Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 20

Aza Kivy fa Mitoria Foana!

Aza Kivy fa Mitoria Foana!

“Mamafaza voa ... ary aza atsahatra ny tananao.”​—MPITO. 11:6.

HIRA 70 Tadiavo Izay Mendrika

HO HITANAO ATO *

Nafana fo nitory tao Jerosalema sy tany amin’ny toerana maro hafa ny mpianatr’i Jesosy, taorian’ny niakarany tany an-danitra (Fehintsoratra 1)

1. Inona no modely navelan’i Jesosy ho an’ny mpanara-dia azy, ary nanaraka an’izany ve ry zareo? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

NITORY foana i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany, sady nanantena hoe hihaino azy ny olona. Tiany hanana an’izany toe-tsaina izany koa ny mpianany. (Jaona 4:35, 36) Nazoto nitory ny mpianatr’i Jesosy tamin’izy mbola niaraka tamin-dry zareo. (Lioka 10:1, 5-11, 17) Niova anefa izany rehefa nosamborina sy novonoina izy. Nisy fotoana ry zareo tsy nazoto nitory. (Jaona 16:32) Nampirisika an-dry zareo hifantoka tamin’ny fitoriana àry i Jesosy, rehefa avy natsangana tamin’ny maty. Inona no vokatr’izany? Lasa nafana fo nitory ry zareo taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra. Nitaraina mihitsy ny fahavalon-dry zareo hoe: “Jereo fa nofenoinareo ny fampianaranareo i Jerosalema.”​—Asa. 5:28.

2. Inona no porofo hoe notahin’i Jehovah ny asa fitoriana?

2 Nitarika ny fitoriana nataon’ireo Kristianina voalohany ireo i Jesosy, ary notahin’i Jehovah ry zareo. Vokatr’izany, dia be dia be no nanaiky ny hafatra notoriny. Nisy 3 000 teo ho eo, ohatra, no natao batisa tamin’ny Pentekosta taona 33. (Asa. 2:41) Mbola nitombo be ny isan’ny mpianatr’i Jesosy taorian’izay. (Asa. 6:7) Efa nilaza anefa i Jesosy hoe mbola ho betsaka kokoa no hanaiky ny vaovao tsara amin’ny andro farany.​—Jaona 14:12; Asa. 1:8.

3-4. Nahoana no sarotra ny mitory any amin’ny toerana sasany, ary inona no hodinihintsika ato?

3 Miezaka hanohy hanompo isika rehetra sady manantena hoe handray tsara ny olona. Mora izany any amin’ny tany sasany satria be dia be ny olona te hianatra Baiboly. Misy aza mila ampiandrasina mihitsy satria mbola tsy misy mpitory afaka manampy azy. Sarotra kokoa anefa ny fitoriana any amin’ny tany hafa. Zara raha tratra an-trano mantsy ny olona. Rehefa mba tratra an-trano indray ry zareo, dia tsy dia liana amin’ny Baiboly.

4 Azo inoana fa hanampy anao ny soso-kevitra ato amin’ity lahatsoratra ity, raha sarotra ny fitoriana any aminareo. Horesahina ato hoe inona no nataon’ny mpitory sasany mba hahafahany hahita olona bebe kokoa rehefa manompo. Hodinihintsika koa hoe nahoana isika no afaka ny ho faly foana na mandray ny olona na tsia.

AHOANA RAHA TSY TRATRA AN-TRANO NY OLONA?

5. Inona no olana atrehin’ny mpitory maro?

5 Betsaka ny Vavolombelon’i Jehovah mahita hoe mihasarotra ny mahatratra olona ao an-tranony. Be dia be, ohatra, ny tranobe voaro mafy sy tanàna tsy azo idirana any amin’ny faritra sasany. Misy mpiambina ireny trano ireny indraindray, dia tsy avelany hiditra ao izay olona tsy nahazo alalana avy amin’ny tompon-trano. Tsy manahirana kosa ny mitory isan-trano any amin’ny toerana sasany, saingy vitsy ny olona tratra an-trano. Ny mpitory hafa indray mitory any ambanivohitra na any amin’ny toerana mitokana, nefa vitsy ny olona mipetraka any. Mandeha lavitra be angamba ry zareo mba hitoriana amin’ny olona iray, nefa mety tsy ho tratra akory izy. Tsy tokony ho kivy isika raha miatrika an’ireo olana ireo. Inona anefa no azo atao raha mitranga izany? Ary inona no hanampy antsika hitory amin’ny olona betsaka kokoa?

