Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Manaja ny Tenin’​Andriamanitra ve Ianao?

Tena Manaja ny Tenin’​Andriamanitra ve Ianao?

‘Rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olona izany fa araka ny tena izy, dia tenin’Andriamanitra.’​—1 TES. 2:13.

HIRA: 114, 113

1-3. Inona no nety ho nahatonga an’ilay olana teo amin’i Eodia sy Syntyke, ary inona no azo atao mba tsy hisian’ny olana hoatr’izany? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

TENA manaja ny Tenin’Andriamanitra isika mpanompon’i Jehovah. Mila torohevitra avy ao isika rehetra indraindray satria tsy lavorary. Ahoana anefa no ataontsika rehefa mahazo torohevitra? Diniho izay nitranga tamin’i Eodia sy Syntyke, anabavy voahosotra tamin’ny taonjato voalohany. Nisy olana lehibe teo amin’izy ireo, saingy tsy resahin’ny Baiboly hoe inona ilay izy. Inona anefa no nety ho nahatonga an’ilay olana?

2 Andeha hatao hoe nanasa rahalahy sy anabavy hiara-mikorana aminy i Eodia. Tsy voasa tamin’ilay izy i Syntyke, nefa henony hoe nahafinaritra be ilay izy. Lasa saina angamba izy hoe: ‘Izaho ve dia tsy nasain’i Eodia? Dia inona fotsiny izany no maha mpinamana be anay?’ Lasa nieritreritra izy hoe tsy tena tia azy i Eodia ka tsy te hifandray aminy. Nanao fiaraha-mikorana koa àry izy ary nasainy daholo ny olona nasain’i Eodia, fa i Eodia tsy nasainy. Saika nisara-bazana mihitsy ny fiangonana noho ilay olana teo amin’izy roa. Tsy resahin’ny Baiboly hoe inona no niafaran’ilay izy. Nanoro hevitra azy ireo anefa ny apostoly Paoly, ary azo inoana fa nampihatra an’izany izy ireo.​—Fil. 4:2, 3.

3 Misy olana mitovitovy amin’izany koa indraindray eo anivon’ny fiangonana ankehitriny. Ho voavaha anefa izy ireny na tsy hisy mihitsy, raha ampiharintsika izay voalazan’ny Baiboly. Raha tena manaja ny Tenin’Andriamanitra koa isika, dia hankatò azy io foana.​—Sal. 27:11.

MANAMPY ANTSIKA HIFEHY NY FIHETSEHAM-PONTSIKA NY BAIBOLY

4, 5. Inona no torohevitry ny Baiboly manampy antsika hifehy ny fihetseham-pontsika?

4 Tsy mora indraindray ny mifehy ny fihetseham-po. Mety ho tezitra, ohatra, isika na halahelo raha misy manambanimbany antsika noho ny kolontsaintsika, na ny volon-koditsika, na ny paozintsika. Vao mainka mafy be amintsika ilay izy raha Kristianina namantsika no manao an’izany. Inona àry no torohevitry ny Baiboly afaka manampy antsika raha misy olona ratsy toetra hoatr’izany?

5 Fantatr’i Jehovah tsara hoe inona no mety hitranga rehefa tsy mahafehy ny fihetseham-pony ny olona iray. Mety hahateny na hahavita zavatra hanenenantsika isika rehefa tezitra na malahelo. Mila mahay mifehy ny fihetseham-pontsika àry isika, ka hanaraka ny torohevitry ny Baiboly hoe tsy tokony ho mora tezitra. (Vakio ny Ohabolana 16:32; Mpitoriteny 7:9.) Samy mila miezaka koa isika mba ho tia mamela heloka. Nilaza mantsy i Jesosy fa tsy hamela antsika i Jehovah raha tsy tia mamela heloka isika. (Mat. 6:14, 15) Mbola mila miezaka kokoa ho tia mamela heloka sy hifehy ny fihetseham-ponao àry ve ianao?

6. Nahoana isika no tokony hifehy ny fihetseham-pontsika?

6 Matetika no lasa tezi-dava sy mankahala ny hafa ny olona tsy mahay mifehy ny fihetseham-pony, ka mety tsy ho tian’ny olona ny miaraka aminy. Mety hisy vokany ratsy raha eo anivon’ny fiangonana no misy Kristianina hoatr’izany. Mety hanafina ny hatezerany na ny fankahalany izy, nefa tsy maintsy “hibaribary eo anivon’ny fiangonana” ihany izany. (Ohab. 26:24-26) Azon’ny anti-panahy ampiana àry ny olona toy izany, mba tsy ho tezi-dava sy tsy hankahala ary tsy hitana lolompo intsony. Tsy tokony hisy mpanompon’i Jehovah hanana toetra hoatr’izany mantsy. Misy toromarika mazava momba an’izany ao amin’ny Teniny. (Lev. 19:17, 18; Rom. 3:11-18) Hankatò azy ireny ve ianao?

