Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 20

Miresaka Momba ny Fahavalon’Andriamanitra ny Bokin’ny Apokalypsy

Miresaka Momba ny Fahavalon’Andriamanitra ny Bokin’ny Apokalypsy

“Nangonin’izany fanambarana izany ho any amin’ilay toerana antsoina amin’ny teny hebreo hoe Aramagedona ireny mpanjaka ireny.”​—APOK. 16:16.

HIRA 150 Mitadiava An’i Jehovah mba ho Voavonjy

HO HITANAO ATO *

1. Inona no lazain’ny bokin’ny Apokalypsy fa ataon’i Satana amin’ny vahoakan’Andriamanitra?

 RESAHIN’NY bokin’ny Apokalypsy hoe efa manjaka any an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra, ary efa noroahina avy tany i Satana. (Apok. 12:1-9) Nilamina ny tany an-danitra vokatr’izany, fa niteraka olana ho antsika kosa izany. Fa maninona? Satria manampatra ny hatezerany amin’ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika etỳ an-tany i Satana.​—Apok. 12:12, 15, 17.

2. Inona no hanampy antsika tsy hivadika amin’i Jehovah?

2 Inona no hanampy antsika tsy hivadika amin’i Jehovah rehefa manafika i Satana? (Apok. 13:10) Anisan’ny hanampy antsika ny mahalala an’izay hitranga amin’ny hoavy. Resahin’ny apostoly Jaona ao amin’ny Apokalypsy, ohatra, ny fitahiana sasany ho azontsika tsy ho ela. Anisan’izany ny hoe horinganina ny fahavalon’Andriamanitra. Andao àry aloha hojerentsika hoe ahoana no hiresahan’ny Apokalypsy an’ireo fahavalo ireo, ary inona no hitranga amin-dry zareo.

“FAMANTARANA” NO IRESAHANA NY FAHAVALON’ANDRIAMANITRA

3. Inona no famantarana sasany resahin’ny Apokalypsy?

3 Vao manomboka ny Apokalypsy dia efa milaza fa aseho amin’ny alalan’ny “famantarana”, na an’ohatra, ny fanazavana ho hita ao. (Apok. 1:1) Oharina amin’ny bibidia maromaro ny fahavalon’Andriamanitra ao. Voalaza ao, ohatra, fa misy ‘bibidia miakatra avy ao amin’ny ranomasina.’ Manana “tandroka folo sy loha fito” izy io. (Apok. 13:1) Nanaraka azy io ny ‘bibidia hafa iray miakatra avy amin’ny tany.’ Miteny hoatran’ny dragona izy io, ary ‘mandatsaka afo avy any an-danitra.’ (Apok. 13:11-13) Misy bibidia hafa indray avy eo. “Mena midorehitra” ilay izy ary misy mpivaro-tena mitaingina azy. Ny fahavalon’Andriamanitra no oharina amin’ireo bibidia telo ireo, ary efa ela ry zareo no nanohitra an’i Jehovah sy ny Fanjakany. Tena ilaintsika àry ny mahafantatra hoe iza izy ireo.​—Apok. 17:1, 3.

BIBY EFATRA NGEZABE

‘Mivoaka avy ao anaty ranomasina’ izy ireo. (Dan. 7:1-8, 15-17) Ilazana an’ireo firenena matanjaka nifehy ny vahoakan’Andriamanitra na nanenjika azy ireo, nanomboka tamin’ny andron’i Daniela (Fehintsoratra 4, 7)

4-5. Nahoana no manampy antsika hahazo ny dikan’ireo famantarana ireo izay voalazan’ny Daniela 7:15-17?

4 Iza àry ireo fahavalo ireo? Mba hahafantarantsika an’izany, dia mila haintsika aloha hoe inona no tiana haseho amin’ireo bibidia ireo sy ilay mpivaro-tena. Fa aleo ny Baiboly ihany no hanazava azy. Efa hazavaina ao amin’ny boky hafa mantsy ny ankamaroan’ireo famantarana ao amin’ny Apokalypsy. Nanonofy, ohatra, i Daniela mpaminany hoe nahita “biby ngezabe efatra nivoaka avy tao anaty ranomasina.” (Dan. 7:1-3) Nohazavainy hoe “mpanjaka”, na fitondram-panjakana, efatra ireo bibidia ngezabe ireo. (Vakio ny Daniela 7:15-17.) Manampy antsika izany mba hahazo hoe inona no tiana haseho amin’ireo bibidia ao amin’ny Apokalypsy. Midika ho fitondram-panjakana koa àry izy ireo.

