Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 22

Mitari-dalana Anao Isan’Andro ve ny Fahendrena?

Mitari-dalana Anao Isan’Andro ve ny Fahendrena?

“I Jehovah mihitsy no manome fahendrena.”​—OHAB. 2:6.

HIRA 89 Izay Mihaino sy Mankatò dia Hotahina Tokoa

HO HITANAO ATO *

1. Nahoana isika rehetra no mila ny fahendrena avy amin’Andriamanitra? (Ohabolana 4:7)

 NISY fotoana ve ianao tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra lehibe? Azo inoana hoe nivavaka ianao tamin’izay mba hahazo fahendrena, satria tena nila an’izany. (Jak. 1:5) Nanoratra i Solomona Mpanjaka hoe: “Ny fahendrena no zava-dehibe indrindra.” (Vakio ny Ohabolana 4:7.) Mazava ho azy fa tsy ny karazana fahendrena rehetra no noresahin’i Solomona, fa ilay fahendrena avy amin’i Jehovah Andriamanitra. (Ohab. 2:6) Afaka manampy antsika hiatrika ny olana mahazo antsika amin’izao ve anefa ny fahendrena avy amin’Andriamanitra? Izany mihitsy, araka ny ho hitantsika ato.

2. Inona, ohatra, no hanampy antsika raha tena te ho hendry isika?

2 Nampiaiky ny fahendren’i Solomona sy Jesosy. Raha mianatra sy mampihatra an’izay nampianarin-dry zareo, ohatra, isika dia tena ho hendry. Andao àry isika handinika ny fampianaran’izy roa lahy. Hodinihintsika voalohany ny an’i Solomona. Milaza ny 1 Mpanjaka 4:29 fa “nomen’Andriamanitra fahendrena sy fahiratan-tsaina tsy nisy hoatr’izany” izy. Ny an’i Jesosy no hodinihintsika faharoa. Tsy nisy olona hendry hoatr’azy teto an-tany. (Mat. 12:42) Izao no noresahin’ny faminaniana momba azy: “Ho feno ny fanahin’i Jehovah izy, dia fanahy mahatonga azy ho hendry sy hahira-tsaina.”​—Isaia 11:2.

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Nampiasa ny fahendrena nomen’Andriamanitra azy i Solomona sy Jesosy, ka afaka nanome torohevitra mahasoa antsika momba an’ireo zavatra tena lehibe eo amin’ny fiainana. Handinika telo amin’izany isika ato. Horesahintsika hoe mila mahay mandanjalanja isika eo amin’ny resaka vola sy asa, ary eo amin’ny fiheverantsika ny tenantsika.

MAHAY MANDANJALANJA EO AMIN’NY RESAKA VOLA

4. Ahoana no ahitana hoe tsy nitovy ny fari-piainan’i Solomona sy Jesosy?

4 Tena nanan-karem-be i Solomona, ary nirenty be ny fiainany. (1 Mpanj. 10:7, 14, 15) I Jesosy kosa tsy nanan-javatra firy, sady tsy nanana trano. (Mat. 8:20) Nahay nandanjalanja anefa izy roa lahy ireo teo amin’ny resaka vola sy fananana, satria samy avy amin’i Jehovah Andriamanitra ny fahendreny.

5. Ahoana no ahitana hoe nahay nandanjalanja i Solomona teo amin’ny resaka vola?

5 Niaiky i Solomona hoe “fiarovana” ny vola. (Mpito. 7:12) Afaka mahazo an’izay tena ilaina mantsy isika rehefa manam-bola, sady mety ho afaka hividy an’izay tiantsika. Na nanan-karem-be aza anefa i Solomona, dia niaiky hoe mbola misy zava-dehibe kokoa noho ny vola. Izao, ohatra, no nosoratany: “Aleo tsara laza toy izay mahazo harem-be.” (Ohab. 22:1) Hitan’i Solomona koa fa matetika no tsy afa-po amin’izay ananany ny olona tia vola. (Mpito. 5:10, 12) Nampitandrina antsika izy mba tsy hiantehitra amin’ny vola, satria mety hanjavona hoatran’ny tsy teo izany.​—Ohab. 23:4, 5.

