Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 22

Hatsarao ny Fomba Fianatrao

Hatsarao ny Fomba Fianatrao

‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’—FIL. 1:10.

HIRA 35 ‘Fantaro Tsara Izay Zava-dehibe Kokoa’

HO HITANAO ATO *

1. Nahoana ny rahalahy sy anabavy sasany no tsy manana risi-po hianarana?

TSY mora ny mitady vola amin’izao andro izao, ka miasa mafy ny ankamaroan’ny olona. Be dia be ireo mpiara-manompo amintsika no miasa ora maro mba hahazoana izay tena ilain’ny fianakaviany fotsiny. Betsaka koa no mandeha lavitra be vao tonga any amin’ny toeram-piasany isan’andro, ka lany fotoana be. Ny hafa indray mafy ny asany satria asa vatana. Tena vizana be ireny rahalahy sy anabavintsika ireny rehefa mifarana ny andro, ka tsy manana risi-po hianarana intsony.

2. Isaky ny inona ianao no mianatra?

2 Na izany aza anefa, dia tsy maintsy mitady fotoana hianarana ny Tenin’Andriamanitra sy ireo boky aman-gazety isika, ary tsy hoe mianatranatra fotsiny fa tena mianatra. Tsy ho afaka hifandray tsara amin’i Jehovah sy hiaina mandrakizay isika raha tsy manao an’izany. (1 Tim. 4:15, 16) Mifoha maraina be ny rahalahy sy anabavy sasany isan’andro, dia amin’izay no mianatra. Avy niala sasatra mantsy izy dia misokatra kokoa ny sainy. Mbola mangingina koa ny ao an-trano amin’iny. Ny hafa indray aleony rehefa mifarana ny andro. Mitady fotoana milamina tsara izy amin’iny mba hianarana sy hisaintsainana mandritra ny minitra vitsivitsy.

3-4. Inona no fanovana nataon’ny fandaminana, ary nahoana?

3 Manaiky angamba ianao hoe tena ilaina ny mitady fotoana hianarana. Fa inona anefa no tokony hianarana? Mety hilaza ianao hoe: ‘Be loatra ange ilay zavatra tokony hovakina e! Tsy araka intsony ilay izy.’ Maharaka ny zavatra rehetra avoakan’ny fandaminana ny rahalahy sy anabavy sasany, fa betsaka anefa no tsy mahavita an’izany. Fantatry ny Filan-kevi-pitantanana izany. Izany no nahatonga azy ireo hanome toromarika hoe ahena ny zavatra avoaka, na ny amin’ny endrika elektronika izany na ny vita pirinty.

4 Tsy mamoaka ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah intsony, ohatra, isika. Efa misy tantara mampahery be dia be mantsy ao amin’ny jw.org® sy amin’ny fandaharana mivoaka isam-bolana ao amin’ny Tele JW. Intelo isan-taona koa sisa isika no mamoaka ny Mifohaza! sy Ny Tilikambo Fiambenana Gazety ho An’ny Besinimaro. Inona no anton’ireny fanovana ireny? Amin’izay ve isika hanam-potoana kokoa hanaovana zavatra hafa? Tsy izany mihitsy. Natao kosa izy ireny mba hahafahantsika hifantoka tsara amin’izay “zava-dehibe kokoa.” (Fil. 1:10) Inona avy àry ireo zava-dehibe tokony hianarantsika, ary inona no azontsika atao raha te handray soa faran’izay betsaka rehefa mianatra samirery?

INONA NO TOKONY HIANARANA VOALOHANY?

5-6. Inona avy no tokony hianarantsika tsara?

5 Inona avy àry ireo zava-dehibe tokony hianarantsika voalohany? Tena tokony hianatra ny Tenin’Andriamanitra isika isan’andro. Efa nahena ny Famakiana Baiboly isan-kerinandro ataon’ny fiangonana, amin’izay isika manam-potoana kokoa hisaintsainana sy hanaovana fikarohana rehefa mamaky an’ireo toko ireo. Tokony havelantsika hanohina ny fontsika ny zavatra vakintsika. Ny ho akaiky kokoa an’i Jehovah mantsy no tanjontsika, fa tsy ny hamita an’ireo toko asaina vakina fotsiny.—Sal. 19:14.

