mpanompony, ka afa-po rehefa mitodika ny lasa (Fehintsoratra 17) *

17 Nahasoa foana ny torohevitry ny Baiboly hatramin’izay, “mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana.” (2 Tim. 3:16) Tena faly isika hoe mampiasa ny fandaminany i Jehovah, mba hiarovana antsika tsy hanaraka ny fahendren’ity tontolo ity. (Efes. 4:14) Omeny sakafo ara-panahy isika mba hahazo hery, ka hahavita hanaraka ny fitsipika ao amin’ny Teniny. Sambatra isika satria ny fahendrena ao amin’ny Baiboly no mitarika antsika. Tsy diso mihitsy izy io.

HIRA 54 “Ity no Lalana”

^ feh. 5 Hanampy antsika ity lahatsoratra ity mba ho resy lahatra kokoa hoe ny tari-dalan’i Jehovah ihany no tsara indrindra. Ho hitantsika ato koa hoe mampidi-doza ny fahendren’ity tontolo ity, fa mahasoa kosa ny fahendrena ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

^ feh. 50 SARY: Sary mampiseho ny zavatra sasany niainan’ny mpivady Vavolombelona iray. Taloha kelin’ny taona 1970: Eny am-pitoriana izy mivady.

^ feh. 52 SARY: Taorian’ny taona 1980: Marary ilay anabavy dia mikarakara azy ny vadiny, ary mijery an-dry zareo ny zanany vavikely.

^ feh. 54 SARY: Amin’izao andro izao: Mitodika ny lasa izy mivady dia falifaly satria nanaraka ny fahendrena avy amin’i Jehovah. Faly koa ny zanany vavy efa lehibe sy ny vady aman-janany.