Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Avela Hisy Hahasakana Anao Tsy Hahazo An’ilay Loka!

Aza Avela Hisy Hahasakana Anao Tsy Hahazo An’ilay Loka!

“Aoka tsy hahasakana anareo tsy hahazo ny loka ny olona.”—KOL. 2:18.

HIRA: 122, 139

1, 2. a) Inona no antenain’ny mpanompon’Andriamanitra? b) Inona no hanampy antsika hifantoka amin’ilay loka? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

NANANTENA hahazo ny “lokan’ny fiantsoana” avy amin’Andriamanitra ny apostoly Paoly, ary toy izany koa ny Kristianina voahosotra. (Fil. 3:14) Faly izy ireo satria hiara-manjaka amin’i Jesosy Kristy any an-danitra, ary hiaraka aminy hanampy ny olona ho lasa lavorary. (Apok. 20:6) Tena tsara tokoa ny tanjona asain’Andriamanitra tratrarin’izy ireo. Ny ondry hafa kosa manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany, ary mahafaly azy ireo koa izany.—2 Pet. 3:13.

2 Tian’i Paoly hampiana ireo voahosotra toa azy mba tsy hivadika ka hahazo an’ilay loka. Hoy àry izy tamin’izy ireo: “Ataovy foana izay hifantohan’ny sainareo amin’ny zavatra any ambony.” (Kol. 3:2) Tsy maintsy notadidin’izy ireo foana ny fanantenany hiaina any an-danitra. (Kol. 1:4, 5) Ny vahoakan’i Jehovah rehetra mihitsy no mila misaintsaina ny fitahiana ampanantenainy, na ho any an-danitra izy ireo na ho eto an-tany. Hifantoka foana amin’ilay loka izy ireo amin’izay.—1 Kor. 9:24.

3. Inona no fampitandremana nomen’i Paoly ho an’ny mpiara-manompo taminy?

3 Noresahin’i Paoly koa ny zavatra mety hahatonga ny Kristianina tsy hahazo an’ilay loka. Nanoratra ho an’ny fiangonana tany Kolosia, ohatra, izy mba hitandrina amin’ny Kristianina sandoka. Mbola nanaraka ny Lalàn’i Mosesy mantsy izy ireny, satria izany no noheveriny fa hahazoana sitraka amin’Andriamanitra fa tsy ny finoana an’i Kristy. (Kol. 2:16-18) Niresaka zavatra hafa mety hahatonga ny Kristianina tsy hahazo an’ilay loka koa izy. Anisan’izany ny fijangajangana sy ny olana amin’ny mpiara-manompo ary ny olana ao an-tokantrano. Nanoro hevitra momba an’izany izy, ary tena ilaintsika ny toroheviny. Hojerentsika àry ny sasany amin’izany.

VONOY NY FANIRIAN-DRATSY

4. Nahoana ny fanirian-dratsy no mety hisakana antsika tsy hahazo an’ilay loka?

4 Rehefa avy nampahatsiahy an’ireo mpiray finoana taminy momba ny fanantenan’izy ireo i Paoly, dia nilaza hoe: “Vonoy ireo fironan-dratsy ao amin’ny rantsambatanareo, dia fijangajangana, fahalotoana, filan’ny nofo, fanirian-dratsy, ary ny fitsiriritana.” (Kol. 3:5) Tena mahery mantsy ny fanirian-dratsy, ka mety hahatonga antsika tsy hifandray tsara amin’i Jehovah sy tsy hahazo an’ilay loka. Resin’ny fanirian-dratsy, ohatra, ny rahalahy iray ka nijangajanga. Rehefa tafaraka tamin’ny fiangonana indray izy tatỳ aoriana, dia nitantara hoe: “Hoatran’ny hoe nisy hery matanjaka be nisintona ahy, dia efa tara loatra aho vao tonga saina.”