Sao dia misakana anao tsy hanao loha laharana an’ilay Fanjakana ny fiheveranao ny vola sy ny harena? (Fehintsoratra 6-7) *

6. Ahoana no ahitana hoe nahay nandanjalanja i Jesosy teo amin’ny resaka vola sy harena? (Matio 6:31-33)

6 Nahay nandanjalanja i Jesosy teo amin’ny resaka vola sy harena. Nankafy sakafo sy zava-pisotro, ohatra, izy. (Lioka 19:2, 6, 7) Nisy fotoana izy nanova ny rano ho divay faran’izay tsara. Io no fahagagana voalohany nataony. (Jaona 2:10, 11) Nanao akanjo lafo vidy koa izy tamin’ilay andro nahafatesany. (Jaona 19:23, 24) Tsy ny vola sy ny fananana anefa no zava-dehibe indrindra teo amin’ny fiainany. Izao no nolazainy tamin’ny mpanara-dia azy: “Tsy misy mahavita manompo tompo roa ... Tsy mahavita manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo.” (Mat. 6:24) Nampianatra antsika i Jesosy fa raha ilay Fanjakana no ataontsika loha laharana, dia hataon’i Jehovah azo antoka hoe mahazo an’izay ilaintsika isika.​—Vakio ny Matio 6:31-33.

7. Inona ny soa noraisin’ny rahalahy iray noho izy nahay nandanjalanja teo amin’ny resaka vola?

7 Be dia be ny rahalahy sy anabavy nandray soa satria nampihatra ny torohevitr’i Jehovah momba ny vola. Diniho, ohatra, ny nataon’ilay rahalahy mpitovo atao hoe Daniel. Izao no nolazainy: “Mbola tanora aho dia efa nanapa-kevitra hoe ny fanompoana an’i Jehovah no hataoko zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainako.” Nanana fiainana tsotra foana i Daniel, dia afaka nampiasa ny fotoanany sy ny fahaizany mba hanaovana zavatra isan-karazany ho an’i Jehovah. Hoy ihany izy: “Tsoriko aloha fa tsy nanenenako mihitsy ny safidy nataoko. Afaka nahazo vola be aho raha izay no tena nimatimatesako. Izany ve anefa dia hahasolo ny namana be dia be azoko? Afa-po be aho satria ny fanompoana an’i Jehovah no nataoko loha laharana. Tsy misy hatakaloko an’izany zavatra tsapako izany. Tsy ho voavidy vola mihitsy ny fitahiana rehetra nomen’i Jehovah ahy.” Hitantsika avy amin’izany àry fa mandray soa isika, raha ny fanompoana an’i Jehovah no zava-dehibe indrindra amintsika fa tsy ny vola.

