Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ataonao Fialofanao ve i Jehovah?

Ataonao Fialofanao ve i Jehovah?

“Manavotra ny ain’ny mpanompony i Jehovah, ary tsy hisy homelohina izay mialoka aminy.”—SAL. 34:22.

HIRA: 8, 54

1. Inona indraindray no tsapan’ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika?

KIVY ny apostoly Paoly, ka nilaza hoe: “Indrisy! Olo-mahantra aho!” (Rom. 7:24) Be dia be ankehitriny ny mpanompon’i Jehovah kivy toa azy. Nandova ota daholo mantsy isika, ka mety hanao zavatra tsy tian’i Jehovah na dia tena te hampifaly azy aza. Misy aza mieritreritra hoe tsy hamela ny helony mihitsy i Jehovah satria nanao fahotana lehibe izy.

2. a) Nahoana ny mpanompon’i Jehovah no tsy tokony hanamelo-tena be loatra, araka ny Salamo 34:22? b) Inona no hodinihintsika ato? (Jereo koa ilay hoe “ Tandindon’ny Hoavy sa Natao Handraisana Lesona?”)

2 Manome toky antsika anefa ny Soratra Masina fa tsy hanamelo-tena be loatra isika raha ataontsika fialofantsika i Jehovah. (Vakio ny Salamo 34:22.) Ahoana izany hoe manao an’i Jehovah ho fialofana? Inona no tsy maintsy ataontsika raha tiantsika hamindra fo amintsika sy hamela ny helotsika izy? Hianatra momba an’ireo tanàna fialokalofana isika mba hahitana ny valin’izany. Marina fa tamin’ny mbola nanan-kery ny fifaneken’ny Lalàna no nasain’i Jehovah nanokana tanàna hatao fialokalofana ny Israelita. Nosoloana anefa io fifanekena io tamin’ny Pentekosta taona 33. Na izany aza, dia mila mianatra momba ny tanàna fialokalofana isika, mba hahafantarana ny fiheveran’i Jehovah ny ota sy ny mpanota ary ny fibebahana. Avy aminy mantsy ny Lalàna. Hojerentsika àry izao hoe inona no nilana an’ireo tanàna fialokalofana.

‘MANOKÀNA TANÀNA FIALOKALOFANA HO ANAREO’

3. Ahoana no nataon’ny Israelita rehefa nisy nanao fanahy iniana namono olona?

3 Tsy nijery fotsiny i Jehovah rehefa nisy nahafaty olona teo amin’ny Israely. Nasainy novonoina ho faty ilay mpamono olona raha fanahy iniany ilay izy. Lehilahy iray havana akaiky indrindra an’ilay olona novonoiny no nasaina namono azy. Nantsoina hoe “mpamaly ra” izy io. (Nom. 35:19) Ny ain’ilay olona namono no nanonerana ny ain’ilay olona tsy nanan-tsiny. Raha tsy novonoina haingana ilay mpamono olona, dia ho voaloto ny Tany Nampanantenaina. Hoy i Jehovah: “Aza mandoto ny tany onenanareo. Mandoto ny tany mantsy ny ra [na ny fandatsahan-dra, izany hoe ny famonoana olona].”—Nom. 35:33, 34.

4. Natao ahoana ny Israelita nahafaty olona tsy nahy?

4 Ary ahoana raha nahafaty olona tsy nahy ny Israelita iray? Mbola meloka ihany izy satria namono olona tsy nanan-tsiny. (Gen. 9:5) Nasain’i Jehovah namindrana fo anefa izy, ka navela handositra tany amin’ny iray amin’ireo tanàna fialokalofana enina. Voaro izy tany, satria tsy afaka namono azy ilay mpamaly ra. Tsy maintsy nijanona tany izy mandra-pahafatin’ny mpisoronabe.—Nom. 35:15, 28.

5. Nahoana isika no hahafantatra bebe kokoa an’i Jehovah raha mianatra momba an’ireo tanàna fialokalofana?

5 Avy amin’i Jehovah ilay hevitra hoe hasiana tanàna fialokalofana, fa tsy avy amin’olona. Izy no nandidy an’i Josoa mba hiteny tamin’ny Israelita hoe mila mifidy tanàna hatao fialokalofana izy ireo. Nohamasinina ireo tanàna ireo avy eo. (Jos. 20:1, 2, 7, 8) Raha mianatra momba an’ireo tanàna ireo àry isika, dia ho azontsika kokoa hoe tena tia mamindra fo i Jehovah. Ho fantatsika koa ny atao hoe mialoka aminy.

