Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 22

Mandehana Foana Amin’ilay “Lalan’ny Fahamasinana”

Mandehana Foana Amin’ilay “Lalan’ny Fahamasinana”

“Hisy lalambe any, dia lalana hatao hoe Lalan’ny Fahamasinana.” ​—ISAIA 35:8.

HIRA 31 Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitrao!

HO HITANAO ATO a

1-2. Inona no fanapahan-kevitra lehibe tsy maintsy noraisin’ny Jiosy nipetraka tany Babylona? (Ezra 1:2-4)

 NIVOAKA ny didy! Afaka miverina any an-tanindrazany, any Israely, ny Jiosy. Efa 70 taona teo ho eo izay ry zareo no babo tany Babylona. (Vakio ny Ezra 1:2-4.) Tsy maintsy hoe i Jehovah no tao ambadik’izany! Fa maninona? Satria tsy fanaon’i Babylona ny namotsotra ny olona azony babo. (Isaia 14:4, 17) Resy anefa io tanàna io, dia nilaza ilay mpitondra vaovao hoe afaka nandao an’ilay tany ny Jiosy. Nisy fanapahan-kevitra tsy maintsy noraisin’ny Jiosy tsirairay àry, indrindra fa ny loham-pianakaviana. Inona izany? Hoe hiala ao Babylona ve sa hijanona ao ihany. Tsy mora angamba io fanapahan-kevitra io. Nahoana?

2 Betsaka no efa antitra ka tsy afaka nanao an’ilay dia lavitra intsony. Teraka tao Babylona koa ny ankamaroan’ny Jiosy, dia io ihany ny toerana mba fantany. Tanin’ny razambeny fa tsy an-dry zareo mantsy no fahitany an’i Israely. Toa lasa mpanefohefo koa ny Jiosy sasany tany Babylona. Nety ho sarotra tamin-dry zareo àry ny handao ny tranony tsara tarehy na ny asany, ka hoe hipetraka any amina tany mbola tsy nahazatra azy.

3. Inona no fitahiana niandry an’ireo Jiosy nanam-pinoana niverina tany Israely?

3 Fantatry ny Jiosy nanam-pinoana hoe betsaka lavitra noho izay hafoiny ny soa ho azony, raha miverina any Israely izy. Nifandray tamin’ny fanompoana an’i Jehovah ny fitahiana lehibe indrindra tamin’izany. Nisy 50 mahery mantsy ny tempolin’ny mpanompo sampy tany Babylona, nefa tsy nisy tempolin’i Jehovah tany na iray aza. Tsy nisy alitara azon’ny Israelita nanolorana sorona nifanaraka tamin’ny Lalàn’i Mosesy koa tany, sady tsy nisy mpisorona afaka nanolotra an’izany. Ankoatra izay, dia betsaka lavitra noho ny vahoakan’i Jehovah ny mpanompo sampy tany. Tsy niraharaha an’i Jehovah sy ny fitsipiny anefa izy ireny. Tsy andrin’ireo Jiosy an’arivony natahotra an’Andriamanitra àry ny hiverina tany an-tanindrazany, satria ho afaka hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana madio ry zareo.

4. Inona no fanampiana nampanantenain’i Jehovah hoe homeny an’izay Jiosy niverina tany Israely?

4 Sarotra ilay dia avy tany Babylona nankany Israely, ary naharitra efa-bolana teo ho eo. Nampanantena anefa i Jehovah hoe hesoriny izay mety hanakantsakana ny fiverenan-dry zareo any. Hoy i Isaia: “Omano ny lalana halehan’i Jehovah! Manaova lalambe mahitsy mamakivaky ny tany karakaina, mba handehanan’ilay Andriamanitsika. ... Ataovy mitovy tantana ny tany misy dongodongona, ary ataovy lasa lemaka ny tany mikitoantoana.” (Isaia 40:3, 4) Eritrereto ange izany e: Lalambe mitovy tantana mamakivaky tany karakaina! Ho faly erỳ izay handeha amin’ny lalana hoatr’izany! Ho mora kokoa amin-dry zareo mantsy ny handeha amin’ny lalambe mahitsy, toy izay hiresaresa hiaka-midina na hihodidina havoana, na tendrombohitra, na lohasaha. Ho haingana be koa izany.

5. Inona no anarana nomena an’ilay lalambe an’ohatra avy tany Babylona nankany Israely?

5 Betsaka amin’ny lalambe amin’izao no omena anarana na nomerao. Nanana anarana koa ilay lalambe an’ohatra noresahin’i Isaia. Izao no nolazainy: “Hisy lalambe any, dia lalana hatao hoe Lalan’ny Fahamasinana. Tsy handeha eny ny olona tsy madio.” (Isaia 35:8) Inona no dikan’io fampanantenana io ho an’ny Israelita tamin’izany? Ary inona no dikan’izy io ho antsika amin’izao?

