Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana ny Vahoakan’i Jehovah no Voalamina Tsara?

Nahoana ny Vahoakan’i Jehovah no Voalamina Tsara?

“Fahendrena no nanorenan’i Jehovah ny tany, ary fahaiza-manavaka no nanaovany izay hahamafy orina ny lanitra.”​—OHAB. 3:19.

HIRA: 105, 107

1, 2. a) Inona no lazain’ny olona sasany? b) Inona no hodinihintsika ato?

MISY milaza hoe: “Tsy mila fikambanana na fandaminana hitari-dalana anao ianao, fa mila mifandray amin’Andriamanitra fotsiny.” Marina ve izany? Inona no porofo fa manana fandaminana Andriamanitra, ary ilaintsika ny manaraka ny tari-dalana omen’izy io?

2 Ho hitantsika ato ny porofo hoe tia filaminana i Jehovah, ary izy no mahay mandamin-javatra indrindra. Horesahina ato koa hoe inona no tokony hataontsika rehefa misy tari-dalana omen’ny fandaminany. (1 Kor. 14:33, 40) Nanaraka an’izay voalazan’ny Soratra Masina ny mpanompon’i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany, ka nahavita nitory ny vaovao tsara tany amin’ny toerana maro. Mankatò foana an’izay lazain’ny Baiboly sy ny toromarika omen’ny fandaminana koa isika, ka mahavita mitory eran-tany. Lasa madio sy milamina sady miray saina koa ny fiangonana.

I JEHOVAH NO MAHAY MANDAMIN-JAVATRA INDRINDRA

3. Nahoana ianao no resy lahatra fa faran’izay mahay mandamin-javatra i Jehovah?

3 Hita amin’ny zavatra noforonin’i Jehovah fa faran’izay mahay mandamin-javatra izy. Hoy ny Ohabolana 3:19: “Fahendrena no nanorenan’i Jehovah ny tany, ary fahaiza-manavaka no nanaovany izay hahamafy orina ny lanitra.” “Vao ampahany kely amin’ny zava-bitany” no fantatsika, ary “vao bitsibitsika ihany no mba rentsika momba azy.” (Joba 26:14) Kely fotsiny, ohatra, ny zavatra fantatsika momba ny planeta sy ny kintana ary ny vahindanitra. Hitantsika anefa hoe tena milamina tsara izy ireny. (Sal. 8:3, 4) Misy kintana an-tapitrisany ao amin’ny vahindanitra tsirairay, nefa milamina tsara izy ireny rehefa mivezivezy. Eritrereto koa ireo planeta mihodidina ny masoandro. Tsy mikorontana mihitsy izy ireny, fa toy ny fiara manaraka tsara ny lalàn’ny fifamoivoizana. Mahavariana tokoa ny lamina misy eo amin’izao rehetra izao! Hitantsika amin’izany fa nanao ny lanitra sy ny tany “tamin’ny fahiratan-tsainy” i Jehovah, ka tokony hidera sy hanompo azy isika ary tsy hivadika aminy.​—Sal. 136:1, 5-9.

4. Nahoana no misy fanontaniana be dia be tsy voavalin’ny mpahay siansa?

4 Nanampy antsika hahalala zavatra be dia be momba an’izao rehetra izao sy ny tany ny siansa, ary mandray soa amin’izany isika. Misy fanontaniana maro tsy voavalin’ny mpahay siansa anefa, ohatra hoe ahoana no nampisy an’izao rehetra izao, ary nahoana no misy olombelona sy biby ary zavamaniry eto an-tany. Tsy hain’ny ankamaroan’ny olona koa ny manazava hoe nahoana isika no tena te hiaina mandrakizay. (Mpito. 3:11) Nahoana àry no tsy voavaly ireo fanontaniana be dia be tena ilana valiny? Anisan’ny anton’izany ny hoe be dia be ny mpahay siansa sy olon-kafa milaza fa tsy misy Andriamanitra. Mampirisika ny olona hino ny evolisiona (na fiovana miandalana) izy ireo. Valian’i Jehovah ao amin’ny Teniny anefa ireo fanontaniana manahiran-tsaina ny olona maro.

5. Nahoana no ilaina ireo lalàna mifehy ny zavatra noforonin’i Jehovah?

5 Namorona lalàna mifehy an’ireo zavatra noforoniny i Jehovah. Tsy miovaova ireny lalàna ireny, ka tena azo itokisana. Mila azy ireny isika rehetra. Tsy hahavita ny asany ny elektrisianina, ny mpikarakara fantson-drano, ny injeniera, ny dokotera, ary ny mpanamory fiaramanidina, raha tsy misy an’ireny lalàna ireny. Mitovy daholo, ohatra, ny toerana misy ny fo ao amin’ny vatan’olombelona, ka rehefa handidy ny dokotera dia tsy mila mikaroka fa efa fantany hoe aiza no misy azy io. Fantatsika koa fa manana hery misintona ny tany. Tsy hitsambikina avy eny amin’ny toerana avo mihitsy àry isika, satria tsy hihevaheva eny akory isika fa tsy maintsy hianjera ka mety ho faty.