5. Inona no azontsika atao mba tsy hahatonga antsika hijangajanga?

5 Mety halaim-panahy tsy hankatò ny fitsipik’i Jehovah isika amin’ny toe-javatra sasany, ka amin’ireny indrindra no tena mila mitandrina. Vao manomboka miaraka, ohatra, ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray, dia mila mametraka fitsipika mazava hanampy azy ireo ho malina rehefa mifaneho fitiavana, ohatra hoe rehefa mifampikasika na mifanoroka. Mila mifanaraka koa izy ireo hoe rahoviana na rehefa aiza izy ireo no tsy tokony hiaraka irery. (Ohab. 22:3) Misy toe-javatra hafa koa mety hahatonga ny Kristianina halaim-panahy hijangajanga. Mety hitranga, ohatra, izany rehefa lasa any an-tany lavitra izy noho ny asany, na rehefa voatery miara-miasa amin’ny vehivavy izy nefa lehilahy, na ny mifamadika amin’izay. (Ohab. 2:10-12, 16) Inona àry no azonao atao raha izany no manjo anao? Ataovy fantatry ny olona hoe Vavolombelon’i Jehovah ianao. Miezaha hitondra tena tsara foana, ary tadidio fa mety ho ratsy be ny vokany raha miadaladala amin’olona tsy vadinao ianao. Tena mila mitandrina koa isika rehefa kivy na mahatsiaro ho manirery. Mety ho tena tiantsika mantsy amin’izay raha misy olona manao izay hahatsapantsika fa tena ilaina isika. Mety ho tena mafy ny mahazo antsika, ka na iza na iza hampahery antsika dia tsy hampaninona antsika. Raha sendra mitranga izany, dia mangataha fanampiana amin’i Jehovah sy ny mpiara-manompo, mba tsy hanaovanao zavatra hahatonga anao tsy hahazo an’ilay loka.—Vakio ny Salamo 34:18; Ohabolana 13:20.

6. Inona no tokony hotadidintsika rehefa mifidy fialam-boly?

6 Tsy tokony hanao fialam-boly manindrahindra fitondran-tena ratsy isika, raha tiantsika hesorina tanteraka ao amintsika ny fanirian-dratsy. Mampahatsiahy antsika ny zava-dratsy nataon’ny olona tany Sodoma sy Gomora ny ankamaroan’ny fialam-boly amin’izao. (Joda 7) Ataon’ny mpamorona fialam-boly izay hahatonga ny olona hieritreritra hoe ara-dalàna ny mijangajanga ary tsy misy vokany ratsy. Mila mitandrina foana àry isika, fa tsy hoe rehefa fialam-boly dia hataontsika daholo. Mila mifidy tsara isika sao ny fialam-boly ataontsika no hisakana antsika tsy hahazo fiainana mandrakizay.—Ohab. 4:23.

“MITAFIA” FITIAVANA SY HATSARAM-PANAHY

7. Inona no mety hitranga ao amin’ny fiangonana?

7 Faly isika satria anisan’ny fiangonana kristianina. Mianatra ny Tenin’Andriamanitra isika rehefa miara-mivory. Mifankatia koa isika ka mifanampy. Manampy antsika hifantoka amin’ilay loka izany rehetra izany. Mety ho diso fandray zavatra daholo anefa isika, ka mety hisy ny olana. Mety hitana lolompo isika raha tsy halamina haingana ilay izy.—Vakio ny 1 Petera 3:8, 9.

8, 9. a) Inona avy ny toetra hanampy antsika hahazo an’ilay loka? b) Inona no azontsika atao raha nisy mpiara-manompo nampahatezitra antsika?

8 Mety hisakana antsika tsy hahazo an’ilay loka ny lolompo. Inona àry no tokony hatao? Hoy i Paoly tamin’ny Kolosianina: “Mitafia fitiavana lalina sy fangoraham-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary fahari-po, satria olom-boafidin’Andriamanitra ianareo, sady masina no tiana. Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany. Namela tanteraka ny helokareo i Jehovah, koa aoka ianareo mba hifamela heloka koa. Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia fitiavana fa fatorana mampiray tonga lafatra izy io.”—Kol. 3:12-14.

9 Manampy antsika hifamela heloka ny fitiavana sy ny hatsaram-panahy. Raha nampahatezitra antsika, ohatra, ny nataon’ny Kristianina iray na ny zavatra nolazainy, dia azontsika tadidina hoe isika koa mba efa niteny na nanao zavatra nampalahelo olona. Be fitiavana sy tsara fanahy anefa izy dia namela antsika, ka azo antoka fa tena faly isika. (Vakio ny Mpitoriteny 7:21, 22.) Tena mankasitraka an’i Kristy isika satria tsara fanahy izy, ka nitaona antsika ho lasa mpanompon’i Jehovah sy hiray saina. (Kol. 3:15) Mitovy ny Andriamanitra ivavahantsika sy ny hafatra torintsika, ary ny ankamaroan’ny olana mahazo antsika. Vao mainka hiray saina sy hifantoka amin’ilay loka isika, raha be fitiavana sy tsara fanahy ary mifamela heloka.