MAHAY MANDANJALANJA EO AMIN’NY RESAKA ASA

8. Ahoana no ahitana hoe nahay nandanjalanja i Solomona teo amin’ny resaka asa? (Mpitoriteny 5:18, 19)

8 Afa-po isika rehefa miasa mafy. Nantsoin’i Solomona hoe “fanomezana avy amin’Andriamanitra” izany. (Vakio ny Mpitoriteny 5:18, 19.) Izao no nosoratany: “Ahazoana tombony foana ny asa mafy rehetra.” (Ohab. 14:23) Tena niaina an’izany i Solomona. Olona niasa mafy mantsy izy. Be dia be ny trano naoriny, ny tanimboaloboka sy zaridaina nataony, ny dobo namboariny, ary ny tanàna natsangany. (1 Mpanj. 9:19; Mpito. 2:4-6) Tena asa mafy izany ary azo inoana hoe nahafa-po azy. Fantatr’i Solomona anefa hoe nila nanao zavatra hafa koa izy vao tena ho sambatra. Nanao zavatra be dia be ho an’i Jehovah koa àry izy. Nanara-maso ny fanorenana ny tempoly hampiasaina hanompoana an’i Jehovah, ohatra, izy. Naharitra fito taona izany asa izany. (1 Mpanj. 6:38; 9:1) Rehefa avy nanao an’ireo rehetra ireo i Solomona, dia tsapany hoe aleo lavitra manao zavatra ho an’i Jehovah, toy izay mikely aina amin’ny asa. Nanoratra izy hoe: “Izao no famaranan-teny rehefa heno izany rehetra izany: Matahora an’ilay tena Andriamanitra ka ankatoavy ny didiny.”​—Mpito. 12:13.

9. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe tsy ny asa no zava-dehibe indrindra taminy?

9 Olona niasa mafy i Jesosy. Mpandrafitra izy tamin’izy mbola tanora. (Mar. 6:3) Maro anaka ny ray aman-dreniny, ka tsy maintsy niasa mafy mba hamelomana an-dry zareo. Azo antoka àry hoe faly izy mivady fa nanampy azy tamin’izany i Jesosy. Lavorary izy, dia tsara be ny asa vitany. Tsy maintsy ho be dia be àry ny olona nampanao zavatra azy. Azo inoana hoe tena tian’i Jesosy ny asany. Na dia nazoto niasa aza anefa izy, dia nanokana fotoana ho an’i Jehovah. (Jaona 7:15) Nanompo manontolo andro izy, tatỳ aoriana, dia izao ny torohevitra nomeny: “Miasà, nefa tsy hoe mba hahazoana sakafo mety simba, fa mba hahazoana sakafo maharitra izay hahazoana fiainana mandrakizay.” (Jaona 6:27) Izao koa no nolazainy tamin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra: “Manangòna ... harena ho anareo any an-danitra.”​—Mat. 6:20.

Inona no hanampy antsika hahay handanjalanja amin’ny asa sy ny fanompoana? (Fehintsoratra 10-11) *

10. Inona ny olana mety hitranga rehefa mazoto miasa ny Kristianina iray?

10 Manampy antsika hahay handanjalanja eo amin’ny resaka asa ny fahendrena avy amin’Andriamanitra. Kristianina isika, dia ampirisihina mba “hiasa mafy” sy ‘hanao asa tsara.’ (Efes. 4:28) Matetika no hitan’ny mpampiasa hoe manao ny marina isika sady mazoto miasa, dia mety hilaza izy hoe tiany be ny fomba fiasantsika. Inona anefa no mety ho vokatr’izany? Mety hanomboka hampitombo ny ora iasanao ianao, amin’izay ny mpampiasa anao vao mainka hieritreritra hoe olona mahafinaritra be ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy ela anefa dia tsapanao hoe lasa nataonao tsirambina ny fianakavianao sy ny fanompoanao an’i Jehovah. Misy zavatra mila ovanao àry, mba hahatonga anao hahay handanjalanja.

11. Hoatran’ny ahoana no atao hoe mahay mandanjalanja amin’ny resaka asa, araka ny nianaran’ny rahalahy iray?

11 Tena ilaina ny mahay mandanjalanja amin’ny resaka asa. Nahita tsara an’izany ny rahalahy tanora antsoina hoe William. Izao no nolazainy momba an’ilay anti-panahy niasany: “Tena modely izy satria tsy variana loatra tamin’ny asa. Miasa mafy izy sady manao tsara ny asany, dia tian’ny mpanjifa. Rehefa mirava anefa izy amin’ny hariva, dia tsy mieritreritra asa intsony fa mifantoka amin’ny vady aman-janany sy ny fivavahany. Lazaiko aminareo fa raha misy koa ny olona sambatra, dia izy anisany!” *