5 Handinika ny famantarana sasany ao amin’ny Apokalypsy isika izao. Ho hitantsika amin’izany hoe manampy antsika hahalala ny dikan’ireo famantarana ireo ny Baiboly. Ireo bibidia isan-karazany aloha no hanombohantsika azy. Hofantarintsika voalohany hoe iza izy ireo. Horesahintsika avy eo izay hitranga aminy. Handinika an’izay lesona azo raisina isika amin’ny farany.

FANTATRA IHANY IREO FAHAVALON’ANDRIAMANITRA

BIBIDIA MANANA LOHA FITO

‘Miakatra avy ao amin’ny ranomasina’ izy io, sady manana loha fito sy tandroka folo ary diadema folo. (Apok. 13:1-4) Ilazana ny fitondram-panjakana rehetra nifehy ny olombelona hatramin’izay. Ny loha fito kosa dia ilazana an’ireo firenena fito matanjaka indrindra mifehy ny vahoakan’Andriamanitra, na manenjika azy ireo (Fehintsoratra 6-8)

6. Inona no tiana holazaina amin’ilay bibidia manana loha fito ao amin’ny Apokalypsy 13:1-4?

6 Inona ilay bibidia manana loha fito? (Vakio ny Apokalypsy 13:1-4.) Hoatran’ny leopara io bibidia io, saingy hoatran’ny tongotry ny orsa ny tongony, ary hoatran’ny vavan’ny liona ny vavany. Manana tandroka folo izy io. Miresaka biby hoatran’ireo koa ny Daniela toko faha-​7. Misy tsy itovizany ihany anefa. Bibidia anankiray ilay ao amin’ny Apokalypsy, fa bibidia efatra samy hafa kosa ilay ao amin’ny Daniela. Tsy fanjakana iray na firenena matanjaka iray fotsiny àry ilay ao amin’ny Apokalypsy. Voalaza mantsy hoe nomena fahefana “tamin’ny foko sy vahoaka sy olona samy hafa fiteny ary firenena rehetra” izy io. Midika izany fa tsy fitondram-panjakana iray fotsiny io bibidia io fa lehibe lavitra noho izany. (Apok. 13:7) Ny fitondram-panjakana rehetra nifehy ny olombelona hatramin’izay àry no tiana horesahina amin’izy io. *​—Mpito. 8:9.

7. Iza avy ireo loha fito amin’ilay bibidia?

7 Iza avy ireo loha fito amin’ilay bibidia? Manampy antsika hahita ny valin’izany ny Apokalypsy toko faha-​17. Voaresaka ao mantsy ny sarin’ilay bibidia ao amin’ny Apokalypsy toko faha-​13. Hoy ny Apokalypsy 17:10: “Misy mpanjaka fito: Efa lavo ny dimy, fa ny iray mbola eo, ary ny iray mbola tsy tonga. Rehefa tonga anefa izy, dia hijanona kelikely eo.” Amin’ireo fitondram-panjakana rehetra nampiasain’i Satana hatramin’izay, dia fito no tena misongadina, ka azo antsoina hoe ‘lohany.’ Izay firenena matanjaka nanao zavatra nisy vokany be tamin’ny vahoakan’Andriamanitra no tiana horesahina amin’izany. Efa avy nitondra ny dimy tamin’ireo, tamin’ny andron’ny apostoly Jaona. Ireto avy izany: Ejipta, Asyria, Babylona, Media-Persa, ary Gresy. I Roma kosa ilay firenena matanjaka fahenina. Mbola nitondra izy io tamin’i Jaona nasaina nanoratra ny Apokalypsy. Ary iza ilay firenena matanjaka fahafito sady farany?

8. Iza ilay loha fahafito amin’ilay bibidia?

8 Iza moa no firenena matanjaka indrindra mitondra amin’izao andro farany izao, izany hoe mandritra ny “andron’ny Tompo”? (Apok. 1:10) Ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. Fitambaran’i Grande-Bretagne sy Etazonia izy io. Ho hitantsika fa manaporofo an’izany ny faminaniana ao amin’ny bokin’i Daniela. Afaka milaza àry isika fa ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina no loha fahafito farany amin’ilay bibidia voaresaka ao amin’ny Apokalypsy 13:1-4.