10, 11. a) Inona no maharatsy ny mialona? b) Inona no hanampy antsika tsy hialona?

10 Mety hisakana antsika tsy hahazo an’ilay loka koa ny fialonana. Misy tantara mampiseho an’izany ao amin’ny Baiboly. Nialona an’i Abela rahalahiny, ohatra, i Kaina dia namono azy ho faty. I Kora sy Datana ary Abirama indray nialona an’i Mosesy ka nikomy taminy. Nialona an’i Davida i Saoly Mpanjaka dia nitady hamono azy. Tsy mahagaga raha milaza ny Baiboly hoe: “Eo amin’izay mialona sy tia mifanditra, dia misy korontana mbamin’ny zava-dratsy rehetra koa.”—Jak. 3:16.

11 Tsy ho mora mialona isika raha miezaka mafy mba ho be fitiavana sy ho tsara fanahy. Hoy ny Baiboly: “Ny fitiavana mahari-po sy tsara fanahy. Ny fitiavana tsy mialona.” (1 Kor. 13:4) Inona àry no azontsika atao mba tsy ho lasa be fialonana isika? Tsy maintsy miezaka hanana ny fomba fihevitr’i Jehovah isika, izany hoe hitadidy fa anisan’ny fiangonana daholo ireo rahalahy sy anabavy, toy ny rantsambatana amin’ny vatana iray. Hanampy antsika izany mba hanaraka ny torohevitry ny Baiboly hoe: “Raha misy rantsambatana omem-boninahitra, dia miara-mifaly aminy ny rantsambatana rehetra.” (1 Kor. 12:16-18, 26) Tsy hialona àry isika fa ho faly, rehefa mahazo zavatra tsara ny mpiara-manompo amintsika na misy zavatra tsara mitranga aminy. Tadidio i Jonatana, zanak’i Saoly Mpanjaka. Tsy nialona an’i Davida izy rehefa voatendry ho mpanjaka i Davida. Izy indray aza no nampahery azy. (1 Sam. 23:16-18) Nahoana àry raha miezaka ho tsara fanahy sy ho be fitiavana hoatran’i Jonatana?

ATAOVY IZAY HAHAZOANAO SY NY FIANAKAVIANAO AN’ILAY LOKA

12. Inona no torohevitry ny Baiboly azon’ny fianakaviana arahina mba hahazoany an’ilay loka?

12 Hifankatia tsara sy ho sambatra ary hahazo an’ilay loka ny fianakaviana, raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. Izao, ohatra, ny torohevitra nomen’i Paoly ho an’ny fianakaviana: “Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo fa zavatra mety izany eo imason’ny Tompo. Ianareo lehilahy, tiavo foana ny vadinareo ary aza tezitra mafy aminy. Ianareo zanaka, ankatoavy amin’ny zava-drehetra ny ray aman-dreninareo, fa ankasitrahana eo anatrehan’ny Tompo izany. Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, mba tsy ho kivy izy.” (Kol. 3:18-21) Tsy hitanao hoe mahasoa ny mpivady sy ny ankizy ve izany?

13. Inona no azon’ny anabavy atao mba hanampiana ny vadiny ho lasa mpanompon’i Jehovah?

13 Anabavy angamba ianao ary tsy mpanompon’i Jehovah ny vadinao. Ahoana no hataonao raha tsy mety ny fomba itondrany anao? Hihatsara ve ny fifandraisanareo raha tezitra ianao dia miady aminy? Na atao aza hoe lasa manao izay tianao izy, hahasarika azy hanompo an’i Jehovah ve izany? Azo antoka fa tsia. Fa ahoana indray raha manaja azy ianao, satria izy no lohan’ny fianakaviana? Hilamina kokoa ny tokantranonareo sady hanome voninahitra an’i Jehovah ianao. Mety ho voatarika hanompo an’i Jehovah mihitsy aza ilay vadinao, ka mety ho samy hahazo an’ilay loka ianareo.—Vakio ny 1 Petera 3:1, 2.

