Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Hovalian-tsoa ny Olona Malala-tanana”

“Hovalian-tsoa ny Olona Malala-tanana”

EFA hatry ny ela ny fanaovana sorona no anisan’ny ampahany lehibe amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Nanao sorona biby, ohatra, ny Israelita. Ny Kristianina indray manao “sorona fiderana”, ary efa nampahalaza azy ireo hatry ny ela izany. Misy sorona hafa mampifaly an’Andriamanitra koa anefa. (Heb. 13:15, 16) Mahafaly ny manao an’ireny sorona ireny sady ahazoana valisoa. Diniho ange ireto ohatra ireto e!

Tena te hanana zanakalahy i Hana, mpanompon’i Jehovah tsy nivadika. Tsy nety nanan-janaka anefa izy. Nivoady tamin’i Jehovah àry izy hoe raha miteraka lahy kely izy, dia homeny an’i Jehovah ilay zaza mba hanompo azy “mandritra ny androm-piainany.” (1 Sam. 1:10, 11) Bevohoka izy tatỳ aoriana ary niteraka lahy kely. Nataony hoe Samoela ny anarany. Rehefa nisara-nono ilay zaza, dia notanterahin’i Hana ny voadiny. Nateriny tany amin’ny tranolay masina i Samoela mba hanompo an’i Jehovah. Namaly soa an’i Hana i Jehovah satria nafoiny ho azy ny zanany na dia tena tiany aza. Mbola niteraka dimy izy, ary i Samoela indray lasa mpaminany sy mpanoratra Baiboly.—1 Sam. 2:21.

Afaka manahaka an’i Hana sy Samoela koa ny Kristianina ankehitriny, ka manokana ny fiainany hanompoana ny Mpamorona. Nampanantena i Jesosy hoe hahazo valisoa be dia be isika noho izay rehetra afointsika mba hanompoana an’i Jehovah.—Mar. 10:28-30.

Nanao sorona hanampiana ny hafa i Dorkasy, vehivavy kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Nalaza ho mpanao “asa soa” sy ‘niantra ny mahantra’ izy. Narary anefa izy dia maty, ka nalahelo be ny fiangonana. Henon’ny mpianatr’i Jesosy hoe tao amin’ilay tanàna nisy an-dry zareo i Petera, ka niangaviany ho tonga avy hatrany. Faly be ry zareo avy eo satria natsangan’i Petera tamin’ny maty i Dorkasy. Io no fananganana amin’ny maty voalohany resahin’ny Baiboly hoe nataon’ny apostoly. (Asa. 9:36-41) Tsy nanadino ny sorona nataon’i Dorkasy Andriamanitra. (Heb. 6:10) Nosoratana ao amin’ny Baiboly izay nataony, amin’izay isika miezaka ny halala-tanana toa azy.

Modely ho antsika koa ny apostoly Paoly, satria tena tia niahy olona sady nahafoy fotoana hanampiana azy ireo. Hoy izy tamin’ireo Kristianina tany Korinto: “Raha ny amiko, dia ho faly tokoa aho hanome izay rehetra ananako sy hanao sorona tanteraka ny fiainako ho anareo.” (2 Kor. 12:15) Hitan’i Paoly tamin’ny zavatra niainany fa afa-po sady ankasitrahan’i Jehovah ary omeny valisoa ny olona mahafoy tena ho an’ny hafa.—Asa. 20:24, 35.

Faly àry i Jehovah rehefa mahafoy fotoana sy hery isika mba hanaovana ny asan’ilay Fanjakana sy hanampiana ny mpiray finoana amintsika. Afaka manome fanomezana an-tsitrapo koa anefa isika mba hanohanana an’io asa io. Ampiasaina mba hanitarana ny asa fitoriana maneran-tany ireny fanomezana ireny. Tafiditra amin’izany ny fanampiana ny misionera sy ny mpanompo manontolo andro manokana hafa. Ireny fanomezana ireny koa no ahafahana manomana sy mandika boky sy gazety ary video, manampy tra-boina, ary manorina Efitrano Fanjakana. Matokia fa “hovalian-tsoa ny olona malala-tanana.” Manome voninahitra an’i Jehovah koa isika rehefa omentsika azy ny zava-tsarobidy ananantsika.—Ohab. 3:9; 11:25.

^ feh. 11 Antsoina hoe fanomezana tsy misy fepetra ny vola na zavatra omenao, rehefa tsy misy fepetra lazainao momba an’ilay izy.