LAHATSORATRA FIANARANA 23
Aza Avela ho Faty ny “Lelafo avy Amin’i Jah”
“Toy ny lelafo miredareda [ny fitiavana], dia lelafo avy amin’i Jah.”—TONON. 8:6.
HIRA 131 “Nampiraisin’Andriamanitra” ny Mpivady
HO HITANAO ATO a
1. Inona no lazain’ny Baiboly momba ny tena fitiavana?
“TOY ny lelafo miredareda [ny fitiavana], dia lelafo avy amin’i Jah. Na dia rano manonja be aza tsy mahafaty ny afom-pitiavana. Na renirano koa aza tsy mahavita manongotra azy.” b (Tonon. 8:6, 7) Kanto erỳ izany fomba ilazana ny tena fitiavana izany! Manome toky ny mpivady ireo teny ireo hoe afaka ny tsy ho lefy mandrakizay ny fifankatiavan’izy ireo.
2. Inona no tsy maintsy ataon’ny mpivady mba tsy hihamangatsiaka ny fifankatiavan-dry zareo?
2 Tsy voatery ho lefy tokoa ny fifankatiavan’ny mpivady mandritra ny androm-piainany. Miankina amin-dry zareo ihany anefa izany. Andao isika haka ohatra. Afaka ny hirehitra foana ny afon-dasy, kanefa tsy maintsy ampiana kitay. Raha avela amin’izao fotsiny mantsy ilay afo dia ho faty amin’ny farany. Hoatr’izany koa ny fifankatiavan’ny mpivady. Afaka ny hifankatia be foana ry zareo, nefa tsy maintsy kolokoloina ilay fifandraisana. Indraindray anefa mety hihamangatsiaka ny fifankatiavan’izy roa, indrindra rehefa manana olana ara-bola ry zareo, tsy salama, na sahirana amin’ny fitaizan-janaka. Raha manambady àry ianao, dia inona no azonareo atao mba hiredareda ao an-tokantranonareo foana ilay “lelafo avy amin’i Jah”? Horesahintsika ato ny fomba telo hanampy anareo hifandray tsara foana sy hanana fanambadiana sambatra. c
MIEZAHA FOANA HIFANDRAY TSARA AMIN’I JEHOVAH
3. Nahoana no hifankatia foana ny mpivady raha mifandray tsara amin’i Jehovah? (Mpitoriteny 4:12) (Jereo koa ny sary.)
3 Tsy maintsy samy miezaka hifandray tsara amin’i Jehovah ny mpivady, mba tsy ho faty ilay “lelafo avy amin’i Jah.” Nahoana izany no manampy ny tokantranon-dry zareo? Satria rehefa sarobidy amin’ny mpivady ilay hoe minamana amin’ilay Rainy any an-danitra, dia tonga dia mampihatra ny toroheviny izy roa. Izany indray avy eo no manampy an-dry zareo hisoroka sy hamaha an’izay olana mety hampihena ny fifankatiavany. (Vakio ny Mpitoriteny 4:12.) Ny olona mifandray tsara amin’i Jehovah koa miezaka manahaka azy sy maneho ny toetrany, ohatra hoe tsara fanahy, manam-paharetana, ary mamela heloka. (Efes. 4:32–5:1) Tsy dia sarotra amin’ny mpivady ny mifankatia kokoa rehefa maneho an’ireo toetra ireo ry zareo. Izao no nolazain’i Lena, anabavy efa mihoatra ny 25 taona nanambadiana: “Mora ny mitia sy manaja olona mifandray tsara amin’i Jehovah.”
4. Nahoana i Jehovah no nifidy an’i Josefa sy Maria ho ray aman-drenin’ny Mesia?
4 Diniho ity ohatra ao amin’ny Baiboly ity: Rehefa tsy maintsy nifidy mpivady hitaiza ny Mesia i Jehovah, dia i Josefa sy Maria no notsongainy tao anatin’ireo olona be dia be taranak’i Davida. Fa maninona? Satria samy nifandray tsara tamin’i Jehovah izy roa. Fantatr’i Jehovah koa hoe izy no ho voalohan-toerana ao amin’ny tokantranon-dry zareo. Inona àry no azonareo mivady ianarana avy amin’i Josefa sy Maria?