BIBIDIA MANANA TANDROKA ROA HOATRAN’NY AN’NY ZANAK’ONDRY

‘Miakatra avy amin’ny tany’ izy io, ary ‘miteny toy ny dragona.’ ‘Mandatsaka afo avy any an-danitra’ izy. “Mpaminany sandoka” koa izy sady manao famantarana. (Apok. 13:11-15; 16:13; 19:20) Samy iantsoana ny firenena matanjaka Anglisy-Amerikanina ny hoe bibidia manana tandroka roa sy mpaminany sandoka. Mamitaka ny mponina eran-tany mantsy izy io, sady milaza amin-dry zareo mba “hanao ny sarin’ilay bibidia” manana loha fito sy tandroka folo (Fehintsoratra 9)

9. Iza ilay bibidia manana “tandroka roa hoatran’ny an’ny zanak’ondry”?

9 Misy zavatra hafa koa resahin’ny Apokalypsy toko faha-​13 momba an’ilay loha fahafito, na ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. Oharina amin’ny bibidia manana “tandroka roa hoatran’ny an’ny zanak’ondry” izy io, ‘saingy miteny toy ny dragona.’ “Nanao famantarana lehibe teo imason’ny olona” io bibidia io, ka “nandatsaka afo avy any an-danitra ho etỳ an-tany mihitsy aza.” (Apok. 13:11-15) Antsoina hoe “mpaminany sandoka” izy io ao amin’ny Apokalypsy toko faha-​16 sy faha-​19. (Apok. 16:13; 19:20) Milaza zavatra mitovitovy amin’izany koa i Daniela. Resahiny hoe “handravarava tsy misy hoatr’izany” ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. (Dan. 8:19, 23, 24) Izany mihitsy no nitranga nandritra ny Ady Lehibe II. Niara-niasa mantsy ny mpahay siansa britanika sy amerikanina mba hamorona baomba ataomika roa. Ireo baomba nalatsaka tany Japon ireo no namarana an’ilay ady. “Nandatsaka afo avy any an-danitra ho etỳ an-tany” tokoa ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina tamin’izay.

BIBIDIA MENA MIDOREHITRA

Mitaingina azy io ny mpivaro-tena iray, izany hoe i Babylona Lehibe. Antsoina koa io bibidia io hoe mpanjaka laharana fahavalo. (Apok. 17:3-6, 8, 11) Mifehy an’ilay bibidia ilay mpivaro-tena amin’ny voalohany, nefa ringaniny avy eo. Ny fivavahan-diso maneran-tany no tiana holazaina amin’ilay hoe mpivaro-tena. Ny Firenena Mikambana ilay bibidia amin’izao, ary manampy ny fitondram-panjakana eran-tany izy io (Fehintsoratra 10, 14-17)

10. Iza no mifanitsy amin’ny “sarin’ilay bibidia”? (Apokalypsy 13:14, 15; 17:3, 8, 11)

10 Handinika bibidia hafa indray isika izao. Mitovitovy amin’ilay bibidia manana loha fito izy io, saingy mena midorehitra ny lokony. Antsoina hoe “ny sarin’ilay bibidia” izy io, sady lazaina fa “mpanjaka laharana fahavalo.” * (Vakio ny Apokalypsy 13:14, 15; 17:3, 8, 11.) Nipoitra io “mpanjaka” io, dia avy eo tsy teo intsony, ary nipoitra indray. Mahalaza tsara ny Firenena Mikambana izany. Manampy ny fitondram-panjakana eran-tany izy io. Fikambanam-pirenena no niantsoana azy taloha. Tsy nisy intsony izy io nandritra ny Ady Lehibe II, ary lasa Firenena Mikambana no iantsoana azy izao.

11. Inona no ataon’ireo bibidia? Nahoana anefa isika no tsy tokony hatahotra an-dry zareo?

11 Hampirisika ny olona hanohitra an’i Jehovah sy ny vahoakany ireo bibidia ireo, na ny fitondram-panjakana. Hoatran’ny hoe hanangona “ny mpanjakan’ny tany manontolo” izy ireo ho amin’ny ady Aramagedona, na ilay “andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.” (Apok. 16:13, 14, 16) Tsy hisy hatahorantsika anefa! Hanao zavatra haingana mantsy i Jehovah. Hamonjy an’izay rehetra manohana ny fitondrany ilay Andriamanitsika tena miavaka.​—Ezek. 38:21-23.

12. Inona no hiafaran’ireo bibidia rehetra ireo?

12 Inona no hiafaran’ireo bibidia rehetra ireo? Izao no lazain’ny Apokalypsy 19:20: “Nosamborina ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka, izay nanao famantarana teo anatrehan’ilay bibidia, dia famantarana namitahany an’izay nandray ny marik’ilay bibidia sy izay nivavaka tamin’ny sariny. Samy natsipy velona tao amin’ny farihy afo arehitry ny solifara izy ireo avy eo.” Mbola eo am-perinasa àry ireo fitondram-panjakana ireo no haringan’Andriamanitra mandrakizay.

