Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 19

Iza no “Mpanjakan’ny Avaratra” Amin’ny Fotoanan’ny Farany?

Iza no “Mpanjakan’ny Avaratra” Amin’ny Fotoanan’ny Farany?

“Amin’ny fotoanan’ny farany, dia hifanosika [amin’ny mpanjakan’ny avaratra] ny mpanjakan’ny atsimo.”—DAN. 11:40.

HIRA 150 Mitadiava An’i Jehovah mba ho Voavonjy

HO HITANAO ATO *

1. Inona no lazain’ny Baiboly amintsika?

INONA no hitranga amin’ny vahoakan’i Jehovah atsy ho atsy? Tsy mila maminavina an’izany isika. Efa lazain’ny Baiboly mantsy hoe inona avy no zava-dehibe hitranga tsy ho ela ka hisy vokany amintsika rehetra. Misy faminaniana iray, ohatra, mampahafantatra antsika hoe inona no hataon’ny fitondrana sasany matanjaka indrindra eto an-tany. Ao amin’ny Daniela toko faha-⁠11 izy io. Miresaka mpanjaka roa miady izy ao, izany hoe ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo. Efa tanteraka ny ampahany lehibe amin’io faminaniana io, ka afaka matoky isika fa mbola ho tanteraka koa ny ambiny.

2. Araka ny Genesisy 3:15 sy ny Apokalypsy 11:7 ary ny 12:17, inona no tsy maintsy tadidintsika rehefa mianatra ny faminanian’i Daniela?

2 Misy zavatra mila tadidintsika, raha tiantsika ho azo ilay faminaniana ao amin’ny Daniela toko faha-⁠11. Inona izany? Hoe izay mpitondra sy fitondram-panjakana manenjika ny vahoakan’Andriamanitra, na mitondra ao amin’ny tany be mpanompon’i Jehovah ihany no resahin’io faminaniana io. Nahoana ny mpanompon’i Jehovah no enjehina hoatr’izany, nefa ry zareo vitsy raha oharina amin’ny mponina eran-tany? Satria ny hamongotra an’izay manompo an’i Jehovah sy Jesosy no tena tanjon’i Satana sy ny tontolony. (Vakio ny Genesisy 3:15; Apokalypsy 11:7; 12:17.) Mila tadidintsika koa fa tsy maintsy mifanaraka amin’ny faminaniana hafa ao amin’ny Baiboly ilay faminanian’i Daniela. Raha ny marina aza, dia tsy hahazo tsara an’io faminaniana io isika raha tsy mampitaha azy io amin’ny andinin-teny hafa.

3. Inona no horesahintsika ato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka?

3 Handinika ny Daniela 11:25-39 àry isika ato. Ho hitantsika hoe fa maninona no tokony hahitsy ny fahazoantsika ny ampahany amin’io faminaniana io. Ho hitantsika koa hoe iza no mpanjakan’ny avaratra sy mpanjakan’ny atsimo, nanomboka tamin’ny 1870 ka hatramin’ny 1991. Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka kosa ny Daniela 11:40–12:1. Ho azontsika kokoa izay voalazan’ireo andininy ireo momba ny zava-mitranga nanomboka tamin’ny 1991 ka hatramin’ny ady Hara-magedona. Rehefa mianatra an’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka ianao, dia jereo koa ilay hoe “Mpanjaka Roa Miady Mandritra ny Fotoanan’ny Farany.” Ho azonao tsara ilay fanazavana amin’izay. Andao anefa aloha hojerentsika hoe ahoana no hamantarana an’ireo mpanjaka roa resahin’ilay faminaniana.

AHOANA NO HAMANTARANA NY MPANJAKAN’NY AVARATRA SY NY MPANJAKAN’NY ATSIMO?

