Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Azontsika Omena An’i Jehovah?

Inona no Azontsika Omena An’i Jehovah?

HOY i Jesosy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asa. 20:35) Marina izany na i Jehovah aza ilay omentsika. Efa nanome zavatra be dia be ho antsika izy, ary mahasambatra antsika izay nomeny. Raha isika anefa no manome ho azy, dia vao mainka isika ho sambatra. Inona àry no azontsika omena? Hoy ny Ohabolana 3:9: “Manomeza voninahitra an’i Jehovah amin’ireo zava-tsarobidy anananao.” Anisan’ny “zava-tsarobidy” ny fotoana, ny fahaizana, ny hery, ary ny vola sy ny fananana. Manome ho an’i Jehovah isika rehefa mampiasa an’ireo mba hanompoana azy. Tena sambatra isika rehefa manao an’izany.

Inona no hanampy antsika tsy hanadino hanome ho an’i Jehovah avy amin’ny volantsika sy ny fananantsika? Nanoro hevitra an’ireo Kristianina tany Korinto ny apostoly Paoly hoe mila ‘manokana vola’ hatao fanomezana izy ireo. (1 Kor. 16:2) Misy fomba maromaro azonao anaovana fanomezana. Araho ny toromarika eto ambany, raha te hahita fanazavana bebe kokoa momba an’izany ianao.

Tsy afaka manao fanomezana amin’ny alalan’ny Internet ianao, any amin’ny firenena sasany. Misy fomba hafa azo anaovana fanomezana anefa, ary manazava an’izany ny pejy momba ny fanomezana ao amin’ny jw.org. Misy lahatsoratra mamaly ny fanontaniana fametraky ny olona momba ny fanomezana koa ao amin’io pejy io, any amin’ny tany sasany.