6. Inona no mampitovy ny mpitory amin’ny mpanarato?

6 Nampitovin’i Jesosy tamin’ny asa fanaratoana ny asa fitoriana. (Mar. 1:17) Mety hanarato mandritra ny andro maromaro ny mpanarato sasany, nefa tsy mahazo na dia trondro iray aza. Tsy kivy anefa ry zareo fa mitady hevitra. Ovany, ohatra, ny fotoana, na ny toerana, na ny fomba anaratoany. Afaka manao hoatr’izany koa isika rehefa mitory. Andao isika handinika soso-kevitra vitsivitsy hanaovana an’izany.

Inona no azo atao rehefa tsy tratra ao an-trano matetika ny olona? Miezaha mitory amin’ny fotoana hafa na any an-toeran-kafa, na manandrama fomba fitory hafa (Fehintsoratra 7-10) *

7. Inona no mety ho vokany raha ovantsika ny fotoana itoriantsika?

7 Manandrama mitory amin’ny fotoana hafa. Eritrereto hoe rahoviana ny olona no mety ho ao an-trano. Mety hahatratra olona betsaka kokoa ianao raha amin’izay no mitory. Tsy maintsy mody ao an-trano tsinona ny olona, na ahoana na ahoana. Maro ny rahalahy sy anabavy mahita hoe tsara ny mitory amin’ny tolakandro na amin’ny hariva. Betsaka kokoa mantsy ny olona tratran-dry zareo amin’iny. Tsy izay ihany fa mety ho tony kokoa ny olona dia hazoto hiresaka. Mety hanampy anao koa ny soso-kevitra nomen’ny anti-panahy antsoina hoe David. Nilaza izy hoe rehefa avy mitory kelikely ao amin’ny faritany iray izy sy ny namany, dia iverenan-dry zareo izay trano tsy nahitany olona. Hoy koa izy: “Gaga aho hoe be dia be ny olona tratra ao an-trano rehefa miverina izahay.” *

Inona no azo atao rehefa tsy tratra ao an-trano matetika ny olona? Miezaha mitory amin’ny fotoana hafa (Fehintsoratra 7-8)

8. Ahoana no azo ampiharana ny Mpitoriteny 11:6?

8 Tsy tokony ho kivy isika fa hanana an’ilay toe-tsaina resahin’ny andinin-teny fototr’ity lahatsoratra ity. (Vakio ny Mpitoriteny 11:6.) Izany no nataon’i David, ilay voaresaka tetsy aloha. Niezaka nitory tao amin’ny trano iray foana izy fa tsy nahatratra olona mihitsy. Nihaona tamin’ilay lehilahy tao ihany anefa izy tamin’ny farany, ary liana tamin’ny Baiboly izy. Izao no noteneniny: “Efa valo taona teo ho eo izay aho no nipetraka teto, fa mbola tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga teto amiko mihitsy.” Izao no nolazain’i David: “Hitako hoe rehefa tratra ihany ilay olona amin’ny farany, dia matetika izy no mandray tsara.”

Inona no azo atao rehefa tsy tratra ao an-trano matetika ny olona? Miezaha mitory any an-toeran-kafa (Fehintsoratra 9)

9. Ahoana no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah sasany mba hitoriana amin’ny olona tsy tratra an-trano?

9 Manandrama mitory any an-toeran-kafa. Ahoana no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah sasany mba hitoriana amin’ny olona tsy tratra an-trano? Ovan-dry zareo ny toerana itoriany. Mitory eny an-dalana na manao fampirantiana, ohatra, ry zareo. Tena mety izany satria amin’ireny no ahafahana mihaona amin’ny olona mipetraka amina trano ngezabe sy tsy azo itoriana isan-trano. Afaka miresaka mivantana amin-dry zareo ny mpitory amin’izay. Tsy izay ihany fa betsaka no mahita hoe mazoto hiresaka kokoa ny olona na manaiky handray boky sy gazety rehefa eny amin’ny zaridainam-panjakana, na eny an-tsena, na any amin’ny toerana be toeram-piasana sy fivarotana. Izao no nolazain’i Floiran, mpiandraikitra ny faritra any Bolivia: “Mitory any amin’ny magazay sy eny an-tsena izahay eo anelanelan’ny amin’ny iray sy amin’ny telo tolakandro eo ho eo. Tsy dia be mpividy mantsy amin’iny. Miresaka tsara ny olona matetika, dia indraindray izahay afaka manomboka fampianarana Baiboly mihitsy.”