POROFO HAFA MAMPISEHO FA TIA FILAMINANA I JEHOVAH

6. Nahoana no tsy mahagaga raha tian’i Jehovah hilamina tsara ny mpanompony?

6 Hitantsika teo fa tena milamina izao rehetra izao. Tsy mahagaga àry raha tian’i Jehovah hilamina tsara isika mpanompony. Nanome ny Baiboly mihitsy izy mba hitari-dalana antsika. Nanome ny fandaminany koa izy. Tsy ho sambatra isika raha tsy manaraka ny fitsipiky ny Baiboly sy ny tari-dalana omen’io fandaminana io.

7. Inona no porofo fa mirindra tsara ny Baiboly?

7 Misy milaza hoe natambatambatra fotsiny ny boky nosoratan’ny Jiosy sy ny Kristianina sasany, dia iny no lasa Baiboly. Tsy mifandray, hono, ny zavatra voalaza ao. Boky tena miavaka anefa ny Baiboly. Avy amin’Andriamanitra izy io, ary mirindra tsara. Mifandray daholo ny boky rehetra ao, izany hoe ny Genesisy hatrany amin’ny Apokalypsy. Foto-kevitra iray ihany no resahin’izy ireo, dia ny hoe: Hanamarina ny zon’i Jehovah hitondra sy hanova ny tany ho Paradisa ny Fanjakany. I Kristy, ilay “taranaka” nampanantenaina, no Mpanjakan’izy io.​—Vakio ny Genesisy 3:15; Matio 6:10; Apokalypsy 11:15.

8. Inona no porofo fa nilamina tsara ny Israelita?

8 Nilamina tsara koa ny Israelita satria nanaraka ny Lalàn’i Mosesy. “Nanao ny fanompoana voalamina teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana”, ohatra, ny vehivavy sasany teo amin’izy ireo. (Eks. 38:8) Tsy nikorontana koa ny Israelita rehefa nifindrafindra toby niaraka tamin’ny tranolay masina. Nalamin’i Davida Mpanjaka sy nozarainy tsara ny Levita sy ny mpisorona. (1 Tan. 23:1-6; 24:1-3) Nilamina sy niray saina ary niadana ny Israelita rehefa nankatò an’i Jehovah.​—Deot. 11:26, 27; 28:1-14.

9. Inona no mampiseho fa nilamina tsara ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany?

9 Nilamina tsara koa ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany, satria nanaraka ny tari-dalan’ny filan-kevi-pitantanana. Ny apostoly no filan-kevi-pitantanana tamin’izany. (Asa. 6:1-6) Nisy rahalahy hafa lasa anisan’izy io tatỳ aoriana. (Asa. 15:6) Nasain’i Jehovah nanome torohevitra sy tari-dalana ho an’ny fiangonana ny sasany tamin’izy ireo na ny olona niara-niasa akaiky taminy. Nosoratan’izy ireo tamin’ny taratasy izany ary nalefa tany amin’ny fiangonana. (1 Tim. 3:1-13; Tit. 1:5-9) Nandray soa ve ny fiangonana rehefa nankatò an’ireny tari-dalana ireny?

10. Inona no vokany rehefa nankatò ny didy navoakan’ny filan-kevi-pitantanana ny fiangonana? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

10 Vakio ny Asan’ny Apostoly 16:4, 5. Nisy rahalahy ‘nandeha nitety tanàna ka nampita ny didy navoakan’ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema’, izany hoe ny filan-kevi-pitantanana. Rehefa nankatò an’ireny didy ireny ny fiangonana, dia ‘nihanatanjaka ny finoany ary nihamaro isan’andro ireo olona teo anivony.’ Inona no ianarantsika avy amin’izany?

MANARAKA TARI-DALANA VE IANAO?

11. Inona no tokony hataon’ireo rahalahy manana andraikitra rehefa mahazo toromarika avy amin’ny fandaminan’i Jehovah?

11 Rehefa manome toromarika ny fandaminan’i Jehovah, dia inona no tokony hataon’ny Komitin’ny Sampana (na Komitin’ny Tany) sy ny mpiandraikitra ny faritra ary ny anti-panahy? Milaza ny Tenin’Andriamanitra hoe mila manaiky sy mankatò isika rehetra. (Deot. 30:16; Heb. 13:7, 17) Tsy tokony ho tia manakiana na mikomy isika. Mety hampikorontana ny fiangonana mantsy izany, sady hahatonga antsika tsy hifankatia sy tsy hiray saina. Tsy tokony hanahaka ny toe-tsain’i Diotrefa isika. Tsy nanaja an’ireo mpiandraikitra izy sady nikomy. (Vakio ny 3 Jaona 9, 10.) Eritrereto àry izao: ‘Mampirisika ny hafa mba tsy hivadika amin’i Jehovah ve aho? Mora manaiky sy mankatò ve aho rehefa misy tari-dalana omen’ireo rahalahy natao hitarika antsika?’