I JEHOVAH NO TENA MITARIKA ANTSIKA

7, 8. a) Ahoana no ataon’i Jehovah mba hitarihana ny vahoakany? b) Inona, ohatra, ny toromarika hitantsika ao amin’ny Baiboly, ary nahoana isika no tokony hankatò azy ireny?

7 I Jehovah no mitarika sy mampianatra ny ampahany eto an-tany amin’ny fandaminany. Nanendry an’i Kristy izy mba ho “lohan’ny fiangonana.” I Kristy indray nanendry “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”, mba hanome tari-dalana ny vahoakan’i Jehovah. (Mat. 24:45-47; Efes. 5:23) Manaiky an’izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra io mpanompo io ary tena manaja azy io, toy ny filan-kevi-pitantana tamin’ny taonjato voalohany. (Vakio ny 1 Tesalonianina 2:13.) Hodinihintsika ny sasany amin’ireo toromarika voalaza ao.

8 Manome toromarika antsika ny Baiboly hoe mila mivory tsy tapaka isika. (Heb. 10:24, 25) Mampirisika antsika koa izy io hoe tokony hitovy ny zavatra inoantsika. (1 Kor. 1:10) Voalaza ao koa hoe ilay Fanjakana no tokony hataontsika loha laharana eo amin’ny fiainana. (Mat. 6:33) Misy asa mahafinaritra tokony hataontsika koa lazainy ao. Mila mitory isan-trano sy eny amin’izay toerana ahitana olona isika. (Mat. 28:19, 20; Asa. 5:42; 17:17; 20:20) Milaza koa ny Tenin’Andriamanitra hoe tokony hiaro ny fiangonana mba hadio foana ny anti-panahy. (1 Kor. 5:1-5, 13; 1 Tim. 5:19-21) Nanome didy koa i Jehovah hoe tokony hadio foana ny vatantsika, tsy tokony hieritreri-dratsy isika, ary tsy tokony ho zatra manao ratsy.​—2 Kor. 7:1.

9. Iza ihany no ampiasain’i Jesosy hanampy antsika hahazo an’izay lazain’ny Baiboly?

9 Mihevitra ny olona sasany hoe izy ihany dia efa afaka mahazo an’izay lazain’ny Baiboly. Nanendry “mpanompo mendri-pitokisana” anefa i Jesosy Kristy mba hanampiana antsika hahazo sy hankatò an’izay voalaza ao. Tamin’ny 1919 izy no nanomboka nampiasa an’io mpanompo io, ary izy io ihany no ampiasainy hanao izany. Eritrereto àry hoe: ‘Mankatò foana an’izay lazain’io mpanompo notendren’i Jesosy io ve aho?’ Hadio sy hilamina ary hiray saina ny fiangonana, raha manaraka an’izay lazain’ny Baiboly isika.

MANDROSO NY KALESIN’I JEHOVAH

10. Inona no resahin’i Ezekiela momba ny ampahany any an-danitra amin’ny fandaminan’i Jehovah?

10 Rehefa mandinika ny Baiboly isika, dia fantatsika hoe voalamina tsara koa ny mpanompon’i Jehovah any an-danitra. Nahita kalesy iray mandeha haingana be, ohatra, i Ezekiela mpaminany tao amin’ny fahitana iray. (Ezek. 1:4-28) Ny ampahany any an-danitra amin’ny fandaminan’i Jehovah no mifanitsy amin’io kalesy io. I Jehovah no eo ambonin’ilay kalesy, ary izay tiany hitondrana azy no andehanan’ilay izy. Manaraka an’izay alehan’izy io ny ampahany eto an-tany amin’ny fandaminany. Tena mandeha io kalesy io matoa be dia be ny fanovana tao anatin’ny folo taona lasa. Tadidio foana hoe i Jehovah no nahatonga an’ireny fanovana ireny. Mandeha mafy ilay kalesy, satria tsy ho ela i Jesosy sy ireo anjely masina dia handringana ny mpanao ratsy rehetra. Hanamasina ny anaran’i Jehovah sy hanamarina ny zony hitondra izany.

Tena ankasitrahantsika ireo mpiasa an-tsitrapo maro be, miasa mafy manao fanorenana (Fehintsoratra 11)

11, 12. Milazà zavatra sasany ataon’ny fandaminan’i Jehovah.