4. Inona avy ireo zavatra telo manampy antsika hamantatra ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo?

4 Ny mpitondra tany amin’ny faritra avaratr’i Israely no natao hoe “mpanjakan’ny avaratra” tamin’ny voalohany, ary ny tany amin’ny faritra atsimo no “mpanjakan’ny atsimo.” Nahoana? Izao no nolazain’ilay anjely nampita hafatra tamin’i Daniela: “Tonga aho mba hampahafantatra anao izay hanjo ny firenenao”, izany hoe ny vahoakan’i Jehovah. (Dan. 10:14) Ny firenen’Israely no vahoakan’i Jehovah hatramin’ny Pentekosta taona 33. Nanomboka tamin’izay anefa dia nasehon’i Jehovah mazava tsara fa ny mpianatr’i Jesosy tsy mivadika indray no vahoakany. Noho izany, dia mahakasika ny mpanara-dia an’i Kristy ny ampahany betsaka amin’ilay faminaniana ao amin’ny Daniela toko faha-⁠11, fa tsy mahakasika ny firenen’Israely. (Asa. 2:1-4; Rom. 9:6-8; Gal. 6:15, 16) Niovaova koa ilay mpanjakan’ny avaratra sy ilay mpanjakan’ny atsimo. Misy zavatra maromaro tsy niova anefa. Voalohany, nanenjika ny vahoakan’Andriamanitra na nitondra tao amin’ny tany be mpanompon’i Jehovah ireo mpanjaka ireo. Faharoa, hita tamin’izay nataon’izy ireo tamin’ny vahoakan’i Jehovah hoe nankahala an’ilay tena Andriamanitra izy ireo. Ary fahatelo, nifaninana ry zareo mba hahazo fahefana betsaka kokoa.

5. Nisy mpanjakan’ny avaratra sy mpanjakan’ny atsimo ve teo anelanelan’ny taona 100 sy 1870? Hazavao.

5 Nihabetsaka ny Kristianina sandoka nitsofoka tao amin’ny fiangonana kristianina, taorian’ny taona 100 tany ho any. Nampianatra hevi-diso izy ireny ary nanafina ny tena marina resahin’ny Baiboly. Tsy nisy fandaminan’Andriamanitra àry teto an-tany, nanomboka tamin’izay fotoana izay ka hatramin’ny taona 1870. Tena nihabetsaka ny Kristianina sandoka tamin’izany, hoatran’ny ahidratsy maniry be, ka tsy fantatra intsony hoe iza no tena Kristianina. (Mat. 13:36-43) Midika izany hoe tsy nisy mpitondra na fitondram-panjakana azo nantsoina hoe mpanjakan’ny avaratra na mpanjakan’ny atsimo teo anelanelan’ny taona 100 sy ny taona 1870. Tsy nisy fandaminan’i Jehovah hotafihina mantsy nandritra an’io fotoana io. * Nipoitra indray anefa ireo mpanjaka roa ireo nanomboka tamin’ny 1870. Inona no manaporofo an’izany?

6. Oviana no lasa fantatra indray hoe iza no vahoakan’Andriamanitra? Hazavao.

6 Lasa nisy fandaminan’i Jehovah indray teto an-tany nanomboka tamin’ny 1870. Tamin’io taona io mantsy i Charles Russell sy ny namany no nanomboka niara-nandinika ny Baiboly. Ry zareo ilay iraka voalazan’ny Malakia 3:1 hoe “hikarakara ny lalana”, izany hoe hanomana ny olona alohan’ny hanjakan’ny Mesia. Lasa fantatra indray àry hoe iza no vahoakan’Andriamanitra. Nisy fitondrana nanenjika azy ireo ve tamin’izany? Hamaly an’izany isika izao.

IZA NO MPANJAKAN’NY ATSIMO?

7. Iza no mpanjakan’ny atsimo hatramin’ny 1917?

7 Ny faritra nanjakan’i Grande-Bretagne no betsaka indrindra tamin’ny 1870. Ny tafiny koa no natanjaka indrindra. Oharina amin’ny tandroka kely i Grande-Bretagne ary naharesy tandroka telo hafa, izany hoe i Frantsa sy Espaina ary Holandy. (Dan. 7:7, 8) Izy àry no mpanjakan’ny atsimo nanomboka tamin’izay ka hatramin’ny 1917. Lasa firenena nanankarena indrindra i Etazonia tamin’izany, ary nanomboka niara-niasa akaiky tamin’i Grande-Bretagne.