Inona no azo atao rehefa tsy tratra ao an-trano matetika ny olona? Manandrama fomba fitory hafa (Fehintsoratra 10)

10. Inona no azonao atao mba hitoriana amin’ny olona?

10 Manandrama fomba fitory hafa. Andao hatao hoe efa imbetsaka ianao no nanandrana nitory tao amin’ny trano iray. Nitory tamin’ny fotoana hafa ianao nefa mbola tsy nahatratra olona ihany. Mety hisy fomba hafa azonao itoriana amin’ilay olona ve? Izao no nolazain’i Katarína: “Manoratra taratasy amin’izay olona tsy tratrako aho, dia soratako ao izay tiako holazaina amin-dry zareo.” Inona no azo ianarana avy amin’izany? Hoe mila mitady hevitra ianao mba hitoriana amin’ny olona rehetra rehefa manompo.

AZA KIVY NA DIA TSY MIRAHARAHA AZA NY OLONA

11. Fa maninona ny olona sasany no tsy miraharaha ny hafatra torintsika?

11 Tsy miraharaha ny hafatra torintsika ny olona sasany. Tsy mahatsapa hoe mila an’Andriamanitra na ny Baiboly ry zareo. Tsy mino an’Andriamanitra ry zareo satria be loatra ny fahoriana hitany. Lasa tsy mino ny Baiboly koa ry zareo rehefa mahita hoe mihatsaravelatsihy ny mpitondra fivavahana. Milaza ho mampihatra an’izay lazain’ny Baiboly mantsy izy ireny, nefa mifanipaka amin’izany ny ataony. Ny olon-kafa indray variana amin’ny asany, na ny fianakaviany, na ny olana mahazo azy, dia mieritreritra hoe tsy afaka manampy azy ny Baiboly. Inona àry no azontsika atao mba ho faly foana rehefa tsy miraharaha ny hafatra torintsika ny olona?

12. Nahoana no manampy antsika amin’ny fanompoana ny Filipianina 2:4?

12 Asehoy hoe miahy azy ianao. Betsaka tamin’ny olona tsy niraharaha ny hafatra torintsika no niova, dia lasa nandray tsara. Fa maninona? Satria tsapany hoe tena niahy azy ilay mpitory. (Vakio ny Filipianina 2:4.) Izao, ohatra, no nolazain’i David, ilay voaresaka tetsy aloha: “Rehefa misy olona miteny hoe tsy liana, dia ampiriminay aloha ny Baiboly sy ny boky sy gazety, dia anontanianay izy hoe: ‘Azoko fantarina ve ny antony, azafady?’” Tsapan’ny olona rehefa miahy azy isika. Mety ho vetivety dia hadinony ny zavatra nolazaintsika, fa azo inoana kosa hoe hotadidiny ny fiahiantsika azy. Na dia tsy mamela antsika hiresaka aza izy, dia azontsika aseho amin’ny fihetsitsika sy ny endritsika hoe miahy azy isika.

13. Inona no tokony hataontsika mba hifanaraka amin’izay ilain’ny olona itoriantsika ny hafatra entintsika?

13 Ahoana koa no hampisehoantsika hoe miahy ny olona isika? Azontsika ampifanarahana amin’izay ilainy sy izay mahaliana azy ny hafatra torintsika. Tsikaritrao ve, ohatra, fa manan-janaka ny olona mipetraka ao amin’ilay trano? Mety hahaliana an-dry zareo ny torohevitry ny Baiboly momba ny fitaizana, na izay lazain’izy io momba ny hoe ahoana no hahatonga ny fianakaviana ho sambatra kokoa. Ahoana indray raha hitanao hoe feno hidim-baravarana ny trano iray? Afaka miresaka aminy momba ny heloka bevava ianao, dia miteny aminy hoe betsaka izao no matahotra vokatr’izany. Mety ho faly ilay olona avy eo haheno hoe hofoanana io olana io. Isaky ny mahita olona vonona hihaino ianao, dia asehoy azy fa afaka manampy azy ny Baiboly. Izao no nolazain’i Katarína, ilay voaresaka tetsy aloha: “Miezaka mitadidy foana aho hoe lasa nihatsara ny fiainako rehefa nahafantatra ny fahamarinana.” Hita amin’ny fomba firesak’i Katarína fa tena mino an’izay lazainy izy, ary tsapan’ny olona iresahany izany.

