Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 20

Ahoana no Hanatsaranao ny Vavaka Ataonao?

Ahoana no Hanatsaranao ny Vavaka Ataonao?

“Aborahy aminy ny ao am-ponareo.”​—SAL. 62:8.

HIRA 45 Izay Saintsainiko ato Am-poko

HO HITANAO ATO: a

Afaka mivavaka amin’i Jehovah foana isika ary mangataka ny tari-dalany na amin’ny inona na amin’ny inona (Fehintsoratra 1)

1. Manasa ny mpanompony hanao inona i Jehovah? (Jereo koa ny sary.)

 ANY amin’iza isika no mandeha rehefa mila fampiononana na tari-dalana? Efa fantatsika ny valin’izany. Afaka manatona an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka isika. Manasa antsika hanao an’izany mihitsy aza izy. Tiany hivavaka aminy matetika isika, matoa izy milaza hoe: “Aza mitsahatra mivavaka.” (1 Tes. 5:17) Tsy tokony hisalasala hivavaka aminy sy hangataka ny tari-dalany isika, na amin’ny inona na amin’ny inona. (Ohab. 3:5, 6) Andriamanitra malala-tanana i Jehovah, ka tsy ferany hoe impiry isika no afaka mivavaka aminy.

2. Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

2 Fanomezana avy amin’i Jehovah ny vavaka, ka tena ankamamiantsika. Be dia be anefa ny zavatra tsy maintsy enjehintsika, ka mety ho sarotra amintsika ny hahita fotoana hivavahana. Mety ho hitantsika koa hoe mila hatsaraina ny vavaka ataontsika. Soa ihany fa misy fampaherezana sy tari-dalana be dia be ao amin’ny Soratra Masina. Andao àry isika handinika ny modelin’i Jesosy. Hanampy antsika izany hahita hoe ahoana no hatao mba hahitana fotoana hivavahana. Hiresaka hevi-dehibe dimy azontsika resahina amin’ny vavaka koa isika. Hanatsara ny vavaka ataontsika izany.

NANOKANA FOTOANA HIVAVAHANA I JESOSY

3. Inona no fantatr’i Jesosy momba ny vavaka?

3 Fantatr’i Jesosy hoe sarobidy amin’i Jehovah ny vavaka. Ela be talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany mantsy, dia efa hitany namaly ny vavaka nataon’ny lehilahy sy vehivavy tsy nivadika ny Rainy. Teo akaikin’i Jehovah, ohatra, izy tamin’io Rainy io namaly ny vavaka avy amin’ny fo nataon’i Hana, Davida, Elia, ary ny maro hafa. (1 Sam. 1:10, 11, 20; 1 Mpanj. 19:4-6; Sal. 32:5) Tsy mahagaga raha nampianatra ny mpianany i Jesosy mba hivavaka matetika, ary tsy hisalasala hanao an’izany.​—Mat. 7:7-11.

4. Inona no ianarantsika avy amin’ny vavak’i Jesosy?

4 Nanome modely harahin’ny mpianany i Jesosy, rehefa nivavaka tamin’i Jehovah. Nivavaka matetika, ohatra, izy nandritra ny fanompoany. Nila nanokana fotoana hivavahana izy, satria matetika izy no be atao sady be olona be nanodidina azy. (Mar. 6:31, 45, 46) Nifoha maraina, ohatra, izy amin’izay afaka mivavaka mitokana. (Mar. 1:35) Indray mandeha izy, fara fahakeliny, no nivavaka nandritra ny alina manontolo, talohan’ny handraisany fanapahan-kevitra lehibe. (Lioka 6:12, 13) Nivavaka imbetsaka koa izy ny alina talohan’ny nahafatesany. Izay hamitana an’ilay fanendrena sarotra indrindra nomena azy teto an-tany mantsy no nifantohany tamin’io.​—Mat. 26:39, 42, 44.

