Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Teny Kely Nisy Dikany Be!

Teny Kely Nisy Dikany Be!

REHEFA niresaka tamin’ny vehivavy i Jesosy indraindray, dia niantso azy hoe “ravehivavy.” Nanasitrana vehivavy iray nalemy sady nanjoko be nandritra ny 18 taona, ohatra, izy indray mandeha ary niteny hoe: “Afaka amin’ny fahalemenao ianao, ravehivavy.” (Lioka 13:10-13) Mampiseho fanajana io teny io, ary fampiasan’ny olona tamin’izany. Na ny reniny aza nantsoin’i Jesosy hoe “ravehivavy.” (Jaona 19:26; 20:13) Nisy teny hafa nampiasaina koa anefa, ary tsy hoe mampiseho fanajana fotsiny ilay izy. Tsy inona izany fa ilay teny hoe “anaka.”

Teny mampiseho fitiavana sy hatsaram-panahy izy io. Nampiasa azy io i Jesosy rehefa niresaka tamin’ny vehivavy iray nandeha ra nandritra ny 12 taona. Nilaza ny Lalàn’Andriamanitra fa maloto ny olona mandeha ra hoatr’izany. Nandika lalàna àry ilay vehivavy rehefa nanatona an’i Jesosy. Tokony ho nihataka tamin’ny olona izy. (Lev. 15:19-27) Efa tena kivy be anefa izy. “Nijaly mafy tamin’ny fitsaboana nataon’ny dokotera maro” mantsy izy “sady efa nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nahasoa azy izany, fa vao mainka aza niharatsy ny fahasalamany.”—Mar. 5:25, 26.

Nanavatsava moramora ny vahoaka izy, nanatona an’i Jesosy avy tao aoriana, ary nikasika ny akanjony. Tonga dia tsy nandeha ra intsony izy! Nanantena izy hoe tsy hisy hahatsikaritra. Hoy anefa i Jesosy: “Iza no nikasika ahy teo?” (Lioka 8:45-47) Natahotra sy tora-kovitra ilay vehivavy, ka nandohalika teo anatrehany, ary “nilaza taminy ny marina rehetra.”—Mar. 5:33.

Tsy tian’i Jesosy hatahotra ilay vehivavy, ka tsara fanahy izy niteny taminy hoe: “Mahereza, anaka!” (Matio 9:22) Milaza ny manam-pahaizana momba ny Baiboly fa ny teny hebreo sy grika nadika hoe “anaka”, dia azo ampiasaina rehefa te hampiseho “fitiavana sy hatsaram-panahy.” Mbola nampahery an’ilay vehivavy i Jesosy avy eo, ka nilaza hoe: “Ny finoanao no nahasitrana anao, anaka. Mirary soa ho anao aho, ary ho sitrana amin’iny aretina nampijaly anao iny anie ianao!”—Mar. 5:34.

Niantso an’i Rota, vehivavy moabita, hoe “anaka” koa ilay Israelita mpanankarena atao hoe Boaza. Nety ho natahotra i Rota, satria nitsimpona salohim-bary teny amin’ny sahan’io lehilahy tsy fantany io. Hoy anefa i Boaza taminy: “Henoy aho, anaka.” Nasainy nitsimpona salohim-bary teny amin’ny sahany foana i Rota avy eo. Niankohoka tamin’ny tany àry i Rota, ary niteny hoe: ‘Nahoana ianao no tsara fanahy amiko, nefa aho hafa firenena?’ Nampahery azy i Boaza hoe: “Efa nolazaina tamiko daholo izay nataonao tamin’ny rafozambavinao [i Naomy izay efa maty vady]. ... Hamaly soa ny nataonao anie i Jehovah.”—Rota 2:8-12.

Modely ho an’ny anti-panahy tokoa i Jesosy sy Boaza. Mety hisy anabavy iray mila ampiana sy ampaherezina mantsy, ka hiresaka aminy ny anti-panahy roa. Mila mivavaka izy ireo mba hahazo ny tari-dalan’i Jehovah, ary avy eo mihaino tsara an’ilay anabavy. Ho afaka hampahery sy hampionona azy amin’ny alalan’ny Soratra Masina izy ireo amin’izay.—Rom. 15:4.