Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Asa Goavana” no Miandry Antsika

“Asa Goavana” no Miandry Antsika

NISY fivoriana lehibe natao tao Jerosalema. Efa antitra i Davida Mpanjaka tamin’izay. Novoriny ny andriana sy ny tandapa ary ny lehilahy mahery rehetra. Faly be ry zareo fa nisy vaovao mahafinaritra be nolazainy. Nasain’i Jehovah hanorina tempoly tsara tarehy hivavahana aminy i Solomona zanany. Efa nomen’i Jehovah an’i Davida ny planin’ilay trano, ary nomeny an’i Solomona ilay izy avy eo. Hoy i Davida: ‘Asa goavana no atao, satria tsy ho an’olombelona ilay lapa fa ho an’i Jehovah Andriamanitra.’​—1 Tan. 28:1, 2, 6, 11, 12; 29:1.

Nanontany i Davida taorian’izay hoe: “Iza no vonona hanao fanomezana an-tsitrapo ho an’i Jehovah anio?” (1 Tan. 29:5) Raha teo ianao tamin’izay, dia inona no mety ho nataonao? Nanohana an’ilay asa ve ianao? Tsy nisalasala nanao an’izany ny Israelita. “Faly” izy ireo “nanao fanatitra an-tsitrapo, satria tamin’ny fony manontolo no nanaovany fanatitra an-tsitrapo ho an’i Jehovah.”​—1 Tan. 29:9.

Nanorina tempoly hafa mbola lehibe lavitra noho ilay tempolin’i Solomona i Jehovah, taonjato maro tatỳ aoriana. Tsy inona izany fa ny tempoly ara-panahy, izany hoe ny fandaharana nataony mba hanatonana sy hanompoana azy miorina amin’ny sorona nataon’i Jesosy. (Heb. 9:11, 12) Tian’i Jehovah hihavana aminy ny olona, ka irahiny hanampy azy ireny ho lasa mpianatr’i Jesosy isika. (Mat. 28:19, 20) An-tapitrisany àry isan-taona ny olona mianatra Baiboly ary an’aliny no atao batisa, ka lasa misy fiangonana vaovao an-jatony.

Lasa mitombo ny boky sy gazety mila atao pirinty, ary ny Efitrano Fanjakana mila aorina sy kojakojaina. Mihamaro koa ny toerana fanaovana fivoriambe ilaina. Tena miaiky àry isika fa asa goavana ny mampiely ny vaovao tsara, nefa koa mahafa-po.​—Mat. 24:14.

Tia an’i Jehovah sy ny mpiara-belona amintsika isika. Fantatsika koa fa tena maika ny asa fitoriana. “Vonona hanao fanomezana an-tsitrapo ho an’i Jehovah” àry isika. Tena faly isika ‘manome voninahitra an’i Jehovah amin’ireo zava-tsarobidy ananantsika.’ (Ohab. 3:9) Faly koa isika fa ampiasaina tsara mba hamitana an’ilay asa lehibe indrindra ny fanomezana ataontsika.