Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mihirà Amin’ny Fo!

Mihirà Amin’ny Fo!

“Tsara ny mihira fiderana ho an’Andriamanitsika.”—SAL. 147:1.

HIRA: 10, 2

1. Manampy antsika hanao inona ny hira?

NISY mpamoron-kira malaza nilaza hoe: ‘Mahatonga anao ho lasa eritreritra ny tononkira. Ny feon-kira indray mahatonga anao ho falifaly na halahelo. Rehefa hiraina kosa ny tononkira, dia sady manohina ny fo no mampieritreritra.’ Inona àry no tononkira tsara indrindra? Tsy ny tononkira iderana an’i Jehovah sy ilazana ny fitiavantsika azy ve? Tsy mahagaga raha anisan’ny ampahany lehibe amin’ny fanompoantsika an’i Jehovah ny hira, na mihira irery isika na miaraka amin’ny fiangonana.

2, 3. a) Ahoana no fahitan’ny olona sasany ny hoe mihira miaraka amin’ny fiangonana? b) Inona no fanontaniana hodinihintsika?

2 Tianao ve ny mihira rehefa miara-mivory ny fiangonana, sa mahamenatra anao? Mahasadaikatra ny lehilahy ny mihira eny imason’olona, any amin’ny kolontsaina sasany. Mety hifindra amin’ny fiangonana izany toe-tsaina izany, indrindra raha tsy sahy mihira ny anti-panahy, na manao zavatra hafa mandritra ny hira.—Sal. 30:12.

3 Raha tena miaiky isika hoe anisan’ny fanompoana an’i Jehovah ny hira, dia hiezaka isika mba ho eo mandritra ny hira ary handray anjara amin’ilay izy. Tsy hivoaboaka koa isika amin’io fotoana io. Eritrereto àry izao: ‘Ahoana no fiheverako ny hira atao any am-pivoriana? Inona no azoko atao raha tsy sahy mihira eny imason’olona aho? Inona no afaka manampy ahy hihira amin’ny fo?’

ANISAN’NY FANOMPOANA AN’I JEHOVAH

4, 5. Inona no fandaharana natao momba ny hira tamin’ny andron’ny Israelita?

4 Efa hatry ny ela ny mpanompon’i Jehovah no nihira mba hiderana azy. Tena zava-dehibe tamin’ny Israelita ny hira tamin’izy ireo mbola tsy nivadika tamin’i Jehovah. Rehefa nandamina ny fanompoana hatao tao amin’ny tempoly, ohatra, i Davida Mpanjaka, dia nanendry Levita 4000 mba hihira fiderana. “Nampianarina hihira ho an’i Jehovah” ny 288 tamin’ireo, ‘ka tena nahay.’—1 Tan. 23:5; 25:7.

5 Betsaka koa ny feon-kira sy hira natao rehefa notokanana ny tempoly. Hoy ny Baiboly: ‘Raha vao indray niredona hira fiderana sy fisaorana an’i Jehovah ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, eny, raha vao nanandra-peo izy ireo ka nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona sy ny zavamaneno ary nidera an’i Jehovah, dia feno ny voninahitr’i Jehovah ny tranon’Andriamanitra.’ Azo antoka fa nanatanjaka ny finoan’ny Israelita izany.—2 Tan. 5:13, 14; 7:6.

6. Inona no fandaharana manokana nataon’i Nehemia?

6 Nanendry Levita hihira sy hitendry zavamaneno koa i Nehemia, tamin’izy niandraikitra ny fanamboarana ny mandan’i Jerosalema. Nisy hira manokana nataon’izy ireo tamin’ny fitokanana azy io, ka nahafinaritra be ilay izy. Nisy “antoko mpihira roa mpanao hira fisaorana” tamin’izay. Nandeha teny ambony manda ry zareo sady nihira. Ny iray niankavanana ary ny iray niankavia, dia avy eo ry zareo nihaona teo akaikin’ny tempoly mba hampiara-peo. Re hatrany lavitra be ilay hira. (Neh. 12:27, 28, 31, 38, 40, 43) Azo antoka fa faly i Jehovah nandre ny mpanompony nafana fo erỳ nihira fiderana ho azy.

7. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa ampahany lehibe amin’ny fanompoana an’i Jehovah ny hira?

7 Mbola ampahany lehibe tamin’ny fanompoana an’i Jehovah ny hira tamin’ny andron’i Jesosy. Eritrereto ange izay nitranga tamin’ilay alina niavaka indrindra teo amin’ny tantara e! Nanao hira maromaro hiderana an’i Jehovah i Jesosy sy ny mpianany tamin’izay, taorian’ny Sakafo Harivan’ny Tompo.—Vakio ny Matio 26:30.