8. Iza no mpanjakan’ny atsimo nandritra ny andro farany?

8 Nifanampy i Grande-Bretagne sy Etazonia nandritra ny Ady Lehibe I, ka lasa natanjaka be ny tafik’izy ireo. Tamin’izay ry zareo no lasa firenena matanjaka indrindra teto an-tany, antsoina hoe Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. Lasa nanana “tafika tena lehibe sy mahery” ry zareo, araka ny efa nolazain’i Daniela mialoha. (Dan. 11:25) Izy io foana no mpanjakan’ny atsimo nandritra ny andro farany. * Ary iza kosa no lasa mpanjakan’ny avaratra?

IZA NO MPANJAKAN’NY AVARATRA?

9. Oviana no lasa nisy mpanjakan’ny avaratra indray? Ary ahoana no nahatanteraka ny Daniela 11:25?

9 Hitantsika teo hoe tamin’ny 1870 ry Russell sy ny namany no nanomboka niara-nandinika ny Baiboly. Nipoitra indray ny mpanjakan’ny avaratra herintaona taorian’izay. Nitambatra ny faritra maromaro tany Eoropa tamin’izay, dia lasa firenena natanjaka antsoina hoe Alemaina. Nanjanaka firenena maro tany Afrika sy Oseana Pasifika i Alemaina tatỳ aoriana, ary nanomboka nifaninana tamin’i Grande-Bretagne. (Vakio ny Daniela 11:25.) Nanangana tafika natanjaka be izy, ary ny tafika an-dranomasina alemà no natanjaka indrindra eran-tany taorian’ny tafika britanika. Nalefan’i Alemaina hiady tamin’ny fahavalony daholo ireny tafiny ireny, tamin’ny Ady Lehibe I.

10. Ahoana no nahatanterahan’ny Daniela 11:25b, 26?

10 Niresaka momba an’izay hitranga amin’i Alemaina sy ny tafiny i Daniela avy eo. Nilaza izy hoe “tsy hahatohitra tokoa” ny mpanjakan’ny avaratra. Fa maninona? “Satria hitetika ny hamely azy izy ireo. Ary ireo mihinana ny hanim-py avy aminy ihany no handavo azy.” (Dan. 11:25b, 26a) Iza ireo olona ireo? Ny olona ambony ‘nanompo teo anatrehan’ny mpanjaka’ no nihinana tamin’ny “hanim-py fihinan’ny mpanjaka”, tamin’ny andron’i Daniela. (Dan. 1:5) Ny olona ambony tao amin’ny fitondrana alemà àry no tian’ilay faminaniana horesahina. Anisan’izany ireo jeneraly sy manamboninahitry ny tafika niara-niasa akaiky tamin’ny mpanjaka. Tsy nanana fahefana intsony ny mpanjaka noho ny nataon’izy ireo, ka lasa nisy karazana fitondrana hafa indray tany Alemaina. * Tsy nilaza fotsiny ilay faminaniana hoe ho rava ilay fanjakana, fa nolazainy koa hoe ahoana no hiafaran’ilay ady amin’ny mpanjakan’ny atsimo. Izao no voalazan’izy io momba ny mpanjakan’ny avaratra: “Hipariaka toy ny rano be ny tafiny, ary maro no ho ripaka.” (Dan. 11:26b) Tanteraka izany satria resy ny tafika alemà tamin’ny Ady Lehibe I ary betsaka no “ripaka.” Mbola tsy nisy ady nahafaty olona betsaka hoatr’izany talohan’io.

11. Inona no nataon’ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo?

11 Nilaza zavatra hitranga alohan’ny Ady Lehibe I ny Daniela 11:27, 28. Voalaza ao hoe hipetraka “eo amin’ny latabatra iray ihany” ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo, ary “hilaza lainga.” Voalaza ao koa hoe hanangona “zava-tsoa be dia be” ny mpanjakan’ny avaratra. Tanteraka daholo ireo. Samy nilaza mantsy i Alemaina sy Grande-Bretagne hoe te hihavana, nefa hita hoe nandainga satria niady ry zareo tamin’ny 1914. Nangoron-karena koa i Alemaina taona maromaro talohan’ny 1914, ka lasa firenena faharoa nanankarena indrindra teto an-tany. Ankoatra an’izay, dia niady tamin’ny mpanjakan’ny atsimo izy nefa “kivy” satria resy. Tanteraka àry ny voalazan’ny Daniela 11:29 sy ny tapany voalohany amin’ny andininy faha-30.