12. Ahoana no fomba vaovao hanendrena ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana?

12 Nisy toromarika vaovao nomen’ny Filan-kevi-pitantanana, ohatra, vao haingana, momba ny fanendrena anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana. Miresaka an’izany ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra 2014. Voalaza ao fa tamin’ny taonjato voalohany, dia ny mpiandraikitra mpitety faritany no nomen’ny filan-kevi-pitantana fahefana hanendry anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana. Narahina àry izany modely izany nanomboka tamin’ny 1 Septambra 2014, ka ny mpiandraikitra ny faritra no asaina manendry an’ireny rahalahy ireny. Rehefa misy rahalahy atolotry ny anti-panahy ho mpanampy amin’ny fanompoana na anti-panahy, dia hiezaka hahafantatra azy ilay mpiandraikitra ny faritra, ka hiara-manompo aminy raha azo atao. Hodinihiny koa hoe manao ahoana ny vady aman-janany. (1 Tim. 3:4, 5) Hivory avy eo ny anti-panahy sy ilay mpiandraikitra ny faritra, ka handinika tsara hoe mahafeno an’ireo fepetra lazain’ny Soratra Masina ve izy.​—1 Tim. 3:1-10, 12, 13; 1 Pet. 5:1-3.

13. Ahoana no ampisehoantsika fa manaiky ny toromarika omen’ny anti-panahy isika?

13 Tokony hankatò ny toromarika omen’ny anti-panahy isika. Manaraka an’izay voalazan’ny Tenin’Andriamanitra mantsy izy ireny, ka “mahasoa” ny toromarika omeny. (1 Tim. 6:3) Eritrereto, ohatra, izay nitranga tamin’ny andron’i Paoly. ‘Tsy niasa mihitsy’ ny Kristianina sasany, fa ‘nitsofotsofoka tamin’ny raharaha tsy nahakasika azy.’ Azo antoka fa efa nanitsy azy ireny ny anti-panahy, nefa tsy niova ry zareo. Inona no nasain’i Paoly natao tamin’ireny olona “tsy laitra fehezina” ireny? Hoy izy: “Mariho izany olona izany, ka tapaho ny fifaneraserana aminy.” Nilaza koa anefa izy hoe tsy tokony hatao toy ny fahavalo ilay olona. (2 Tes. 3:11-15) Tsy mety miraharaha ny fitsipik’i Jehovah koa ny Kristianina sasany ankehitriny, ka manaratsy laza ny fiangonana. Mampiaraka amin’olona tsy Vavolombelona izy, ohatra. (1 Kor. 7:39) Mety hanao lahateny hampitandremana ny fiangonana àry ny anti-panahy. Ahoana no hataonao amin’izay? Raha fantatrao ilay olona, hitandrina ve ianao mba tsy hiaraka be aminy intsony? Tsy mivadika amin’i Jehovah ianao raha manao an’izany sady tena tia an’ilay olona, ka mety handrisika azy hiova. [1]

AROVY NY FIANGONANA MBA HADIO SY HIRAY SAINA FOANA

14. Inona no azontsika atao mba hadio foana ny fiangonana?

14 Miaro ny fiangonana mba hadio foana isika, raha manaraka ny tari-dalan’ny Tenin’Andriamanitra. Eritrereto izay nitranga tany Korinto. Niezaka be i Paoly nitory tao amin’io tanàna io. Tena tiany koa ireo rahalahy sy anabavy tao. (1 Kor. 1:1, 2) Azo antoka fa niady saina be izy rehefa nahafantatra fa nisy olona ratsy fitondran-tena, nefa mbola navela ho anisan’ny fiangonana ihany. Nilaza tamin’ny anti-panahy àry izy mba ‘hanolotra’ an’ilay olona “ho an’i Satana”, izany hoe handroaka azy. Nila nanala ny “lalivay” izy ireo mba hadio foana ny fiangonana. (1 Kor. 5:1, 5-7, 12) Mety hanapa-kevitra koa ny anti-panahy ankehitriny hoe roahina ny olona iray nanao ratsy nefa tsy mibebaka. Miaro ny fiangonana mba hadio foana isika raha manaiky ny fanapahan-kevitr’izy ireo. Mety hanampy an’ilay olona hibebaka sy hangataka ny famelan’i Jehovah koa izany.