8. Nahoana ny Kristianina voalohany no modely ho antsika amin’ny resaka hira?

8 Modely ho antsika koa ny Kristianina voalohany, satria niara-nihira fiderana an’Andriamanitra. Tsy trano nirenty be hoatran’ny tempoly no nivorian’izy ireo, fa tranon’olona. Nafana fo foana anefa izy ireo rehefa nihira ho an’i Jehovah. Nilaza tamin’ny mpiara-manompo taminy ny apostoly Paoly hoe: “Mifampianara sy mifananara mandrakariva amin’ny salamo sy ny fiderana an’Andriamanitra ary ny hira mahafinaritra momba an’Andriamanitra, ka mihirà amin’ny fo ho an’i Jehovah.” (Kol. 3:16) “Hira mahafinaritra momba an’Andriamanitra” no ao amin’ny fihiranantsika, ary tokony hankasitraka an’i Jehovah isika rehefa mihira azy ireny. Anisan’ny sakafo ara-panahy omen’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” izy ireny.—Mat. 24:45.

INONA NO HANAMPY ANAO HIHIRA AMIN’NY FO?

9. a) Inona no mety hahatonga antsika tsy hihira amin’ny fo rehefa any am-pivoriana na any amin’ny fivoriambe? b) Inona no tokony hatao rehefa mihira fiderana ho an’i Jehovah, ary iza no tokony ho modely amin’izany? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

9 Tsy zatra mihira angamba ianao sy ny fianakavianao, na tsy dia fanao any amin’ny firenena misy anao izany. Angamba koa ianao mampitaha ny feonao amin’ny feon’ireo mpihira matihanina ao amin’ny radio na tele na Internet, dia lasa mahamenatra anao ny mihira na tsy tianao ny feonao. Andraikitsika rehetra anefa ny mihira fiderana ho an’i Jehovah. Ataovy ambony tsara àry ny fihirananao, dia atrakao tsara ny lohanao, ary mihirà amin’ny fo manontolo. (Ezra 3:11; vakio ny Salamo 147:1.) Aseho amin’ny efijery ny tonon’ny hirantsika, any amin’ny Efitrano Fanjakana maro, ka afaka mihira tsara ny mpanatrika. Nasiana hira koa ny fandaharana amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana, natao ho an’ny anti-panahy. Midika izany fa tokony ho modely ho an’ny fiangonana izy ireo rehefa mihira any am-pivoriana.

10. Inona no tokony hotadidintsika raha tsy sahy mihira mafy isika?

10 Ny tahotra koa no mahatonga ny olona maro tsy hihira mafy. Matahotra angamba izy ireny hoe sao hiavaka be ny feony, na mieritreritra izy hoe ratsy feo. Eritrereto anefa izao: ‘Manao fahadisoana imbetsaka isika rehetra’ rehefa miteny, nefa tsy mahasakana antsika tsy hiteny izany. (Jak. 3:2) Dia ahoana izany raha mieritreritra isika hoe ratsy feo? Tokony hisakana antsika tsy hidera an’i Jehovah ve izany?

11, 12. Inona avy no azo atao raha te hahay hihira isika?

11 Tsy sahy mihira koa angamba isika satria mieritreritra hoe tsy mahay mihira. Misy zavatra tsotsotra azontsika atao anefa raha te hahay hihira kokoa isika. *

12 Hatanjaka sy ho mafy tsara ny feonao raha mahay mifoka rivotra ianao. Ny herinaratra, ohatra, no mampirehitra ny jiro. Ny fofonaina koa no mahatonga ny feonao hatanjaka tsara rehefa miteny ianao na mihira. Tokony ho hoatran’ny hamafin’ny feonao rehefa miteny na mafimafy kokoa noho izany ny feonao rehefa mihira. (Jereo ny soso-kevitra ao amin’ny boky Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, pejy 181 hatramin’ny 184, ao amin’ilay hoe “Mahaiza mifoka rivotra tsara.”) Mampirisika ny mpanompon’i Jehovah mihitsy aza ny Soratra Masina indraindray mba ‘hihoby’, izany hoe hihira mafy rehefa midera an’i Jehovah.—Sal. 33:1-3.

13. Inona no azontsika atao raha tsy te hatahotahotra isika rehefa mihira?

13 Andramo atao irery izao na rehefa manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana: Mifidiana hira iray amin’ny hira tianao indrindra ao amin’ny fihiranantsika. Vakio mafy ny tonony iray manontolo, ary aza matahotahotra mihitsy. Tonòny indray miaraka avy eo ny teny rehetra eo amin’ny andalana tsirairay, ary aza ampidinina ny feonao. Hirao ilay andalana iray iny avy eo, ary ataovy mafy foana ny feonao. (Isaia 24:14) Hihamatanjaka ny feonao amin’izay. Tsy tokony hampatahotra na hahamenatra anao izany, satria midika izany hoe mihatsara ny feonao.

14. a) Nahoana no ilaina sokafana tsara ny vava rehefa mihira? (Jereo ilay hoe “ Fomba Hanatsarana ny Feo.”) b) Inona amin’ireo soso-kevitra hanatsarana feo no hitanao hoe mety aminao?