5. Inona no azon’ny lehilahy manambady ianarana avy amin’i Josefa?
5 Tonga dia nampihatra ny tari-dalan’i Jehovah i Josefa, ka lasa vady tsara kokoa. Intelo izy, fara fahakeliny, no nahazo toromarika avy amin’Andriamanitra momba ny fianakaviany. Tonga dia nankatò foana izy, na dia tsy maintsy nisy fiovana lehibe nataony aza. (Mat. 1:20, 24; 2:13-15, 19-21) Rehefa nanaraka ny tari-dalan’Andriamanitra izy, dia nahavita niaro an’i Maria, nikarakara azy, ary nanome an’izay nilainy. Azo antoka fa vao mainka lasa tia sy nanaja azy i Maria! Manahaka an’i Josefa ianareo ry lehilahy manambady, raha mikaroka torohevitra avy ao amin’ny Baiboly rehefa mikarakara ny fianakavianareo. d Asehonareo hoe tia ny vadinareo ianareo sady manamafy ny tokantranonareo, rehefa mampihatra an’izany torohevitra izany, na dia misy fiovana lehibe tsy maintsy ataonareo aza. Izao no nolazain’ny anabavy iray avy any Vanuatu, izay efa nanambady nandritra ny 20 taona mahery: “Rehefa mikaroka ny tari-dalan’i Jehovah ny vadiko sady mampihatra an’izany, dia lasa manaja kokoa azy aho. Milamin-tsaina aho sady matoky hoe mety ny fanapahan-keviny.”
6. Inona no azon’ny vehivavy manambady ianarana avy amin’i Maria?
6 I Maria mihitsy no nifandray akaiky tamin’i Jehovah, fa tsy niankina tamin’izay nataon’i Josefa ny finoany. Nahay tsara ny Soratra Masina izy. e Nanokana fotoana hisaintsainana koa izy. (Lioka 2:19, 51) Azo antoka hoe ny fifandraisan’i Maria tamin’i Jehovah no nahatonga azy ho vady tena tsara. Be dia be koa ny vehivavy manambady amin’izao no miezaka manao hoatran’i Maria. Izao, ohatra, no noresahin’ny anabavy atao hoe Emiko: “Nanana ny fahazarako ara-panahy aho tamin’izaho mbola mpitovo. Rehefa nanambady anefa aho, dia tonga saina hoe niankina be tamin’izay nataon’ny vadiko ny finoako. Izy mantsy no nisolo tena anay rehefa nivavaka sady nitarika rehefa nanao zavatra ara-panahy izahay. Hitako anefa hoe nila nanao ny anjarako koa aho, satria ny fifandraisako tamin’i Jehovah no voakasika. Manokana fotoana hiarahana irery amin’ilay Andriamanitro àry aho izao. Mivavaka sy mamaky ny Soratra Masina aho, ary misaintsaina ny heviny.” (Gal. 6:5) Ry vehivavy manambady, inona no ho vokany rehefa miezaka foana ianareo hinamana bebe kokoa amin’i Jehovah? Vao mainka hanana antony hiderana sy hitiavana anareo ny vadinareo!—Ohab. 31:30.
7. Inona no azon’ny mpivady ianarana avy amin’i Josefa sy Maria momba ny hoe miara-manompo an’i Jehovah?
7 Niara-niasa koa i Josefa sy Maria mba ho mafy tsara ny fifandraisan-dry zareo tamin’i Jehovah. Fantatr’izy mivady fa tena zava-dehibe hoe miara-manompo an’i Jehovah ny fianakaviana. (Lioka 2:22-24, 41; 4:16) Mety ho sarotra tamin-dry zareo ny nanao an’izany, indrindra rehefa nihabetsaka ny ankizy, kanefa vitan-dry zareo ilay izy. Tena modely ho an’ny mpivady amin’izao ry zareo! Raha manan-janaka ianareo, hoatran’i Josefa sy Maria, dia mety ho sarotra ny mandeha mivory na mahita fotoana hanaovana Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Mety ho vao mainka sahirana aza ianareo mivady vao mahita fotoana hiarahana mianatra na mivavaka. Tadidio anefa fa raha miara-manompo an’i Jehovah ianareo, dia hifandray kokoa aminy sady vao mainka hifankatia. Ataovy loha laharana àry ny fanompoana azy.
8. Inona no azon’ny mpivady atao mba handray soa kokoa amin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, na dia misy olana aza ny tokantranony?
