Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpanjaka Roa Miady Mandritra ny Fotoanan’ny Farany

Mpanjaka Roa Miady Mandritra ny Fotoanan’ny Farany

Mitovy ny fotoana itrangan’ny faminaniana sasany voaresaka ato. Asehon’ireo faminaniana rehetra ireo hoe miaina amin’ny “fotoanan’ny farany” isika.—Dan. 12:4.

  • Andinin-teny: Apok. 11:7; 12:13, 17; 13:1-8, 12

    Faminaniana: Mifehy ny olona eran-tany mandritra ny an’arivony taona ilay “bibidia.” Maratra ny loha fahafiton’izy io mandritra ny fotoanan’ny farany. Sitrana anefa ilay izy tatỳ aoriana, dia manaraka an’ilay bibidia “ny tany manontolo.” Mampiasa an’ilay bibidia i Satana mba hiadiana amin’ny sisa amin’ny taranak’ilay vehivavy.

    Fahatanterahany: Lasa nisy fitondram-panjakana nanohitra an’i Jehovah taorian’ny Safodrano. Taonjato maro tatỳ aoriana, dia nipoitra ny fitondram-panjakan’i Grande-Bretagne. Nahery be izy io, nefa nihena ny heriny nandritra ny Ady Lehibe I. Lasa natanjaka indray anefa izy rehefa nitambatra taminy i Etazonia. Mampiasa ny fitondram-panjakana rehetra eran-tany i Satana mba hanenjehana ny vahoakan’Andriamanitra, indrindra amin’ny fotoanan’ny farany.

  • Andinin-teny: Dan. 11:25-45

    Faminaniana: Mifaninana mba hahazo fahefana ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo.

    Fahatanterahany: Miady amin’i Grande-Bretagne sy Etazonia i Alemaina. Ny Firaisana Sovietika sy ny mpanohana azy no lasa mpanjakan’ny avaratra tamin’ny 1945. Rava ny Firaisana Sovietika tamin’ny 1991, ka i Rosia sy ny mpanohana azy no lasa mpanjakan’ny avaratra tatỳ aoriana.

  • Andinin-teny: Isaia 61:1; Mal. 3:1; Lioka 4:18

    Faminaniana: Handefa ‘iraka’ i Jehovah mba “hikarakara ny lalana”, alohan’ny hiorenan’ny Fanjakan’ny Mesia. Hanomboka “hilaza vaovao tsara amin’ny mpandefitra” io iraka io.

    Fahatanterahany: Niezaka mafy i Russell sy ny namany nanomboka tamin’ny 1870 mba hanazava ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Nohamafisin’izy ireo nanomboka tamin’ny 1881 hoe tena mila mitory ny mpanompon’Andriamanitra. Namoaka lahatsoratra momba an’izany ry zareo, ohatra hoe “Mitady Mpitory 1000” sy hoe “Voahosotra Hitory.”

  • Andinin-teny: Mat. 13:24-30, 36-43

    Faminaniana: Mamafy voa eny amin’ny tanimbariny ny lehilahy iray. Misy fahavalo mamafy tsimparifary koa anefa ao. Avela hiaraka haniry ny vary sy ny tsimparifary, dia rakotry ny tsimparifary ny vary. Avahana izy ireo rehefa tonga ny fijinjana.

    Fahatanterahany: Lasa niharihary tsikelikely hoe iza no tena Kristianina nanomboka tamin’ny 1870. Mandritra ny fotoanan’ny farany, dia angonina ry zareo ary avahana amin’ny Kristianina sandoka.

  • Andinin-teny: Dan. 2:31-33, 41-43

    Faminaniana: Manana tongotra vy sy tanimanga ny sarivongana lehibe iray vita amin’ny metaly samihafa.

    Fahatanterahany: Olon-tsotra eo ambany fahefan’i Grande-Bretagne sy Etazonia ilay hoe tanimanga, saingy manohitra ny fitondrana izy ireo. Tsy matanjaka hoatran’ny vy i Grande-Bretagne sy Etazonia, noho ny ataon’ireo olona ireo.

  • Andinin-teny: Mat. 13:30; 24:14, 45; 28:19, 20

    Faminaniana: Angonina ho ao amin’ny ‘trano fitehirizana vokatra’ ny “vary”, ary voatendry hikarakara ny ‘mpanompo ao an-trano’ ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” Manomboka torina ‘maneran-tany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.’

