Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 24

Afaka ny Hanatratra ny Tanjonao Ianao

Afaka ny Hanatratra ny Tanjonao Ianao

Aza mba reraka manao ny tsara mihitsy isika, satria hijinja ny vokatr’izany isika amin’ny fotoana mety, raha tsy kivy.’​—GAL. 6:9.

HIRA 84 Vonona Aho!

HO HITANAO ATO a

1. Inona no sarotra amin’ny ankamaroantsika?

 EFA nanana tanjona ara-panahy ve ianao, nefa sarotra taminao ny nanatratra an’ilay izy? b Tsy ianao irery no hoatr’izany. I Philip, ohatra, mba te hanatsara ny vavaka nataony sady te hivavaka matetika kokoa, nefa sarotra taminy ny nahita fotoana hivavahana. I Erika indray te ho tonga ara-potoana tamin’ny fivoriana alohan’ny fanompoana, nefa saika tamin’izy rehetra izy no tara. I Tomáš kosa efa imbetsaka no nanandrana namaky ny Baiboly manontolo. Izao no nolazainy: “Tsy tiako tsotra izao ilay namaky Baiboly. Efa intelo aho no nanandrana namaky azy manontolo, nefa hatreo amin’ny Levitikosy foana no vitako.”

2. Nahoana isika no tsy tokony ho kivy raha mbola tsy tratrantsika ny tanjontsika?

2 Aza kivy raha mbola tsy tratranao ny tanjonao. Mitaky fotoana sy ezaka be mantsy na dia ny manatratra tanjona tsotsotra aza. Matoa ianao mbola miezaka manatratra an’ilay izy, dia midika izany hoe sarobidy aminao ny fifandraisanao amin’i Jehovah sady te hanome azy ny tsara indrindra ianao. Sarobidy amin’i Jehovah koa ny ezaka ataonao. Mazava ho azy anefa fa tsy mitaky zavatra tsy ho vitanao mihitsy izy. (Sal. 103:14; Mika 6:8) Tanjona azonao tratrarina àry fidina, izany hoe izay mifanaraka amin’ny zavatra iainanao. Rehefa avy nifidy tanjona ianao, dia inona no azonao atao mba hanatratrarana an’ilay izy? Andao isika hijery soso-kevitra vitsivitsy.

TENA IRINAO VE ILAY IZY?

Mivavaha mba hitombo ilay faniriana (fehintsoratra 3-4)

3. Nahoana no zava-dehibe ny hoe tena maniry hanatratra ny tanjontsika isika?

3 Hahavita hanatratra ny tanjontsika isika raha tena maniry hanatratra an’ilay izy. Miezaka mafy mantsy ny olona hoatr’izany. Azo oharina amin’ny rivotra manosika sambolay ho tonga any amin’ny toerana halehany ny faniriana. Rehefa mitsoka foana ilay rivotra, dia azo inoana hoe ho tody soa aman-tsara ilay tantsambo. Mety ho tonga aloha aza izy raha mahery ny rivotra. Hoatr’izany koa isika. Azo inoana kokoa hoe ho tratrantsika ny tanjontsika raha tena maniry hanatratra azy io isika. Izao no nolazain’i David, rahalahy any Salvadaoro: “Manovokovoka erỳ ianao rehefa te hanatratra ny tanjonao! Tsy misy na inona na inona avelanao hisakana anao.” Inona àry no azonao atao mba haniry kokoa hanatratra ny tanjonao ianao?

4. Inona no azontsika angatahina amin’ny vavaka? (Filipianina 2:13) (Jereo koa ny sary.)

4 Mivavaha mba hitombo ilay faniriana. Afaka mampiasa ny fanahiny i Jehovah mba hanampiana anao haniry hanatratra ny tanjonao. (Vakio ny Filipianina 2:13.) Indraindray isika manana tanjona satria fantatsika hoe tokony hanao an’izany. Efa tsara aloha izany e! Mety hoe tsy tena maniry hanatratra an’ilay izy anefa isika. Izany no nitranga tamin’i Norina, anabavy any Ogandà. Nanana tanjona hitarika fampianarana Baiboly izy. Tsy tena naniry hanatratra an’io tanjona io anefa izy, satria nieritreritra hoe tsy mahay mampianatra. Dia inona no nanampy azy? Izao no nolazainy: “Nivavaka tamin’i Jehovah aho isan’andro, mba hampiany haniry kokoa hitarika fampianarana Baiboly. Nanao zavatra nifanaraka tamin’ilay vavaka koa aho, dia niezaka nanatsara ny fahaizako mampianatra. Hitako hoe nitombo ilay faniriako rehefa afaka volana vitsivitsy. Lasa nanana mpianatra Baiboly roa aho tamin’io taona io.”