8 Ahoana raha misy olana ny tokantranonareo? Kamo angamba ianareo na dia ny mieritreritra fotsiny aza hoe hiaraka hanao fotoam-pivavahana. Maninona àry raha zavatra fohifohy sy mahafinaritra aloha no anombohana azy, ohatra hoe zavatra efa nifanarahanareo? Mety hanampy anareo roa hanatsara ny fifandraisanareo izany, ary vao mainka ianareo te hiaraka hanao zavatra ara-panahy.
MANOKÀNA FOTOANA HIARAHANA
9. Nahoana ny mpivady no tsy maintsy manokana fotoana hiarahana?
9 Afaka ny hifankatia foana koa ianareo roa, rehefa manokana fotoana hiarahana. Raha tsy izany mantsy, dia mety tsy hiray saina sy tsy dia hifandray am-po intsony ianareo. (Gen. 2:24) Mariho izay tsikaritr’i Lilia sy Ruslan raha vao nivady kelikely ry zareo, 15 taona mahery izay. Izao no nolazain’i Lilia: “Hitanay hoe lasa tsy dia nanana fotoana hiarahana izahay, fa tsy araka ny nieritreretanay azy tamin’ny voalohany. Lany andro tamin’ny asa sy ny raharaha izahay, dia tatỳ aoriana tamin’ny fitaizana ny ankizy. Hitanay hoe raha tsy nanokana fotoana ho anay roa izahay, dia mety ho nanomboka tsy nifandray am-po intsony.”
10. Ahoana no hampiharan’ny mpivady an’ilay torolalana ao amin’ny Efesianina 5:15, 16?
10 Inona no azon’ny mpivady atao mba hahitana fotoana hiarahana? Mety hoe mila manokana fotoana hanaovana an’izany mihitsy ry zareo. (Vakio ny Efesianina 5:15, 16.) Izao no notenenin’i Uzondu, rahalahy any Nizeria: “Rehefa manao fandaharam-potoana aho, dia ampidiriko ao koa ny fotoana hiarahanay mivady. Tsy misy avelako hanembantsembana an’io fotoana io mihitsy.” (Fil. 1:10) Miezaka mampiasa tsara ny fotoanany koa i Anastasia, vadina mpiandraikitra ny faritra any Moldavia. Hoy izy: “Rehefa sahirana amin’ny andraikiny ny vadiko, dia iezahako vitaina amin’iny fotoana iny izay zavatra tokony hataoko manokana. Amin’izay mba afaka miaraka izahay aorian’izay.” Ahoana anefa raha sarotra aminareo ny mahita fotoana hiarahana, satria be loatra ny zavatra enjehinareo?
11. Niara-nanao inona i Akoila sy Prisila?
11 Afaka mianatra avy amin’i Akoila sy Prisila ny mpivady. Mamy hoditra teo amin’ny Kristianina voalohany izy roa. (Rom. 16:3, 4) Tsy manome tsipiriany be dia be momba ny fanambadiany ny Baiboly, kanefa resahiny hoe niaraka foana ry zareo rehefa niasa, nitory, ary nanampy ny hafa. (Asa. 18:2, 3, 24-26) Mahaliana fa rehefa miresaka momba an’i Akoila sy Prisila ny Baiboly, dia miara-voatonona foana izy roa.
12. Inona no azon’ny mpivady atao mba hananana fotoana hiarahana kokoa? (Jereo koa ny sary.)
12 Ahoana no anahafan’ny mpivady an’i Akoila sy Prisila? Eritrereto ireo zavatra be dia be mila ataonao sy ny vadinao. Maninona raha iarahana manao ny sasany amin’ireny? Niara-nitory, ohatra, i Akoila sy Prisila. Mandamina fotoana tsy tapaka koa ve ianareo mivady mba hanaovana an’izany? Niara-niasa koa i Akoila sy Prisila. Mety hoe samy manana ny asanareo ianareo roa. Maninona anefa raha mba miara-manao raharaha? (Mpito. 4:9) Rehefa mifanampy amin’izany mantsy ianareo, dia ho tsapanareo hoe tena ekipa iray ianareo sady afaka mifampiresaka kokoa. Efa nivady nandritra ny 50 taona mahery i Robert sy Linda. Hoy i Robert: “Tsoriko aloha hoe tsy dia manam-potoana hiarahana miala voly izahay. Faly be anefa aho rehefa manasa vilia ka mamafa an’izany ny vadiko, na rehefa mikarakara zaridaina aho dia iny koa izy fa manome tanana ahy. Mifandray akaiky kokoa izahay rehefa miara-manao zavatra, sady vao mainka mifankatia.”