NY “LALAN’NY FAHAMASINANA” TAMIN’IZANY SY AMIN’IZAO

6. Maninona no antsoina hoe masina io lalana io?

6 “Lalan’ny Fahamasinana.” Tsara erỳ izany anarana lalambe izany! Fa maninona io lalana io no nantsoina hoe masina? Satria tsy navela hipetraka tany Israely “ny olona tsy madio”, izany hoe izay Jiosy zatra naloto fitondran-tena, nanompo sampy, na nanao fahotana lehibe hafa. Ho lasa “vahoaka masina” ho an’ny Andriamaniny mantsy ireo Jiosy tafaverina tany an-tanindrazany ireo. (Deot. 7:6) Midika ve izany hoe tsy nila nanao fanovana izay Jiosy niala tany Babylona mba hampifaliana an’i Jehovah? Tsy izany mihitsy!

7. Inona no fiovana nila nataon’ny Jiosy sasany? Manomeza ohatra.

7 Efa hitantsika teo hoe teraka tany Babylona ny ankamaroan’ny Jiosy. Betsaka àry no toa lasa zatra ny fomba fisainana babylonianina sy izay noheverin’izy ireny ho zava-dehibe. Henon’i Ezra aza tatỳ aoriana hoe nisy Jiosy nanambady vehivavy mpanompo sampy, nefa efa am-polony taona taorianan’ny niverenan’ny Jiosy voalohany tany Israely izany. (Eks. 34:15, 16; Ezra 9:1, 2) Gaga be koa i Nehemia Governora tatỳ aoriana, satria tsy nianatra ny fiteny jiosy akory ny zaza teraka tao Israely. (Deot. 6:6, 7; Neh. 13:23, 24) Ahoana moa no hianaran’ireny ankizy ireny ho tia sy hanompo an’i Jehovah, nefa ny teny hebreo aza tsy azony? Ny teny hebreo mantsy no tena nanoratana ny Tenin’Andriamanitra. (Ezra 10:3, 44) Nila nanao fiovana lehibe àry ireo Jiosy ireo. Ho mora kokoa aminy anefa ny hanao an’izany satria efa tany Israely ry zareo, sady efa naverina tamin’ny laoniny tsikelikely ny fivavahana madio tany.​—Neh. 8:8, 9.

An-tapitrisany ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy niala tao amin’i Babylona Lehibe, nanomboka tamin’ny 1919, ary mandeha amin’ilay “Lalan’ny Fahamasinana” (Fehintsoratra 8)

8. Maninona no tokony hahaliana antsika amin’izao io zava-nitranga efa taloha be io? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

8 Mety hisy hieritreritra izao hoe: ‘Eny e, mahaliana aloha izany e! Fa inona moa no idirantsika amin’izay nitranga tamin’ny Jiosy tany aloha be tany?’ Misy ka! Satria hoatran’ny hoe mandeha amin’ilay “Lalan’ny Fahamasinana” isika amin’izao. Na voahosotra isika na “ondry hafa”, dia mila mandeha amin’io “Lalan’ny Fahamasinana” io foana. Izy io mantsy no mitondra antsika mamakivaky an’ilay paradisa ara-panahy, ka hahatonga antsika hahazo ny fitahiana hoentin’ilay Fanjakana. b (Jaona 10:16) An-tapitrisany ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy niala tao amin’i Babylona Lehibe, na ny fivavahan-diso rehetra, nanomboka tamin’ny 1919. Nanomboka nandeha tamin’io lalana an’ohatra io ry zareo. Azo inoana hoe anisan-dry zareo ianao. Marina hoe efa 100 taona teo ho eo izay no nisokafan’io lalambe io, nefa efa taonjato maro talohan’izay izy io no nanomboka nomanina.

NOMANINA ILAY LALANA

9. Ahoana no nanomanana an’ilay “Lalan’ny Fahamasinana”, araka ny Isaia 57:14?

9 Nataon’i Jehovah izay hanalana ny sakantsakana teny an-dalana, rehefa hiala any Babylona ny Jiosy. (Vakio ny Isaia 57:14.) Ary ahoana ny amin’ilay “Lalan’ny Fahamasinana” amin’izao? Nampiasa lehilahy matahotra an’Andriamanitra i Jehovah mba hanomanana an’ilay lalana hivoahana avy ao amin’i Babylona Lehibe. Taonjato maro talohan’ny 1919 izany no natomboka. (Ampitahao amin’ny Isaia 40:3.) Tena nilaina ny fanomanana nataon-dry zareo. Lasa afaka niala tao amin’i Babylona Lehibe mantsy ny olona tso-po, tatỳ aoriana, dia niditra tao amin’ny paradisa ara-panahy. Efa naverina tamin’ny laoniny mantsy ny fivavahana madio tamin’izay. Inona avy ny fanomanana nataon-dry zareo? Andao isika handinika sasantsasany.

