Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Te ho Tamana Tsara ao Amin’ny Fiangonana Nifindranao ve Ianao?

Te ho Tamana Tsara ao Amin’ny Fiangonana Nifindranao ve Ianao?

NIFINDRA any amin’ny 1400 kilaometatra avy any amin’ny tany niaviany i Allen, * ary miezaka ny ho tamana ao amin’ilay fiangonany vaovao. Hoy izy: “Niasa saina aho tamin’ny vao hifindra. Nieritreritra aho hoe mba ho tian-dry zareo ve aho, dia mba hahazo namana.”

Mety ho mbola tsy mahazo aina koa ianao raha vao nifindra fiangonana. Inona àry no hanampy anao ho tamana? Inona no azonao atao raha sarotra kokoa ilay hoe nifindra fa tsy araka ny nieritreretanao azy? Ary raha tsy nifindra fiangonana ianao, ahoana no azonao anampiana ny olona nifindra ao amin’ny fiangonanareo?

INONA NO HANAMPY ANAO HO TAMANA TSARA?

Rehefa afindra toerana ny hazo, dia tapahina ny ankamaroan’ny fakany mba hahatonga an’ilay izy ho mora afindra. Lasa malazolazo ilay hazo vokatr’izany. Rehefa tonga any amin’ny toerana amindrana azy ilay izy, dia tsy maintsy mamokatra fakany vaovao avy hatrany mba haniry tsara indray. Tsy mahazo aina koa angamba ianao ao amin’ilay fiangonanao vaovao. Toy ny hoe efa “namaka” tsara mantsy ianao tany amin’ilay fiangonanao taloha, satria nana-namana be dia be sady efa nanana ny fahazaranao teo amin’ny fanompoana. Tsy maintsy mamokatra “faka” vaovao àry ianao izao, mba hamaka tsara indray any amin’ilay fiangonana vaovao misy anao. Ho vitanao izany raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly ianao. Ireto misy santionany amin’izany:

“Ho toy ny hazo nambolena eo amoron’ny rano mikoriana” ny olona mamaky ny Tenin’Andriamanitra tsy tapaka. “Mamoa amin’ny fotoanany” izy, “ary tsy mba malazo ny raviny. Hahomby daholo izay ataony.”Sal. 1:1-3.

Mila rano tsy tapaka ny hazo raha tiana haniry tsara. Mila mivelona tsy tapaka amin’ny Tenin’Andriamanitra koa ny Kristianina, raha te hifandray tsara amin’i Jehovah foana. Tohizo àry ny fahazaranao mamaky Baiboly isan’andro, mivory tsy tapaka, manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, ary mianatra samirery. Mbola ilainao ao amin’ilay fiangonana nifindranao izay rehetra nanampy anao hifandray akaiky tamin’i Jehovah tany amin’ilay fiangonanao taloha.

“Izay manao soa be dia be, dia handray soa be dia be koa.”Ohab. 11:25.

Vetivety ianao dia hahazo aina kokoa sady ho zatra an’ilay fiangonana raha mazoto manompo. Hoy ny anti-panahy atao hoe Kevin: “Tonga dia nanao mpisava lalana mpanampy izaho sy ny vadiko tamin’izahay vao nifindra. Tena nanampy be anay izany. Vetivety izahay dia lasa nahafantatra tsara ny mpiara-manompo sy ny mpisava lalana ary ny faritaninay.” Nifindra any amin’ny 1600 kilaometatra mahery avy any amin’ny nisy azy i Roger. Hoy izy: “Miezaha hanompo matetika araka izay azo atao, fa izay no tena hanampy anao ho zatra an’ilay fiangonana nifindranao. Resaho koa ny anti-panahy hoe vonona hanao izay azo atao ianao, ohatra hoe manadio Efitrano Fanjakana, na misolo an’izay tsy afaka manao ny anjarany, na mitondra olona amin’ny fiaranao rehefa mivory. Rehefa hitan’ny mpiara-manompo hoe vaovao ianao nefa mahafoy tena hoatr’izany, dia hinamana aminao izy ireo.”