6 Tsy izay ihany anefa no tokony hianarantsika tsara. Tokony hanomana ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana koa isika. Tsy tokony hohadinoina koa ny Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana sy izay zavatra hafa atao mandritra ny fivoriana andavanandro. Tokony hamaky Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! rehetra koa isika.

7. Tokony ho kivy ve isika raha tsy maharaka an’izay rehetra mivoaka ao amin’ny jw.org sy ny Tele JW?

7 Mety hiteny ianao hoe: ‘Eny e! Ary ahoana indray ny ao amin’ny jw.org sy ny Tele JW? Be dia be koa ange ny zavatra ao e!’ Eritrereto anefa ity ohatra ity: Voasa amina fety ianao dia misy karazana sakafo matsiro be dia be any. Tsy hahavita hihinana azy rehetra ianao, fa karazany vitsivitsy ihany. Dia hoatran’ireo sakafo be dia be amin’ilay fety ireo ny zavatra avoakan’ny fandaminana ao amin’ny jw.org sy ny Tele JW. Aza kivy raha tsy arakao daholo izy rehetra, fa vakio sy jereo izay vitanao. Fa hoatran’ny ahoana ny atao hoe mianatra? Ary ahoana no handraisan-tsoa be indrindra rehefa manao an’izany?

MITAKY EZAKA MAFY NY HOE MIANATRA

8. Ahoana no atao rehefa manomana Ny Tilikambo Fiambenana? Araka ny hevitrao, inona no soa ho azonao raha manao hoatr’izany ianao?

8 Ny hoe mianatra dia mamaky sady mifantoka tsara foana ary manana tanjona rehefa manao an’izany. Tsy ampy ny hoe mamakimaky sy manipika ny valiny fotsiny. Rehefa manomana ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, ohatra, ianao dia vakio aloha ilay hoe “Ho hitanao ato” eo am-piandohan’ny lahatsoratra. Jereo avy eo ny lohatenin’ilay izy sy ny lohatenikely ary ny fanontaniana famerenana. Vakio miadana ilay lahatsoratra aorian’izay, ary vakio tsara. Diniho tsara koa ny fehezanteny voalohany amin’ny fehintsoratra. Izy io mantsy matetika no ahalalana hoe inona no hovelabelarina ao amin’ilay izy. Rehefa mamaky ianao, dia eritrereto foana hoe inona no ifandraisan’ny fehintsoratra tsirairay amin’ny lohatenikely sy ny hevitra resahin’ilay lahatsoratra. Mariho koa izay teny sarotra na hevitra tianao hokarohina bebe kokoa.

9. a) Nahoana isika no mila mandinika tsara ny andinin-teny rehefa manomana Ny Tilikambo Fiambenana? Ahoana no hanaovana an’izany? b) Araka ny Josoa 1:8, inona koa no tokony hataontsika ankoatra ny mamaky an’ireo andinin-teny?

9 Manampy antsika hahazo tsara an’izay voalazan’ny Baiboly ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Diniho tsara àry ny andinin-teny, indrindra fa izay hovakina any am-pivoriana. Tadiavo ao amin’ilay andinin-teny izay teny mamoaka ny hevi-dehibe ao amin’ilay fehintsoratra, ary jereo hoe nahoana ilay izy no manohana an’izany. Makà koa fotoana hisaintsainana an’izay andinin-teny novakinao, ary eritrereto hoe ahoana no hampiharanao an’ilay izy.—Vakio ny Josoa 1:8.

Atoroy ny zanakao hoe ahoana no atao rehefa mianatra (Fehintsoratra 10) *

10. Araka ny Hebreo 5:14, nahoana ny ankizy no tokony hampianarina mba hahay hianatra sy hikaroka, mandritra ny fotoam-pivavahana?

