Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Nanamboatra sambo tamin’ny papyrus ve ny olona taloha?

Karazan-jozoro atao hoe papyrus

BETSAKA no mahalala fa karazan-jozoro atao hoe papyrus no tena fampiasan’ny olona tany Ejipta rehefa nanoratra. Nataon’izy ireo solona taratasy izy io. Izany koa no nataon’ny Grika sy ny Romanina. * Vitsy anefa no mahafantatra hoe nanamboarana lakana sy sambo koa izy io.

Sambokely roa vita tamin’ny papyrus, hita tao amin’ny fasana any Ejipta

Niresaka momba ny lakan-jozoro i Isaia mpaminany, 2 500 taona mahery lasa izay. Nanoratra izy hoe nandefa “iraka” ny olona nipetraka tany amin’ny “faritry ny reniranon’i Etiopia”, ary ‘nandeha teny ambony ranomasina sy nandeha lakan-jozoro teny ambony rano’ ireny iraka ireny. Naminany koa i Jeremia tatỳ aoriana hoe hodoran’ny Medianina sy ny Persianina ny lakan-jozoron’ny Babylonianina, rehefa hanafika an’i Babylona ry zareo. Amin’izay ny Babylonianina tsy ho afaka handositra.​—Isaia 18:1, 2; Jer. 51:32.

Tsy gaga ny mpianatra Baiboly raha nahita porofo ny mpikaroka ny any ambany tany hoe nampiasaina hanamboarana sambo tokoa ny papyrus taloha. Avy amin’Andriamanitra mantsy ny Baiboly. (2 Tim. 3:16) Fa inona no hitan’ny mpikaroka? Nahita porofo be dia be izy ireo hoe nanamboatra sambo tamin’io zavamaniry io ny olona tany Ejipta taloha.

AHOANA NO NANAMBOARANA SAMBO TAMIN’NY PAPYRUS?

Misy sary hoso-doko sy sary sokitra hita any anaty fasana any Ejipta. Asehon’izy ireny ny fomba nakana papyrus sy nanamboarana sambo avy amin’izany. Notapahina aloha ny tahona papyrus, ary nofatorana ho fehezana iray ny tahony maromaro. Natambatra ny fehezana maromaro avy eo dia nofatorana. Telozoro ny tahona papyrus, ka izany no mahatonga an’ilay izy hatanjaka sy hifatratra tsara rehefa nafatotra. Milaza ny boky iray momba ny tantaran’i Ejipta hoe mety hahatratra 17 metatra mahery ny halavan’ny sambo vita tamin’ny papyrus, ary omby fivoy 10 na 12 teo amin’ny andaniny sy ankilany.

Sary sokitra any Ejipta, mampiseho fomba fanamboarana sambo amin’ny papyrus

NAHOANA RY ZAREO NO NAMPIASA PAPYRUS?

Betsaka papyrus naniry teny amin’ny Lohasahan’i Neily, any Ejipta. Mora namboarina koa ny sambo vita tamin’ny papyrus. Na dia nanomboka nampiasa hazo aza ny olona rehefa nanamboatra sambo lehibe, dia nampiasa papyrus ihany ny mpanarato sy ny mpihaza mba hanamboarana lakana sy sambokely.

Mbola be mpampiasa ny sambo vita tamin’ny papyrus, nandritra ny fotoana ela. Nilaza ilay mpanoratra grika atao hoe Plutarque fa mbola nampiasa an’izany ny olona tamin’ny androny, izany hoe tamin’ny andron’ny apostoly.

^ feh. 3 Eny amin’ny tany be honahona sy eny akaikin’ny renirano tsy dia mandeha mafy no tena anirian’ny papyrus. Mahatratra 5 metatra eo ho eo ny halavany, ary 15 santimetatra eo ho eo ny savaivon’ny tahony raha eny amin’ny fotony.