‘Halalaho ny fonareo.’2 Kor. 6:13.

Miezaha ho tia mpiara-manompo maro kokoa. Niezaka be nitady namana vaovao i Melissa sy ny fianakaviany tamin’izy ireo nifindra fiangonana. Hoy izy: “Niresaka tamin’ny mpiara-manompo izahay taloha sy taorian’ny fivoriana, dia afaka nitafatafa fa tsy hoe nifampiarahaba fotsiny.” Lasa vetivety dia tadidin-dry Melissa ny anaran’ny mpiara-manompo. Nanasa azy ireo hisakafo koa ry zareo ka vao mainka nifandray akaiky. Hoy ihany i Melissa: “Nifanome nomeraon-telefaonina izahay, amin’izay ry zareo afaka niantso anay rehefa nisy fandaharana ara-panahy na zavatra hafa nataon’ny fiangonana.”

Ahoana anefa raha tsy mahavantana anao ny miresaka amin’ny olona mbola tsy fantatrao? Zavatra tsotra aloha atao. Mitsikia fotsiny, ohatra, na dia tsy te hanao an’izany aza ianao. Hahatonga ny olona hanatona anao mantsy izany. “Mahafaly ny fo” rahateo ny mahita olona miramirana. (Ohab. 15:30) Nifindra lavitra be avy any amin’ny tanàna nahalehibe azy i Rachel. Hoy izy: “Saro-kenatra be aho. Tsy maintsy manery tena aho indraindray vao mahavita miresaka amin’ny ranadahy sy rahavavy ao amin’ilay fiangonana vaovao. Jerijereko anefa rehefa any am-pivoriana hoe iza no tsy miresaka amin’iza na iza fa mipetraka fotsiny, dia mandeha miresaka aminy aho. Mety ho saro-kenatra hoatr’ahy koa mantsy izy.” Sao dia mba azonao atao tanjona àry ny hoe miresadresaka amin’ny olona vaovao, aloha na aorian’ny fivoriana?

Mifanohitra amin’izany fa mety hahafinaritra be anao amin’ny voalohany ny miaraka amin’ny olona mbola tsy fantatrao. Mety tsy ho hoatr’izany intsony anefa no tsapanao rehefa mandeha ny fotoana. Mila miezaka ianao amin’izay mba hanohy hitady namana.

Lasa malazolazo ny hazo rehefa afindra. Lasa maniry fakany vaovao anefa izy rehefa ambolena indray

AVELAO HANDEHA NY FOTOANA

Elaela kokoa ny hazo sasany vao mamaka tsara rehefa afindra. Mila fotoana koa ny olona sasany vao zatra an’ilay fiangonany vaovao. Raha efa elaela àry ianao no nifindra fiangonana nefa mbola tsy zatra ihany, dia ireto misy toro lalana mety hanampy anao:

“Aoka isika tsy ho sasatry ny manao ny tsara, satria amin’ny fotoana voatondro no hijinjantsika raha tsy reraka isika.”Gal. 6:9.

Mety ho tsy nampoizinao hoe ho elaela kokoa ianao vao ho tamana. Avelao handeha àry ny fotoana. Maro amin’ireo misionera nanao Sekolin’i Gileada, ohatra, no mijanona any amin’ny tany nanendrena azy mandritra ny taona vitsivitsy, izay vao miverina kely any amin’ny tany niaviany. Manampy azy ireo izany mba hinamana amin’ireo mpiara-manompo any amin’ilay faritaniny vaovao sy ho zatra ny kolontsaina any.

Efa imbetsaka i Alejandro no nifindra fiangonana, dia fantany tsara hoe mila fotoana ny olona iray vao zatra ny fiangonany vaovao. Hoy izy: “Taorian’izahay nifindra fiangonana farany, dia niteny ny vadiko hoe any amin’ilay fiangonana taloha daholo ny namany.” Nampahatsiahivin’i Alejandro azy hoe efa niteny an’izany izy tamin’izy ireo nifindra, tamin’ny roa taona lasa. Niezaka nanampy ny mpiara-manompo anefa ilay vadiny, dia lasa mpinamana be ry zareo na dia tsy nifankahalala aza taloha.