10 Azo antoka fa tian’ny ray aman-dreny hankafy ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana ny zanany. Mila manomana mialoha an’izay hatao mandritra an’izany izy ireo. Marina fa azo atao ny mijery ny fandaharana mivoaka isam-bolana ao amin’ny Tele JW, na manao zavatra miavaka kely indraindray, ohatra hoe manamboatra ny sambofiaran’i Noa. Tsy voatery hanomana zavatra miavaka foana anefa izy ireo isan-kerinandro. Tena mila ampiofanina hahay hianatra koa mantsy ny ankizy. Atoroy azy, ohatra, hoe ahoana no atao rehefa manomana fivoriana, na mikaroka momba ny olana mahazo azy any am-pianarana. (Vakio ny Hebreo 5:14.) Raha zatra mianatra hoatr’izany izy any an-trano, dia ho mora kokoa aminy ny hifantoka rehefa any am-pivoriana sy any amin’ny fivoriambe. Tsy voatery hisy video foana mantsy any. Mazava ho azy fa tokony hatao mifanaraka amin’ny taonany sy ny toetrany ny halavan’ny fotoam-pivavahana.

11. Nahoana no tena ilaina ny mampiofana ny mpianatra Baiboly mba hahay hianatra samirery tsara?

11 Tokony hatorontsika an’ireo mpianatra Baiboly koa hoe ahoana no atao rehefa mianatra. Tamin’izy vao nanomboka nianatra, dia faly erỳ isika mahita azy manipika ny valiny rehefa manomana ny fianarany na manomana fivoriana. Tena mila atorontsika azy ireo koa anefa hoe ahoana no atao rehefa manao fikarohana sy mianatra samirery. Tsara raha ampianarina azy hoe ahoana izany mandalina ny Baiboly izany. Tsy tonga dia hangataka fanampiana amin’ny mpiara-manompo izy amin’izay rehefa manana olana, fa hikaroka ao amin’ny bokintsika ka hahita torohevitra mety tsara.

MANÀNA TANJONA REHEFA MIANATRA

12. Inona no azontsika atao tanjona rehefa mianatra?

12 Raha tsy dia tia mianatra ianao, dia mety hieritreritra hoe tsy ianao mihitsy no hankafy an’izany mianatra izany. Afaka ny ho tia an’izany anefa ianao. Ataovy fohifohy aloha ilay fianarana amin’ny voalohany, fa ampitomboy tsikelikely avy eo. Miezaha koa hanana tanjona. Ny tanjontsika lehibe indrindra aloha dia ny ho akaiky kokoa an’i Jehovah. Azo atao tanjona koa anefa ny hamaly fanontaniana napetraky ny olona, na hikaroka momba ny olana mahazo antsika.

13. a) Inona, ohatra, no azonareo tanora atao raha te hiaro ny finoanareo ianareo any am-pianarana? b) Ahoana no azonareo ampiharana ny Kolosianina 4:6?

13 Tanora ve ianao ary mbola mianatra? Tezitra aminao angamba ny mpampianatra sy ny ankizy sasany, satria ianao tsy mety manangan-tsaina sy manao hiram-pirenena. Te hanazava an’izay lazain’ny Baiboly ianao, nefa matahotra hoe tsy ho hainao izany. Mila mikaroka kely ianao izany! Azonao atao tanjona ireto rehefa mikaroka ianao: 1) Mba hahatonga anao ho resy lahatra kokoa hoe tena tsy tokony ho anisan’izao tontolo izao ianao. 2) Mba hahatonga anao hahay hanazava kokoa ny fahamarinana. (Jaona 17:16; 1 Pet. 3:15) Fantaro anefa izao alohan’ny hikarohana: ‘Fa maninona ny mpampianatra sy ny mpiara-mianatra amiko no mieritreritra hoe zava-dehibe ny manangan-tsaina sy manao hiram-pirenena?’ Ampiasao avy eo ireo boky sy gazetintsika dia manaova fikarohana tsara. Ho hitanao fa tsy sarotra be araka izay noeritreretinao ny manazava an’izay inoanao. Mieritreritra ny ankamaroan’ny olona hoe tokony hanangan-tsaina sy hanao hiram-pirenena izy, satria fotsiny hoe izany no nolazain’ny olona hajainy. Raha mahita hevitra iray na roa fotsiny ianao, dia efa mety haharesy lahatra an’ilay olona raha tena mitady ny marina izy.—Vakio ny Kolosianina 4:6.

ATAOVY IZAY HAHATONGA ANAO HO LIANA AMIN’ILAY IZY

14-16. a) Inona no azonao atao raha te hahafantatra bebe kokoa momba ny boky iray ao amin’ny Baiboly ianao? b) Nahoana ireo andinin-teny ao amin’ny fehintsoratra no manampy anao hahazo tsara an’izay voalazan’ny bokin’i Amosa? (Jereo koa ilay hoe “ Ataovy Hoatran’ny hoe Iainanao Mihitsy Ilay Tantara!”)