NANENJIKA NY VAHOAKAN’ANDRIAMANITRA IREO MPANJAKA ROA

12. Inona no nataon’ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo tamin’ny Ady Lehibe I?

12 Vao mainka niady ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo nanomboka tamin’ny 1914. Vao mainka nanenjika ny mpanompon’i Jehovah koa izy ireo. Hoatr’izany izao tamin’ny Ady Lehibe I. Tsy nety nandeha niady ny mpanompon’i Jehovah, dia nanenjika azy ireo ny fitondrana alemà sy ny fitondrana britanika. Nalefan’ny fitondrana amerikanina nigadra koa ireo nitarika ny asa fitoriana, ka tanteraka ny voalazan’ilay faminaniana ao amin’ny Apokalypsy 11:7-10.

13. Inona no nataon’ny mpanjakan’ny avaratra nanomboka tamin’ny 1933 sy nandritra ny Ady Lehibe II?

13 Nanafika ny vahoakan’Andriamanitra ny mpanjakan’ny avaratra nanomboka tamin’ny 1933, indrindra fa nandritra ny Ady Lehibe II. Tsy nananany antra mihitsy ry zareo! Raha vao lasa nofehezin’ny Nazia i Alemaina, dia nandrara ny asan’ny vahoakan’i Jehovah i Hitler, mpitondra an-dry zareo, sy ny mpanohana azy. Mpanompon’i Jehovah 1500 teo ho eo no novonoin’izy ireo, ary an’arivony no nalefany tany amin’ny toby fitanana. Tanteraka tamin’izany ny voalazan’i Daniela. ‘Nanazimbazimba ny toerana masina’ sy ‘nanaisotra ny fanatitra atolotra tsy tapaka’ ny mpanjakan’ny avaratra, satria nandrara ny asa fitoriana. (Dan. 11:30b, 31a) Nivoadivoady mihitsy aza i Hitler hoe hataony tsy misy miangana ny mpanompon’i Jehovah tany Alemaina.

MPANJAKAN’NY AVARATRA VAOVAO

14. Iza no lasa mpanjakan’ny avaratra rehefa vita ny Ady Lehibe II? Hazavao.

14 Lasan’ny Firaisana Sovietika ny faritra midadasika be teo ambany fahefan’i Alemaina, taorian’ny Ady Lehibe II. Nanao hoatran’ny fitondrana nazia io fitondrana io sy ny mpanohana azy. Nenjehin’izy ireo izay olona nanao loha laharana ny sitrapon’Andriamanitra. Tian-dry zareo hankatò tanteraka ny fanjakana mantsy ny olona. Ny Firaisana Sovietika sy ny mpanohana azy indray àry no lasa mpanjakan’ny avaratra.

15. Inona no nataon’ny mpanjakan’ny avaratra taoriana kelin’ny Ady Lehibe II?

15 Nanafika ny vahoakan’Andriamanitra ilay mpanjakan’ny avaratra vaovao, izany hoe ny Firaisana Sovietika sy ny mpanohana azy, taoriana kelin’ny Ady Lehibe II. Noraran’io mpanjaka io ny asa fitoriana ary nataony sesitany ny mpanompon’i Jehovah an’arivony. Tanteraka ilay faminaniana ao amin’ny Apokalypsy 12:15-17 tamin’izay. Oharina amin’ny “renirano” avoakan’i Satana ny fanenjehana ny mpanompon’i Jehovah ao, ary ny mpanjakan’ny avaratra no nampiasainy tamin’izany. Nanenjika ny vahoakan’Andriamanitra foana àry io mpanjaka io nandritra ny andro farany, nefa tsy nahavita nampitsahatra ny asan’izy ireo. *

