Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mifampahereza Foana “Isan’andro”

Mifampahereza Foana “Isan’andro”

“Raha manana teny hampaherezana ny olona ianareo, dia mitenena!”​—ASA. 13:15.

HIRA: 121, 45

1, 2. Inona no manaporofo fa ilaina ny fampaherezana?

HOY i Cristina [1], ankizivavy 18 taona: “Zara raha mampahery an’ahy i Dada sy Neny. Tia manakiana an’ahy ry zareo. Mankarary fo ny tenin-dry zareo indraindray. Tsy matotra, hono, aho ary tsy ho lasa matotra mihitsy, sady bota be. Dia mitomany aho matetika, dia aleoko tsy miresaka amin-dry zareo. Hoatran’ny hoe tsisy dikany aho.” Mety ho kivy tokoa isika raha tsy mba misy mampahery mihitsy.

2 Tena mahasoa kosa ny fampaherezana. Hoy i Rubén: “Nieritreritra aho nandritra ny taona maro hoe izaho tsy misy dikany. Niara-nitory tamin’ny anti-panahy iray izay anefa aho indray mandeha, dia hitany hoe kivikivy. Nolazaiko taminy ny tao am-poko, dia nihaino sy nangoraka ahy izy. Noresahiny tamiko ny zavatra tsara ataoko. Nampahatsiahiviny ahy koa ny tenin’i Jesosy hoe sarobidy noho ny fody maro isika tsirairay. Matetika io andininy io no mitamberina ao an-tsaiko, dia mbola manohina ny foko foana. Nisy vokany be tamiko ny tenin’ilay anti-panahy.”—Mat. 10:31.

3. a) Inona no nolazain’i Paoly momba ny hoe mampahery? b) Inona no hianarantsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

3 Tsy mahagaga àry raha mampirisika antsika hifampahery foana ny Baiboly. Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina hebreo: “Tandremo, ry rahalahy, sao misy aminareo koa hanjary hanana fo ratsy sady tsy mino, ka hiala amin’ilay Andriamanitra velona. Fa mifananara [mifampahereza] hatrany kosa isan’andro, ... sao misy aminareo ho mafy fo noho ny hery mamitaky ny ota.” (Heb. 3:12, 13) Efa nisy nilaza teny nampahery anao ve? Falifaly erỳ angamba ianao tamin’izay, ka ekenao hoe tena ilaina ny mifampahery. Hodinihintsika àry hoe: Nahoana no tena ilaina ny mampahery ny hafa? Inona no ianarantsika avy amin’i Jehovah sy Jesosy ary Paoly? Inona avy no azo atao mba hampaherezana ny hafa?

MILA FAMPAHEREZANA DAHOLO ISIKA

4. Iza no mila fampaherezana, ary nahoana no zara raha misy ny olona mampahery?

4 Mila fampaherezana daholo isika, indrindra fa ny ankizy. Hoy ilay mpampianatra atao hoe Timothy Evans: ‘Mila fampaherezana ny ankizy, toy ny zavamaniry mila rano. Mahatsiaro ho misy dikany sy tiana izy rehefa ampaherezina.’ Sarotra anefa ny fiainana izao, ka tia tena ny olona sady tsy tia ny mpianakaviny. Zara raha misy ny olona mampahery. (2 Tim. 3:1-5) Tsy mba midera ny zanany ny ray aman-dreny sasany, satria tsy nidera azy mihitsy ny ray aman-dreniny. Be dia be koa ny mpiasa tsy mba misy midera, ka lasa mitaraina hoe tsy misy mampahery azy mihitsy any am-piasana.

5. Ahoana no azontsika ampaherezana ny hafa?

5 Ahoana no azontsika ampaherezana ny hafa? Afaka midera azy isika noho ny zavatra tsara vitany. Azo atao koa ny miresaka aminy momba ny toetra tsarany, na milaza “teny mampahery” rehefa kivy izy. (1 Tes. 5:14) Raha adika ara-bakiteny ilay teny grika nadika hoe “fampaherezana”, dia midika hoe ‘fiantsoana olona ho eo akaikinao.’ Tafaraka matetika amin’ireo rahalahy sy anabavy isika, ka tena afaka milaza teny mampahery azy ireo. (Vakio ny Mpitoriteny 4:9, 10.) Eritrereto àry izao: ‘Resahiko amin’ny mpiara-manompo ve hoe nahoana izy ireo no tena tiako sy sarobidy amiko? Manararaotra miteny an’izany ve aho isaky ny afaka?’ Tadidio fa “tsara erỳ ny teny lazaina amin’ny fotoana mety!”—Ohab. 15:23.