14 Andao hatao hoe hiresaka momba ny boky nosoratan’ny iray amin’ireo lazaina hoe mpaminany madinika * isika, amin’ny fivoriana manaraka. Tsy tena mahafantatra azy tsara angamba ianao. Inona àry no tokony hataonao voalohany? Ataovy aloha izay hahatonga anao ho liana amin’izay nosoratan’ilay mpaminany. Ahoana no hanaovana an’izany?

15 Voalohany, eritrereto hoe: ‘Iza ilay mpanoratra? Inona avy no fantatro momba azy? Taiza izy no nipetraka? Inona no asany?’ Raha mahalala ny mombamomba an’ilay mpanoratra ianao, dia mety hanampy anao izany mba hahazo ny teny sy ny fanoharana nampiasainy. Rehefa mamaky Baiboly ianao, dia jereo izay teny ahitana ny maha izy azy.

16 Faharoa, karohy hoe oviana ilay boky no nosoratana. Tsotra kely ny mahita an’izany. Jereo ao amin’ilay hoe “Ireo Boky ao Amin’ny Baiboly”, ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, pejy faha-1770 sy 1771. Ankoatra izany, dia azonao jerena ny tabilao misy an’ireo mpaminany sy mpanjaka samihafa ao amin’ny Tari-dalana Hianarana ny Tenin’Andriamanitra, pejy 14-17. Tsara koa raha karohinao hoe inona no zava-nisy tamin’ny fotoana nanoratana an’ilay boky, satria faminaniana no resahin’ilay izy. Nampirisika ny olona hiala tamin’ny toetra na fanao hoatran’ny ahoana, ohatra, ilay mpaminany? Iza avy no niara-belona taminy? Mila mijery boky hafa ao amin’ny Baiboly mifandray amin’ilay izy angamba ianao raha te hahazo tsara an’izany. Raha izay nitranga tamin’ny andron’i Amosa mpaminany, ohatra, no tianao ho fantatra, dia jereo ny andinin-teny ao amin’ny 2 Mpanjaka sy 2 Tantara, izay hita eo amin’ny fanondroana andininy ho an’ny Amosa 1:1. Azonao jerena koa izay nosoratan’i Hosea. Mety ho niara-belona tamin’i Amosa mantsy izy. Hanampy anao hahalala momba ny fiainana tamin’ny andron’i Amosa ireo boky ireo.—2 Mpanj. 14:25-28; 2 Tan. 26:1-15; Hosea 1:1-11; Amosa 1:1.

 

AZA LALOVANA FOTSINY IREO TSIPIRIANY

17-18. Ampiasao ny ohatra ao amin’ny fehintsoratra na izay ohatra hitanao, mba hanazavana hoe mahafinaritra kokoa ny mianatra samirery rehefa mandinika ny tsipiriany ianao.

17 Tsara ny te hahafanta-javatra rehefa mamaky Baiboly. Andao hatao hoe mamaky ny Zakaria toko faha-12 ianao. Faminaniana momba ny hahafatesan’ny Mesia ilay izy. (Zak. 12:10) Resahin’ny andininy faha-12 fa halahelo be ny “fianakaviamben’ny taranak’i Natana” rehefa maty ny Mesia. Aza lalovana fotsiny io tsipiriany io fa miatoa kely, dia saintsaino izao: ‘Fa inona moa no ifandraisan’ny fianakavian’i Natana sy ny Mesia? Mety hisy fanazavana an’izany ve?’ Eo amin’izay ianao ilay mikaroka! Efa fantatrao aloha fa milaza ny faminaniana hoe ho avy amin’ny taranak’i Davida ny Mesia. (Mat. 22:42) Rehefa mijery ny fanondroana andininy hafa eo amin’ilay hoe “fianakaviamben’ny taranak’i Natana” ianao, dia mahita ny 2 Samoela 5:14 sy ny Lioka 3:31. Resahin’ilay Samoela Faharoa hoe anisan’ny zanak’i Davida Mpanjaka i Natana. I Lioka indray milaza fa taranak’i Natana avy amin’i Maria i Jesosy. * Tsy mahavariana ve izany, hoy ianao? Roapolo mahery mantsy ny zanakalahin’i Davida, nefa i Zakaria tonga dia nilaza hoe ny fianakavian’i Natana no halahelo be rehefa maty i Jesosy.