13. Inona no tokony hataon’ny mpivady raha tena te hiray saina ry zareo?
13 Tadidio anefa fa tsy voatery hoe lasa miray saina ny mpivady, satria fotsiny hoe miaraka. Izao no nolazain’ny anabavy iray mipetraka any Brezila: “Be atao be isika amin’izao, dia mety ho diso hevitra ka hieritreritra hoe efa manokana fotoana hiarahana satria fotsiny hoe efa iray trano ao. Nianarako anefa fa tsy ampy ilay hoe miaraka eo fotsiny. Ilaina koa ny manome an’izay ilain’ny vadinao.” Mariho izay nataon’i Bruno sy ny vadiny, mba ho afaka hanome an’izay ilain’ny andaniny ny ankilany. Izao no notenenin’i Bruno: “Apetrakay mihitsy aloha ny telefaoninay rehefa miaraka izahay roa. Tianay hankafizina mantsy ilay fotoana iarahanay.”
14. Inona no azon’ny mpivady atao raha tsy dia tia miaraka loatra ry zareo?
14 Ahoana anefa raha tsy dia tia miaraka loatra ianao sy ny vadinao? Samy manana ny mahaliana anareo angamba ianareo, na mahasosotra anao ny ataony. Inona àry no azonao atao? Eritrereto indray ilay afon-dasy noresahintsika terỳ aloha. Tsy hoe tonga dia miredareda be ilay afo. Mila ampiana kitay tsikelikely ilay izy. Kitay madinidinika aloha no atao ao vao kitay lehibe kokoa. Maninona koa àry raha manokana fotoana hiarahana isan’andro, na dia hoe fohifohy fotsiny aza aloha ilay izy amin’ny voalohany? Ataovy azo antoka hoe zavatra samy mahafinaritra anareo roa no atao, fa tsy zavatra mety hampiady anareo. (Jak. 3:18) Mety hanomboka hiredareda indray ny fifankatiavanareo, rehefa manomboka amin’ny zavatra kely hoatr’izany.
MIEZAHA HIFANAJA
15. Nahoana no tena ilaina ny fifanajana raha tian’ny mpivady hiredareda foana ny fifankatiavan-dry zareo?
15 Tena ilaina ny fifanajana ao an-tokantrano. Hoatran’ny oksizenina mahatonga ny afon-dasy hiredareda izy io. Rehefa tsy misy ny oksizenina, dia vetivety dia maty ilay afo. Hoatran’izany koa fa vetivety dia hihamangatsiaka ny fifankatiavan’ny mpivady rehefa tsy misy fifanajana. Raha miezaka mafy hifanaja kosa ny mpivady, dia hiredareda foana ny fitiavan-dry zareo. Izao anefa: Tadidio fa ny zava-dehibe dia tsy hoe ianao ve mieritreritra hoe efa manaja azy, fa hoe ny vadinao ve mahatsapa hoe hajaina izy. Efa nivady nandritra ny 25 taona mahery i Penny sy Aret. Izao no nolazain’i Penny: “Anjakan’ny fitiavana ny tokantranonay satria mifanaja izahay. Tsy misalasala izahay roa milaza an’izay ao am-ponay, satria fantatray hoe tsy hataon’ilay iray tsinontsinona ny hevitry ny iray.” Inona àry no azonao atao mba hanampiana ny vadinao hahatsapa hoe tena manaja azy ianao? Diniho ny ohatr’i Abrahama sy Saraha.
16. Inona no azon’ny lehilahy manambady ianarana avy amin’i Abrahama? (1 Petera 3:7) (Jereo koa ny sary.)
16 Nanaja an’i Saraha i Abrahama. Nihaino tsara ny hevitr’i Saraha izy, sady nanaja ny fihetseham-pony. Nalahelo be i Saraha indray mandeha, dia nanampatra an’izany tany amin’i Abrahama, sady nanome tsiny azy mihitsy aza. Dia ahoana no nataon’i Abrahama? Tezitra sy nasiaka taminy ve izy? Tsy izany mihitsy. Fantany hoe nanaiky azy sy nanohana azy foana i Saraha hatramin’izay. Nihaino azy àry i Abrahama, dia niezaka nandamina an’ilay olana. (Gen. 16:5, 6) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Marina hoe manana fahefana handray fanapahan-kevitra ho an’ny fianakavianareo ianareo ry lehilahy manambady. (1 Kor. 11:3) Be fitiavana anefa ianao, rehefa mihaino ny hevitry ny vadinao alohan’ny hanapahana hevitra, indrindra raha hisy vokany aminy ilay izy. (1 Kor. 13:4, 5) Mety hiady saina koa ny vadinao indraindray, dia mety hoe te hilaza an’izay tsapany. Manaja ny fihetseham-pony ve ianao ka mihaino tsara azy? (Vakio ny 1 Petera 3:7.) Efa ho 30 taona izao i Angela sy Dmitry no nivady. Ataon’i Dmitry tsapan’i Angela hoe manaja azy izy. Izao no nolazain’i Angela: “Vonona hihaino ahy foana i Dmitry, na dia rehefa sosotra aza aho na mba te hiresaka fotsiny. Manam-paharetana amiko izy, na dia rehefa entim-po aza aho.”
