LAHATSORATRA FIANARANA 19
Miresaka Momba Anao ny Bokin’ny Apokalypsy
‘Sambatra izay mamaky mafy ny teny ato amin’ity faminaniana ity.’—APOK. 1:3.
HIRA 15 Derao ny Lahimatoan’i Jehovah!
HO HITANAO ATO *
1-2. Inona ny antony iray mahatonga antsika ho liana amin’ny bokin’ny Apokalypsy?
EFA nisy olona nanasa anao hijery sary ve? Tsy fantatrao ny ankamaroan’ny olona tao amin’ireo sary nojerenao. Nisy iray tena nahaliana anao anefa. Nahoana? Satria tao amin’io sary io ianao! Rehefa nandinika an’ilay izy ianao, dia niezaka nitadidy hoe oviana ilay sary no nalaina ary taiza. Niezaka namantatra ny olon-kafa tao amin’ilay sary koa ianao. Hafa mihitsy ny fahitanao an’io sary iray io!
2 Hoatran’io sary io ny bokin’ny Apokalypsy. Fa maninona? Noho ny antony roa, fara fahakeliny: Voalohany, nosoratana ho antsika izy io. Izao no resahin’ny andininy voalohany: “Ny zavatra nahariharin’i Jesosy Kristy, sady nomen’Andriamanitra azy, mba hampisehoana amin’ny mpanompony ny zavatra hitranga tsy ho ela.” (Apok. 1:1) Tsy nosoratana ho an’ny olona amin’ny ankapobeny fotsiny àry io boky io fa nosoratana ho antsika, izany hoe isika mpanompon’Andriamanitra nanokan-tena ho azy. Tsy tokony ho gaga àry isika rehefa mahafantatra hoe mandray anjara amin’ny fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’io boky miavaka io. Hoatran’ny hoe ao amin’ilay sary isika!
3-4. Rahoviana no ho tanteraka ny faminaniana ao amin’ny Apokalypsy, ary inona no tokony ho vokatr’izany amintsika tsirairay?
3 Mahakasika ny fotoana hahatanterahan’ireo faminaniana ny antony faharoa. Niresaka momba an’io fotoana io ny apostoly Jaona tamin’izy efa antitra. Izao no nolazainy: “Nentin’ny fanahy masina ho any amin’ny andron’ny Tompo aho.” (Apok. 1:10) Mbola ho ela ny “andron’ny Tompo” tamin’i Jaona nanoratra an’ireo teny ireo, tamin’ny taona 96 tany ho any. (Mat. 25:14, 19; Lioka 19:12) Araka ny faminanian’ny Baiboly anefa, dia nanomboka tamin’ny 1914 io andro io rehefa lasa Mpanjaka tany an-danitra i Jesosy. Nanomboka tamin’izay, dia tanteraka tsikelikely ny faminaniana momba ny vahoakan’Andriamanitra ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Efa miaina amin’ny “andron’ny Tompo” àry isika!
4 Noho isika miaina amin’izao fotoana miavaka izao, dia isika no tena mila manaraka an’ilay torohevitra feno fitiavana ao amin’ny Apokalypsy 1:3. Izao no voalaza ao: “Sambatra izay mamaky mafy sy mihaino ny teny ato amin’ity faminaniana ity ka manaraka an’izay voasoratra ato anatiny, fa efa akaiky ny fotoana voatondro.” Mila ‘mamaky mafy sy mihaino ny teny ao amin’io faminaniana io’ tokoa isika, ary “manaraka” an’izany. Inona ny sasany amin’ireo teny mila arahintsika ireo?