6. Nahoana i Satana no manao izay hahakivy antsika? Manomeza ohatra.

6 Hoy ny Ohabolana 24:10: “Kivy ve ianao amin’ny andro mahory? Raha izany, dia ho kely ny herinao.” Tian’i Satana Devoly ho kivy isika satria fantany hoe hisy vokany ratsy amintsika izany, ohatra hoe tsy hifandray tsara amin’i Jehovah intsony isika. Nampijaly be an’i Joba, ohatra, izy sady nanendrikendrika azy mba hahatonga azy ho kivy. Tsy nivadika mihitsy anefa i Joba. (Joba 2:3; 22:3; 27:5) Handresy an’i Satana koa isika raha mampahery an’ireo mpianakavintsika sy mpiara-manompo amintsika. Ho sambatra sy ho akaiky an’i Jehovah foana isika rehetra amin’izay.

IZA AVY NO AZONTSIKA TAHAFINA?

7, 8. a) Inona no porofo fa tena zava-dehibe amin’i Jehovah ny mampahery? b) Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anahafana an’i Jehovah? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

7 I Jehovah. Hoy ny mpanao salamo: “Akaiky an’izay torotoro fo i Jehovah, ary mamonjy an’izay ketraka.” (Sal. 34:18) Rehefa natahotra sy kivy, ohatra, i Jeremia mpaminany, dia nanome toky azy i Jehovah hoe hanampy azy. (Jer. 1:6-10) Naniraka anjely koa izy mba hampahery an’i Daniela mpaminany, tamin’izy efa zokiolona. Nilaza ilay anjely hoe “tena tiana” i Daniela. Azo antoka fa tena nampahery azy izany. (Dan. 10:8, 11, 18, 19) Nahoana àry raha manahaka an’i Jehovah, ka mampahery an’ireo mpitory sy mpisava lalana ary ireo be taona efa mihaosa?

8 Nampahery an’i Jesosy Zanany koa i Jehovah. Tsy nieritreritra izy hoe efa niaraka ela be tany an-danitra izy ireo, dia tsy nila nampaherezina intsony i Jesosy rehefa tetỳ an-tany. Indroa i Jehovah no niteny avy any an-danitra hoe: “Io no Zanako malalako, izay sitrako.” (Mat. 3:17; 17:5) Tamin’i Jesosy vao nanomboka ny fanompoany sy tamin’ny taona farany nijanonany tetỳ an-tany izy no nanao an’izany. Nidera an’i Jesosy àry i Jehovah, ary nanome toky azy hoe tsara ny nataony. Azo antoka fa tena nampahery an’i Jesosy izany. Naniraka anjely koa i Jehovah mba hampahery azy, rehefa nitebiteby be izy tamin’ny alina talohan’ny nahafatesany. (Lioka 22:43) Tahafo àry i Jehovah ka ampaherezo foana ny zanakao. Derao izy rehefa manao zavatra tsara. Rehefa manana olana izy any am-pianarana, dia vao mainka ampaherezo tsara sy ampio mba tsy hivadika.

9. Inona no ianarantsika avy amin’i Jesosy?

9 I Jesosy. Hitan’i Jesosy fa nanambony tena ny apostoliny, tamin’ny alina talohan’ny nahafatesany. Efa nanasa ny tongotr’izy ireo izy ary nampianatra azy hanetry tena, nefa mbola niady ihany ry zareo hoe iza no lehibe indrindra. I Petera koa nirehareha be hoe tsy handao an’i Jesosy mihitsy. (Lioka 22:24, 33, 34) Noderain’i Jesosy anefa ireo apostoliny ireo hoe tsy nanary azy tao anatin’ny sarotra. Nilaza izy fa hahavita asa betsaka kokoa noho ny vitany izy ireo. Nomeny toky koa izy ireo hoe tian’Andriamanitra. (Lioka 22:28; Jaona 14:12; 16:27) Eritrereto àry izao: ‘Manahaka an’i Jesosy ve aho ka midera ny zanako sy ny olon-kafa noho ny zavatra tsara vitany, fa tsy mifantoka amin’ny fahadisoany?’

10, 11. Inona no mampiseho fa tsapan’i Paoly hoe tena ilaina ny mampahery?

10 Ny apostoly Paoly. Niresaka zavatra tsara momba ny mpiara-manompo taminy foana i Paoly. Nisy tamin’izy ireny niaraka taminy nandritra ny taona maro, ka azo antoka fa fantany tsara ny fahalemeny. Zavatra tsara foana anefa no noresahiny momba azy ireny. Nilaza, ohatra, izy fa ‘zanany malalany sy mendri-pitokisana ao amin’ny Tompo’ i Timoty, ka hahavita hikarakara tsara ny Kristianina hafa. (1 Kor. 4:17; Fil. 2:19, 20) Nidera an’i Titosy koa izy rehefa nanoratra ho an’ny Korintianina. Hoy izy: “Namako izy sady mpiara-miasa amiko hahasoa anareo.” (2 Kor. 8:23) Azo antoka fa tena nampahery an’i Timoty sy Titosy ny naheno an’izany.