5. Inona no azontsika saintsainina mba hahatonga antsika haniry kokoa hanatratra ny tanjontsika?

5 Saintsaino izay efa nataon’i Jehovah ho anao. (Sal. 143:5) Nisaintsaina ny hatsaram-panahy miavaka nasehon’i Jehovah taminy ny apostoly Paoly, ka lasa naniry hiasa mafy ho Azy. (1 Kor. 15:9, 10; 1 Tim. 1:12-14) Hoatr’izany koa fa vao mainka ianao haniry hanatratra ny tanjonao, rehefa misaintsaina foana an’izay nataon’i Jehovah ho anao. (Sal. 116:12) Diniho hoe inona no nanampy ny anabavy iray any Honduras hanatratra ny tanjony hanao mpisava lalana maharitra. Izao no nolazainy: “Nosaintsainiko ny fitiavana be asehon’i Jehovah amiko. Notaominy ho anisan’ny vahoakany aho. Mikarakara sy miaro ahy izy. Vao mainka aho tia azy sy naniry hanatratra an’ilay tanjona rehefa nisaintsaina hoatr’izany.”

6. Inona koa no hanampy antsika haniry kokoa hanatratra ny tanjontsika?

6 Mifantoha amin’ny soa horaisinao. Mariho izay nanampy an’i Erika, ilay voaresaka terỳ aloha, mba hanatratra an’ilay tanjony ho tonga ara-potoana. Izao no nolazainy: “Tsapako hoe matiantoka be aho rehefa tara tamin’ny fivoriana alohan’ny fanompoana. Rehefa tonga aloha anefa aho, dia afaka niarahaba an’ireo ranadahy sy rahavavy sady niaraka kely tamin-dry zareo. Lasa naheno torohevitra manampy ahy ho faly amin’ny fanompoana sy hanatsara an’izany koa aho.” Nosaintsainin’i Erika àry ny soa azony rehefa tonga ara-potoana, dia lasa tratrany ilay tanjony. Ary ianao? Inona ny soa azonao ifantohana? Raha mifandray amin’ny famakiana Baiboly na vavaka ny tanjonao, dia saintsaino hoe nahoana izany no hanampy anao hinamana kokoa amin’i Jehovah. (Sal. 145:18, 19) Raha ny hanana toetra tsara indray no tanjonao, dia saintsaino hoe nahoana izany no hanatsara ny fifandraisanao amin’ny hafa. (Kol. 3:14) Maninona àry raha atao lisitra ny antony rehetra mahatonga anao te hanatratra ny tanjonao? Jereo matetitetika iny avy eo. Izao no nolazain’i Tomáš, ilay voaresaka terỳ aloha: “Miezaka mikiry foana aho, rehefa betsaka ny antony mahatonga ahy te hanatratra tanjona iray.”

7. Inona no nanampy an’i Julio sy ny vadiny hanatratra ny tanjon-dry zareo?

7 Miaraha amin’izay olona handrisika anao. (Ohab. 13:20) Te hampitombo ny fanompoany i Julio sy ny vadiny. Inona no nanampy an-dry zareo? Mariho izay nolazain’i Julio: “Izay namana handrisika anay hanatratra ny tanjonay no nofidinay, dia niresadresaka momba an’ilay izy izahay. Betsaka amin’izy ireny no efa nahatratra tanjona hoatran’ny anay. Afaka nanome torohevitra tena nanampy anay àry ry zareo. Anontanian-dry zareo anay koa hoe aiza ho aiza izao izahay amin’ilay tanjonay, dia nampahery anay ry zareo rehefa nila an’izany izahay.”

AHOANA RAHA ILAY FANIRIANA MIHITSY NO TSY MISY?