ATAOVY AZO ANTOKA HOE EKEN’I JEHOVAH NY FANOMPOANAO AZY
5. Nahoana no tokony hataontsika azo antoka hoe eken’i Jehovah ny fanompoantsika azy, araka ny bokin’ny Apokalypsy?
5 Vao manomboka ny bokin’ny Apokalypsy dia efa mampahafantatra antsika hoe hain’i Jesosy tsara ny zava-mitranga ao amin’ny fiangonana kristianina. (Apok. 1:12-16, 20; 2:1) Manaporofo an’izany ny hafatra nomeny ho an’ny fiangonana fito tany Azia Minora. Nanome torohevitra voafaritra tsara ho azy ireo izy, mba hanampiana an-dry zareo hahazo antoka hoe neken’i Jehovah ny fanompoana nataony. Mihatra amin’ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao koa ny zavatra nolazainy. Inona no ianarantsika avy amin’izany? I Kristy Jesosy no Mpitarika antsika ary fantany tsara hoe manahoana ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Mpiandraikitra antsika izy sady miaro antsika, ary mahita ny zava-drehetra. Fantany hoe inona no tokony hataontsika mba hankasitrahan’i Jehovah foana isika. Inona àry ny torohevitra nomeny ka mila ampiharintsika?
6. a) Inona ny olana lehibe natrehin’ny fiangonan’i Efesosy, araka ny Apokalypsy 2:3, 4? b) Inona no ianarantsika avy amin’izany?
6 Vakio ny Apokalypsy 2:3, 4. Aza avela hihena mihitsy ilay fitiavanao voalohany. Hita amin’ilay tenin’i Jesosy ho an’ny fiangonan’i Efesosy fa niaritra izy ireo, ary nahavita nanompo an’i Jehovah foana na teo aza ny olana isan-karazany. Navelany hihena anefa ilay fitiavany voalohany. Nila namelona an’izany fitiavany an’i Jehovah izany indray ry zareo, raha tsy izany dia tsy ho nekeny ny fanompoan’izy ireo. Hoatr’izany koa amin’izao. Tsy ampy ny hoe miaritra, fa tokony ho antony tsara no anaovantsika an’izany. Tsy izay ataontsika ihany mantsy no mahaliana an’Andriamanitra, fa ny antony anaovantsika an’ilay izy koa. Zava-dehibe aminy ny antony anaovantsika zavatra. Tiany mantsy raha manompo azy isika satria tena tia sy mankasitraka azy.—Ohab. 16:2; Mar. 12:29, 30.
7. a) Inona ny olana hitan’i Jesosy tao amin’ny fiangonan’i Sardisy, araka ny Apokalypsy 3:1-3? b) Inona no mila ataontsika?
7 Vakio ny Apokalypsy 3:1-3. Tsy maintsy mifoha sy miambina foana isika. Nanana olana hafa indray ny fiangonan’i Sardisy. Nazoto nanompo ry zareo taloha nefa lasa kamokamo. Nasain’i Jesosy ‘nifoha’ àry izy ireo. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Marina aloha hoe tsy hanadino an’izay nataontsika ho azy i Jehovah. (Heb. 6:10) Tsy tokony hieritreritra anefa isika hoe efa ampy izay fanompoana vitantsika izay. Na dia tsy mahavita firy hoatran’ny taloha aza isika, dia tokony ho be atao foana amin’ny “asan’ny Tompo”, ka hifoha sy hiambina mandra-pahatongan’ny farany.—1 Kor. 15:58; Mat. 24:13; Mar. 13:33.
8. Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Jesosy ho an’ireo rahalahy tany Laodikia? (Apokalypsy 3:15-17)
8 Vakio ny Apokalypsy 3:15-17. Tsy maintsy mazoto manompo isika sady manao an’izany amin’ny fo manontolo. Nanasongadina olana hafa i Jesosy tao amin’ilay hafatra ho an’ny fiangonan’i Laodikia. Nolazainy hoe “matimaty” ry zareo, satria tsy rototra tamin’ny fanompoana. Izany no nahatonga azy hiteny hoe “ory sy mampalahelo” ry zareo. Nila nafana fo ry zareo rehefa nanompo sy nanao zavatra ho an’i Jehovah. (Apok. 3:19) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Raha somary nihena ny hafanam-pontsika, dia tsy maintsy miezaka hankasitraka kokoa an’izay rehetra omen’i Jehovah sy ny fandaminany isika. (Apok. 3:18) Tsy tiantsika raha hoe variana manao izay hampetipety ny fiainantsika isika, dia lasa tsirambina ny fanompoantsika an’i Jehovah.