MAHAY MANDANJALANJA EO AMIN’NY FIHEVERANTSIKA NY TENANTSIKA

12. Ahoana no ahitana hoe nahay nandanjalanja i Solomona, nefa inona no nitranga tatỳ aoriana?

12 Nahay nandanjalanja i Solomona tamin’izy mbola tsy nivadika tamin’i Jehovah. Tsy nanambony tena mantsy izy. Niaiky i Solomona tamin’ny mbola tanora hoe voafetra ny azony atao, ary nangataka ny tari-dalan’i Jehovah izy. (1 Mpanj. 3:7-9) Vao nanjaka kelikely izy, dia nahafantatra tsara koa hoe mampidi-doza ny mirehareha. Izao no nosoratany: “Ho lavo izay mirehareha, ary hianjera izay manambony tena.” (Ohab. 16:18) Mampalahelo fa tsy nanaraka an’io teniny io i Solomona, tatỳ aoriana. Lasa nanambony tena mantsy izy, dia tsy niraharaha ny fitsipik’Andriamanitra. Voalazan’ny Lalàna, ohatra, hoe “tsy tokony hanambady maro” ny mpanjaka hebreo, “sao ho voafitaka ny fony.” (Deot. 17:17) Tsy niraharaha an’izany anefa i Solomona fa naka vady 700 izy ary vadikely 300, sady amin’izay mpanompo sampy ny ankamaroany! (1 Mpanj. 11:1-3) Nieritreritra angamba izy hoe: “Izaho indray tsy ho voa amin’izany!” Na ahoana na ahoana, dia nijinja ny vokany ihany i Solomona noho izy niala tamin’i Jehovah.​—1 Mpanj. 11:9-13.

13. Inona no ianarantsika avy amin’i Jesosy?

13 Nahay nandanjalanja foana i Jesosy, ka nanetry tena fa tsy nihevi-tena ho ambony. Marina hoe nahavita zavatra tsara be dia be tamin’ny fanompoana an’i Jehovah izy, talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany. Tamin’ny alalany mantsy no namoronana “ny zavatra hafa rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” (Kol. 1:16) Rehefa natao batisa izy, dia azo inoana hoe tadidiny daholo ny zavatra nataony tamin’izy niaraka tamin’ny Rainy. (Mat. 3:16; Jaona 17:5) Tsy nampirehareha azy anefa izany. Tsy nihevi-tena ho ambonin’iza na iza mihitsy izy. Nilaza tamin’ny mpianany izy hoe “tsy tonga [teto an-tany] mba hotompoina izy fa mba hanompo, ka hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny olona maro.” (Mat. 20:28) Niaiky koa izy hoe tsy afaka manao na inona na inona araka izay tiany fotsiny. (Jaona 5:19) Hita avy amin’izany fa tena nanetry tena i Jesosy. Ohatra tsara ho antsika izy.

14. Ahoana no tokony hiheverantsika ny tenantsika, araka ny nampianarin’i Jesosy?

14 Nampianarin’i Jesosy ny mpanara-dia azy mba tsy hihevi-tena ho ambany loatra na ambony loatra. Nanome toky azy ireo hoatr’izao izy indray mandeha: “Na ny volon-dohanareo aza dia voaisa daholo.” (Mat. 10:30) Tena hampahery anao ireo teny ireo, indrindra raha mora mihevi-tena ho tsy misy vidiny ianao. Midika izany hoe tena miahy anao ilay Rainao any an-danitra, ary sarobidy be aminy ianao. Raha manapa-kevitra i Jehovah hoe mendrika ny ho mpanompony sy hiaina ao amin’ny tontolo vaovao ianao, dia ianao indray ve no hisalasala momba an’izany?