16. Inona no manaporofo fa tanteraka tamin’ny Firaisana Sovietika ny Daniela 11:37-39?

16 Vakio ny Daniela 11:37-39. ‘Tsy niraharaha an’ilay Andriamanitry ny razany’ ny mpanjakan’ny avaratra, araka io faminaniana io. Ahoana no nampisehoany an’izany? Niezaka nanafoana ny fivavahana ny Firaisana Sovietika, ka nataony izay tsy hananan’izy ireny fahefana intsony. Nisy didy iray navoakan’ny fitondrana sovietika, ohatra, tamin’ny 1918 mifandray amin’ny fivavahana sy ny fampianarana. Vokatr’io didy io, dia lasa nampianarina tany am-pianarana tatỳ aoriana hoe tsy misy Andriamanitra. Milaza koa ilay faminaniana hoe “hanome voninahitra an’ilay andriamanitry ny fiarovana mafy” ny mpanjakan’ny avaratra. Ahoana no nanaovany an’izany? Nandany vola tsy toko tsy forohana, ohatra, izy mba hanatanjahana ny tafiny. Tsy izay ihany fa te hahery kokoa izy dia nanamboatra fitaovam-piadiana mahery vaika an’arivony. Rehefa nandeha ny fotoana dia samy nahavita nanangona fitaovam-piadiana mahafaty olona an’arivony tapitrisa, na ny mpanjakan’ny avaratra na ny mpanjakan’ny atsimo.

MPIFAHAVALO NEFA NIARA-NIASA

17. Inona ilay “zava-maharikoriko mahatonga faharavana”?

17 Marina fa niady foana ireo mpanjaka roa ireo hatramin’izay. Nampian’ny mpanjakan’ny avaratra anefa ny mpanjakan’ny atsimo mba hanao zavatra lehibe iray. Niara-nanangana “an’ilay zava-maharikoriko mahatonga faharavana” izy ireo. (Dan. 11:31) Ny Firenena Mikambana io “zava-maharikoriko” io.

18. Nahoana no antsoina hoe “zava-maharikoriko” ny Firenena Mikambana?

18 Antsoina hoe “zava-maharikoriko” ny Firenena Mikambana, satria milaza izy io hoe mahavita mampisy fandriampahalemana maneran-tany. Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany anefa no mahavita an’izany. Ary nahoana no lazaina fa “mahatonga faharavana” ilay zava-maharikoriko? Satria hanafika sy handrava ny fivavahan-diso rehetra ny Firenena Mikambana.—Jereo ilay hoe “Mpanjaka Roa Miady Mandritra ny Fotoanan’ny Farany.”

NAHOANA ISIKA NO MILA MAHAFANTATRA AN’IZANY?

19-20. a) Nahoana isika no mila mahafantatra ny tantara nodinihina tato? b) Inona no hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Nahoana isika no mila mahafantatra ny tantara nodinihina tato? Satria porofoin’izany hoe tanteraka ilay faminanian’i Daniela momba ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo, nanomboka tamin’ny 1870 ka hatramin’ny 1991. Manome toky antsika izany hoe mbola ho tanteraka daholo ny ampahany hafa amin’ilay faminaniana.

20 Rava ny Firaisana Sovietika tamin’ny 1991. Iza àry no mpanjakan’ny avaratra amin’izao fotoana izao? Hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

HIRA 128 Miareta Hatramin’ny Farany

^ feh. 5 Mbola tanteraka amin’izao andro izao ny faminanian’i Daniela momba “ny mpanjakan’ny avaratra” sy “ny mpanjakan’ny atsimo.” Inona no manaporofo an’izany? Ary nahoana isika no mila mahazo tsara ny tsipiriany amin’io faminaniana io?

^ feh. 5 Noho izany, dia tsy mety intsony ny ilazana hoe “mpanjakan’ny avaratra” i Aurélien, mpanjaka romanina (270-275), ary “mpanjakan’ny atsimo” ilay mpanjakavavy atao hoe Zénobie (267-272). Fanitsiana an’izay navoaka tao amin’ny Diniho ny Faminanian’i Daniela! toko 13 sy 14 izany.

^ feh. 10 Nisy zavatra maromaro nataon’ireo olona ireo, ka nahatonga ny fanjakana ho rava haingana. Tsy nanohana ny mpanjaka intsony, ohatra, ry zareo sady namoaka tsiambaratelo momba ny ady. Noteren-dry zareo hiala tamin’ny fitondrana koa ny mpanjaka.

^ feh. 15 Nisy fotoana ny mpanjakan’ny avaratra nijanona tsy nanenjika ny Kristianina, araka ny Daniela 11:34. Izany, ohatra, no nitranga rehefa rava ny Firaisana Sovietika tamin’ny 1991.