Miezaha hanatratra ny tanjonao (fehintsoratra 8)

8. Inona no mety hitranga raha hoe rehefa mazotozoto ihany isika vao miezaka manatratra tanjona? (Jereo koa ny sary.)

8 Indraindray aloha ilay faniriana mihitsy no tsy misy e! Mahazo antsika rehetra izany. Tsy midika anefa izany hoe tsy afaka miezaka manatratra an’ilay tanjona isika. Eritrereto indray izao: Afaka manosika ny sambolay ho tonga any amin’izay toerana halehany ny rivotra rehefa mahery be. Miovaova anefa ny herin’ny rivotra ary indraindray aza mety tsy hisy mihitsy. Midika ve izany hoe tsy afaka mandroso mihitsy ilay tantsambo? Tsy voatery. Ny sambolay sasany, ohatra, manana maotera na fivoy. Azon’ilay tantsambo ampiasaina àry ireny mba hahatongavany any amin’izay tiany haleha. Hoatran’ilay rivotra mihitsy ny faniriantsika, ka indraindray miovaova eny. Misy fotoana aza mety hoe tsy te hanatratra an’ilay tanjona mihitsy isika. Ahoana anefa raha hoe rehefa te hanatratra an’ilay izy ihany isika vao miezakezaka? Mety tsy ho tratrantsika mihitsy ilay izy. Afaka miezaka manatratra an’ilay tanjona ihany anefa isika, na dia rehefa tsy mazoto hanao an’izany aza, hoatran’ilay tantsambo hoe nahita fomba hafa hahatongavana any amin’ilay toerana tiany haleha. Marina hoe mila mifehy tena isika raha te hahavita an’izany, nefa tsy ho very maina ny ezaka ataontsika. Inona àry no azontsika atao? Horesahintsika rehefa avy eo izany, fa andao aloha isika hamaly fanontaniana iray.

9. Diso ve isika raha mbola miezakezaka manatratra tanjona ihany, na dia rehefa tsy te hanao an’izany aza? Hazavao.

9 Tian’i Jehovah ho faly manompo azy isika, ary hanao an’izany an-tsitrapo. (Sal. 100:2; 2 Kor. 9:7) Tokony hiezaka hanatratra ny tanjontsika ara-panahy ihany àry ve isika, na dia rehefa tsy te hanao an’izany aza? Eritrereto i Paoly. Izao no nolazainy: “Feheziko mafy ny vatako ka andevoziko.” (1 Kor. 9:25-27, f.a.p.) Nanery tena hanao an’izay tsara izy, na dia rehefa tsy te hanao an’izany aza. Nankasitraka ny fanompoany ve i Jehovah? Mazava ho azy! Namaly soa azy aza izy noho ny ezaka nataony.​—2 Tim. 4:7, 8.

10. Inona ny soa raisintsika raha miezaka manatratra tanjona isika, na dia rehefa tsy te hanao an’izany aza?

10 Faly koa i Jehovah rehefa mahita antsika miezaka manatratra ny tanjontsika, na dia rehefa tsy te hanao an’izany aza. Fa maninona? Satria fantany ny antony mahatonga antsika hiezaka. Hainy hoe tsy voatery ho tiantsika foana ny manao an’ilay zavatra, nefa ataontsika ihany satria tiantsika izy. Hitahy antsika i Jehovah rehefa miezaka isika, hoatran’ny nitahiany an’i Paoly. (Sal. 126:5) Mety haniry hanatratra an’ilay tanjona amin’izay aza isika, rehefa hitantsika hoe mitahy antsika izy. Hoy i Lucyna, anabavy iray any Polonina: “Indraindray aho tsy te handeha hanompo, indrindra rehefa reraka. Faly be anefa aho rehefa avy manompo, dia hitako hoe fanomezana tena tsara izany.” Andao àry hojerentsika izay azontsika atao rehefa tsy maniry hanatratra ny tanjontsika isika.