11 Nanao vivery ny ainy koa i Paoly sy Barnabasy mba hampaherezana ny hafa. Efa tany Lystra ry zareo, ary nanohitra mafy azy ireo ny olona tany ka nitady hamono azy ireo mihitsy. Mbola niverina tany anefa izy ireo, satria te hampahery an’ireo vao lasa Kristianina sy hanampy azy ireo tsy hivadika. (Asa. 14:19-22) Nisy vahoaka tezitra be tamin’i Paoly koa tany Efesosy. Hoy anefa ny Asan’ny Apostoly 20:1, 2: “Rehefa nitsahatra ilay savorovoro, dia nampaka ny mpianatra i Paoly. Koa nampahery sy nanao veloma azy ireo izy, ary nankany Makedonia avy eo. Nitety faritra maro tany izy ka nanao teny maro mba hampaherezana an’ireo mpianatra, ary tonga tany Gresy.” Hita amin’izany fa tena zava-dehibe tamin’i Paoly ny mampahery.

NAHOANA ISIKA NO MILA MIFAMPAHERY?

12. Nahoana no mahasoa ny mivory?

12 Te hanampy antsika i Jehovah ka asainy mivory tsy tapaka isika. Mahazo fampaherezana mantsy isika rehefa any, sady afaka mampahery ny hafa. (Vakio ny Hebreo 10:24, 25.) Mivory isika mba hianatra sy hifampahery, toa an’ireo mpanara-dia an’i Jesosy fahiny. (1 Kor. 14:31) Hoy i Cristina, ilay noresahina tany aloha: “Mahazo fampaherezana aho sady mahatsiaro hoe mba misy tia an’ahy, dia izay no tena itiavako mivory. Kivikivy aho indraindray rehefa tonga any. Misy rahavavy manatona an’ahy anefa, dia mamihina an’ahy sady miteny hoe mahafatifaty kely aho. Tian-dry zareo, hono, aho sady faly ry zareo fa mandroso tsara aho. Tena mampahery an’ahy izany, dia lasa tsy kivikivy intsony aho.” Mahafinaritra tokoa àry raha samy manao izay azo atao isika rehetra, mba “hisy fifampaherezana eo amintsika.”​—Rom. 1:11, 12.

13. Nahoana ireo nanompo an’i Jehovah efa hatramin’ny ela no mila ampaherezina?

13 Na ireo nanompo an’i Jehovah hatramin’ny ela be aza mba mila ampaherezina koa. Eritrereto i Josoa. Efa an-taonany maro izy no tsy nivadika tamin’i Jehovah. Nasain’i Jehovah nampahery azy anefa i Mosesy. Hoy i Jehovah: “Tendreo ho mpitarika i Josoa, ka ampaherezo sy hatanjaho fa izy no hiampita eo alohan’ity firenena ity, ary izy no hampandova azy ilay tany izay ho hitanao.” (Deot. 3:27, 28) Nahazo andraikitra lehibe i Josoa, satria izy no hitarika ny Israelita haka ny Tany Nampanantenaina. Tsy maintsy hitarika azy ireo hiady izy ary ho resy indraindray, fara fahakeliny indray mandeha. (Jos. 7:1-9) Tsy mahagaga àry raha nila nampaherezina i Josoa. Enga anie koa isika tsirairay hampahery an’ireo anti-panahy sy mpiandraikitra ny faritra. Miasa mafy mikarakara ny andian’ondrin’Andriamanitra mantsy izy ireny. (Vakio ny 1 Tesalonianina 5:12, 13.) Hoy ny mpiandraikitra ny faritra iray: “Manome anay taratasy fisaorana indraindray ny mpiara-manompo, ary soratany ao hoe tena tiany ny fitsidihanay. Tehirizinay izy ireny dia vakinay rehefa kivikivy iny izahay. Tena mampahery anay ilay izy.”

Hifandray kokoa amin’i Jehovah ny zanakao raha mazoto mampahery azy ianao (Fehintsoratra 14)

14. Inona no manaporofo fa mazoto manaraka torohevitra ny olona rehefa deraina sy ampaherezina?

14 Tsapan’ny anti-panahy sy ny ray aman-dreny fa mazoto manaraka torohevitra ny olona rehefa deraina sy ampaherezina. Nidera an’ireo Korintianina, ohatra, i Paoly satria nanaraka ny toroheviny izy ireo. Azo antoka fa nandrisika azy ireo hanao ny tsara foana izany. (2 Kor. 7:8-11) Hoy i Andreas, manan-janaka mianadahy: “Lasa mifandray tsara amin’i Jehovah sy mihamatotra ny ankizy rehefa ampaherezina. Vao mainka koa izy hanaraka ny torohevitra omena azy. Marina fa mahalala ny tokony hataony ny ankizy. Ho zatra manao an’izany anefa izy raha mampahery azy foana ny ray aman-dreniny.”