“Aza manao hoe: ‘Fa nahoana re no tsara noho ny ankehitriny ny taloha e?’ Tsy fahendrena mantsy ny hametrahanao izany fanontaniana izany.”Mpito. 7:10.

Tsy dia miresaka angamba ilay fiangonanao vaovao na sahy kokoa milaza ny heviny, fa tsy hoatran’ilay fiangonanao taloha. Aleo anefa tsy mampitaha, fa aleo mifantoka amin’ny toetra tsaran’ny mpiara-manompo, hoatran’ny tianao hataon’izy ireo aminao ihany. Tsapan’ny rahalahy sy anabavy sasany vao nifindra fa tena nila nisaintsaina izy ireo hoe: ‘Tena tiako ve “ny rahalahy rehetra ao amin’ny finoana”?’—1 Pet. 2:17.

“Mangataha foana dia homena ianareo.” Lioka 11:9.

Mangataha foana fanampiana amin’i Jehovah. Hoy ny anti-panahy atao hoe David: “Aza zakaina samirery ilay izy fa mivavaha. Betsaka ny zavatra tsy ho vitantsika raha tsy eo i Jehovah.” Manaiky an’izany i Rachel, ilay noresahintsika tetsy aloha. Hoy izy: “Mahatsiaro izahay mivady indraindray hoe mbola tsy tena anisan’ny fiangonana. Rehefa mitranga izany, dia mivavaka amin’i Jehovah izahay hoe: ‘Mba ampahafantaro anay raha misy zavatra ataonay mahatonga ny olona hihafahafa aminay.’ Miezaka koa izahay mba hiaraka kokoa amin’ireo ranadahy sy rahavavy.”

Ry ray aman-dreny, raha tsy mety mana-namana ny zanakareo, dia miaraha mivavaka aminy. Ampio koa izy ireo hitady namana. Manaova zavatra ahafahany mifanerasera amin’ny mpiara-manompo.

RAISO TSARA IREO VAO NIFINDRA

Ary ahoana raha misy olona nifindra ao amin’ny fiangonanareo? Vao tonga izy dia ataovy namana. Eritrereto hoe inona no tianao hatao aminao raha ianao no mifindra fiangonana, dia izay atao aminy. (Mat. 7:12) Azonao asaina hiaraka aminareo, ohatra, izy rehefa manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana ianareo na rehefa mijery Tele JW na rehefa manompo. Asao hisakafo koa izy na tsotsotra aza ny sakafonareo. Hotsaroany foana hoe tena tia mandray vahiny ianao. Inona koa no azonao atao?

Hoy i Carlos: ‘Tamin’izahay vao tonga tao amin’ilay fiangonana, dia nisy anabavy nanoro anay hoe aiza avy no misy mpivarotra mora entana. Tena nanampy anay izany.’ Mety ho mafana be na mangatsiaka be na manorana matetika koa any amin’ny misy anareo, ka mety tsy hahazatra an’ilay mpiara-manompo. Mety ho faly be àry izy raha atoronao azy ny fomba fiakanjo amin’izany. Hanampy azy hahita vokatra kokoa amin’ny fanompoana koa ianao, raha resahinao aminy ny mombamomba ny faritany itoriana sy ny zavatra inoan’ny olona.

TSY HO VERY MAINA NY EZAKA ATAONAO

Herintaona mahery izay no nifindra fiangonana i Allen, ilay noresahintsika tetsy aloha. Hoy izy: “Nila niezaka be aho tamin’ny voalohany mba hifankahalala tsara tamin’ny mpiara-manompo. Faly anefa aho izao fa lasa hoatran’ny fianakaviako mihitsy ry zareo.” Hitan’i Allen fa tsy hoe very namana izy rehefa nifindra. Vao mainka aza izy nahazo namana vaovao, ary mety ho mpinamana mandrakizay ry zareo.

^ feh. 2 Novana ny anarana sasany.