5. Ahoana no anahafantsika an’i Jesosy rehefa mivavaka isika?

5 Ianarantsika avy amin’ny modelin’i Jesosy hoe na be atao hoatran’ny inona aza isika, dia mila mitady fotoana hivavahana. Mila manokana fotoana hanaovana an’izany hoatr’azy isika, ohatra hoe mifoha maraina na miari-tory kely. Rehefa manao an’izany mantsy isika, dia mampiseho amin’i Jehovah hoe ankasitrahantsika io fanomezana miavaka nomeny io. Nankasitraka an’izany ny anabavy antsoina hoe Lynne. Tadidiny hoe nampihetsi-po azy ny nahafantatra fa tombontsoa be ny mivavaka. Izao no nolazainy: “Nianarako hoe afaka miresaka amin’i Jehovah foana aho na rahoviana na rahoviana. Nanampy ahy izany mba hahita fa Namako akaiky izy, dia te hanatsara ny vavaka ataoko aho.” Azo antoka fa betsaka amintsika no mahatsapa hoatr’izany. Andao àry isika handinika hevi-dehibe dimy azontsika resahina amin’ny vavaka.

HEVI-DEHIBE DIMY AZO RESAHINA REHEFA MIVAVAKA

6. Mendrika ny homena inona i Jehovah, araka ny Apokalypsy 4:10, 11?

6 Derao i Jehovah. Nahazo fahitana mahavariana ny apostoly Jaona. Nahita anti-panahy 24 tany an-danitra izy. Nivavaka tamin’i Jehovah ry zareo. Nidera an’Andriamanitra ireo anti-panahy ireo, ary nilaza fa mendrika ny homena “voninahitra sy haja ary hery” izy. (Vakio ny Apokalypsy 4:10, 11.) Manana antony be dia be hiderana sy hanomezana voninahitra an’i Jehovah koa ny anjely tsy mivadika. Any an-danitra miaraka aminy mantsy ry zareo, ary efa mahafantatra azy tsara. Mahita ny toetra tsarany ry zareo sady lasa te hidera azy rehefa mandinika an’izay ataony.​—Joba 38:4-7.

7. Inona no azontsika iderana an’i Jehovah?

7 Tokony hidera an’i Jehovah koa isika rehefa mivavaka, izany hoe hilaza aminy an’izay itiavantsika azy sy izay ankasitrahantsika momba azy. Rehefa mamaky sy mianatra Baiboly ianao, dia ezaho karohina izay toetran’i Jehovah tena manintona anao. (Joba 37:23; Rom. 11:33) Lazao aminy avy eo izay tsapanao momba an’ireny toetrany ireny. Afaka midera an’i Jehovah koa isika noho izy manampy antsika sy ny mpiara-manompo amintsika maneran-tany. Tsy mitsahatra mikarakara sy miaro antsika mantsy izy.​—1 Sam. 1:27; 2:1, 2.

8. Inona no antony sasany azontsika isaorana an’i Jehovah? (1 Tesalonianina 5:18)

8 Isaory i Jehovah. Betsaka ny antony azontsika isaorana an’i Jehovah rehefa mivavaka isika. (Vakio ny 1 Tesalonianina 5:18.) Afaka misaotra azy isika noho izay zavatra tsara ananantsika. Avy aminy daholo mantsy ny fanomezana tsara rehetra. (Jak. 1:17) Ankasitraho, ohatra, izy noho ny hakanton’ity tany ity sy ny zavaboary mahavariana noforoniny. Isaory koa izy satria nanome anao ny aina, fanantenana, ny fianakavianao, ary ny namanao. Aza hadinoina koa ny misaotra azy, satria avelany minamana aminy ianao, ary tena sarobidy izany.