INONA AVY NO AZO ATAO?

15. Ahoana no azontsika ampaherezana ny hafa?

15 Derao ny mpiray finoana amintsika noho ny ezaka ataony sy ny toetra tsarany. (2 Tan. 16:9; Joba 1:8) Tena sarobidy amin’i Jehovah sy Jesosy izay vitantsika mba hanohanana ny asan’ilay Fanjakana. Mety ho kely ny fanompoana vitantsika sy ny fanomezana ataontsika, noho ny zavatra iainantsika. Mankasitraka an’izany anefa izy ireo. (Vakio ny Lioka 21:1-4; 2 Korintianina 8:12.) Misy be taona miezaka be, ohatra, vao mahavita mivory sy manome valin-teny ary mitory foana. Tsy tokony hidera sy hampahery an’ireny rahalahy sy anabavy malalantsika ireny ve isika?

16. Nahoana isika no tsy tokony hisalasala hampahery?

16 Mila manararaotra mampahery isika rehefa afaka manao an’izany. Misy olona hitanao hoe nahavita zavatra tsara ve? Maninona raha midera azy? Diniho, ohatra, izay nitranga rehefa tany Antiokia, any Pisidia, i Paoly sy Barnabasy. Niteny tamin’izy ireo ny mpitantana ny synagoga hoe: “Ry rahalahy, raha manana teny hampaherezana ny olona ianareo, dia mitenena!” Nanao lahateny tena nampahery i Paoly taorian’izay. (Asa. 13:13-16, 42-44) Aza misalasala miteny àry rehefa afaka mampahery ianao. Raha zatra mampahery isika, dia azo inoana fa hampahery antsika koa ny hafa.​—Lioka 6:38.

17. Inona no tokony hataontsika raha tiantsika hisy heriny ny teny fiderana lazaintsika?

17 Ataovy vokatry ny fo sy voafaritra tsara ny teninao. Marina fa efa tsara ny milaza teny mampahery. Tsara kokoa anefa raha voafaritra tsara ilay izy, hoatran’ny nataon’i Jesosy tamin’izy nidera an’ireo Kristianina tany Tyatira. (Vakio ny Apokalypsy 2:18, 19.) Raha manan-janaka, ohatra, ianao dia lazao aminy hoe inona amin’ny ezaka ataony mba hanompoana an’i Jehovah no mahafinaritra anao. Mahalala reny mitaiza irery ny zanany ve ianao, ary hitanao hoe tsy mora ny zavatra iainany? Lazao azy izay ezaka ataony hitaizana ny zanany ka tena mahavariana anao. Misy vokany be ny teny fiderana sy fampaherezana toy izany.

18, 19. Inona no azontsika atao mba hifandray amin’i Jehovah foana ny mpiara-manompo amintsika?

18 Niteny tamin’i Mosesy i Jehovah hoe mila ampaherezina i Josoa. Tsy lazainy amintsika kosa hoe iza no tokony hampaherezina. Faly anefa izy rehefa milaza teny mampahery isika. (Ohab. 19:17; Heb. 12:12) Nisy torohevitra tena nilainao ve, ohatra, tamin’ny lahateny iray, sa nanampy anao hahazo tsara andinin-teny iray ilay izy? Lazao amin’ilay mpandahateny izany. Nisy anabavy nanoratra toy izao tany amin’ny mpandahateny mpitsidika iray: “Marina fa tsy niresaka ela isika, nefa tsapanao hoe mafy ny mahazo ahy. Nampahery sy nampionona ahy ianao. Tena tsara fanahy ianao na nandritra an’ilay lahateny na rehefa niresaka tamiko. Tiako ho fantatrao hoe noraisiko ho fanomezana avy amin’i Jehovah izany.”

19 Hoy i Paoly: “Mifampionòna sy mifampahereza hatrany, toy izao efa ataonareo izao.” (1 Tes. 5:11) Raha mankatò an’izany isika, dia hahita fomba maro hampaherezana ny mpiara-manompo amintsika sy hanampiana azy hifandray amin’i Jehovah. Tena ho faly i Jehovah raha mifampahery foana isika “isan’andro.”

^ [1] (fehintsoratra 1) Novana ny anarana sasany.