Nisy lehilahy natahotra an’Andriamanitra nanomana an’ilay lalana nivoahana avy tao amin’i Babylona Lehibe, nandritra ny taonjato maro (Fehintsoratra 10-11)

10-11. Inona no vokany rehefa natao pirinty sy nadika tamin’ny fiteny hafa ny Baiboly? (Jereo koa ny sary.)

10 Pirinty. Nadika tanana foana ny Baiboly talohan’ny 1450 tany ho any. Naka fotoana be izany, moa sarotra hita sady lafo be ny Baiboly. Lasa mora kokoa anefa ny namokatra sy nizara Baiboly rehefa nisy amin’izay ny milina fanaovana pirinty.

11 Fandikan-teny. Tamin’ny teny latinina ihany ny Baiboly tamin’ny ankapobeny, nandritra ny taonjato maro. Izay avara-pianarana ihany anefa no nahay an’io fiteny io. Rehefa nihabetsaka kosa ny mpanao pirinty, dia nisy olona natahotra an’Andriamanitra niezaka mafy nandika ny Baiboly tamin’ny fiteny fampiasan’ny sarambabem-bahoaka. Lasa afaka nampitaha an’izay nampianarin’ny mpitondra fivavahana tamin’izay tena ampianarin’ny Baiboly àry ny mpamaky.

Nisy lehilahy natahotra an’Andriamanitra nanomana an’ilay lalana nivoahana avy tao amin’i Babylona Lehibe (Fehintsoratra 12-14) c

12-13. Nanomboka nahariharin’ireo olona tso-po nianatra Baiboly tamin’ny taonjato faha-19 fa diso ny fampianaran’ny fivavahana. Manomeza ohatra.

12 Boky fianarana Baiboly. Nianatra zavatra be dia be ireo nandalina ny Baiboly rehefa namaky ny Tenin’Andriamanitra. Matetika no nozarain-dry zareo tamin’ny hafa ny zavatra nianarany, ka tsy faly ny ankamaroan’ny mpitondra fivavahana. Betsaka, ohatra, ny lehilahy tso-po nanomboka namoaka taratasy mivalona tamin’ny taonjato faha-19. Naharihariny tamin’izany hoe diso ny fampianaran’ny fivavahana.

13 Namoaka taratasy mivalona momba ny maty ny lehilahy iray natahotra an’Andriamanitra, tamin’ny 1835 tany ho any. Henry Grew no anarany. Noporofoiny tamin’ny alalan’ny Soratra Masina hoe fanomezana avy amin’Andriamanitra izany tsy mety maty izany, fa tsy hoe vao teraka isika dia efa manana fanahy tsy mety maty, araka ny ampianarin’ny ankamaroan’ny fivavahana. Nisy mpitondra fivavahana nandeha lamasinina nahita iray tamin’io taratasy mivalona io tamin’ny 1837. George Storrs no anarany. Novakiny ilay izy, ary resy lahatra izy hoe nahita fahamarinana lehibe. Tapa-kevitra izy hoe hozarainy amin’ny hafa ny zavatra nianarany. Nanao lahateny mifampitohy àry izy tamin’ny 1842. Tena nahaliana ny lohatenin’ilay izy hoe: “Famotopotorana​—Tsy Mety Maty ve ny Ratsy Fanahy?” Nisy vokany tsara tamin’ny tovolahy iray antsoina hoe Charles Russell ny zavatra nosoratan’i George Storrs.

14. Inona ny soa noraisin’ny Rahalahy Russell sy ny namany noho ny fanomanan’ny olon-kafa an’ilay lalana? (Jereo koa ny sary.)

14 Inona ny soa noraisin’ny Rahalahy Russell sy ny namany noho ny fanomanan’ny olon-kafa an’ilay lalana? Rehefa nianatra ry zareo, dia lasa afaka nikaroka tao amina diksionera ara-baiboly sy boky fizahan-teny ary Baiboly isan-karazany. Efa voaomana talohan’ny andron-dry zareo daholo izany. Nandray soa tamin’ny fikarohana ara-baiboly nataon-dry Henry Grew sy George Storrs ary ny olon-kafa koa ry zareo. Na ry Rahalahy Russell sy ny namany aza nanomana an’ilay lalana, rehefa namoaka boky sy taratasy mivalona be dia be manazava foto-kevitra ao amin’ny Baiboly.