11. Ahoana no anampian’i Jehovah antsika mba hahavita hifehy tena kokoa?

11 Mivavaha mba hahavita hifehy tena. Mahavita mifehy ny fihetseham-pony sy izay ataony ny olona mahafehy tena. Matetika io teny io no ilazana olona mahatandrin-tena tsy hanao ratsy. Ilaina koa anefa ny fifehezan-tena mba hahatonga ny olona iray hanao ny tsara, indrindra raha sarotra ilay tokony hataony na tsy te hanao an’ilay izy izy. Tadidio fa anisan’ny vokatry ny fanahy ny fifehezan-tena. Mangataha àry fanahy masina amin’i Jehovah mba hanampy anao hanana kokoa an’io toetra tena ilaina io. (Lioka 11:13; Gal. 5:22, 23) Nilaza i David, ilay voaresaka tetsy aloha, fa nanampy azy ny vavaka. Tsy te hanapatapaka ny fianarany samirery izy. Izao no nolazainy: “Nangataka tamin’i Jehovah aho mba hampiany hifehy tena. Nampiany aho dia nahavita nanomboka nanao fandaharana, ary tsy nanapatapaka ny fianarako mihitsy.”

12. Nahoana no manampy antsika hanatratra ny tanjontsika ilay torolalana ao amin’ny Mpitoriteny 11:4?

12 Aza miandry hoe mety tsara daholo ny zava-drehetra. Tsy manantena isika hoe hety be daholo ny zava-drehetra, raha mbola eto amin’ity tontolo ity. Raha izany no andrasantsika, dia mety tsy ho tratrantsika mihitsy ny tanjontsika. (Vakio ny Mpitoriteny 11:4.) Hoy ny rahalahy iray atao hoe Dayniel: “Miandry vasoka eo ianao raha miandry ny tonga lafatra. Mila manomboka fotsiny aloha.” Tsy tokony hangataka andro àry isika. Niresaka antony hafa tsy tokony hanaovana an’izany i Paul, rahalahy iray any Ogandà. Izao no nolazainy: “Efa mba misy zavatra azon’i Jehovah itahiana antsika aloha, raha tonga dia manomboka isika na dia misy olana aza.”​—Mal. 3:10.

13. Inona no tombony amin’ilay hoe manao tanjona kelikely aloha?

13 Atombohy amin’ny zavatra kelikely aloha. Mety tsy te hanatratra ny tanjontsika isika raha hoatran’ny hoe sarotra be ilay izy. Raha izany no mahazo anao, dia maninona raha tsinjaraina ho kelikely kokoa ilay tanjona? Andao hatao hoe misy toetra tsara iray tianao hananana. Maninona raha mitady fomba tsotsotra hampisehoana an’ilay izy aloha? Ahoana indray raha ny hamaky Baiboly iray manontolo ilay tanjonao? Maninona raha fotoana fohifohy no atokana hamakiana an’izany amin’ny voalohany? Te hamaky ny Baiboly manontolo ao anatin’ny herintaona, ohatra, i Tomáš, ilay voaresaka terỳ am-piandohana, nefa sarotsarotra taminy ny nanao an’izany. Izao no nolazainy: “Tonga saina aho hoe tsy arako ilay fandaharam-potoana nataoko. Nanapa-kevitra ny hamerina indray àry aho, fa tamin’io kosa andinin-teny vitsivitsy isan’andro ihany no novakiko sy nosaintsainiko. Lasa nanomboka tia mamaky Baiboly aho.” Namaky Baiboly ela kokoa i Tomáš’ arakaraka ny nitiavany an’ilay izy. Voavakiny ihany ny Baiboly manontolo tamin’ny farany. c

AZA KIVY NA DIA MISY OLANA AZA

14. Inona ny olana mety hitranga?

14 Mampalahelo fa mety hisy ihany ny olana, na dia maniry hanatratra an’ilay tanjona hoatran’ny inona aza isika na hoe mahafehy tena be mihitsy. Mety ho “tratran’ny sampona”, ohatra, isika ka lasa tsy manam-potoana hanatratrarana an’ilay tanjona. (Mpito. 9:11) Na mety hiatrika zava-tsarotra isika, dia lasa kivy sy kely hery. (Ohab. 24:10) Mety hanao zavatra tsy hanampy antsika hanatratra an’ilay tanjontsika koa isika, noho isika tsy lavorary. (Rom. 7:23) Na koa isika reraka fotsiny. (Mat. 26:43) Inona àry no hanampy antsika tsy ho kivy loatra rehefa misy olana na vato misakana?