9. Inona no tsy maintsy halavirintsika, araka ny tenin’i Jesosy ho an’ny Kristianina tany Pergamosy sy Tyatira?
9 Tsy maintsy mandà ny fampianaran’ny mpivadi-pinoana isika. Nanarin’i Jesosy ny Kristianina sasany tany Pergamosy, satria nahatonga an’ireo rahalahy hisaratsaraka sady nampisy sekta. (Apok. 2:14-16) Ny sasany tany Tyatira indray noderainy satria nanalavitra ny “zava-dalin’i Satana”, ary nampirisihiny mba ‘hihazona mafy’ ny fahamarinana. (Apok. 2:24-26) Nila nibebaka àry izay Kristianina nalemy finoana nanaraka fampianaran-diso. Ary ahoana ny amintsika? Tsy maintsy mandà an’izay fampianarana mifanohitra amin’ny fomba fisainan’i Jehovah isika. Mety ho “hoatran’ny hoe mpivavaka be” ny mpivadi-pinoana, nefa “tsy misy heriny eo amin’ny fiainany ny maha mpivavaka azy.” (2 Tim. 3:5) Ho mora kokoa amintsika ny hamantatra sy handa ny fampianaran-diso, rehefa mazoto mianatra ny Tenin’Andriamanitra isika.—2 Tim. 3:14-17; Joda 3, 4.
10. Inona koa no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Jesosy ho an’ny fiangonan’i Pergamosy sy Tyatira?
10 Aza manao, na milefitra, na mankasitraka fitondran-tena ratsy, na inona na inona. Mbola nisy olana hafa koa tany Pergamosy sy Tyatira. Nomelohin’i Jesosy ny olona sasany tao amin’ireo fiangonana ireo, satria ratsy fitondran-tena sady nilefitra tamin’izany. (Apok. 2:14, 20) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Raha ratsy fitondran-tena isika, dia tsy afaka manantena hoe hilefitra amin’izany i Jehovah, na dia efa an-taonany maro aza isika no nanompo azy sady manana tombontsoam-panompoana be dia be. (1 Sam. 15:22; 1 Pet. 2:16) Tiany isika raha manaraka ny fitsipiny momba ny fitondran-tena foana, na miharatsy hoatran’ny inona aza ny fitondran-tenan’ny olona eto amin’izao tontolo izao.—Efes. 6:11-13.
11. Inona no nianarantsika hatreto? (Jereo koa ilay hoe “ Lesona ho Antsika.”)
11 Ahoana no azo amintinana ny zavatra nianarantsika hatreto? Hitantsika teo hoe tsy maintsy ataontsika azo antoka fa eken’i Jehovah ny fanompoantsika azy. Raha manao zavatra mety hahatonga ny fanompoantsika tsy hekeny isika, dia mila manao zavatra haingana mba hanitsiana an’izany. (Apok. 2:5, 16; 3:3, 16) Mbola nanasongadina zavatra hafa koa anefa i Jesosy. Inona izany?
TOKONY HO VONONA HIARITRA FANENJEHANA ISIKA
12. Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Jesosy ho an’ireo tany Smyrna sy Filadelfia? (Apokalypsy 2:10)
12 Andao isika izao handinika ny hafatra nomen’i Jesosy ho an’ny fiangonana tany Smyrna sy Filadelfia. Nilaza tamin’ny Kristianina tany izy mba tsy hatahotra fanenjehana. Hahazo valisoa mantsy izy ireo raha tsy mivadika. (Vakio ny Apokalypsy 2:10; 3:10) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy maintsy manampo isika hoe henjehina ary tokony ho vonona hiaritra. (Mat. 24:9, 13; 2 Kor. 12:10) Nahoana no tena ilaina izany fampahatsiahivana izany?