“HANDAHATRA NY TENINY EO ANATREHAN’NY ANTI-PANAHY” IZY

6, 7. a) Inona no nataon’ny anti-panahy rehefa nisy nahafaty olona tsy nahy? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Nahoana no nila nankany amin’ny anti-panahy ilay Israelita nahafaty olona?

6 Tsy maintsy nandositra tany amin’ny tanàna fialokalofana ny Israelita nahafaty olona tsy nahy. Rehefa tonga teo amin’ny vavahadin’ilay tanàna izy, dia tsy maintsy ‘nandahatra ny teniny teo anatrehan’ny anti-panahy’, izany hoe nanazava an’izay nitranga. Tsy maintsy nandray azy tsara izy ireo. (Jos. 20:4) Naverina tany amin’ilay tanàna namonoany olona izy tatỳ aoriana, ary notsarain’ny anti-panahy tao. (Vakio ny Nomery 35:24, 25.) Nahazo niverina tany amin’ilay tanàna fialokalofana izy avy eo, raha hitan’ny anti-panahy hoe tena tsy nanao fanahy iniana.

7 Tsy maintsy noresahina tamin’ny anti-panahy ilay izy, satria natao hiaro ny Israelita mba hadio foana izy ireo. Anjarany koa ny nanampy an’ilay olona hahazo ny famindram-pon’i Jehovah. Nisy manam-pahaizana momba ny Baiboly nilaza hoe: ‘Ho faty ilay olona raha tsy nankany amin’ny anti-panahy, ary izy ihany no ho tompon’andraikitra amin’izany. Efa natoron’Andriamanitra azy mantsy izay tokony hataony mba ho voaro izy, fa izy no tsy nankatò.’ Tsy maintsy nangataka fanampiana sy nanaiky an’izany àry ilay olona raha tsy te ho faty. Raha tsy nankany amin’ny tanàna fialokalofana izy, dia afaka namono azy ho faty ny havana akaiky indrindra an’ilay olona novonoiny.

8, 9. Nahoana no tokony hangataka fanampiana amin’ny anti-panahy ny Kristianina nanao fahotana lehibe?

8 Mila mangataka fanampiana amin’ny anti-panahy koa ny Kristianina nanao fahotana lehibe, raha te hifandray tsara amin’i Jehovah indray. Nahoana izany no tena ilaina? Voalohany, satria i Jehovah no nanendry ny anti-panahy mba hitsara an’izay olona nanao fahotana lehibe. (Jak. 5:14-16) Faharoa, raha mibebaka ilay olona, dia azon’izy ireo ampiana mba hahazo sitraka amin’i Jehovah indray sy tsy ho zatra manota. (Gal. 6:1; Heb. 12:11) Fahatelo, nampiofanina ny anti-panahy mba hampahery an’ireo mpanota nibebaka, ka hanampy azy ireo tsy halahelo sy tsy hanamelo-tena be loatra. Antsoin’i Jehovah hoe “fialofana amin’ny oram-baratra” izy ireo. (Isaia 32:1, 2) Tsy hitanao amin’izany ve fa tena mamindra fo i Jehovah?

9 Be dia be ny mpanompon’i Jehovah nahatsiaro ho maivamaivana rehefa niresaka tamin’ny anti-panahy dia nampian’izy ireo. Nanao fahotana lehibe, ohatra, ny rahalahy iray atao hoe Daniel. Tsy sahy nilaza an’ilay izy tamin’ny anti-panahy anefa izy nandritra ny volana maromaro. Hoy izy: “Nieritreritra aho hoe efa ela aho no nanao an’ilay izy, ka tsy ho afaka hanampy ahy intsony ny anti-panahy. Mahimahina foana anefa aho hoe ho tratra. Isaky ny hivavaka koa aho, dia tsy maintsy nifona tamin’i Jehovah foana aloha.” Nangataka fanampiana tamin’ny anti-panahy ihany anefa izy tatỳ aoriana. Hoy izy: “Izaho aloha tena natahotra ny hiresaka tamin-dry zareo e! Nahatsiaro ho maivamaivana erỳ anefa aho avy eo. Afaka miresaka tsara amin’i Jehovah amin’izay aho izao.” Madio izao ny eritreritr’i Daniel, ary voatendry ho mpanampy amin’ny fanompoana izy vao haingana.