18 Andao indray hijery ohatra hafa. Resahin’ny Lioka toko voalohany fa nitsidika an’i Maria ny anjely Gabriela. Izao no nolazainy tamin’i Maria momba an’ilay zaza haterany: “Ho lehibe izy ka hantsoina hoe Zanaky ny Avo Indrindra, ary i Jehovah Andriamanitra hanome azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy. Ary ho mpanjaka eo amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay izy.” (Lioka 1:32, 33) Ilay ampahany voalohany amin’ny hafatr’i Gabriela angamba izao no tena mahasarika ny saintsika, dia ilay hoe “Zanaky ny Avo Indrindra” i Jesosy. Naminany koa anefa i Gabriela fa “ho mpanjaka” i Jesosy. Mety hieritreritra isika hoe: ‘Inona re no tao an-tsain’i Maria rehefa naheno an’izany e? Nieritreritra ve izy hoe hisolo an’i Heroda i Jesosy na hisolo an’izay handimby an’i Heroda, ka ho lasa mpanjaka eo amin’ny Israely?’ Raha izany no izy, dia ho lasa renin’ny mpanjaka izy ary hipetraka any amin’ny lapan’ny mpanjaka izy mianakavy. Tsy milaza mihitsy anefa ny Baiboly hoe niresaka zavatra hoatr’izany tamin’i Gabriela i Maria. Tsy milaza mihitsy koa izy io hoe nangataka toerana ambony tao amin’ny Fanjakan’i Jesosy izy, hoatran’ny nataon’ny mpianatr’i Jesosy roa lahy. (Mat. 20:20-23) Vao mainka io tsipiriany io mahatonga antsika hiaiky fa tena nanetry tena i Maria!

19-20. Araka ny Jakoba 1:22-25 sy ny 4:8, inona avy no tanjontsika rehefa mianatra?

19 Tadidio fa ny ho akaiky kokoa an’i Jehovah no tanjontsika lehibe indrindra, rehefa mianatra ny Teniny sy ireo boky avoakan’ny fandaminana isika. Tiantsika ho hita koa hoe olona hoatran’ny ahoana isika, ary inona no tokony hovantsika mba hahatonga an’i Jehovah hankasitraka antsika. (Vakio ny Jakoba 1:22-25; 4:8.) Isaky ny hianatra àry isika, dia tokony hangataka amin’i Jehovah mba homeny ny fanahiny. Mila mitalaho aminy isika mba hampiany handray soa betsaka avy amin’ilay zavatra ianarana. Tokony hangataka aminy koa isika mba hasehony antsika hoe ahoana no fahitany antsika ary inona no mila hatsaraina.

20 Hoy ny Salamo 1:2, 3: “Ny lalàn’i Jehovah no mahafinaritra azy, eny, ny lalàny no vakiny moramora andro aman’alina. ... Hahomby daholo izay ataony.” Enga anie mba ho hoatran’io mpanompon’i Jehovah io koa isika rehetra!

HIRA 88 Ampahafantaro Ahy ny Lalanao

^ feh. 5 Malala-tanana i Jehovah ka manome antsika zavatra be dia be mba hojerena sy hovakina. Ahoana àry no hifidianana hoe iza amin’izy ireny no hianarana? Ary ahoana no handraisan-tsoa be indrindra rehefa mianatra? Handinika an’ireo isika ato.

^ feh. 14 FANAZAVANA: Ireo mpaminany nanoratra ny boky 12 farany ao amin’ny Soratra Hebreo, izany hoe manomboka amin’ny Hosea ka hatramin’ny Malakia, no lazaina hoe mpaminany madinika.

^ feh. 63 SARY: Ray aman-dreny manoro ny zanany hoe ahoana no atao rehefa manomana ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana.

^ feh. 65 SARY: Rahalahy iray mikaroka momba an’i Amosa. Maka sary an-tsaina an’izay vakiny ao amin’ny Baiboly izy sady misaintsaina. Mampiseho an’izay tonga ao an-tsainy ilay sary ao aoriany.