14. Ahoana no azon’ny mpitory ampiharana ny Ohabolana 27:17?

14 Ilaina ny mifanampy. Natoron’i Paoly an’i Timoty ny fomba fitoriny sy ny fomba fampianarany. Nampirisika an’i Timoty koa izy mba hampita an’izany amin’ny mpiara-manompo. (1 Kor. 4:17) Afaka manao hoatran’i Timoty koa isika, ka miezaka handray soa avy amin’ny rahalahy sy anabavy efa ampy traikefa. (Vakio ny Ohabolana 27:17.) Nanao an’izany ny rahalahy atao hoe Shawn. Nisy fotoana izy nanao mpisava lalana tany ambanivohitra. Afa-po tamin’ny fivavahany ny ankamaroan’ny olona tany. Ahoana àry no nataon’i Shawn mba ho faly foana? Izao no nolazainy: “Raha mbola azo atao, dia nitondra namana foana aho rehefa nitory. Rehefa avy niala tao amin’ny trano iray izahay, dia nifampiresaka hoe ahoana no azonay anatsarana ny fomba fitorinay. Noresahinay, ohatra, hoe nanao ahoana ilay fomba fitorinay teo. Nodinihinay avy eo hoe ahoana no azonay atao amin’ny manaraka raha mbola sendra an’izany.”

15. Nahoana no tena ilaina ny mivavaka rehefa manompo?

15 Mangataha fanampiana amin’i Jehovah. Iangavio i Jehovah mba hitari-dalana anao isaky ny manompo ianao. Tsy hahavita na inona na inona mantsy isika raha tsy ampian’ny fanahiny mahery. (Sal. 127:1; Lioka 11:13) Ataovy mazava tsara izay zavatra angatahanao rehefa mivavaka amin’i Jehovah. Angataho, ohatra, izy mba hanampy anao hahita olona te hahafantatra azy sy vonona hihaino. Manaova zavatra mifanaraka amin’ny vavaka nataonao avy eo, ka itorio daholo izay olona mihaona aminao.

16. Fa maninona no tena ilaina ny fianarana samirery raha te hahita vokatra amin’ny fanompoana?

16 Manokàna fotoana hianarana samirery. Izao no lazain’ny Tenin’Andriamanitra: ‘Fantaro ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.’ (Rom. 12:2) Mihamahafantatra tsara ny marina momba an’i Jehovah isika rehefa mianatra samirery. Inona no ho vokatr’izany? Ho hitan’ny olona hoe tena mino an’izay lazaintsika isika rehefa miresaka momba an’i Jehovah. Izao no nolazain’i Katarína, ilay voaresaka teo aloha: “Nisy fotoana aho tonga saina hoe mila miezaka mba ho resy lahatra kokoa fa tena marina ny fampianarana fototra sasany ao amin’ny Baiboly. Nodinihiko tsara, ohatra, ny porofo hoe nisy namorona izao rehetra izao, hoe tena Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, ary manana fandaminana misolo tena azy Andriamanitra amin’izao.” Nilaza i Katarína hoe nanatanjaka ny finoany ny fianarana samirery sady nanampy azy ho faly kokoa rehefa manompo.

INONA NO HANAMPY ANTSIKA TSY HO KIVY FA HITORY FOANA?

17. Inona no nanampy an’i Jesosy tsy ho kivy fa hitory foana?

17 Tsy kivy i Jesosy fa nitory foana na dia tsy niraharaha ny hafatra notoriny aza ny olona sasany. Fa maninona? Satria fantany hoe tena mila mahalala ny fahamarinana ny olona, dia te hanampy olona betsaka araka izay azo atao izy mba haheno ny vaovao tsara. Fantany koa hoe mety hihaino ihany ny olona sasany rehefa mandeha ny fotoana, na dia tsy miraharaha aza amin’ny voalohany. Hoatr’izany ny iray tam-po tamin’i Jesosy. Tsy nisy lasa mpianany ny rahalahiny nandritra an’ireo telo taona sy tapany nanompoany. (Jaona 7:5) Rehefa natsangana tamin’ny maty anefa izy, dia lasa Kristianina ry zareo.​—Asa. 1:14.