13. Inona ny olana hitan’ny Kristianina noho ny afitsoky ny fitondram-panjakana sasany?

13 Inona ny lesona ho antsika? Kristianina isika, dia tsy tokony hivadika amin’Andriamanitra sy ny Fanjakany mihitsy. (Jaona 18:36) Hahavita tsy hivadika isika, raha tsy midikiditra amin’ny resaka politika. Mety ho tena sarotra anefa izany. Teren’ny fitondram-panjakana hanohana tanteraka azy ireo mantsy isika, na amin’izay lazaintsika izany na amin’ny ataontsika. Hahazo ny mariky ny bibidia izay rehetra manohana an-dry zareo. (Apok. 13:16, 17) Lasa tsy hankasitrahan’i Jehovah anefa izay manana an’ilay marika, sady tsy hiaina mandrakizay. (Apok. 14:9, 10; 20:4) Tsy tokony hidikiditra amin’ny resaka politika sy ady mihitsy àry isika tsirairay, na dia manery antsika hoatran’ny inona aza ny fitondram-panjakana. Tena zava-dehibe izany!

HO RATSY FIAFARA ILAY MPIVARO-TENA LEHIBE

14. Inona ilay zavatra mahagaga hitan’ny apostoly Jaona avy eo, araka ny Apokalypsy 17:3-5?

14 Nisy zavatra hafa hitan’ny apostoly Jaona indray, dia “gaga be” mihitsy izy. Inona izany? Vehivavy mitaingina ny iray amin’ireo bibidia masiaka ireo. (Apok. 17:1, 2, 6) Resahina hoe “mpivaro-tena lehibe” izy io, ary “Babylona Lehibe” ny anarany. ‘Mijangajanga amin’ny mpanjakan’ny tany’ ilay vehivavy.​—Vakio ny Apokalypsy 17: 3-5.

15-16. Iza i “Babylona Lehibe” ary ahoana no ahalalantsika an’izany?

15 Iza i “Babylona Lehibe”? Tsy fikambanana ara-politika ilay vehivavy. Nahoana? Satria mijangajanga amin’ny mpitondra fanjakana eo amin’izao tontolo izao izy. (Apok. 18:9) Miezaka mifehy azy ireo mihitsy aza izy, ka lazaina hoe mitaingina an-dry zareo. Tsy ny tontolon’ny varotra mpangoron-karena eto amin’ny tontolon’i Satana koa izy io. Antsoina hoe “mpivarotra eto an-tany” mantsy ry zareo any amin’ny andininy hafa.​—Apok. 18:11, 15, 16.

16 Ny hoe “mpivaro-tena” ao amin’ny Baiboly, dia ilazana an’izay mihambo ho manompo an’Andriamanitra, nefa manompo sampy na minamana amin’izao tontolo izao. (1 Tan. 5:25; Jak. 4:4) “Madio” na “virjiny” kosa no ilazana an’izay tena manompo an’Andriamanitra sady tsy mivadika aminy. (2 Kor. 11:2; Apok. 14:4) Foiben’ny fivavahan-diso ny tanànan’i Babylona taloha. Ny karazana fivavahan-diso rehetra àry no antsoina hoe Babylona Lehibe.​—Apok. 17:5, 18; jereo ao amin’ny jw.org ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Babylona Lehibe?

17. Inona no hanjo an’i Babylona Lehibe?

17 Inona no hanjo an’i Babylona Lehibe? Mamaly an’izany ny Apokalypsy 17:16, 17. Izao no voalaza ao: “Ny tandroka folo efa hitanao, sy ilay bibidia, dia hankahala an’ilay mpivaro-tena ka handroba an’izay ananany rehetra sy hampiboridana azy. Dia hohanin’izy ireo ny nofony, ary hodorany tanteraka amin’ny afo izy. Efa nataon’Andriamanitra tao am-pon’izy ireo mantsy ny hanatanteraka ny heviny.” I Jehovah no hampirisika an’ireo firenena hampiasa an’ilay bibidia mena midorehitra, na ny Firenena Mikambana, mba hanafika ny fivavahan-diso rehetra ary handringana tanteraka azy.​—Apok. 18:21-24.