“HANDOSITRA ANY AMIN’NY IRAY AMIN’IRENY TANÀNA IRENY” IZY

10. Inona no tsy maintsy nataon’ny Israelita nahafaty olona tsy nahy, raha te hahazo famindram-po izy?

10 Raha te hahazo famindram-po ny Israelita nahafaty olona tsy nahy, dia tsy maintsy nandositra tany amin’izay tanàna fialokalofana akaiky azy indrindra. (Vakio ny Josoa 20:4.) Tsy maintsy nandositra tany haingana izy ary nijanona tany. Niankinan’ny ainy izany. Tsy mora izany satria tsy maintsy namela ny asany sy ny tranony izy, ary tsy afaka niala tao amin’ilay tanàna mandra-pahafatin’ny mpisoronabe. * (Nom. 35:25) Nahasoa azy anefa izany. Raha niala tao mantsy izy, dia hoatran’ny hoe tsy nampaninona azy ny namono an’ilay olona, ka mety ho novonoin’ilay mpamaly ra izy.

11. Ahoana no ampisehoan’ny Kristianina iray hoe sarobidy aminy ny famindram-pon’i Jehovah?

11 Mila manao zavatra koa ny olona nanota nefa mibebaka, raha te hahazo famindram-po amin’Andriamanitra. Tsy tokony hamerina an’ilay fahotany intsony izy, sady mila mitandrina amin’izay rehetra mety hahatonga azy hanao fahotana lehibe. Izany no nataon’ny Kristianina tany Korinto rehefa nibebaka izy ireo. Hoy ny apostoly Paoly momba azy ireo: “Nampalahelovina araka ny sitrapon’Andriamanitra ianareo ary ny vokany dia fahazotoana be teo aminareo, fiezahanareo ho afa-tsiny, fahatezerana, tahotra, faniriana mafy, hafanam-po, fanaporofoana fa tsy manan-tsiny ianareo!” (2 Kor. 7:10, 11) Mila manao izay rehetra azontsika atao àry isika mba tsy hamerenana ny fahotana nataontsika. Asehontsika amin’i Jehovah amin’izay hoe tsy manamaivana an’ilay izy isika, ary tsy mieritreritra hoe tsy maintsy hamindra fo foana izy.

12. Inona no mety ho tsy maintsy afointsika, raha tiantsika hamindra fo amintsika foana i Jehovah?

12 Inona no mety ho tsy maintsy afoin’ny Kristianina iray, raha tiany hamindra fo aminy foana i Jehovah? Tokony ho vonona hamoy an’izay rehetra mety hahatonga azy hanota izy, na dia tena tiany aza ilay izy. (Mat. 18:8, 9) Ahoana, ohatra, raha misy namanao mitarika anao hanao zavatra tsy tian’i Jehovah? Vonona ny tsy hifandray amin’izy ireo intsony ve ianao? Raha efa fantatrao fa tsy mahay mandanjalanja ianao rehefa misotro zavatra misy alkaola, ataonao ve izay hialana amin’ny toe-javatra mety hahatonga anao hisotro tafahoatra? Ary raha sarotra aminao indray ny mifehy ny fanirianao hanao firaisana, mitandrina ve ianao mba tsy hijery filma, na tranonkala, na zavatra hafa mety hahatonga anao hieritreri-dratsy? Tadidio fa tsy matiantoka isika na inona na inona afointsika mba tsy hivadihana amin’i Jehovah. Tsy misy mampalahelo hoatran’ny hoe arian’i Jehovah, nefa tsy misy mahafinaritra hoatran’ny hoe anehoany “hatsaram-panahy feno fitiavana” mandrakizay.—Isaia 54:7, 8.

“HO FIALOKALOFANA HO ANAREO IRENY TANÀNA IRENY”

13. Nahoana ny olona nitsoaka tany amin’ny tanàna fialokalofana no voaro sady afaka ny ho sambatra sy ho afa-po tamin’ny fiainany?

13 Voaro izay nandositra tao amin’ny tanàna fialokalofana. Hoy i Jehovah: “Ho fialokalofana ho anareo ireny tanàna ireny.” (Jos. 20:2, 3) Tsy nisy natahoran’ilay olona intsony tany. Tsy nasain’i Jehovah notsaraina fanindroany mantsy izy. Tsy nahazo niditra tao amin’ilay tanàna mba hamono azy koa ilay mpamaly ra. I Jehovah no niaro azy tao. Tsy hoe gadra anefa izy, fa afaka niasa sy nanampy olona ary nanompo tsara an’i Jehovah. Tena afaka ny ho sambatra sy ho afa-po tamin’ny fiainany izy.

