Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 23

Ry Ray Aman-dreny, Ampio ho Tia An’i Jehovah ny Zanakareo

Ry Ray Aman-dreny, Ampio ho Tia An’i Jehovah ny Zanakareo

“Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.”​—MAT. 22:37.

HIRA 134 Harena Nankinin’Andriamanitra Taminao ny Zanakao

HO HITANAO ATO *

1-2. Nahoana no lasa misy heviny kokoa amintsika ny andinin-teny sasany rehefa miova ny fiainantsika?

 IREO izy roa kely fa mihaino tsara ny lahatenim-panambadiany. Mahafatifaty erỳ ry zareo! Tsy vaovao aminy ny toro lalana hazavaina ao amin’ilay lahateny. Hisy heviny kokoa amin’ireo mpivady vao ireo anefa ilay fanazavana manomboka eo. Fa maninona? Satria hampihatra azy ireny izao izy mivady.

2 Hoatr’izany koa rehefa lasa ray aman-dreny ny mpivady kristianina. Mety hoe efa nandre lahateny be dia be momba ny fitaizana zanaka ry zareo, nandritra ny taona maro. Lasa misy heviny vaovao anefa izao ireny toro lalana ireny. Nahoana? Satria ry zareo mihitsy izao no hitaiza. Andraikitra be izany! Rehefa miova àry ny fiainantsika, dia lasa zava-dehibe kokoa amintsika ny toro lalana ao amin’ny Baiboly efa fantatsika tsara. Izany no antony iray mahatonga ny mpanompon’i Jehovah hamaky ny Soratra Masina, sy hisaintsaina an’izany “amin’ny andro rehetra” iainany, araka ny didy nomena ny mpanjakan’ny Israely.​—Deot. 17:19.

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Ry ray aman-dreny, manana tombontsoa hampianatra ny zanakareo momba an’i Jehovah ianareo. Izany no anisan’ny tombontsoa lehibe indrindra ananan’ny Kristianina! Tsy hoe ny hanampy ny zanakareo hahalala an’ilay Andriamanitsika fotsiny anefa no tanjonareo, fa ny hanampy azy ireo tsikelikely koa mba ho tena tia azy. Ahoana no hahavitanareo an’izany? Hiresaka toro lalana efatra avy ao amin’ny Baiboly ity lahatsoratra ity. (2 Tim. 3:16) Ho hitantsika ato koa hoe inona ny soa noraisin’ny ray aman-dreny kristianina sasany, rehefa nampihatra ny toro lalan’ny Baiboly ry zareo.

TORO LALANA EFATRA HANAMPY NY RAY AMAN-DRENY

Inona no ho vokany amin’ny zanakao, raha mitady ny tari-dalan’i Jehovah foana ianao sady manome modely ho azy? (Fehintsoratra 4, 8)

4. Inona ny toro lalana iray azon’ny ray aman-dreny ampiharina mba hanampiana tsikelikely ny zanany ho tia an’i Jehovah? (Jakoba 1:5)

4 Toro lalana 1: Tadiavo ny tari-dalan’i Jehovah. Mangataha fahendrena amin’i Jehovah, mba hahafahanao hanampy ny zanakao ho tia azy. (Vakio ny Jakoba 1:5.) Izy no tsara toerana indrindra mba hanome torohevitra antsika. Nahoana? Maromaro ny antony, fa ireto misy roa: Voalohany, i Jehovah no Ray ampy traikefa indrindra. (Sal. 36:9) Faharoa, mahasoa foana ny torohevitra omeny.​—Isaia 48:17.

5. a) Inona avy ny fitaovana omen’ny fandaminana mba hanampiana ny ray aman-dreny? b) Inona no azonao ianarana avy amin’ny fomba nitaizan-dry Amorim ny zanany tao amin’ilay video?

5 Manome fanazavana be dia be ho an’ny ray aman-dreny i Jehovah, amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany. Azon’ny ray aman-dreny ampiasaina ireny mba hanampiana ny zanany ho tia an’i Jehovah. (Mat. 24:45) Afaka mahita torohevitra mahasoa be dia be, ohatra, ianareo ao amin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Ho An’ny Fianakaviana.” Navoaka tao amin’ny Mifohaza! izy io nandritra ny taona maro, fa ao amin’ny jw.org kosa amin’izao. Misy fanadinadinana sy video be dia be koa ao amin’io tranonkala io. Manampy ny ray aman-dreny hampihatra ny torohevitr’i Jehovah izy ireny, rehefa mitaiza ny zanany ry zareo. *​—Ohab. 2:4-6.