    Fahatanterahany: Voatendry hikarakara ny vahoakan’Andriamanitra ilay mpanompo mendri-pitokisana, tamin’ny 1919. Vao mainka nazoto nitory ny Mpianatra ny Baiboly nanomboka tamin’izay. Mitory any amin’ny tany 200 mahery ny Vavolombelon’i Jehovah izao, ary mamoaka boky sy gazety amin’ny fiteny 1000 mahery.

  • Andinin-teny: Dan. 12:11; Apok. 13:11, 14, 15

    Faminaniana: Misy bibidia manana tandroka roa mitaona ny olona hanao “sarin’ilay bibidia” manana loha fito. Omen’ilay bibidia “fofonaina” ilay sary.

    Fahatanterahany: Natsangana ny Fikambanam-pirenena, ary nandray anjara betsaka tamin’izany ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. Nanohana an’ilay fikambanana koa ny firenena hafa. Niditra ho anisan’izy io ny mpanjakan’ny avaratra, saingy tamin’ny 1926 ka hatramin’ny 1933 ihany. Nantenain’ny olona hampisy fandriampahalemana ilay fikambanana, nefa ny Fanjakan’Andriamanitra no hahavita an’izany. Izany koa no antenain’ny olona hoe hataon’ny Firenena Mikambana (ONU).

  • Andinin-teny: Dan. 8:23, 24

    Faminaniana: “Hahatonga faharavana tanteraka” ny mpanjaka iray masiaka endrika.

    Fahatanterahany: Nandravarava sy namono olona be dia be ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. Nanjera baomba ataomika roa tany amin’ny firenena iray, ohatra, i Etazonia nandritra ny Ady Lehibe II, ary voa mafy tsy nisy hoatr’izany ilay firenena. Fahavalon’i Etazonia sy Grande-Bretagne izy io.

  • Andinin-teny: Dan. 11:31; Apok. 17:3, 7-11

    Faminaniana: Misy “bibidia mena midorehitra” manana tandroka folo mivoaka avy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka. Antsoina hoe mpanjaka laharana fahavalo koa izy io, fa “zava-maharikoriko mahatonga faharavana” kosa no iantsoana azy ao amin’ny bokin’i Daniela.

    Fahatanterahany: Tsy nanao na inona na inona ny Fikambanam-pirenena nandritra ny Ady Lehibe II. ‘Natsangana’ anefa ny ONU taorian’ny ady. Hoatran’ny tamin’ny Fikambanam-pirenena ihany, dia manantena ny olona hoe hampisy fandriampahalemana ny ONU, nefa ny Fanjakan’Andriamanitra no hahavita an’izany. Hanafika ny fivavahana ny ONU.

  • Andinin-teny: 1 Tes. 5:3; Apok. 17:16

    Faminaniana: Hilaza hoe “fandriampahalemana sy filaminana” ireo firenena. Hanafika an’ilay “mpivaro-tena” ireo “tandroka folo” sy ilay “bibidia”, ka handringana azy. Ho ringana daholo ireo firenena aorian’izay.

    Fahatanterahany: Hilaza ireo firenena hoe nahavita nampisy fandriampahalemana sy filaminana izy ireo. Handringana ny fivavahan-diso ny firenena manohana ny ONU avy eo. Izay no ho fiandohan’ny fahoriana lehibe. Horinganina daholo ity tontolo ity amin’ny Hara-magedona, ary izay no hamarana ny fahoriana lehibe.

  • Andinin-teny: Ezek. 38:11, 14-17; Mat. 24:31

    Faminaniana: Hamely ny tany misy ny vahoakan’Andriamanitra i Goga, dia hanangona ny ‘olom-boafidy’ ny anjely.

    Fahatanterahany: Hanafika ny vahoakan’Andriamanitra ny mpanjakan’ny avaratra sy ny fitondram-panjakana hafa eran-tany. Hangonina ho any an-danitra ny voahosotra mbola eto an-tany, aorian’ny fanombohan’io fanafihana io.

  • Andinin-teny: Ezek. 38:18-23; Dan. 2:34, 35, 44, 45; Apok. 6:2; 16:14, 16; 17:14; 19:20

    Faminaniana: Hamita ‘ny fandreseny ilay mitaingina soavaly fotsy’, rehefa handringana an’i Goga sy ny tafiny. ‘Hatsipy any amin’ny farihy afo ilay bibidia’, ary hopotehina ilay sarivongana lehibe.

    Fahatanterahany: Hanavotra ny vahoakan’Andriamanitra i Jesosy, ilay Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Handringana an’ireo firenena rehetra manafika ny vahoakan’Andriamanitra i Jesosy sy ireo 144 000 ary ny tafik’anjely. Ho foana tanteraka ny tontolon’i Satana amin’izay.