Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mba Andramo Izao

Mba Andramo Izao

Loharanon-kevitra ao Amin’ny FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon’i Jehovah ao Amin’ny Internet

Manampy anao hianatra zavatra be dia be ny loharanon-kevitra ao, anisan’izany ny Fandalinana ny Soratra Masina, ny Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Manampy anao hahita loharanon-kevitra ilay hoe “Hikaroka”, ao amin’ilay fitehirizam-boky. Rehefa manoratra teny hokarohina eo ianao, dia misy soso-kevitra maromaro mipoitra eo ambany. Misy hoe “Loha Hevitra” eo akaikin’izay teny misy ao amin’ny loharanon-kevitra.

Andramo izao: Soraty eo amin’ilay hoe “Hikaroka” (A) ny hoe “Jehovah.” Fidio izay soso-kevitra “Jehovah” misy hoe “Loha Hevitra” eo akaikiny (B). Hahita loharanon-kevitra isan-karazany misy ny valin’ny fikarohana nataonao ianao.