13-14. Nahoana no mahakasika ny vahoakan’Andriamanitra ilay resahin’ny Apokalypsy toko faha-12?
13 Resahin’ny Apokalypsy amintsika fa henjehina ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny “andron’ny Tompo”, izany hoe amin’izao androntsika izao. Resahin’ny toko faha-12 hoe nisy ady nipoaka tany an-danitra raha vao nanomboka nitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Niady tamin’i Satana sy ny demoniany i Mikaela, izany hoe i Jesosy Kristy, sy ny tafiny. (Apok. 12:7, 8) Resy ireo fahavalon’Andriamanitra ireo, dia natsipy tetỳ amin’ny manodidina ny tany. Lasa nijaly be àry ny olombelona. (Apok. 12:9, 12) Inona kosa no vokatr’izany tamin’ny vahoakan’Andriamanitra?
14 Tantarain’ny Apokalypsy avy eo ny zavatra nataon’i Satana. Tsy navela ho any an-danitra intsony izy, dia ny sisa voahosotra no nanamparany ny hatezerany. Ireo mantsy no solontenan’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany sady “nasaina nitory momba an’i Jesosy.” (Apok. 12:17; 2 Kor. 5:20; Efes. 6:19, 20) Ahoana no nahatanterahan’io faminaniana io?
15. Iza ireo ‘vavolombelona roa’ resahin’ny Apokalypsy toko faha-11, ary inona no nitranga tamin-dry zareo?
15 Nataon’i Satana izay hanafihana an’ireo rahalahy voahosotra nitarika ny asa fitoriana an’ilay Fanjakana. Ireo rahalahy ireo no tiana holazaina amin’ilay ‘vavolombelona roa’ nisy namono ho faty. * (Apok. 11:3, 7-11) Nisy nanendrikendrika ny valo tamin’ireo rahalahy manana andraikitra tamin’ny 1918, ary samy voasazy higadra ela be. Hoatran’ny hoe novonoina ho faty àry ny asa nataon’ireo voahosotra ireo, raha ny fahitan’ny olombelona azy.
16. Inona ny zavatra tsy nampoizina nitranga tamin’ny 1919, nefa inona no mbola nataon’i Satana?
16 Hovelomina indray ireo ‘vavolombelona roa’ ireo rehefa afaka kelikely, araka ny resahin’ilay faminaniana ao amin’ny Apokalypsy toko faha-11. Tanteraka ilay faminaniana tsy ampy herintaona taorian’ny nanagadrana an-dry zareo. Nisy zavatra tsy nampoizina nitranga mantsy. Navoaka ny fonja ireo rahalahy voahosotra ireo tany am-piandohan’ny 1919, ary nafahana madiodio. Tonga dia niverina nanao ny asan’ilay Fanjakana indray ry zareo. Mbola nanao ny ataony foana anefa i Satana! Nanomboka teo dia nanenjika ny vahoakan’Andriamanitra rehetra izy, ary oharina amin’ny “renirano” izany fanenjehana izany. (Apok. 12:15) Marina mihitsy ilay hoe “eo ny [tsirairay amintsika] no mila miaritra sy manana finoana.”—Apok. 13:10.