6. Ahoana no fahitan’ny raim-pianakaviana iray ny tari-dalana omen’ny fandaminana azy mivady?

6 Be dia be ny ray aman-dreny mankasitraka ny fanampiana omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny fandaminany. Anisan’izany ilay raim-pianakaviana atao hoe Joe. Hoy izy: “Tsy mora ny mitaiza zanaka telo ao amin’ny fahamarinana. Mivavaka amin’i Jehovah foana izahay mivady mba hanampiany anay. Rehefa misy olana, dia matetika izahay no mahatsapa hoe tonga amin’ny fotoana ilanay azy mihitsy ny lahatsoratra na video avoakan’ny fandaminana. Mitady ny tari-dalan’i Jehovah foana izahay, satria izay foana no manavotra anay.” Hitan-dry Joe mivady hoe manampy ny zanany hanatona an’i Jehovah ireny lahatsoratra sy video ireny.

7. Nahoana ny ray aman-dreny no tokony hiezaka mafy mba ho modely ho an’ny zanany? (Romanina 2:21)

7 Toro lalana 2: Miezaha ho modely. Mandinika akaiky antsika ny zanatsika sady matetika no maka tahaka an’izay hitany. Mazava ho azy fa tsy misy ray aman-dreny lavorary. (Rom. 3:23) Na izany aza, dia miezaka manao izay tsara indrindra vitany ny ray aman-dreny hendry, mba ho modely ho an’ny zanany. (Vakio ny Romanina 2:21.) Nilaza ny raim-pianakaviana iray hoe hoatran’ny spaonjy ny ankizy, dia mitroka an’izay manodidina azy. Hoy izy: “Ny azy ianarany daholo izay hitany sy reny. Ary izy mihitsy no hiteny anao, raha vao tsy mifanaraka amin’izay lazainao ny ataonao.” Raha tiantsika ho tia an’i Jehovah àry ny zanatsika, dia isika mihitsy aloha no tokony ho hitan-dry zareo hoe tena tia azy.

8-9. Inona no ianaranao avy amin’izay nolazain’i Andrew sy Emma?

8 Misy fomba be dia be azon’ny ray aman-dreny ampianarana ny zanany ho tia an’i Jehovah. Izao no nolazain’i Andrew, rahalahy 17 taona: “Nasongadin’i Dada sy Neny tamiko foana hoe tena ilaina ny mivavaka. Niaraka nivavaka tamiko i Dada isak’alina, na dia efa avy nivavaka aza aho. Nampahatsiahy anay foana koa i Dada sy Neny hoe: ‘Afaka miresaka amin’i Jehovah foana ianareo mianadahy, na impiry na impiry.’ Nisy vokany be tamiko izany. Tsy mihafahafa mihitsy aho izao miresaka amin’i Jehovah, ary Ray be fitiavana no fahitako azy.” Ry ray aman-dreny, tadidio foana hoe misy vokany be amin’ny zanakareo ny fitiavanareo an’i Jehovah.

9 Diniho koa ny ohatr’i Emma. Nandao azy mianakavy ny dadany sady namela trosa be. Voatery nandoa an’izany àry ny mamany. Izao no notantarain’i Emma: “Imbetsaka i Mama no tsy nanam-bola, nefa nilaza foana izy hoe mikarakara ny mpanompony i Jehovah sady manome izay ilain-dry zareo. Hitako hoe tena nino an’izany izy. Tsy mpitari-bato vilam-bava i Mama fa nampihatra an’izay nolazainy.” Inona no azon’ny ray aman-dreny ianarana avy amin’izany? Afaka ny ho modely foana ianareo, na dia ao anatin’ny sarotra aza.​—Gal. 6:9.

10. Isaky ny inona ny ankamaroan’ny ray aman-dreny israelita no afaka nifampiresaka tamin’ny zanany? (Deoteronomia 6:6, 7)

10 Toro lalana 3: Miresaha foana amin’ny zanakareo. Nilaza tamin’ny Israelita i Jehovah mba hampianatra foana ny zanany momba azy. (Vakio ny Deoteronomia 6:6, 7.) Be dia be ny fotoana nahafahan’ireo ray aman-dreny ireo niresaka tamin’ny zanany nandritra ny andro. Afaka nanampy azy ireo ho tia tsikelikely an’i Jehovah àry ry zareo. Ny ankizilahy israelita, ohatra, nandany ora maro niarahana tamin’ny dadany, rehefa namboly na nanangona vokatra. Ny anabaviny indray afaka niaraka tamin’ny mamany nandritra ny andro, rehefa nanjaitra, na nanenona, na nanao raharaha hafa. Rehefa niara-nanao zavatra ny mpianaka, dia afaka niresaka foto-kevitra be dia be, ohatra hoe ny hatsaran-toetran’i Jehovah sy ny fomba nanampiany azy mianakavy.