15. Nahoana isika no tsy tokony hilavo lefona rehefa misy olana? (Salamo 145:14)

15 Tsy voatery hilavo lefona ianao rehefa misy olana. Milaza ny Baiboly fa mety hiatrika olana na zava-tsarotra imbetsaka isika. Resahiny mazava koa anefa hoe afaka ny ho tafarina isika, indrindra rehefa ampian’i Jehovah. (Vakio ny Salamo 145:14.) Izao no amaritan’i Philip, ilay rahalahy voaresaka terỳ aloha, ny hoe mahomby izy na tsia: “Amiko ny hoe mahomby dia tsy miankina amin’ny hoe impiry aho no lavo, fa hoe impiry aho no tafarina dia manohy miezaka indray.” Hoy koa i David, ilay voaresaka terỳ aloha: “Tsy ataoko sakana ny olana, fa ataoko hoatran’ny hoe hirika ahafahako mampiseho hoe tiako i Jehovah.” Marina izany! Porofoinao amin’i Jehovah hoe te hampifaly azy ianao, rehefa miezaka foana na eo aza ny olana. Tsy maintsy hoe faly be izy mahita anao mikely aina manatratra ny tanjonao!

16. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny olana mitranga?

16 Soa lavo hahay hamindra. Saintsaino hoe inona no nahatonga an’ilay olana, dia eritrereto hoe: ‘Misy azoko ovana ve mba tsy hiverenan’ilay izy?’ (Ohab. 27:12) Indraindray koa anefa ireny olana ireny manampy antsika hahita hoe hay tsy tena azo tratrarina araka ny nieritreretantsika azy ilay tanjona. Raha izany no mahazo anao, dia avereno dinihina ilay izy mba hahitana hoe mety tsara aminao ihany ve. d Aza manahy fa tsy hieritreritra i Jehovah hoe tsy mahomby ianao, raha tsy mahatratra tanjona sarotra loatra aminao.​—2 Kor. 8:12.

17. Nahoana isika no tokony hitadidy an’izay efa vitantsika?

17 Tadidio izay efa vitanao. Milaza ny Baiboly hoe ‘tsy mba manao ny tsy rariny Andriamanitra, ka hanadino an’izay nataonareo.’ (Heb. 6:10) Tsy tokony hanadino an’izany koa àry ianao. Saintsaino izay tsara efa vitanao, ohatra hoe ninamana kokoa tamin’i Jehovah, niresaka momba azy tamin’ny olona, na natao batisa. Efa nandroso sy nanatratra tanjona ara-panahy ianao taloha, dia mbola afaka mandroso sy miezaka manatratra an’ilay tanjonao amin’izao koa.​—Fil. 3:16.

Ankafizo ilay dia (fehintsoratra 18)

18. Inona no tokony hotadidintsika rehefa miezaka manatratra ny tanjontsika isika? (Jereo koa ny sary.)

18 Rehefa ampian’i Jehovah ianao, dia afaka ny hanatratra ny tanjonao, hoatran’ny tantsambo iray faly erỳ satria tody any amin’ny toerana tiany haleha. Tadidio koa anefa hoe betsaka amin’ny tantsambo no mankafy an’ilay dia ataony. Hoatr’izany koa atao rehefa miezaka manatratra an’ilay tanjonao ianao. Ankafizo ny fanampiana sy ny fitahiana omen’i Jehovah anao eny an-dalana eny. (2 Kor. 4:7) Raha tsy kivy ianao fa miezaka foana, dia vao mainka hotahiny.​—Gal. 6:9.

HIRA 126 Miambena, Mahereza

a Ampirisihina foana isika mba hanatratra tanjona eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Ahoana anefa raha efa manana tanjona tsara isika, fa tsy mety tratrantsika mihitsy ilay izy? Misy soso-kevitra maromaro ato hanampy antsika hanatratra ny tanjontsika.

b FANAZAVANA: Ny tanjona ara-panahy dia izay rehetra ezahinao hatsaraina na tratrarina, mba hahafahanao manompo an’i Jehovah bebe kokoa sy mampifaly azy. Anisan’izany ny hoe manana toetra tsara, na manatsara ny zavatra sasany ataonao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ohatra hoe ny famakiana Baiboly, ny fianarana samirery, na ny fanompoana eny amin’ny saha.

c Jereo ilay boky Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, p. 10, feh. 5.

d Misy fanazavana fanampiny ao amin’ilay hoe “Mahaiza Mandanjalanja, dia ho Faly Ianao”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2008.