9. Nahoana isika no mety hoe mila mianatra mankasitraka an’i Jehovah?

9 Mila manao ezaka manokana angamba isika tsirairay, mba hieritreretana hoe inona avy ny antony tokony hankasitrahantsika an’i Jehovah. Tsy mahay mankasitraka mantsy ny ankamaroan’ny olona amin’izao. Matetika ry zareo no mifantoka amin’izay ilainy, fa tsy amin’izay azony atao mba hampisehoana hoe mankasitraka an’izay efa ananany izy. Raha mifindra amintsika izany toe-tsaina izany, dia lasa lisitra-na fangatahana fotsiny ny vavaka ataontsika. Ahoana àry no hisorohana an’izany? Mila manohy mianatra mankasitraka an’izay rehetra ataon’i Jehovah ho antsika isika, ary mampiseho an’izany foana.​—Lioka 6:45.

Rehefa lazaintsika amin’i Jehovah hoe mankasitraka azy isika, dia afaka manampy antsika hiaritra izany (Fehintsoratra 10)

10. Nahoana no lasa nahavita niaritra ny anabavy iray rehefa nahay nankasitraka? (Jereo koa ny sary.)

10 Hahavita hiaritra zava-tsarotra isika raha tia mankasitraka. Eritrereto ny nahazo an’ny Ranabavy Kyung-sook. Voaresaka ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 2015 ny tantarany. Hitan’ny dokotera hoe voan’ny kanseran’ny havokavoka izy, ary efa mihombo be ilay izy. Izao no nolazainy: ‘Voadona be ny saiko rehefa nahalala hoe marary aho. Nihorohoro aho satria hoatran’ny hoe namoy ny zava-drehetra.’ Inona no nanampy azy hiatrika an’izany? Nankany an-tampon-trano, hono, izy isak’alina alohan’ny hatory, dia nisaotra an’i Jehovah tamin’ny feo avo noho ny zavatra dimy nahafinaritra azy tamin’iny andro iny. Nilamin-tsaina kokoa àry i Kyung-sook, dia te hilaza amin’i Jehovah hoe tiany izy. Lasa tsapany fa manohana ny mpanompony tsy mivadika i Jehovah rehefa miatrika fotoan-tsarotra ry zareo. Tonga saina koa izy hoe be lavitra noho ny olana mitranga ny fitahiana azontsika. Manana antony be dia be isaorana an’i Jehovah koa isika, hoatran’io anabavintsika io, na dia mbola ao anatin’ny fitsapana aza. Inona no ho vokany raha mankasitraka azy isika rehefa mivavaka? Hahavita hiaritra sy ho faly foana isika.

11. Fa maninona ny mpianatr’i Jesosy no nila fahasahiana rehefa niverina tany an-danitra i Jesosy?

11 Angataho i Jehovah mba hanampy anao ho sahy rehefa manompo. Nampahatsiahy ny mpianany i Jesosy taloha kelin’ny niverenany tany an-danitra hoe nisy asa nampanaovina an-dry zareo. Ho vavolombelony “any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra eto an-tany” ry zareo. (Asa. 1:8; Lioka 24:46-48) Nosamborin’ireo lohandohany teo amin’ny Jiosy ny apostoly Petera sy Jaona taoriana kelin’izay. Nentin-dry zareo teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy ireo lehilahy tsy nivadika ireo, ary norarany mba tsy hitory intsony, sady norahonany mihitsy. (Asa. 4:18, 21) Ahoana no nataon’i Petera sy Jaona?

12. Inona no nataon’ireo mpianatr’i Jesosy, araka ny Asan’ny Apostoly 4:29, 31?

12 Ahoana no navalin’i Petera sy Jaona, rehefa nandrahona azy ireo ny mpitondra fivavahana jiosy? Nilaza ry zareo hoe: “Ianareo no aoka hitsara raha mety eo imason’Andriamanitra na tsia ny hoe hihaino anareo, fa tsy hihaino an’Andriamanitra. Fa raha izahay kosa, dia tsy azonay atao ny tsy hiteny intsony momba an’izay efa hitanay sy henonay.” (Asa. 4:19, 20) Nivavaka ny mpianatr’i Jesosy rehefa nafahana i Petera sy Jaona, ka nangataka mba hatao ny sitrapon’i Jehovah. Izao no nolazain-dry zareo: “Ataovy izay hahatonga anay mpanomponao hanana fahasahiana be hitory ny teninao.” Namaly an’io vavaka avy amin’ny fo io Jehovah.​—Vakio ny Asan’ny Apostoly 4:29, 31.