11. Rahoviana ny ray aman-dreny kristianina no afaka mifampiresaka amin’ny zanany?

11 Tsy hoatran’ny taloha intsony ny fiainana amin’izao. Tsy afaka miaraka mandritra ny andro ny ray aman-dreny sy ny zanaka any amin’ny tany maro. Ny ray aman-dreny, ohatra, mety hoe miasa, dia ny zanaka mianatra. Tsy maintsy mitady fotoana àry ny ray aman-dreny mba hifampiresahana amin’ny zanany. (Efes. 5:15, 16; Fil. 1:10) Afaka manararaotra manao an’izany ry zareo mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Hoy ny rahalahy tanora atao hoe Alexander: “Mandamina Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana foana i Dada, ary tsy atakalony na inona na inona mihitsy io fotoana iarahanay io. Rehefa vita ny fianarana dia miresadresaka izahay.”

12. Inona no tokony hotadidin’ny raim-pianakaviana rehefa manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana?

12 Raim-pianakaviana ve ianao? Inona àry no azonao atao mba hahafinaritra ny zanakao ny fotoam-pivavahan’ny fianakavianareo? Maninona raha miara-mianatra amin’izy ireo an’ilay boky vaovao hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!? Tsara be io boky io, sady hanampy anareo hifampiresaka tsara. Azo antoka fa tianao hamboraka ny ao am-pony sy hilaza izay mampanahy azy izy. Tsy fotoana hibedesana na hananarana ny zanakao àry ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Aza tonga dia tezitra koa raha milaza hevitra tsy mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly izy. Tokony ho faly aza ianao hoe miresaka an’izay tena tsapany izy, ary ampirisiho izy mba ho sahy hilaza an’izay ao am-pony. Tsy ho afaka hanampy ny zanakao mantsy ianao, raha tsy tena fantatrao izay tsapany.

Ahoana no azon’ny ray aman-dreny ampiasana ny zavaboary mba hampianarana ny zanany ny toetran’i Jehovah? (Fehintsoratra 13)

13. Rahoviana koa ny ray aman-dreny no afaka manampy ny zanany hanatona an’i Jehovah?

13 Ry ray aman-dreny, mitadiava fotoana mandritra ny andro mba hanampiana ny zanakareo hanatona an’i Jehovah. Aza miandry hoe rehefa mianatra Baiboly ianareo vao mampianatra azy momba an’ilay Andriamanitsika be fitiavana. Izao no nolazain’ny renim-pianakaviana iray atao hoe Lisa: “Mampiasa ny zavaboary manodidina anay izahay mba hampianarana ny zanakay momba an’i Jehovah. Rehefa mampihomehy azy ireo, ohatra, ny mahita ny alikanay misangisangy, dia hazavainay hoe izany no ahitana fa tia vazivazy ilay Mpamorona antsika sady mankafy fiainana, hoatr’antsika ihany.”

Fantatrareo ve ny naman’ny zanakareo? (Fehintsoratra 14) *

14. Nahoana ny ray aman-dreny no tena mila manampy ny zanany hahay hifidy namana? (Ohabolana 13:20)

14 Toro lalana 4: Ampio ny zanakareo hahay hifidy tsara ny namany. Milaza mazava ny Baiboly fa misy vokany amintsika ny namantsika. Mety hitaona antsika amin’ny tsara izy ireo na amin’ny ratsy. (Vakio ny Ohabolana 13:20.) Ry ray aman-dreny, fantatrareo ve hoe iza no naman’ny zanakareo? Efa nihaona sy niaraka tamin’izy ireny ve ianareo? Inona no azonareo atao mba hanampiana ny zanakareo hinamana amin’ny olona tia an’i Jehovah? (1 Kor. 15:33) Maninona, ohatra, raha manasa olona mifandray tsara amin’i Jehovah, mba hanao zavatra miaraka aminareo?​—Sal. 119:63.

15. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hanampiana ny zanany hanana namana tsara?

15 Nohazavain’ny raim-pianakaviana iray atao hoe Tony izay nataon’izy mivady, mba hanampiana ny zanany hanana namana tsara. Izao no nolazainy: “Efa an-taonany maro izahay mivady no nanasa rahalahy sy anabavy isan-karazany sy samy hafa taona ho ao an-tranonay. Nasainay hisakafo sy hanao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana niaraka taminay ry zareo. Mety tsara izany raha te hahafantatra mpiara-manompo tia sy faly manompo an’i Jehovah ianao. Nisy fotoana, ohatra, izahay nampiantrano mpiandraikitra ny faritra, na misionera, na olon-kafa. Nisy vokany be tamin’ny zanakay ny naheno ny zavatra niainan-dry zareo sy ny nahita hoe nazoto nanompo sy nahafoy tena ry zareo. Nanampy ny zanakay hanatona an’i Jehovah koa izany.” Ry ray aman-dreny, ampio àry ny zanakareo hahazo namana tsara!