Matokia fa mamela heloka i Jehovah (Fehintsoratra 14-16)

14. Raha efa nibebaka ny Kristianina iray, inona no azony atokisana?

14 Hoatran’ny hoe gadra ny mpanompon’i Jehovah sasany, satria manamelo-tena be foana na dia efa nibebaka tamin’ny fahotana lehibe nataony aza. Mieritreritra izy ireny hoe tsy ho afaka mandrakizay ao an-tsain’i Jehovah ny ratsy nataony. Raha izany no tsapanao, dia matokia fa rehefa mamela heloka i Jehovah, dia mamela tanteraka. Izany no tsapan’i Daniel, ilay voaresaka teo aloha, rehefa avy nanitsy azy sy nanampy azy hanana feon’ny fieritreretana madio ny anti-panahy. Hoy izy: “Izay vao azoko ny aiko! Tsy nenjehin’ny eritreritro intsony aho rehefa voalamina tsara ilay izy. Rehefa voavela ilay fahotako, dia voavela tanteraka. Izay ilay notenenin’i Jehovah. Toy ny hoe alainy ny entana manavesatra anao, dia atsipiny lavitra be, dia tsy ho hitanao intsony.” Tsy nila natahotra an’ilay mpamaly ra intsony ilay Israelita rehefa tonga tao amin’ny tanàna fialokalofana. Hoatr’izany koa isika. Rehefa avelan’i Jehovah ny fahotantsika, dia tsy tokony hatahotra intsony isika hoe mbola hampamoahiny amin’iny na hosaziny.—Vakio ny Salamo 103:8-12.

15, 16. Inona no anjara asan’i Jesosy, ary inona no nataony ho antsika? Nahoana izany no mahatonga anao hatoky kokoa ny famindram-pon’i Jehovah?

15 Natoky ny Israelita hoe mamindra fo i Jehovah. Isika kosa mbola manana antony lehibe kokoa atokisana an’izany. Rehefa avy nilaza i Paoly hoe tena nalahelo izy fa tsy nahavita nankatò tanteraka an’i Jehovah, dia hoy izy: “Hisaorana anie Andriamanitra, noho izy mamonjy ahy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika!” (Rom. 7:25) Inona no tiany holazaina? Marina fa nanao fahadisoana izy taloha, nefa efa nibebaka. Mbola nila niezaka ny tsy hanao ratsy koa izy. Natoky anefa izy hoe namela ny fahotany i Jehovah noho i Jesosy nanome ny vidim-panavotana. Afaka ny hanana feon’ny fieritreretana madio sy hilamin-tsaina koa isika, noho ny soron’i Jesosy. (Heb. 9:13, 14) Mpisoronabe izy ka ‘mahavonjy tanteraka an’ireo manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany.’ Eo foana izy mba hiangavy ho azy ireo. (Heb. 7:24, 25) Ny mpisoronabe no nanampy ny Israelita hahazo toky hoe namela ny fahotan’izy ireo i Jehovah. I Jesosy mihitsy anefa no lasa Mpisoronabe, ka vao mainka isika matoky fa “hahazo famindram-po ary hanehoana hatsaram-panahy tsy manam-paharoa, mba hahazoana fanampiana amin’ny fotoana mety.”—Heb. 4:15, 16.

16 Mila mino ny soron’i Jesosy àry ianao, raha tianao hatao fialofanao i Jehovah. Aza mieritreritra hoe natao ho an’ny olona amin’ny ankapobeny fotsiny ny vidim-panavotana. Mila matoky kosa ianao hoe mahasoa anao mihitsy izy io. (Gal. 2:20, 21) Matokia fa hamela ny helokao i Jehovah noho ny vidim-panavotana, ary afaka manantena hiaina mandrakizay ianao noho izy io. Fanomezan’i Jehovah ho anao ny soron’i Jesosy.

17. Nahoana no tokony hataonao fialofanao i Jehovah?

17 Tena mamindra fo i Jehovah, rehefa jerena ny fandaharana nataony momba an’ireo tanàna fialokalofana. Hitantsika hoe masina ny aina aminy ary tena afaka matoky isika hoe mamela heloka izy. Hitantsika koa hoe ahoana no anampian’ny anti-panahy antsika, ary inona no atao hoe tena mibebaka. Ataonao fialofanao àry ve i Jehovah? Tsy misy fiarovana tsara noho izany! (Sal. 91:1, 2) Mbola hiresaka an’ireo tanàna fialokalofana isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka. Ho hitantsika hoe inona no hanampy antsika ho tia rariny sy hamindra fo toa an’i Jehovah.

^ feh. 10 Misy manam-pahaizana jiosy milaza fa angamba nanaraka an’ilay olona tany amin’ny tanàna fialokalofana ny vady aman-janany.