18. Ahoana no ampisehoantsika hoe tsy manohana an’i Babylona Lehibe mihitsy isika?

18 Inona ny lesona ho antsika? Tokony ‘hadio sady tsy hisy loto’ mihitsy ny fivavahantsika ‘eo imason’ilay Andriamanitsika.’ (Jak. 1:27) Tsy hino fampianaran-diso mihitsy isika, na hanao fety fanaon’ny mpanompo sampy, na hilefitra amin’ny fitondran-tena ratsy, na hanao zavatra misy ifandraisany amin’ny fanahy ratsy. Ireo mantsy no mampiavaka an’i Babylona Lehibe. Handrisika ny olona foana koa isika mba ‘hivoaka avy ao aminy’, amin’izay ry zareo tsy eritreretin’Andriamanitra hoe meloka hoatr’azy.​—Apok. 18:4.

NY DIDIM-PITSARANA HO AN’ILAY FAHAVALO LEHIBE INDRINDRA

ILAY DRAGONA MENA HOATRAN’NY AFO

Manome fahefana an’ilay bibidia i Satana (Apok. 12:3, 9, 13; 13:4; 20:2, 10) I Satana no fahavalon’i Jehovah lehibe indrindra. Hogadraina ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka mandritra ny 1 000 taona izy. Aorian’izay, dia hatsipy mafy ao amin’ny “farihy afo sy solifara” izy (Fehintsoratra 19-20)

19. Iza ilay “dragona lehibe mena hoatran’ny afo”?

19 Miresaka momba ny “dragona lehibe mena hoatran’ny afo” koa ny bokin’ny Apokalypsy. (Apok. 12:3) Miady amin’i Jesosy sy ny anjeliny izy io. (Apok. 12:7-9) Manafika ny vahoakan’Andriamanitra izy, sady manome fahefana an’ireo bibidia na ny mpitondra fanjakana. (Apok. 12:17; 13:4) Tsy iza io dragona io, fa “ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana.” (Apok. 12:9; 20:2) Izy no mifehy ny fahavalon’i Jehovah hafa rehetra.

20. Inona no hanjo an’ilay dragona?

20 Inona no hanjo an’ilay dragona? Hazavain’ny Apokalypsy 20:1-3 fa hisy anjely hanipy an’i Satana ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka. Hoatran’ny fonja izy io, ka tsy ho afaka hanao na inona na inona i Satana. “Tsy hamitaka ny firenena intsony” izy rehefa mihidy ao, “mandra-pahatapitry ny 1 000 taona.” Hatsipy ao amin’ny “farihy afo sy solifara” i Satana sy ny demoniany amin’ny farany, izany hoe horinganina mandrakizay. (Apok. 20:10) Alao sary an-tsaina ange rehefa tsy ho eo intsony i Satana sy ny demoniany e! Tena hahafinaritra be ny fiainana!

21. Nahoana no mahasambatra antsika izay vakintsika ao amin’ny Apokalypsy?

21 Tena mampahery ny mahazo ny dikan’ireo famantarana ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Tsy hoe fantatsika fotsiny hoe iza ireo fahavalon’i Jehovah, fa lasa haintsika koa izay hanjo an-dry zareo. Marina mihitsy ilay hoe “sambatra izay mamaky mafy sy mihaino ny teny ato amin’ity faminaniana ity”! (Apok. 1:3) Inona anefa ny fitahiana ho azon’ny olona tsy mivadika rehefa tsy eo intsony ny fahavalon’Andriamanitra? Izany no hodinihintsika ao amin’ilay lahatsoratra farany amin’ity andian-dahatsoratra ity.

HIRA 23 Manomboka Manjaka i Jehovah

^ Mampiasa famantarana ny bokin’ny Apokalypsy mba hahalalantsika hoe iza no fahavalon’Andriamanitra. Manampy antsika hahazo ny dikan’ireny famantarana ireny ny bokin’i Daniela. Hampitaha faminaniana mitovitovy ao amin’ny bokin’i Daniela sy ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy isika ato. Ho fantatsika amin’izay hoe iza ireo fahavalon’Andriamanitra ireo. Ho hitantsika avy eo izay hitranga amin-dry zareo.

^ Noho izy manana “tandroka folo” koa no mahatonga antsika hilaza hoe ny fitondram-panjakana rehetra ilay bibidia manana loha fito. Ilazana zavatra feno mantsy ny isa folo matetika ao amin’ny Baiboly.

^ Tsy manana satroboninahitra na ‘diadema eo amin’ireo tandrony’ ny sarin’ilay bibidia, ary izay no tsy itovizany amin’ilay bibidia voalohany. (Apok. 13:1) ‘Avy tamin’ireo mpanjaka fito’ mantsy ny sarin’ilay bibidia, sady ireo no manome fahefana azy.​—Jereo ilay lahatsoratra ao amin’ny jw.org hoe “Inona Ilay Bibidia Mena Midorehitra Voalaza ao Amin’ny Apokalypsy Toko Faha-​17?