AZA MANARY TOKY!

16. Ahoana raha misy zanakao milaza hoe tsy te hanompo an’i Jehovah intsony?

16 Ahoana raha misy zanakao milaza hoe tsy te hanompo an’i Jehovah intsony izy, na dia efa nanao izay fara herinao aza ianao mba hanampiana azy? Aza tonga dia mieritreritra hoe tsy nahay nitaiza ianao. Nomen’i Jehovah safidy mantsy isika rehetra, anisan’izany ny zanakao. Afaka mifidy ny tsirairay na hanompo an’Andriamanitra na tsia. Raha manapa-kevitra hiala amin’i Jehovah àry ny zanakao, dia aza manary toky fa mety mbola hiverina aminy izy, indray andro any. Tadidio ilay fanoharana momba ny zanaka adala. (Lioka 15:11-19, 22-24) Nanao zavatra ratsy be dia be ilay tovolahy, nefa niverin-dalana ihany tatỳ aoriana. Dia mety hisy hilaza hoe: “Fanoharana fotsiny ange iny e! Izany koa ve dia hitranga?” Tena mitranga anefa izany, ary izany mihitsy no niainan’i Elie.

17. Inona no mampahery anao amin’ny tantaran’i Elie?

17 Izao no notantarain’i Elie momba ny ray aman-dreniny: “Niezaka be izy ireo nanampy ahy ho tia tsikelikely an’i Jehovah sy ny Baiboly. Lasa naditra anefa aho tatỳ aoriana.” Mody niseho ho hendry i Elie, nefa nanao ratsy izy tany ambadimbadika tany. Niezaka nanampy azy hifandray tsara amin’i Jehovah indray ny ray aman-dreniny, fa tsy niraharaha mihitsy izy. Niala tao an-trano izy, ary vao mainka naditra. Na izany aza, dia nisy fotoana izy niresadresaka momba ny Baiboly tamin’ny namany. Izao no nolazainy: “Arakaraka ny niresahako momba an’i Jehovah no nahatonga ahy hieritreritra indray ny fifandraisako taminy. Nitamberina tsikelikely tato an-tsaiko ireo zavatra nampianarin’ny dadanay sy mamanay ahy tao amin’ny Baiboly.” Niverina tao amin’ny fahamarinana i Elie tatỳ aoriana. * Faly be izao ny ray aman-dreniny hoe niezaka nampianatra azy ho tia an’i Jehovah hatramin’izy mbola kely.​—2 Tim. 3:14, 15.

18. Inona no tsapanao rehefa mahita ray aman-dreny miezaka mafy mampianatra ny zanany ho tia an’i Jehovah?

18 Ry ray aman-dreny, fantatrareo ve hoe nomena tombontsoa miavaka ianareo? Manampy taranaka vaovao ho lasa mpanompon’i Jehovah mantsy ianareo. (Sal. 78:4-6) Tsy asa mora izany, ka tena midera anareo izahay noho ny ezaka mafy ataonareo! Matokia fa ho faly be ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra, raha manao izay azo atao ianareo mba hanampiana ny zanakareo ho tia an’i Jehovah sy hitaizana azy araka izay atorony.​—Efes. 6:4.

HIRA 135 Miangavy Anao i Jehovah hoe: “Hendre, Anaka”

^ Tena tia ny zanany ny ray aman-dreny kristianina. Miasa mafy ry zareo mba hanome izay ilain’ny zanany sy hanao izay hahasambatra azy. Manao izay fara heriny koa ry zareo, mba hanampiana tsikelikely ny zanany ho tia be an’i Jehovah, ary izay no tena zava-dehibe. Inona no hanampy ny ray aman-dreny hahavita an’izany? Handinika toro lalana efatra avy ao amin’ny Baiboly isika ato.

^ Jereo ao amin’ny jw.org ilay video hoe Nampianarin’i Jehovah Hahay Hitaiza Izahay.

^ Jereo ilay lahatsoratra hoe “Manova Olona ny Baiboly”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 2012.

^ SARY: Miezaka hahalala ny naman’ny zanany ilay raim-pianakaviana, dia manao baskety miaraka amin-dry zareo.