14. Inona no tokony hataon’ny rahalahy manambady tsy Vavolombelona raha tsy manaja azy ny vadiny?

14 Ary ahoana indray raha rahalahy ianao ary tsy mpanompon’i Jehovah ny vadinao? Ahoana no hataonao raha tsy manaja anao izy? Mety hanaja anao kokoa ve izy raha mivazavaza aminy ianao, mba hampisehoana hoe ianao no sefo? Mazava ho azy fa tsia. Tian’Andriamanitra ho be fitiavana hoatran’i Jesosy ny loham-pianakaviana. (Efes. 5:23) Tsara fanahy sy manam-paharetana foana i Jesosy, lohan’ny fiangonana. (Lioka 9:46-48) Mety hanompo an’i Jehovah àry ny vadinao, any aoriana any, raha manahaka an’i Jesosy ianao.

15. Inona no azon’ny rahalahy atao mba hampisehoana fa tiany ny vadiny?

15 Izao no torohevitr’i Jehovah ho an’ny lehilahy manambady: “Tiavo foana ny vadinareo ary aza tezitra mafy aminy.” (Kol. 3:19) Manome voninahitra ny vadiny ny lehilahy be fitiavana. Henoiny tsara, ohatra, izy rehefa maneho hevitra, ary omeny toky hoe zava-dehibe aminy izay lazainy. (1 Pet. 3:7) Marina fa tsy ho afaka hanao an’izay lazain’ilay vehivavy foana izy. Ho tsara kokoa anefa matetika ny fanapahan-kevitra raisiny, raha manontany ny heviny izy aloha. (Ohab. 15:22) Tsy manery ny vadiny hanaja azy ny lehilahy be fitiavana, fa manao izay azo atao mba ho mora aminy ny hanaja azy. Raha tia ny vady aman-janany izy, dia azo inoana kokoa hoe ho falifaly izy ireo manompo an’i Jehovah ka hahazo an’ilay loka.

Inona no azontsika atao mba tsy hahasakana antsika tsy hahazo an’ilay loka ny olana ao an-tokantrano? (Fehintsoratra 13-15)

RY TANORA, ATAOVY IZAY HAHAZOANA AN’ILAY LOKA

16, 17. Raha tanora ianao, inona no hanampy anao tsy ho sosotra loatra amin’ny dada sy mamanao?

16 Ahoana indray raha tanora ianao, ary hoatran’ny tsy mahatakatra tsara ny hevitrao sy ny fihetseham-ponao ny dada sy mamanao, na hentitra be loatra aminao? Mety ho sosotra ianao ka hieritreritra hoe aleo tsy manompo an’i Jehovah. Inona anefa no hitranga raha miala amin’i Jehovah ianao? Tsy maintsy ho tonga saina ianao hoe tsy misy tena tia anao mihoatra noho ny ray aman-dreninao sy ny fiangonana.

17 Eritrereto koa izao: Azo lazaina hoe tena tia anao ve ny dada sy mamanao, raha tsy manitsy anao mihitsy? (Heb. 12:8) Mety tsy ho izany anefa no mahasosotra anao, fa ny fomba anitsiany anao. Miezaha àry mba tsy hiasa saina be amin’izany. Eritrereto hoe misy antony angamba matoa izy ireo manao an’izany. Miezaha ho tony, ary aza entim-po be raha misy zavatra itenenany anao. Hoy ny Baiboly: “Manana ny tena fahalalana ny olona mahafehy ny vavany, ary tony ny olona mahay manavaka.” (Ohab. 17:27) Ataovy tanjona ny ho lasa matotra tsara, ka ho tony rehefa toroana hevitra, ary tsy hiady saina be amin’izay fomba nanomezana an’ilay izy fa handray lesona. (Ohab. 1:8) Tombontsoa be ny manana ray aman-dreny tena tia an’i Jehovah. Azo antoka fa te hanampy anao hahazo an’ilay loka izy ireo.

18. Nahoana ianao no tapa-kevitra ny hifantoka foana amin’ilay loka?

18 Tena tsara be ny hoavy miandry antsika, na manantena hiaina mandrakizay any an-danitra isika na ao amin’ny paradisa eto an-tany. Azo antoka fa ho tanteraka izany, satria ny Mpamorona mihitsy no efa nampanantena. Nilaza izy fa “ho feno fahalalana an’i Jehovah ny tany” amin’ny hoavy. (Isaia 11:9) Mba eritrereto ange izany e! Ny olona rehetra eto an-tany no hampianarin’Andriamanitra. Loka faran’izay tsara izany ka tena tokony hiezaka mafy hahazo an’izany isika. Tadidio foana àry izay nampanantenain’i Jehovah, ary aza avela hisy hahasakana anao tsy hahazo an’ilay loka.