Inona no fitahiana tsy ho azontsika raha mifantoka be loatra amin’ny tenantsika isika? (Fehintsoratra 15) *

15. a) Ahoana no tokony hiheverantsika ny tenantsika, araka Ny Tilikambo Fiambenana iray? b) Araka ny sary eo amin’ny pejy faha-24, inona no fitahiana tsy ho azontsika raha mifantoka be loatra amin’ny tenantsika isika?

15 Nampirisika antsika hahay handanjalanja Ny Tilikambo Fiambenana, 15 taona teo ho eo izay. Izao no voalaza tao: “Mazava ho azy fa tsy irintsika ny hihevi-tena ho zavatra loatra, ka hanjary hiavonavona. Tsy hihevi-tena ho tsy misy fotony koa anefa isika. Hiezaka kosa isika hahay handanjalanja, ka hitadidy ny toetra tsarantsika sy ny fetran’ny azontsika atao. Hoy ny vehivavy kristianina iray rehefa nanazava izany: ‘Tsy devoly aho, nefa koa tsy anjely. Manana toetra tsara sy toetra ratsy aho, hoatran’ny olon-drehetra ihany.’” * Tsy hitanao ve hoe tena tsara ny miezaka hahay handanjalanja, rehefa mieritreritra momba ny tenantsika isika?

16. Nahoana i Jehovah no manome antsika torohevitra feno fahendrena?

16 Manome antsika torohevitra feno fahendrena i Jehovah ao amin’ny Teniny. Tia antsika mantsy izy, sady tiany ho sambatra isika. (Isaia 48:17, 18) Inona àry ny safidy tsara indrindra, izany hoe ny safidy hanampy antsika ho tena sambatra? Ny an’i Jehovah foana no tokony ho zava-dehibe indrindra amintsika. Hisoroka olana be dia be isika raha manao an’izany, fa tsy hoatran’ny olona mifantoka loatra amin’ny vola sy ny asa ary ny tenany. Enga anie isika tsirairay hiezaka mafy ho hendry, dia hampifaly ny fon’i Jehovah.​—Ohab. 23:15.

HIRA 94 Jehovah ô, Misaotra Noho ny Teninao!

^ Nanana fahendrena miavaka i Solomona sy Jesosy. Avy amin’i Jehovah Andriamanitra izany fahendrena izany. Handinika ny torohevitra nomen’i Solomona sy Jesosy isika ato. Nampirisika antsika mantsy ry zareo mba hahay handanjalanja eo amin’ny resaka vola sy asa, ary eo amin’ny fiheverantsika ny tenantsika. Ho hitantsika ato koa fa hendry ny mpiara-manompo sasany, ka nampihatra an’ireo torohevitra avy ao amin’ny Baiboly ireo ary nandray soa.

^ Jereo ilay lahatsoratra hoe “Te ho Faly ve Ianao Rehefa Miasa?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 2015.

^ Jereo ilay lahatsoratra hoe “Manampy Anao Hahita Fifaliana ny Baiboly”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 2005.

^ SARY: Iray fiangonana ny rahalahy tanora roa atao hoe John sy Tom. Mandany fotoana be i John mba hikarakarana ny aotomobiliny. Ny aotomobilin’i Tom kosa ampiasainy mba hitondrana rahalahy sy anabavy manompo sy mivory.

^ SARY: Mbola miasa i John na dia efa tokony hirava aza. Te hampifaly ny lehibeny mantsy izy. Manaiky foana àry izy isaky ny asaina miasa alina. I Tom indray niaraka tamin’ny anti-panahy nitsidika mpiara-manompo iray tamin’io hariva io. Mpikarakara fiangonana mantsy izy. Efa nohazavain’i Tom tamin’ny lehibeny tany aloha hoe atokany amin’ny fanompoana an’i Jehovah ny takariva sasany ao anatin’ny herinandro.

^ SARY: Mifantoka amin’ny tenany i John. I Tom kosa manao loha laharana ny fanompoana an’i Jehovah. Lasa mahazo namana vaovao izy rehefa nanampy hanavao Efitrano Fivoriambe iray.