13. Inona no ianarantsika avy amin’i Jin-hyuk?

13 Manahaka an’ireo mpianatr’i Jesosy ireo isika rehefa mitory foana, na dia mandrara an’izany aza ny manam-pahefana. Eritrereto ny rahalahy antsoina hoe Jin-hyuk. Nogadraina izy satria tsy nanaiky hanao miaramila. Nasaina nikarakara ny gadra sasany natoka-monina izy tany am-ponja. Tsy navela hiresaka tamin’ireo gadra ireo mihitsy izy, raha tsy hoe momba an’ilay fikarakarana angaha. Tsy nahazo niresaka momba ny Baiboly koa àry izy. Nivavaka tamin’i Jehovah anefa izy mba ho sahy sy ho malina, ka hiresaka ny fahamarinana isaky ny misy hirika hanaovana an’izany. (Asa. 5:29) Izao no nolazainy: “Namaly ny vavaka nataoko i Jehovah, ka nomeny herim-po sy fahendrena aho. Afaka nanomboka fampianarana Baiboly maromaro naharitra dimy minitra àry aho, teny am-baravaran’ny efitra figadrana. Nanoratra taratasy aho rehefa alina, dia nomeko an’ireo gadra ny ampitson’iny.” Afaka matoky koa isika hoe hanampy antsika hamita ny fanompoantsika i Jehovah. Manao hoatran’i Jin-hyuk isika, ka mivavaka mba ho sahy sy ho hendry.

14. Inona no afaka manampy antsika rehefa miatrika olana isika? (Salamo 37:3, 5)

14 Mangataha fanampiana amin’i Jehovah rehefa miatrika olana. Betsaka amintsika no marary, maty havana na namana, enjehina, manana olana ara-pihetseham-po na ara-pianakaviana, na zava-tsarotra hafa. Manampy trotraka an’ireo ny valanaretina sy ny ady. Aborahy amin’i Jehovah àry ny ao am-ponao. Lazao aminy ny manjo anao, hoatran’ny ianao rehefa miresaka amin’ny namanao akaiky. Matokia hoe “hanampy anao” i Jehovah.​—Vakio ny Salamo 37:3, 5.

15. Nahoana ny vavaka no manampy antsika ‘hiaritra fahoriana’? Manomeza ohatra.

15 Rehefa maharitra amin’ny vavaka isika, dia manampy antsika ‘hiaritra fahoriana’ izany. (Rom. 12:12) Fantatr’i Jehovah izay mianjady amin’ny mpanompony, ary “henoiny izy ireo rehefa miantso vonjy.” (Sal. 145:18, 19) Nahatsapa an’izany ny anabavy iray 29 taona. Kristie no anarany ary mpisava lalana izy. Nanomboka narary mafy tampoka izy, ka lasa kivy be. Fantany koa anefa tatỳ aoriana hoe narary mafy ny mamany ary atahorana ho faty. Izao no nolazain’i Kristie: “Nivavaka mafy tamin’i Jehovah aho mba homeny hery hiatrehana ny andro tsirairay. Niezaka tsy nanapatapaka ny fandaharana ara-panahy efa fanaoko koa aho, ka nivory sy nianatra samirery foana.” Hoy koa izy: “Ny vavaka no nanampy ahy hitraka rehefa tsy nisy mangirana mihitsy ny fiainako. Fantatro hoe teo foana i Jehovah, dia tena nampionona ahy ny nieritreritra an’izany. Marina hoe tsy sitrana teo no ho eo aho, nefa namaly ny vavaka nataoko i Jehovah, ka nanampy ahy hilamin-tsaina sy hanana fo tony.” Enga anie isika mba tsy hanadino mihitsy hoe “hain’i Jehovah ny manafaka ny olona mahafoy tena ho Azy mba ho tafavoaka amin’ny fitsapana.”​—2 Pet. 2:9.