ATAOVY TSARA ILAY ASA AMPANAOVIN’I JEHOVAH ANTSIKA
17. Inona no fanampiana tsy nampoizina azon’ny vahoakan’Andriamanitra na teo aza ny fanafihan’i Satana?
17 Resahin’ny Apokalypsy toko faha-12 fa hahazo fanampiana amin’ny fomba tsy ampoizina ny vahoakan’Andriamanitra. Hoatran’ny hoe natelin’ny “tany” ilay “renirano”, izany hoe ny fanenjehana. (Apok. 12:16) Izany mihitsy no nitranga! Mamonjy ny vahoakan’Andriamanitra mantsy ny ampahany amin’ny tontolon’i Satana indraindray, anisan’izany ny fitsarana sasany. Imbetsaka ny mpanompon’i Jehovah no nandresy teny amin’ny fitsarana, ka afaka nahazo fahalalahana kely. Nohararaotin-dry zareo izany mba hanaovana an’ilay asa nampanaovin’i Jehovah azy. (1 Kor. 16:9) Inona avy izany asa izany?
18. Inona ny asa lehibe indrindra ataontsika amin’izao andro farany izao?
18 Naminany i Jesosy fa hitory ny ‘vaovao tsaran’ny [Fanjakan’Andriamanitra]’ maneran-tany ny vahoakany, alohan’ny hahatongavan’ny farany. (Mat. 24:14) Hanampy azy ireo amin’izany ny anjely iray, na anjely maromaro. Lazaina hoe ‘mitondra vaovao tsara izy ireo, dia vaovao tsara mandrakizay hotorina amin’ny mponina eto an-tany, amin’ny firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra.’—Apok. 14:6.
19. Inona koa ny hafatra tsy maintsy torin’ireo tia an’i Jehovah?
19 Tsy ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ihany no tsy maintsy torin’ny vahoakan’Andriamanitra. Mila tohanan’izy ireo koa ny asa ataon’ireo anjely resahin’ny Apokalypsy toko faha-8 ka hatramin’ny faha-10. Milaza loza maromaro hanjo an’izay mandà ny Fanjakan’Andriamanitra ireo anjely ireo. Izany no mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah hanambara hafatra oharina amin’ny “havandra sy afo.” (Apok. 8:7, 13) Tsy inona izany fa ny didim-pitsaran’Andriamanitra ho an’ireo ampahany samihafa eo amin’ny tontolo ratsin’i Satana. Mila fantatry ny olona hoe efa akaiky ny farany. Ho afaka hanao fiovana be eo amin’ny fiainany ry zareo amin’izay, dia ho tafavoaka velona amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah. (Zef. 2:2, 3) Maro anefa no tsy tia an’io hafatra io. Tsy maintsy be herim-po àry isika mba hahavita hitory azy io. Mbola ho mafy kokoa aza ilay didim-pitsarana farany hotorintsika mandritra ny fahoriana lehibe.—Apok. 16:21.
ARAHO NY TENY AO AMIN’ILAY FAMINANIANA
20. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra roa manaraka?
20 Tena mila manaraka ‘ny teny ao amin’io faminaniana io’ isika, satria isika anisan’ny manatanteraka an’izay vakintsika ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. (Apok. 1:3) Inona anefa no hanampy antsika hiaritra fanenjehana sy tsy hivadika ary ho sahy hitory an’ireo hafatra ireo foana? Zavatra roa no hanampy antsika: 1) Izay resahin’ny Apokalypsy momba ny fahavalon’Andriamanitra, ary 2) ny fitahiana ho azontsika amin’ny hoavy raha tsy mivadika isika. Handinika an’ireo isika ao amin’ny lahatsoratra roa manaraka.
HIRA 32 Miandania Amin’i Jehovah!
^ Miavaka ny fotoana iainantsika. Tanteraka amin’izao mantsy ny faminaniana resahin’ny Apokalypsy. Nahoana no mahakasika antsika ireo faminaniana ireo? Hiresaka hevitra vitsivitsy avy ao amin’ny Apokalypsy ity lahatsoratra ity sy ny roa manaraka. Horesahina amin’izany fa heken’i Jehovah Andriamanitra foana ny fanompoantsika azy, raha manaraka an’izay lazain’io boky io isika. Hohazavaina ao koa ny fomba hanaovantsika an’izany.
^ Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra 2014, p. 30.