15. Inona no azontsika atao mba tsy hikorontana ny fiangonana?

15 Nisy olana hafa koa tany Korinto. Nampakatra fitsarana an’ireo mpiara-manompo taminy ny rahalahy sasany. Nampisaintsaina azy ireo àry i Paoly hoe: “Tsy aleo ve manaiky hiharan’ny tsy rariny?” (1 Kor. 6:1-8) Misy hoatr’izany koa amin’izao. Niara-niombona antoka tamin’ny asa anankiray ny rahalahy sasany, nefa tsy nandeha ilay izy dia matiantoka ry zareo. Nieritreritra angamba ny iray hoe nanambaka azy ilay namany, dia notoriny tany amin’ny fitsarana. Hitantsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra anefa fa aleo matiantoka toy izay hanala baraka ny anaran’i Jehovah na hanakorontana ny fiangonana. [2] Tokony hanaraka ny torohevitr’i Jesosy isika rehefa misy olana lehibe toy izany. (Vakio ny Matio 5:23, 24; 18:15-17.) Manampy ny fiangonana hiray saina isika raha manao an’izany.

16. Nahoana no tsy mahagaga raha miray saina ny vahoakan’i Jehovah?

16 Tsy mahagaga raha miray saina ny vahoakan’i Jehovah, rehefa jerena izay lazain’ny Teniny. Nilaza, ohatra, ny mpanao salamo hoe: “Tsara sy mahafinaritra erỳ rehefa miara-monina amim-piraisan-tsaina ny mpirahalahy!” (Sal. 133:1) Nilamina tsara sy niray saina ny Israelita rehefa nankatò an’i Jehovah. Izao koa no nolazain’i Jehovah momba ny vahoakany amin’izao andro izao: “Hataoko tafaray izy ireo, toy ny andian’ondry ao am-bala.” (Mika 2:12) Nasain’i Jehovah nilaza koa i Zefania mpaminany hoe ‘hovany ho fiteny madio ny fitenin’ny olona’, izany hoe hampianariny ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly izy ireo. ‘Hiantso ny anarany’ izy ireo, ka ‘hanompo azy amim-piraisan-kina.’ (Zef. 3:9) Tena faly isika mpanompon’i Jehovah satria miray saina!

Miezaka manitsy an’izay nanao fahadisoana ny anti-panahy (Fehintsoratra 17)

17. Inona no tokony hataon’ny anti-panahy mba hiray saina sy hadio foana ny fiangonana?

17 Tokony hahitsin’ny anti-panahy haingana izay nanao fahotana lehibe, raha tiana hiray saina sy hadio foana ny fiangonana. Tokony ho tsara fanahy anefa izy ireo rehefa manao an’izany. Izany no nataon’i Paoly. Fantany hoe tsy baikoin’ny fihetseham-po fotsiny i Jehovah, na dia be fitiavana aza. Tsy hoe mody tsy mahita ny zava-dratsy ataon’ny olona koa anefa izy. (Ohab. 15:3) Rehefa nila nahitsy àry ireo rahalahy tao Korinto, dia tsy nisalasala izy nanao izany, araka ny hitantsika ao amin’ny Korintianina Voalohany. Hentitra izy tamin’izay nefa koa be fitiavana. Nampihatra an’ilay torohevitra ireo anti-panahy, matoa i Paoly nidera azy ireo rehefa nanoratra ny Korintianina Faharoa, volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Raha misy olona sendra manao fahadisoana àry nefa tsy fantany akory, dia tokony hiezaka hanitsy azy ny anti-panahy sady halemy fanahy foana.​—Gal. 6:1.

18. a) Inona no vokany rehefa nanaraka ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Hitantsika teo fa nadio sy nilamina ary niray saina foana ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany, rehefa nanaraka ny tari-dalan’ny Tenin’Andriamanitra. (1 Kor. 1:10; Efes. 4:11-13; 1 Pet. 3:8) Nandroso be àry ny asa fitoriana, ka afaka nilaza i Paoly hoe “notorina tamin’ny zavaboary rehetra eny ambanin’ny lanitra” ny vaovao tsara. (Kol. 1:23) Miray saina sy milamina tsara koa ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny, ka mitory momba ny fikasan’Andriamanitra eran-tany. Hahita porofo hafa isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe tena manaja ny Baiboly izy ireo, ary tapa-kevitra ny hanome voninahitra an’i Jehovah, Ilay Tompo Fara Tampony.​—Sal. 71:15, 16.

^ [1] (fehintsoratra 13) Jereo ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah, pejy 134-136.

^ [2] (fehintsoratra 15) Misy antony hafa mety hahatonga ny Kristianina hampakatra fitsarana ny mpiara-manompo aminy. Jereo ny boky Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”, pejy 223, sy ny fanamarihana ambany pejy.