Hahatohitra fakam-panahy ianao raha 1) mivavaka mba hampian’i Jehovah, 2) manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka nataonao, ary 3) miezaka ho akaiky kokoa an’i Jehovah (Fehintsoratra 16-17)

16. Maninona isika no mila ny fanampian’i Jehovah raha te hahatohitra fakam-panahy?

16 Mangataha fanampiana amin’i Jehovah mba hanoherana fakam-panahy. Olombelona tsy lavorary isika, ka miady mafy foana mba tsy ho resin’ny fakam-panahy hanao ratsy. I Satana rahateo manao izay ho afany mba hahatonga an’izany ho sarotra. Miezaka manimba ny saintsika amin’ny alalan’ny fialam-boly maloto, ohatra, izy. Mahatonga ny saintsika ho lasa feno eritreri-dratsy ireny fialam-boly ireny, ka lasa maloto eo imason’i Jehovah isika, ary mety hanao fahotana lehibe.​—Mar. 7:21-23; Jak. 1:14, 15.

17. Inona no tsy maintsy ataontsika rehefa avy mivavaka isika mba tsy ho resin’ny fakam-panahy? (Jereo koa ny sary.)

17 Mila ny fanampian’i Jehovah isika raha tsy te ho resin’ny fakam-panahy hanao ratsy. Niresaka an’izao i Jesosy tao amin’ilay vavaka modely: “Aza avela ho resin’ny fakam-panahy izahay, fa afaho amin’ilay ratsy.” (Mat. 6:13) Marina hoe te hanampy antsika i Jehovah, nefa tsy maintsy mangataka fanampiana aminy isika. Tsy maintsy manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka nataontsika koa isika. Afaka miezaka araka izay azo atao isika, mba ho faran’izay kely ny fotoana andrenesantsika sy amakiantsika ny hevi-diso be mpitia eto amin’ny tontolon’i Satana. (Sal. 97:10) Aleo kosa mamaky sy mianatra ny Baiboly, amin’izay hevitra tsara no mameno ny saintsika. Ho voaro koa ny fomba fisainantsika rehefa manatrika fivoriana sy mandray anjara amin’ny fanompoana isika. Raha manao an’izany isika, dia mampanantena i Jehovah hoe tsy havelany halaim-panahy mihoatra noho izay zakantsika isika.​—1 Kor. 10:12, 13.

18. Inona no mila ataontsika rehetra?

18 Mila mivavaka mihoatra noho ny hatramin’izay isika tsirairay, raha te hahavita tsy hivadika amin’izao andro farany tena sarotra izao. Manokàna àry fotoana isan’andro mba hanaovana vavaka vokatry ny fo. Tian’i Jehovah ‘hamboraka aminy ny ao am-pontsika’ mantsy isika. (Sal. 62:8) Derao i Jehovah ary isaory izy noho izay rehetra ataony. Angataho izy mba hanome herim-po anao rehefa manompo ianao. Iangavio izy mba hanampy anao hiatrika an’izay olana zakainao sy hanohitra an’izay fakam-panahy mahazo anao. Aza avela hisy zavatra na olona hisakana anao tsy hivavaka tsy tapaka amin’i Jehovah. Ahoana anefa no hamalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika? Handinika an’io fanontaniana lehibe io isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

HIRA 42 Vavaky ny Mpanompon’Andriamanitra

a Tiantsika ho hoatran’ny taratasy avy amin’ny fo ho an’ny namana akaiky iray ny vavaka ataontsika. Tsy mora foana anefa ny mahita fotoana hivavahana. Mety ho sarotra koa ny hamantatra hoe inona no horesahina. Hiresaka an’ireo hevi-dehibe roa ireo ity lahatsoratra ity.