11 Eritrereto ny zavatra vitan’ny ampahany eto an-tany amin’ny fandaminan’i Jehovah amin’izao andro farany izao. Fanorenana: Maro be ny mpiasa nanorina an’ireo trano vaovao misy ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Warwick, any Etazonia. Misy mpiasa an-tsitrapo be dia be koa eran-tany miasa mafy manorina Efitrano Fanjakana sy tranon’ny sampana. Ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana Eran-tany no miandraikitra ny asan’izy ireo. Tena ankasitrahantsika ireny rahalahy sy anabavy ireny, satria miasa mafy sady mahafoy tena. Maro be koa eran-tany ny mpitory manome vola mba hanohanana an’ireny asa ireny. Tsy mirehareha amin’izany izy ireny sady mazoto manome foana, ka tahin’i Jehovah.​—Lioka 21:1-4.

12 Fampianarana: Eritrereto ireo sekoly isan-karazany ampianaran’i Jehovah antsika. (Isaia 2:2, 3) Anisan’izany ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana, Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana, Sekolin’i Gileada, Sekoly ho An’ny Betelita Vaovao, Sekolin’ny Mpiandraikitra ny Faritra sy ny Vadiny, Sekolin’ny Anti-panahy, Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana, ary ny Sekolin’ireo Anisan’ny Komitin’ny Sampana sy ny Vadiny. Tena tia mampianatra ny vahoakany tokoa i Jehovah. Mampirisika ny olona hianatra Baiboly koa ny tranonkalantsika jw.org, izay misy lahatsoratra amin’ny fiteny maro. Misy fizarana ho an’ny ankizy sy ny fianakaviana ao, ary misy vaovao isan-karazany. Efa nampiasa an’io tranonkala io ve ianao teny amin’ny fanompoana sy tamin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana?

AZA MIVADIKA AMIN’I JEHOVAH ARY TOHANO FOANA NY FANDAMINANY

13. Inona no andraikitsika mpanompon’i Jehovah?

13 Faly isika fa anisan’ny fandaminan’i Jehovah. Fantatsika ny fitsipiny sy ny zavatra tiany hataontsika. Andraikitsika àry ny miezaka manao ny tsara sy manohana ny zony hitondra. Tsy maintsy ‘mankahala ny ratsy’ isika, na dia mihabetsaka aza ny olona tia manao ratsy. (Sal. 97:10) Tsy hanahaka an’ity tontolo ity isika, ka hilaza ny “tsara hoe ratsy” ary ny “ratsy hoe tsara.” (Isaia 5:20) Te hampifaly an’i Jehovah isika, ka ataontsika madio foana ny vatantsika sy ny fananantsika. Miezaka koa isika mba ho tsara fitondran-tena foana sy tsy hanao ny fanaon’ny fivavahan-diso mihitsy. (1 Kor. 6:9-11) Tia sy matoky an’i Jehovah isika ary tsy te hivadika aminy. Tapa-kevitra ny hanaraka foana ny fitsipiny àry isika, na aiza na aiza misy antsika: Na ao an-trano izany, na eo anivon’ny fiangonana, na any am-piasana, na any am-pianarana. (Ohab. 15:3) Ahoana koa no azontsika ampisehoana hoe tsy mivadika isika?

14. Inona no hataon’ny ray aman-dreny raha tsy mivadika amin’i Jehovah izy?

14 Amin’ny fitaizana. Tsy mivadika amin’i Jehovah ny ray aman-dreny, raha mitaiza ny zanany mifanaraka amin’izay voalaza ao amin’ny Teniny. Tsy manaraka ambokony ny fanaon’ny manodidina izy ireo rehefa mitaiza ny zanany. Tsy tokony hanahaka ny toe-tsain’ity tontolo ity mantsy ny Kristianina. (Efes. 2:2) Tsy tokony hieritreritra ny raim-pianakaviana hoe: ‘Ny vehivavy no mampianatra ny ankizy, satria izay no fanao atỳ aminay.’ Mazava mantsy ny voalazan’ny Baiboly, hoe: ‘Ianareo ray, tezao hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah ny zanakareo.’ (Efes. 6:4) Raha tia an’i Jehovah ny ray aman-dreny, dia tiany hifandray tsara amin’i Jehovah koa ny zanany, hoatran’i Samoela kely.​—1 Sam. 3:19.

15. Raha tsy mivadika amin’i Jehovah isika, dia inona no hataontsika rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe?