17. Inona no azon’ny vehivavy manambady ianarana avy amin’i Saraha? (1 Petera 3:5, 6)
17 Nanaja an’i Abrahama i Saraha, ka nanohana ny fanapahan-keviny. (Gen. 12:5) Nanapa-kevitra ny handray vahiny tsy nampoizina i Abrahama, indray mandeha. Nangataka tamin’i Saraha àry izy mba hanajanona an’izay nataony, ka hanomana mofo be dia be. (Gen. 18:6) Tonga dia nanao zavatra i Saraha, sady nanohana ny fanapahan-kevitr’i Abrahama. Manahaka an’i Saraha koa ianareo vehivavy, rehefa manohana ny fanapahan-kevitry ny vadinareo. Hihamafy ny tokantranonareo rehefa manao an’izany ianareo. (Vakio ny 1 Petera 3:5, 6.) Ataon’i Angela tsapan’i Dmitry, ilay voaresaka teo amin’ny fehintsoratra teo aloha, hoe manaja azy izy. Izao no nolazain’i Dmitry: “Faly aho rehefa miezaka manohana ny fanapahan-kevitro i Angela, na dia tsy mitovy hevitra aza izahay. Tsy manakiana ahy izy, na dia tsy tsara be aza ny vokatr’ilay izy.” Mora erỳ ny mitia olona manaja anao!
18. Inona ny soa azon’ny mpivady rehefa miezaka foana ry zareo mba tsy ho faty ilay afom-pitiavany?
18 Tadiavin’i Satana hovonoina amin’izao ny fifankatiavana misy eo amin’ny mpivady kristianina. Fantany mantsy hoe raha lasa tsy mifankatia intsony ny mpivady, dia mety hanomboka hiala tsikelikely amin’i Jehovah. Tsy mety vonoina anefa ny tena fitiavana. Enga anie àry ny fitiavanareo mivady, mba ho hoatran’ilay voaresaka ao amin’ny Tononkiran’i Solomona. Omeo ny toerana voalohany ao amin’ny fanambadianareo i Jehovah, manokàna fotoana hiarahana, hajao ny fihetseham-pon’ny vadinao, ary omeo azy izay ilainy. Rehefa manao an’izany ianareo, dia hanome voninahitra an’i Jehovah, ilay Loharanon’ny tena fitiavana, ny tokantranonareo. Ary tsy izay ihany fa hiredareda mandrakizay ny fifankatiavanareo, hoatran’ny afo ampy kitay tsara!
HIRA 132 Iray Isika Izao
a Fanomezana nomen’i Jehovah ho an’ny olombelona ny fanambadiana. Afaka mifaneho fitiavana tena miavaka àry ny mpivady. Indraindray anefa mety hihamangatsiaka izany fitiavana izany. Raha manambady àry ianao, dia hanampy anareo mivady hifankatia foana sy hanana tokantrano sambatra ity lahatsoratra ity.
b Tsy miovaova sady maharitra ny tena fitiavana. Antsoina hoe “lelafo avy amin’i Jah” izy io, satria avy amin’i Jehovah izany karazana fitiavana izany.
c Na tsy Vavolombelon’i Jehovah aza ny vadinao, dia mety hanampy anareo mivady hifankatia kokoa ny soso-kevitra ato.—1 Kor. 7:12-14; 1 Pet. 3:1, 2.
d Misy torohevitra mahasoa, ohatra, ao amin’ireo andian-dahatsoratra hoe “Ho An’ny Fianakaviana”, ao amin’ny jw.org/mg sy JW Library®.
e Jereo ilay boky hoe Tahafo ny Finoan’izy Ireo, toko 17, feh. 15.