18. Nahoana isika no tsy mitsahatra mitory?

18 Tsy fantatsika hoe iza amin’ny olona itoriantsika no hanaiky ny fahamarinana. Ela kokoa mantsy ny olona sasany vao miova. Misy koa tsy mety hihaino ny hafatra entintsika. Na ireny olona ireny aza anefa mety hiova sy ‘hanome voninahitra an’Andriamanitra’, rehefa mahita hoe tsy kivy mihitsy isika mitory sady tsara fitondran-tena.​—1 Pet. 2:12.

19. Inona no tsy maintsy ekentsika, araka ny 1 Korintianina 3:6, 7?

19 Marina fa mamboly sy manondraka isika, nefa tsy maintsy mitadidy hoe Andriamanitra no mampitombo. (Vakio ny 1 Korintianina 3:6, 7.) Izao no nolazain’i Getahun, rahalahy manompo any Etiopia: “Izaho irery no Vavolombelon’i Jehovah tatỳ amin’ny faritra nisy ahy nandritra ny 20 taona mahery. Efa 14 anefa izao izahay no mpitory atỳ. Vita batisa ny 13, anisan’izany ny vadiko sy ny zanako 3 mianadahy. Roa amby telopolo eo ho eo izao no manatrika fivoriana.” Faly i Getahun hoe nitory foana sady nanam-paharetana, ary niandry an’i Jehovah mba hitaona ny olona tso-po ho anisan’ny fandaminany.​—Jaona 6:44.

20. Inona no itovizantsika amin’ny mpamonjy voina?

20 Sarobidy amin’i Jehovah ny ain’ny olona tsirairay. Avelany hiara-miasa amin’ny Zanany isika mba hanangonana ny olona avy any amin’ny firenena rehetra alohan’ny handringanana an’ity tontolo ity. (Hag. 2:7) Tombontsoa be izany! Azo oharina amin’ny mpamonjy voina isika rehefa mitory. Eritrereto hoe misy olona maromaro tototra any ambanin’ny tany any amin’ny toerana fitrandrahana vato, dia misy ekipa iray voatendry hamonjy an-dry zareo. Tena ilaina ny asan’ny mpamonjy voina tsirairay, na dia mpitrandraka vitsivitsy ihany aza no mety ho voavonjy. Hoatr’izany koa ny fanompoana ataontsika. Tsy fantatsika hoe firy ny olona ho voavonjintsika avy amin’ny tontolon’i Satana. Azon’i Jehovah ampiasaina anefa isika tsirairay. Izao no nolazain’i Andreas, rahalahy any Bolivia: “Fantatro hoe betsaka no nifarimbona nanampy olona iray, matoa izy lasa nahafantatra ny fahamarinana sy natao batisa.” Enga anie àry isika tsy ho kivy mihitsy fa hitory foana! Hotahin’i Jehovah isika raha manao an’izany ary hahafinaritra be antsika ny fanompoana.

HIRA 66 Torio ny Vaovao Tsara

^ feh. 5 Be dia be ve ny olona tsy tratra an-trano any aminareo, sa hoatran’ny hoe tsy miraharaha ny hafatra torintsika ry zareo? Raha izany, dia inona no hanampy antsika tsy ho kivy fa hitory foana? Hiresaka soso-kevitra momba an’izany isika ato.

^ feh. 7 Tokony hankatò ny lalàna momba ny fiarovana fanazavana ny mpitory, rehefa manao an’ireo endri-panompoana resahina ato. Zon’ny olona tsirairay mantsy ny hoe tsy haparitaka ny fanazavana momba azy.

^ feh. 60 SARY (avy any ambony): Mpivady mitory amin’ny faritany tsy dia ahatratrarana olona ao an-trano. Any am-piasana ny olona ao amin’ilay trano voalohany. Ny ao amin’ilay faharoa kosa any amin’ny dokotera. Ny ao amin’ilay fahatelo indray lasa niantsena. Nahavita nitory tamin’ilay olona tao amin’ilay trano voalohany ry zareo rehefa nitory harivariva kokoa. Tafaresaka tamin’ilay olona tao amin’ilay trano faharoa kosa ry zareo, rehefa nanao fampirantiana teny akaikin’ilay toeram-pitsaboana. Afaka niresaka tamin’ilay fahatelo ry zareo rehefa nitory an-telefaonina.