14 Tsy hivoaka tsara ny feonao raha tsy sokafanao tsara ny vavanao. Rehefa mihira àry ianao, dia ataovy misokatra kokoa ny vavanao fa aza atao hoatran’ny rehefa miteny. Ahoana anefa raha ambany kely ny feonao na mikarantsana be? Misy soso-kevitra azo arahina ao amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy 184, ao amin’ilay efajoro hoe “Fanatsarana ny Feo Misy Tsininy.”

MIHIRÀ AMIN’NY FO

15. a) Inona no nampandrenesina tamin’ny fivoriana fanao isan-taona tamin’ny 2016? b) Nahoana no nohavaozina ny fihiranantsika?

15 Nampandrenesina tamin’ny 2016 fa hisy fihirana vaovao havoaka tsy ho ela mba hampiasaina rehefa mivory. Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah no lohateniny. Ny Rahalahy Stephen Lett, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nilaza an’izany tamin’ilay fivoriana fanaon’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenan’i Pennsylvanie. Faly be ny mpanatrika tamin’izay. Nohazavainy hoe nohavaozina ny fihiranantsika, satria nohavaozina Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny anglisy. Tsy maintsy nesorina na nahitsy izay tononkira nisy teny tsy hita ao amin’io Baiboly io intsony. Nampiana hira vaovao momba ny fitoriana sy ny vidim-panavotana koa ilay izy. Te hamoaka fihirana faran’izay tsara ny Filan-kevi-pitantanana, satria ampahany lehibe amin’ny fanompoantsika an’i Jehovah ny hira. Natao mitovy amin’ny fonon’ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao àry ny fonon’ilay fihirana.

16, 17. Inona no fanatsarana natao tamin’ny fihiranantsika?

16 Nalahatra arakaraka ny foto-kevitra ny hira ao amin’ilay fihirana vaovao mba ho mora ampiasaina ilay izy. Momba an’i Jehovah, ohatra, ny hira 12 voalohany, ary momba an’i Jesosy sy ny vidim-panavotana ny hira 8 manarakaraka an’ireo. Misy fanondroana foto-kevitra any amin’ny pejy voalohandohany. Azo antoka fa tena hanampy izy io, ohatra hoe rehefa hifidy hira ny rahalahy manao lahateny ho an’ny besinimaro.

17 Nohatsaraina ny tononkira sasany mba ho mora azo kokoa. Nesorina koa ny teny efa tsy dia fampiasa intsony. Ho afaka hihira amin’ny fo isika rehetra amin’izay. Nisy novana koa ny lohateny. Novana hoe “Miezaha Hanam-paharetana”, ohatra, ilay hoe “Ny Fahari-po.” Nampifanarahina amin’izay koa ny tonony.

Mianara hira mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana (Fehintsoratra 18)

18. Nahoana no tokony hianarantsika tsara ny hira ao amin’ilay fihirana vaovao? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

18 Hoatran’ny vavaka ny ankamaroan’ny hira ao amin’ilay hoe Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah. Afaka manampy antsika hilaza izay ao am-pontsika amin’i Jehovah izy ireny. Ny hira sasany indray mandrisika antsika hanam-pitiavana sy hanao asa tsara. (Heb. 10:24) Tokony hianarantsika tsara àry ny feon’ireny hirantsika ireny sy ny gadony ary ny tonony. Azo atao, ohatra, ny mihaino an’ireo raki-kira misy olona mihira, ao amin’ny jw.org. Tsy hatahotahotra isika rehefa mihira sady hihira amin’ny fo raha mamerimberina ny hirantsika rehefa any an-trano. *

19. Inona no azon’ny rehetra atao mba hanompoana an’i Jehovah?

19 Tadidio àry fa ampahany lehibe amin’ny fanompoantsika an’i Jehovah ny hira. Ny hira no anisan’ny fomba tena tsara ampisehoantsika amin’i Jehovah hoe tiantsika izy ary ankasitrahantsika izay ataony ho antsika. (Vakio ny Isaia 12:5.) Raha mafana fo isika rehefa mihira, dia handrisika ny hafa hanao toy izany koa. Afaka manompo an’i Jehovah amin’ny alalan’ny hira isika rehetra, na tanora na antitra na vaovao. Aza misalasala mihira amin’ny fo àry, fa araho ny tenin’ilay mpanao salamo hoe: “Mihirà ho an’i Jehovah.”—Sal. 96:1.

^ feh. 11 Raha te hanatsara ny feonao ianao, dia jereo ilay lahatenin’ny Rahalahy David Splane hoe “Vonona Hihira An’ireo Hira Vaovao ve Ianao?”, ao amin’ny Tele JW (ao amin’ilay hoe VIDEO REHETRA > AVY ATỲ AMIN’NY STUDIO ).

^ feh. 18 Manomboka amin’ny mozika sy video ny fandaharana amin’ny fivoriambe rehetra, na amin’ny maraina na amin’ny tolakandro. Maharitra folo minitra ilay izy, ary mandrisika antsika hihira sy ho vonona hihaino tsara ny fandaharana. Tokony ho efa mipetraka àry isika alohan’ny hanombohan’ilay mozika sy video ary hanaraka tsara an’ilay izy.