15. Inona ny zavatra lehibe nitranga tamin’ny 1919?

15 Tsy afaka nifehy ny vahoakan’Andriamanitra intsony i Babylona Lehibe, tamin’ny 1919. Tamin’io mantsy no nanomboka nisy ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Mat. 24:45-47) Ara-potoana tsara izany satria handray an’ireo olona tso-po handeha amin’ilay lalana vao nisokatra ry zareo, izany hoe ilay “Lalan’ny Fahamasinana.” Soa ihany fa nisy olona tsy nivadika efa nanomana an’ilay lalana taloha, dia lasa afaka nahafantatra kokoa momba ny fikasan’i Jehovah ireo nanomboka nandeha tamin’io lalambe io. (Ohab. 4:18) Lasa afaka nampifanaraka ny fiainany tamin’izay notakin’i Jehovah koa ry zareo. Tsy nanantena anefa izy hoe hahavita hanova ny zava-drehetra indray mandeha ny vahoakany. Nodioviny tsikelikely kosa ry zareo rehefa nandeha ny fotoana. (Jereo ilay hoe “ Diovin’i Jehovah Tsikelikely ny Vahoakany.”) Ho sambatra erỳ isika rehefa mahavita mampifaly an’ilay Andriamanitsika amin’ny zava-drehetra ataontsika!​—Kol. 1:10.

MBOLA MISOKATRA ILAY “LALAN’NY FAHAMASINANA”

16. Inona no fikojakojana natao tamin’ilay “Lalan’ny Fahamasinana” nanomboka tamin’ny 1919? (Isaia 48:17; 60:17)

16 Mila kojakojaina matetika ny lalana. Hoatr’izany koa ilay “Lalan’ny Fahamasinana.” Nohatsaraina foana izy io nanomboka tamin’ny 1919, amin’izay betsaka kokoa ny olona afaka miala ao amin’i Babylona Lehibe. Nanomboka ny asany àry ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina vao avy notendrena, dia namoaka boky fianarana Baiboly tamin’ny 1921. Natao hanampiana an’ireo vaovao hianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly izy io. Ny Harpan’Andriamanitra (frantsay) no lohatenin’ilay boky, ary efa ho enina tapitrisa no natonta tamin’izy io tamin’ny fiteny 36. Betsaka àry no nianatra ny fahamarinana tamin’ny alalan’izy io. Vao haingana koa isika no nahazo an’ilay boky vaovao tsara be hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! mba hampianarana Baiboly. Mampiasa ny fandaminany i Jehovah mandritra ny andro farany, mba hanomezana sakafo ara-panahy tsy tapaka ho an’ny vahoakany. Manampy antsika rehetra izany mba handeha foana amin’ilay “Lalan’ny Fahamasinana.”​—Vakio ny Isaia 48:17; 60:17.

17-18. Mankaiza ilay “Lalan’ny Fahamasinana”?

17 Azo lazaina hoe isaky ny misy olona manaiky hianatra Baiboly, dia manomboka mandeha amin’ilay “Lalan’ny Fahamasinana” izy. Ny sasany vetivety ihany no mandeha amin’io lalambe io, dia avy eo miala. Ny hafa kosa tapa-kevitra hoe tsy hiala mihitsy mandra-pahatongany any amin’ilay toerana tiany haleha. Aiza izany?

18 Mitondra mankany amin’ny “paradisan’Andriamanitra” any an-danitra ilay “Lalan’ny Fahamasinana”, ho an’ireo manantena hiaina any an-danitra. (Apok. 2:7) Mitondra mankany amin’ny faran’ny 1 000 taona kosa izy io, ho an’ireo manantena hiaina eto an-tany, rehefa lasa lavorary daholo ny olombelona. Raha efa mandeha amin’io lalambe io àry ianao, dia aza mitodika any aoriana. Aza miala amin’ilay izy mihitsy koa mandra-pahatonganao any amin’ny tontolo vaovao. “Soava dia” àry e!

HIRA 24 Andao ho any An-tendrombohitr’i Jehovah

a Nantsoin’i Jehovah hoe “Lalan’ny Fahamasinana” ilay lalambe an’ohatra avy tany Babylona nankany Israely. Nanomana lalana hoatr’izany ho an’ny vahoakany amin’izao koa ve izy? Ie! An-tapitrisany no niala tao amin’i Babylona Lehibe nanomboka tamin’ny 1919, ka nanomboka nandeha tamin’ilay “Lalan’ny Fahamasinana.” Tsy maintsy mandeha amin’izy io foana isika mandra-pahatongantsika any amin’ilay toerana tiantsika haleha.

c SARY: Rahalahy Russell sy ny namany nampiasa boky fianarana Baiboly efa nomanina talohan’ny andron-dry zareo.