15 Rehefa hanapa-kevitra. Tsy mivadika amin’i Jehovah isika, raha mitady ny tari-dalan’ny fandaminany sy mandinika izay lazain’ny Baiboly rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe. Fanaon’ny ray aman-dreny sasany miasa any an-tany hafa, ohatra, ny mandefa ny zanany any amin’ny havany any an-tanindrazany, amin’izay izy ireo afaka manohy miasa. Marina fa anjaran’ny tsirairay ny manapa-kevitra momba izany. Tokony hosaintsainin’ireo ray aman-dreny anefa hoe ahoana no fiheveran’i Jehovah an’ilay fanapahan-keviny. (Vakio ny Romanina 14:12.) Tena tsy mety àry raha mandray fanapahan-kevitra lehibe momba ny fianakaviana na asa isika, nefa tsy nandinika an’izay lazain’ny Baiboly akory. Tsy mahavita tena mantsy isika, fa mila ny fanampian’ilay Raintsika any an-danitra.​—Jer. 10:23.

16. Inona no fanapahan-kevitra tsy maintsy noraisin’ny vehivavy iray, ary inona no nanampy azy hahay hanapa-kevitra?

16 Niasa tany an-tany hafa ny vehivavy iray. Niteraka lahikely izy ary saika halefany hotezain’ny ray aman-dreniny any an-tanindrazany ilay zaza. Nianatra Baiboly ilay vehivavy tamin’izay. Nandroso tsara izy, ary lasa fantany hoe andraikiny ny mampianatra an’ilay zanany momba an’i Jehovah. (Sal. 127:3; Ohab. 22:6) Noresahiny tamin’i Jehovah àry ilay izy. Izany mantsy no asain’ny Baiboly ataontsika. (Sal. 62:7, 8) Noresahiny tamin’ilay olona nampianatra azy Baiboly sy tamin’ny Kristianina hafa koa ilay izy. Tsy nalefany indray ilay zaza, na dia nampirisika azy mafy hanao an’izany aza ny havany sy ny namany. Tena gaga ny vadiny fa nanampy be azy mianaka ny mpiara-manompo. Lasa nianatra Baiboly àry izy, ary nivory niaraka tamin-dry zareo. Azo antoka fa faly be ilay vehivavy hoe namaly ny vavaka nataony i Jehovah.

17. Inona avy ny toromarika nomena antsika momba ny fampianarana Baiboly?

17 Rehefa mahazo toromarika. Tsy mivadika amin’i Jehovah isika raha manaraka ny toromarika omen’ny fandaminany. Nampirisihina, ohatra, isika hoe raha vao manomboka mianatra kelikely amin’ilay boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? ny olona iray, dia tokony hanokana minitra vitsivitsy isika, isaky ny avy mianatra, mba hiresahana aminy momba ny fandaminana. Azontsika ampiasaina amin’izany ilay video hoe Inona no Atao any Amin’ny Efitrano Fanjakana? sy ilay bokikely hoe Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah? Raha nahavita ny boky Ampianarina indray ny mpianatra efa mandroso, dia tokony hampianarina amin’ilay boky hoe Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”, na dia efa vita batisa aza. Nanome an’izany toromarika izany ny fandaminana, mba “tsy ho voahozongozona amin’ny finoana” ireo vaovao. (Kol. 2:7) Manaraka an’ireny toromarika ireny ve ianao?

18, 19. Nahoana isika no tokony hisaotra an’i Jehovah?

18 Manana antony maro isaorana an’i Jehovah isika. Izy no nanome aina antsika, ary tsy ho nisy isika sady tsy ho nahavita na inona na inona raha tsy teo izy. (Asa. 17:27, 28) Nomeny fanomezana tena sarobidy koa isika, dia ny Baiboly. Mankasitraka azy io isika sady mandray azy io ho Tenin’Andriamanitra, toy ny nataon’ireo Kristianina tany Tesalonika.​—1 Tes. 2:13.

19 Manampy antsika hifandray akaiky amin’i Jehovah ny Teniny, ary lasa mifandray akaiky amintsika koa izy. (Jak. 4:8) Tena faly isika fa avelany ho anisan’ny fandaminany. Mankasitraka azy isika, toa an’ilay mpanao salamo izay nihira hoe: “Misaora an’i Jehovah, fa tsara izy: Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.” (Sal. 136:1) Miverina in-26 ao amin’ny Salamo 136 ilay hoe “mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.” Hahatsapa tsara an’izany isika raha tsy mivadika amin’i Jehovah sy ny fandaminany. Hiaina mandrakizay mantsy isika, ka hanehoany foana an’izany hatsaram-panahy feno fitiavana izany.